2010–2019
Ny fisoronana sy ny vavaka ataon’ny tena manokana
Aprily 2015


Ny fisoronana sy ny vavaka ataon’ny tena manokana

Afaka manome antsika hery ao amin’ny fisoronana Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mety hisy antsika. Izany dia mitaky antsika fotsiny hangataka amim-panetrentena.

Feno fankasitrahana aho noho ny fanomezam-pitokiana ahy hiresaka amin’ireo mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra manerana an’izao tontolo izao. Mahatsapa ny havesatr’izany fahafahana hiresaka izany aho satria mahafantatra zavatra mikasika ny fahatokiana izay napetrak’ Andriamanitra aminareo. Noho ny fanekenareo ny fisoronana dia nandray ny zo hiteny sy hanao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra ianareo.

Rehefa mandray fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra ihany ianareo vao lasa tanteraka marina izany zo izany. Amin’izay fotoana izay ihany ianareo vao afaka hiteny amin’ny anarany. Ary amin’izay fotoana izay ihany ianareo vao afaka manao asa amin’ny anarany. Mety efa diso hevitra ianareo nieritreritra hoe: “Ô, tsy dia sarotra akory izany. Afaka mahazo fitaomam-panahy foana aho raha asaina manao lahateny na raha mila manome tsodranon’ny fisoronana.” Na mety mampionon-tena ny diakona na mpampianatra tanora amin’ilay eritreritra hoe: “Rehefa lehibe aho na rehefa antsoina ho misiônera vao hahalala ny zavatra holazain’ Andriamanitra sy ny zavatra hataon’ Andriamanitra.”

Kanefa eritrereto ny andro izay tsy maintsy hahalalanareo ny zavatra holazain’ Andriamanitra sy ny zavatra izay hataony. Efa sendra an’izany isika rehetra—na aiza na aiza misy anareo eo amin’ny antsonareo ao amin’ny fisoronana. Lehibe tao amin’ny faritra vitsy mponina tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia aho nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nifanalavitra ny fonenan’ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary hentitra ny fitsitsiana solika tamin’izany. Izaho no hany diakona tao amin’ilay sampana. Nomen’ireo mpikambana ny filohan’ny sampana ny valopy nisy ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina rehefa tonga hanatrika fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona tao an-tranonay izy ireo.

Rehefa feno 13 taona aho dia nifindra tany Utah izahay mba hiaina tao amin’ny paroasy lehibe iray. Tsaroako ny nampandraiketana ahy voalohany handeha hitety trano hanangona ireo fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina. Nojereko ilay anarana teo amin’ny iray tamin’ireo valopy izay nomena ahy ka tsikaritro fa nitovy tamin’ny anaran’ny iray tamin’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ilay anarana. Koa nodondoniko tamim-pahatokiana ilay varavarana. Nosokafan’ilay lehilahy ny varavarana ka nijery ahy izy, dia sorena ka nivazavaza nandroaka ahy handeha. Nandeha niala teo aho, tamim-pahakiviana.

Tokony ho 70 taona lasa no nitrangan’izany, kanefa mbola tsaroako ilay fahatsapana nananako teo amin’ilay tokonam-baravarana tamin’io andro io hoe nisy zavatra izay tokony ho nolazaiko sy ho nataoko. Raha mba nivavaka tamim-pinoana mantsy aho rehefa nandeha nivoaka tamin’io andro io dia mety ho voataona hijoro nandritra ny fotoana lavalava kokoa teo amin’io tokonam-baravarana io ka nitsiky sy nilaza zavatra toy ny hoe: “Faly mahafantatra anao aho. Misaotra anao noho ny zavatra izay efa nomenao sy ny fianakavianao hatrizay. Manantena ny hihaona aminao indray aho amin’ny volana ambony.”

Raha niteny sy nanao izany aho dia mety ho vao mainka tezitra bebe kokoa izy—ary mety ho tohina mihitsy aza. Kanefa fantatro ankehitriny izay mety ho fahatsapako tamin’izany. Tsy ho nahatsapa alahelo na tsy fahombiazana aho rehefa nandeha niala teo, fa mety ho nahatsapa tao an-tsaiko sy tao am-poko ilay fiderana malefaka hoe “Tsara ny zavatra nataonao.”

Tsy maintsy miteny sy manao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra isika rehetra amin’ny fotoana izay tsy mahampy ny fahaizantsika mandanjalanja tsisy fanampiana raha tsy misy fitaomam-panahy. Mety hanjo antsika ireny toe-javatra ireny rehefa tsy misy fotoana hiomanana. Matetika aho no tratran’izany. Nitranga izany taona maro lasa izay tany amin’ny hôpitaly iray izay nilazan’ny raim-pianakaviana iray tamiko sy ny mpiara-mamangy tamiko fa nilaza taminy ny mpitsabo fa ho faty ao anatin’ny minitra vitsivitsy ny zanany vavy telo taona izay tena naratra mafy tokoa. Rehefa nametraka ny tanako teo amin’ilay hany faritra teo amin’ny lohany izay tsy nisy bandy aho dia tsy maintsy nila nahafantatra, amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra ahy, izay ho nataony sy ho nolazainy.

Tonga tao an-tsaiko sy teo am-bavako ireo teny hoe ho velona izy. Nitrerona sady rikoriko ilay mpitsabo nijoro teo akaikiko ary nangataka ahy hiala teo. Nandeha nivoaka an’io efitranon’ny hôpitaly io aho nanana fahatsapana fiadanana sy fitiavana. Velona ilay ankizy vavy kely ka nandeha tamin’ny lalantsara nankao amin’ny fivoriana fanasan’ ny Tompo izy tamin’ny andro farany nipetrahako tao amin’io tanàna io. Mbola tsaroako foana ny hafaliana sy ny fahafahampo tsapako noho ny zavatra izay nolazaiko sy nataoko teo am-panompoana ny Tompo ho an’io zazavavy kely io sy ny fianakaviany.

Ny maha-samy hafa ny fahatsapako tao amin’ilay hôpitaly sy ny alahelo izay tsapako rehefa nandeha niala an’ilay tokonam-baravarana fony aho diakona dia avy amin’ny zavatra nianarako momba ny fifandraisan’ny vavaka sy ny herin’ny fisoronana. Fony aho mbola diakona dia mbola tsy nahalala fa mitaky fanambarana ny hery ahafahana miteny sy manao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra. Ary ny fananana izany amin’ny fotoana ilana azy dia mitaky vavaka sy asa amim-pinoana mba hanana ny Fanahy Masina.

Ny hariva talohan’ny nandehanako tany amin’io varavarana io mba haka ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina dia nanao ny vavaka fanaoko aho alohan’ny hatory. Fa nandritra ny herinandro sy volana maromaro talohan’ny nahatongavan’ilay antso an-telefaonina avy tany amin’ny hôpitaly dia efa nisy fomba fivavaka narahako ary efa nanao ilay ezaka izay nampianarin’ny Filoha Joseph F. Smith fa hahafahan’ Andriamanitra hanome antsika ny fitaomam-panahy ilaina mba hananana hery ao amin’ny fisoronana aho. Tsotra ny fomba nilazany izany nanao hoe:

“Tsy voatery hitalaho aminy amin’ny teny maro isika. Tsy voatery handreraka azy amin’ny vavaka lava be isika. Ny zavatra ilaintsika, sy ny zavatra tokony hataontsika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, mba hahasoa antsika, dia ny mankeo anoloany matetika, ny mijoro ho vavolombelona aminy fa mahatsiaro azy isika sy vonona ny hitondra ny anarany eo amintsika, ny hitandrina ny didiny, ny hiasa amim-pahamarinana, ary koa fa iriantsika mba hanampy antsika ny Fanahiny.”1

Ary avy teo ny Filoha Smith dia nilaza tamintsika izay tokony hangatahantsika amin’ny vavaka, amin’ny maha-mpanompony antsika izay nahavita fianianana fa hiteny sy hanao asa ho an’ Andriamanitra. Hoy izy: “Inona no angatahinareo amim-bavaka? Mivavaka ianareo mba ho eken’ Andriamanitra, mba hahafahany mandre ny vavakareo, ary mba hanomezany anareo ny Fanahiny.”2

Tsy dia ny fisafidianana ny teny izay ampiasaina loatra no zava-dehibe kanefa hitaky faharetana izany. Fomba fanatonana ny Rainareo any An-danitra izany miaraka amin’ny fikasana ny ho ekeny manokana. Andriamanitra ambonin’ny zava-drehetra Izy, Rain’ny rehetra, kanefa vonona hanome lanja tanteraka ny iray amin’ireo zanany. Izay angamba no antony nahatonga ny Mpamonjy nampiasa ireo teny hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.”3

Mora kokoa ny mahazo fahatsapana fitsaohana marina rehefa mandohalika ianao na manondrika ny lohanao, kanefa mety azo atao ny mahatsapa fa manatona ny Rainao any An-danitra ianao amin’ny fomba tsy dia mahazatra loatra, eny mety amin’ny vavaka mangina mihitsy aza, izay matetika no ilaintsika hatao. Hisy tabataba sy olona maro manodidina anao amin’ny ankabeazan’ny tontolo andro maha-taitra anao. Ren’ Andriamanitra ny vavaka mangina ataonao, kanefa tsy maintsy mianatra ny manakana ireo fandrebirebena ianao satria mety tsy ho tonga amin’ny fotoana mangina ny fotoana ilanao ny fifandraisana amin’ Andriamanitra.

Nanome sosokevitra ny Filoha Smith fa ilainao ny mivavaka mba ho eken’ Andriamanitra ny antsonao hanompo Azy. Efa fantany hatramin’ny antsipiriany ny mikasika ny antsonao. Izy no niantso anao, ary rehefa mivavaka Aminy ianao mikasika ny antsonao dia hanambara zavatra maro kokoa aminao Izy mba ho fantatrao.4

Hanome ohatra iray ho anareo aho momba ny zavatra izay azon’ny mpampianatra isan-tokantrano atao rehefa mivavaka. Mety efa fantatrareo fa ianareo dia tokony:

“[Hamangy] ny tranon’ny mpikambana tsirairay, [hanentana] azy hanao tonom-bavaka sy hivavaka mangina ary hiatrika ny adidy rehetra ao amin’ny fianakaviana …

“… [Hitandrina] mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ary ny [hiaraka] amin’izy ireo sy ny [hanatanjaka] azy;

“Ary ny [hijery] mba tsy hisy heloka ao amin’ny fiangonana, na fifanamafisam-po, na fandaingana, na fifosana, na fitenenan-dratsy;

“Ary ny [hanao] izay hiarahan’ny fiangonana mivory matetika, ary koa ny [hanao] izay hahatontosan’ny mpikambana rehetra ny andraikiny.”5

Ankehitriny, na dia ho an’ireo mpampianatra isan-tokantrano efa za-draharaha sy ny mpiara-miasa zandriny aza dia tena mazava tsara fa tsy azo tanterahina izany raha tsy misy ny fanampian’ny Fanahy Masina. Saintsaino kely ny mikasika ireo fianakaviana na ireo olona izay nasaina hotompoinareo. Tsy ho ampy raha ny fahendren’ny olombelona sy ny fikasana tsara fotsiny.

Koa dia hivavaka ianareo mba hahitana ny fomba hahafantarana ny ao am-pon’izy ireo, mba hahafantarana ny zavatra izay tsy mety eo amin’ny fiainana sy ny fon’ny olona izay tsy fantatrareo tsara nefa tsy maniry ny ho fantatrareo. Hilainareo ny mahalala ny zavatra tian’ Andriamanitra hataonareo mba hanampiana azy ireo sy hanaovanareo izany araka izay azonareo atao sady mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo.

Noho ianareo manana antso lehibe sy sarotra ao amin’ny fisoronana no nahatonga ny Filoha Smith nanoro hevitra hoe rehefa mivavaka ianareo dia mitalahoa amin’ Andriamanitra mandrakariva ny mba hitahiany anareo amin’ny Fanahiny. Hila ny Fanahy Masina ianareo, tsy indray mandeha ihany fa imbetsaka araka izay hanomezan’ Andriamanitra izany anareo, mba ho namanareo lalandava izany. Izany no antony mahatonga antsika tsy maintsy mivavaka mandrakariva mba hitarihan’ Andriamanitra antsika eo amin’ny fanompoantsika ny zanany.

Koa satria ianareo tsy afaka mahatratra ny fahafaha-manaonareo ao amin’ny fisoronana raha tsy miaraka aminareo ny Fanahy dia tena kendren’ny fahavalon’ny fahasambarana rehetra ianareo. Raha toa ka afaka maka fanahy anareo izy hanota dia afaka mampihena ilay hery ahafahanareo ho tarihin’ny Fanahy, ka hampihena ny herinareo ao amin’ny fisoronana izany. Izay no antony nahatonga ny Filoha Smith nilaza fa tokony hivavaka mandrakariva ianareo mba hampitandreman’ Andriamanitra anareo sy hiarovany anareo amin’ny ratsy.6

Mampitandrina antsika amin’ny fomba maro Izy. Anisan’ny drafitry ny famonjena ny fampitandremana. Samy mampiakatra feo fampitandremana avokoa ireo mpaminany, apôstôly, filohan’ny tsatòka, eveka ary misiônera mba hialana amin’ny antambo amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, sy ny fibebahana ary ny fanaovana fanekempihavanana masina sy ny fitandremana izany.

Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana anao, dia natao ho mpandray anjara amin’ilay feo fampitandreman’ny Tompo ianao. Saingy mila manaraka ilay fampitandremana aloha ianao. Tsy ho velona ara-panahy ianao raha tsy misy ny fiarovana azo noho ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao andavanandro.

Tsy maintsy mangataka izany amin’ny alalan’ny vavaka ianao ary miezaka ny hanana izany. Amin’ny alalan’io fitarihana io ihany no hahafahanao mahita ny lalanao eo amin’ilay lalana ety sy tery izay mamakivaky ny zavon’ny haizina. Ny Fanahy Masina no ho mpitarika anao rehefa manambara ny fahamarinana Izy amin’ny fotoana handalinanao ny tenin’ny mpaminany.

Hitaky mihoatra noho ny fihainoana sy famakiana tsindraindray fotsiny ny fahazoana izany fitarihana izany. Mila mivavaka ianao sy miezaka am-pinoana mba hampilatsaka ny tenin’ny fahamarinana ao am-ponao. Tsy maintsy mivavaka ianao mba handrotsahan’ Andriamanitra ny Fanahiny aminao, mba hitarihany anao ho any amin’ny fahamarinana rehetra sy hampisehoany anao ny lalana marina. Izany no fomba hampitandremany anao sy hitahiany anao amin’ny lalana marina eo amin’ny fiainanao sy ao amin’ny asa fanompoanao ao amin’ny fisoronana.

Ny Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany dia manome fahafahana lehibe mba hamelana ny Tompo hanamafy orina ny herinao amin’ny fanompoana ao amin’ny fisoronan’ Andriamanitra. Afaka miomana ianao, tahaka ny azoko antoka fa nataonao tamin’ity fihaonambe ity, amin’ny alalan’ny vavaka. Afaka manakambana ny finoanao ianao amin’ireo izay hivavaka mandritra ny fihaonambe. Hivavaka izy ireo mba hirotsahan’ny fitahiana maro amin’ny olona maro.

Hivavaka izy ireo mba hirotsahan’ny Fanahy amin’ny mpaminany, amin’ny maha-mpitondratenin’ny Tompo azy. Hivavaka izy ireo ho an’ireo Apôstôly sy mpanompo rehetra izay nantsoin’ Andriamanitra. Tafiditra ao anatin’izany ianareo, manomboka amin’ny diakona izay vaovao indrindra ka hatramin’ny mpisorona avo izay efa be traikefa, sy ny sasany, na antitra na ny tanora, izay mety handeha tsy ho ela any amin’ny tontolon’ny fanahy, izay toerana handrenesany ny hoe “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”7

Io fiarahabana io dia hiantefa amin’ ireo olona sasany izay tsy hanampo izany. Mety tsy mbola nitana anjara fanompoana avo mihitsy izy ireo tao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra tety an-tany. Mety nahatsapa ny sasany fa zara raha nahita vokatra kely tamin’ny asa nataony na tsy nomena fahafahana hanompo na oviana na oviana. Ny hafa indray dia mety hahatsapa fa nafohezina kokoa noho izay nandrandrainy ny halavan’ny fotoana nanampoany teto amin’ity fiainana ity.

Tsy ny anjara fanompoana izay notanana na ny fotoana nanompoana no hanan-danja eo amin’ny mizanan’ny Tompo. Fantatsika izany tao amin’ny fanoharan’ny Tompo mikasika ireo mpiasa tao amin’ny tanimboaloboka, izay nahitana fa nitovy ny karama na hafiriana na hafiriana ny fotoana nanompoany, na taiza izany na taiza. Homena valisoa araka ny fomba nanompoany izy ireo.8

Mahalala lehilahy iray aho izay namako akaiky, ary nifarana omaly tamin’ny 11 alina ny fotoana nanompoany teto amin’ny fiainana an-tany teto amin’ity tanimboaloboka ity. Notsaboina nandritra ny taona maro izy noho ny homamiadana. Nandritra ireo taona nitsaboana azy sy niaretany fanaintainana sy fahasarotana mafy ireo no nanekeny antso iray hanao fivoriana sy ho tompon’andraikitra amin’ny mpikambana maro ao amin’ny paroasiny izay lasa nandao ny tokantranony ny zanany, ka ny sasany tamin’ireo dia mananotena. Ny antsony dia ny hanampy azy ireo hahita fampiononana amin’ny fiaraha-monina sy ny fianarana ny filazantsara.

Rehefa reny ilay tombantombana mahonena farany fa hoe fotoana fohy sisa no hahavelomany dia tsy teo an-toerana ny evekany fa lasa namita iraka noho ny asa fandraharahany. Roa andro taty aoriana dia nandefa hafatra tany amin’ny evekany izy tamin’ny alalan’ny mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo misy azy. Toy izao no nolazainy mikasika ny asa nampandraiketina azy: “Fantatro fa tsy eto an-toerana ny eveka, koa dia manao asa aho. Mieritreritra ny hanao fivoriana ho an’ny vondrontsika aho amin’ny Alatsinainy izao. Afaka mitondra anay hitsidika ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ny mpikambana anankiroa. Afaka mampiasa mpikambana sasantsasany isika mba hitondra azy ireo amin’ny fiara ary Skoto vitsivitsy hanosika ny seza misy kodiarana. Arakaraka ny isan’ny olona misoratra anarana fa mety ho betsaka ihany ireo olona be taona hiaraka aminay ka mety ho vitanay samirery ihany izany, nefa tsara ihany ny mahafantatra fa manana olona fanampiny izay afaka hanampy izahay raha ilaina izany. Mety ho lasa takarivan’ny mpianakavy tsara koa io ho an’ireo mpanampy raha entiny ihany koa ny fianakaviany. Na izany aza, ilazao ihany aho alohan’ny hametrahako ilay drafitra. … Misaotra.”

Ary avy teo dia nanampoka an’ ilay eveka ny antso an-telefaonina nataony. Tsy nilaza akory ny toe-pahasalamany izy na ny ezaka feno herimpo nataony teo amin’ny asa nampandraiketina azy fa nanontany izy hoe: “Ry eveka, sao dia misy zavatra azoko atao ho anao?” Ny Fanahy Masina no hany afaka namela azy hahatsapa ny enta-mavesatr’ilay eveka, na dia navesatra taminy tokoa aza ny azy. Ary ny Fanahy no hany nahafahany nanao drafitra hanompoana ny rahalahiny sy ny anabaviny miaraka amin’ilay fitandremana mitovy amin’izay fampiasany rehefa manomana ireo hetsiky ny Skoto fony izy mbola tanora.

Raha mivavaka am-pinoana, dia afaka manome antsika hery ao amin’ny fisoronana Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mety hisy antsika. Izany dia mitaky antsika fotsiny hangataka amim-panetrentena ny Fanahy mba hampiseho antsika ny zavatra tian’ Andriamanitra holazaintsika sy hataontsika, hanao izany tokoa, ary mitozo miaina ho mendrika izany fanomezana izany.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa velona sy tia antsika ary mihaino izay vavaka rehetra ataontsika Andriamanitra Ray. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa i Jesoa no ilay Kristy velona, ary ny Sorompanavotany no ahafahantsika ho voadio ka ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa indray andro any isika, noho ny finoantsika sy ny fahazotoantsika dia afaka ny handre ireo teny izay hitondra fifaliana ho antsika izay manao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”9 Mivavaka aho mba hahazoantsika izany fitahiana mahafinaritra izany avy amin’ilay Tompo izay tompointsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.