2010–2019
Miverina amin’ny finoana
Aprily 2015


Miverina amin’ny finoana

Ny tsirairay amintsika dia afaka mampahatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny diantsika manokana ka hahita fifaliana.

Amin’izao marain’ny Paska izao dia feno fankasitrahana isika mihaino ny feon’ny mpaminany velona antsika, ny Filoha Monson. Mankatelina ny teninao izahay, anisan’izany ny torohevitrao manao hoe: “Mahita fifaliana ao amin’ny dia”1 sy ny hoe “Mazava toy ny finoanareo ny hoavy.”2

Amin’ity taona ity ny ankizy ao amin’ny Kilonga dia mizara ny fifaliana sy ny fahazavan’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy rehefa mihira ny hira hoe: “Fantatro fa tia ahy ny Mpamonjy Ahy.” Mihira ny fahamarinana izy ireo: “Koa satria velona Izy! Izaho mba te hanaraka Azy koa.”3 Toy ny kilonga, ny tsirairay avy amintsika dia afaka mampahatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny diantsika manokana sy hahita fifaliana.

Nihaino reny vao herotrerony iray izay nizara ny ampahany tamin’ny dian’ny fiovam-pony aho vao haingana, nandritra ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana indray alahady. Lehibe tato anatin’ny Fiangonana izy niaraka tamin’ny ray aman-dreny izay nampianatra azy ny filazantsara. Nanatrika ny Kilonga sy ny Zatovovavy ary ny seminera izy. Tia nianatra sy namantatra ireo fahamarinana izy. Ny hahafantatra ny antony nitrangan’ny zavatra hatrany no fanontaniany. Niteny ny Loholona Russell M. Nelson hoe: “Ny saina mangataka ihany no azon’ny Tompo ampianarina.”4 Ary azo nampianarina izany zatovovavy izany.

Nandeha nianatra tany amin’ny oniversite iray izy taorian’ny lycée, nofehezina tany amin’ny tempoly tamin’ny misiônera niverina iray izy ary nahazo zanaka mahafinaritra.

Nanohy nametraka fanontaniana niaraka tamin’ny fanahin’ny fanontaniana ity renim-pianakaviana ity. Kanefa rehefa nihasarotra ireo fanontaniana dia nihasarotra koa ireo valiny. Indraindray aza tsy nisy valim-panontaniana mihitsy—na tsy nisy valim-panontaniana izay nitondra fiadanana. Rehefa nikatsaka hahazo valim-panontaniana izy taty aoriana dia betsaka kokoa ireo fanontaniana nipoitra ka nanomboka niahiahy momba ireo tena fototry ny finoany izy.

Nandritra izany fotoam-pisalasalana izany dia nisy ireo sasany tamin’ny manodidina azy no niteny hoe: “Miankìna fotsiny amin’ny finoako.” Kanefa nieritreritra izy hoe: “Tsy afaka manao izany aho. Tsy takatrareo mihitsy; tsy miaina ireto olana ireto ianareo.” Nanazava izy hoe: “Vonona hampiseho fahalalam-pomba tamin’ireo izay tsy nanana ahiahy aho, raha toa ka hampiseho fahalalam-pomba amiko izy ireo.” Ary betsaka no nanao izany.

Hoy izy hoe: “Fantatry ny ray aman-dreniko ny foko ary betsaka no tsy nanadala ahy firy momba izany olana izany. Nisafidy ny hitia ahy izy ireo raha niezaka namaha izany manokana aho.” Nihaona matetika tamin’ity reny vao herotrerony ity toy izany koa ny evekany ka niresaka momba ny fahatokisany azy.

Tsy nisalasala nampiseho fitiavana ihany koa ireo mpikambana tao amin’ny paroasy, ary tsapany ho mpikambana tao izy. Tsy paroasy niezaka ny hiseho ho tonga lafatra ny paroasiny; fa toerana fikolokoloana izany.

“Tena nahavariana izany,” hoy izy nahatsiaro. “Nahatsapa fifandraisana marina tamin’ny ray aman-dreniko izay efa nodimandry aho nandritra izany fotoana izany. Nanohana ahy sy namporisika ahy hiezaka hatrany izy ireo. Tsapako toy ny niteny izy ireo hoe: ‘Mifantoha amin’izay zavatra fantatrao.’”

Nanjary nalaina izy na dia teo aza ny andian’olona maro izay nanohana azy. Niteny izy hoe: “Tsy nampisaraka ny tenako tamin’ny Fiangonana aho noho ny fitondrantena ratsy, tsy firaharahiana momba ny zavatra ara-panahy, fitadiavana fialan-tsiny tsy hiainana ny didy, na fitadiavana fomba tsotra iray handaminana ny olako. Nahatsapa aho fa nila namaly ilay fanontaniana hoe: ‘inona marina no inoako?’”

Tamin’ny fotoana toy izao dia namaky boky misy ny rakitsoratr’i Mère Théresa izay nizara fahatsapana nitovy tamin’izany izy. Nanoratra i Mère Théresa tao anatin’ny taratasy iray tamin’ny 1953 hoe: “Miangavy aho mba hivavahana manokana ho ahy mba tsy hanimbako ity asa ity sy mba hanehoan’ny Tompo ny Tenany—satria misy haizina mahatsiravina ao anatiko, tahaka ny maty avokoa ny zavatra rehetra. Tahaka izany hatrany izany, indraindray betsaka, indraindray kely hatramin’ny fotoana nanombohako ‘ilay asa.’ Mivavaha amin’ny Tompo mba hanome risimpo ho ahy.”

Namaly ny Arseveka Périer hoe: “Mitarika anao Andriamanitra, ry Reny malala; tsy ao anatin’ny haizina araka ny eritreretinao ianao. Mety tsy hazava avy hatrany ny lalana arahina. Mangataha fahazavana; aza manapa-kevitra maimaika, henoy izay lazain’ny hafa, saintsaino ny hevitr’izy ireo. Hahita zavatra hanampy anao hatrany ianao. … Ampy ny anananao rehefa tarihin’ny finoana amin’ny alalan’ny vavaka sy amin’ny alalan’ny fomba fandinihana mazava ianao.”5

Nieritreritra ilay namako fa raha toa ka afaka nanaraka ny fivavahany tsy nanana ny valim-panontaniana rehetra sy tsy nanana fahatsapana mazava ny amin’ny zavatra rehetra i Mère Théresa, dia angamba afaka manao izany koa izy. Afaka namindra indray mandeha tamim-pinoana fotsiny izy—dia namindra indray avy eo. Nifantoka tamin’ireo fahamarinana ninoany izy ka namela ireo fahamarinana ireo hanenika ny sainy sy ny fony.

Rehefa nieritreritra ny zava-nitranga izy dia niteny hoe: “Nanjary toy ny lavenona ny fijoroana ho vavolombelona nananako. May avokoa izany rehetra izany. Ny hany sisa tavela dia i Jesoa Kristy.” Notohizany hoe: “Kanefa tsy mamela anao Izy rehefa manana fanontaniana ianao. Misokatra malalaka ny varavarana rehefa misy olona miezaka mitandrina ny didy. Manjary manan-danja fatratra ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina.”

Ny dingana voalohany mba hanorenany indray ny finoany dia ny manomboka amin’ireo fahamarinana fototry ny filazantsara. Nividy fihirana ho an’ny Kilonga izy ary nanomboka namaky ny tonon’ireo hira. Nanomboka tiany ireo hira ireo. Nangataka finoana izy mba hanaisotra ilay enta-mavesatra tsapany.

Nianatra izy fa rehefa nahita teny nambara izay nahatonga azy hiahiahy izy dia “afaka niato izy, nieritreritra ny fifandraisan’izany tamin’izay efa fantany, ka nisaintsaina ny fiantraikan’izany lafin’ny filazantsara izany teo amin’ny fiainany.” Niteny izy hoe: “Nanontany aho hoe: ‘Ity ve no lalana ho ahy sy ny fianakaviako?’ Nanontany tena aho indraindray hoe: ‘Inona no tiako ho an’ny zanako?’ dia fantatro fa tiako hanana fanambadiana any amin’ny tempoly izy ireo. Tamin’izay no niverina tao am-poko ny finoana.”

Niteny ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “[Ho] singa ao amin’ny fikatsahana ny fahamarinana rehetra hatrany ny fanentrentena sy finoana ary ny fitaoman’ny Fanahy Masina.”6

Na dia nanana fanontaniana momba ny nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna azy izy dia tsy nandà ireo fahamarinana fantany tao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Nifantoka tamin’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao izy mba hahatakarana bebe kokoa ny Mpamonjy. “Kanefa taty aoriana,” hoy izy dia “nirotsaka tao amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna indray aho satria tiako ny zavatra tsapako rehefa namaky momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany aho.”

Nofaranany hoe: “Mila manana ny traikefanao manokana amin’ireo fahamarinana ao anatin’izany boky izany ianao,” ary nanana izany izy. Nanazava izy hoe: “Namaky tao amin’ny Môsià aho ary nahatsapa ho notarihana tanteraka: ‘Minoa an’ Andriamanitra; minoa fa misy Izy, ary Izy no nahary ny zava-drehetra …; minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra sy ny fahefana rehetra, na any an-danitra na ety an-tany; minoa fa ny olona dia tsy mahatakatra ny zava-drehetra izay azon’ ny Tompo takarina.’7

Tamin’izany fotoana izany dia nahazo antso ho mpitendry pianô ao amin’ny Kilonga izy. “Toerana azo antoka izany,” hoy izy. “Tiako ho ao amin’ny Kilonga ny zanako, ary afaka miaraka amin’izy ireo aho izao. Ary tsy mbola vonona ny hampianatra aho.” Rehefa nanompo izy dia nitohy nahatsapa ny fanasana avy amin’ireo izay nanodidina azy manao hoe: “Avia, te hanatona anao izahay na aiza na aiza dingana misy anao amin’ny ara-panahy, ary hiara-hiasa aminao amin’ny dingana misy anao izahay. Omeo anay izay azonao atolotra.”

Rehefa nitendry ireo hiran’ny Kilonga izy dia nieritreritra matetika hoe: “Izany ireo fahamarinana tiako. Mbola afaka mijoro ho vavolombelona ihany aho. Holazaiko fotsiny ireo zavatra izay haiko sy hatokisako. Mety tsy ho fanatitra lavorary amin’ny fahalalana izany, saingy izany no ho fanatitro. Mivelatra ao anatiko ny zavatra ifantohako. Mahafinaritra ny miverina mifantoka indray amin’ireo lafin’ny filazantsara ka mahatsapa fahazavana.”

Rehefa nihaino ity rahavavy zandry ity aho tamin’izay alahady maraina izay, rehefa nizara ny tantaran’ny diany izy dia tsaroako fa “eo ambonin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika” no tsy maintsy hanorenantsika rehetra ny fototra iorenantsika.8 Tsaroako ihany koa ny torohevitry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Mifikira amin’izay efa fantatrareo ary mijoroa mafy mandra-pahatongan’ny fahalalana fanampiny.”9

Fantatro amim-paharisihana kokoa tamin’ny lesona nozarainy fa tonga ny valin’ireo fanontaniana amin-kitsimpo ananantsika rehefa mikatsaka amin-kafanam-po sy miaina ny didy isika. Tsaroako fa afaka manampy antsika hino ireo zavatra izay tsy mitombina amin’ny eritreritsika ny finoantsika.

Ary tena te ho toa an’ireo izay nanodidina ity reny vao herotrerony ity aho, be fitiavana sy nanohana azy. Araka ny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Mpivahiny isika rehetra, izay mikatsaka ny fahazavan’Andriamanitra eo am-pandehanana amin’ilay lalana izoran’ireo mpianatry ny Tompo. Tsy manameloka ny hafa isika noho ny habetsaky ny fahazavana izay mety ananany na tsy ananany; fa kolokolointsika kosa, ary amporisihintsika izay fahazavana rehetra mandra-pahatongan’izany ho mazava sy mamiratra ary marina.”10

Rehefa mihira ny “La prière d’un enfant” ny Kilonga dia manontany izy ireo hoe: “Ray any An-danitra ô, tena ao ve Ianao? Ary henonao sy valianao ve ny vavaky ny ankizy rehetra.”11

Mety hanontany tena koa isika hoe: “Tena ao ve ny Ray any An-danitra?” mba hifaliana fotsiny—tahaka ny nataon’ilay namako—rehefa tonga ao anatin’ny fahatokiana mangina sy tsotra ireo valim-panontaniana. Mijoro ho vavolombelona aho fa tonga ireo fahatokiana tsotra ireo rehefa manjary ho ny sitrapony no sitrapontsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa eto ambonin’ny tany ny fahamarinana ankehitriny ary hita ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny filazantsarany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Mahita ifaliana ao amin’ny dia,” Liahona, nôv. 2008, 85.

  2. Thomas S. Monson, “Aza matahotra,” Liahona, mey 2009, 92.

  3. “Fantatro fa Velona ny Mpamonjy ahy,” ao amin’ny Fantatro fa Velona ny Mpamonjy ahy: 2015 Rindran-damina ho an’ny Fotoana Ifanakalozana (2014), 29.

  4. Russell M. Nelson, tao amin’ny M. Russell Ballard, “What Came from Kirtland” (Takariva amorom-patana tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 6 nôv. 1994); speeches.byu.edu.

  5. Ao amin’ny Mother Teresa: Come Be My Light: The Private Writings of the Saint of Calcutta, boky navoakan’i Brian Kolodiejchuk (2007), 149–50; nampanarahana fenitra ny mari-tsoratra.

  6. Jeffrey R. Holland, “Be Not Afraid, Only Believe” (takariva niarahana tamin’ny Loholona Jeffrey R. Holland, 6 feb. 2015); lds.org/broadcasts.

  7. Môsià 4:9.

  8. Jereo ny Helamàna 5:12.

  9. Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, Mino aho,” Liahona, mey 2013, 94.

  10. Dieter F. Uchtdorf, “Mandray fijoroana ho vavolombelona ny fahazavana sy ny fahamarinana,” Liahona, nôv. 2014, 22.

  11. “La prière d’un enfant,” Chant pour les enfants, 12.