2010–2019
Mikatsaka ny Tompo
Aprily 2015


Mikatsaka ny Tompo

Rehefa manao izay hampalalim-paka ny fahatakarantsika momba ny Mpamonjy isika dia hanana faniriana mitombo mba hiaina amim-pifaliana sy finoana fa misy izany fifaliana.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, fifaliana lehibe ny ijoroako eto anoloanareo eto am-piarahantsika mandray anjara amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana ity. Fitahiana tsy voafatra ho an’ny Rahavavy Teixeira sy ho an’ny fianakavianay ary ho ahy ny fihainoana ireo teny mifono fahendrena, torohevitra, fankaherezana ary fampitandremana nomena nandritra ireo fihaonamben’ny Fiangonana tao anatin’ny taona maro.

Amin’izao vanim-potoana miavaka ao anatin’ny taona izao, indrindra amin’ity Sabatan’ny Paska ity, dia mila misaintsaina momba ny maha-zava-dehibe ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ny ohatra feno hatsaram-panahy sy fitiavana nasehony teo amin’ny fiainako aho.

Hanome antsika fanantenana lehibe kokoa amin’ny hoavy sy fahatokian-tena bebe kokoa amin’ny fanatanterahana ireo tanjontsika izay tsara ny fanakarana lalina kokoa ny momba an’i Jesoa Kristy, na dia eo aza ny tsy fahatomombanantsika. Hanome antsika koa faniriana bebe kokoa hanompo ny mpiara-belona amintsika izany.

Niteny ny Tompo hoe: “[Katsaho] Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”1 Fikatsahana atao isan’andro, ezaka manan-danja ny fikatsahana ny Tompo sy ny fahatsapana ny maha-eo Azy.

Ry rahalahy sy ranabavy, amin’izao fotoana izao isika dia manana fahafahana sy loharano miavaka bebe kokoa eo am-pelatanantsika noho ny tamin’ny fotoana hafa mba hanaovana izay hampahalalim-paka ny fahatakarantsika ireo fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Hanampy antsika hiaina fiainana mamokatra feno fifaliana ny fampiasana ireny loharano ireny.

Niteny ny Mpamonjy tao amin’ny fanoharana momba ny voaloboka sy ny sampany hoe: “Tomoera Amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray Amiko.”2

Rehefa mahatakatra bebe kokoa ny anjara asa miavaka ananan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika isika dia vao mainka isika mahatakatra ny tanjontsika eto ambonin’ny tany, dia ny hanana fifaliana. Izany fifaliana izany anefa dia tsy manakana antsika tsy hiaina fitsapana sy olana, ny sasany aza tena lehibe sy sarotra ka mety hitarika antsika hieritreritra fa tsy misy ny fifaliana ao anatin’ny toe-javatra toy izany.

Fantatro tamin’ny alalan’ny zavatra niainako manokana fa afaka mitohy ny fifaliana avy amin’ny fiainana ao anatin’ny fahamarinana sy fitoerana ao amin’i Kristy na dia eo aza ireo fahoriana izay fahita mahazatra eto amin’ny fiainana an-tany. Matetika ireny fahoriana ireny no mampivelatra, manefy ary mitarika antsika hahazo fahatakarana lalina kokoa momba ny tanjon’ny fisiantsika ety an-tany sy momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny farany.3

Hoy Izy: “Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray Amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa hianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.”4

Mino aho fa rehefa manao izay hampalalim-paka ny fahatakarantsika momba ny Mpamonjy isika dia hanana faniriana mitombo mba hiaina amim-pifaliana sy finoana fa misy izany fifaliana izany. Hanana fahafahana lehibe kokoa isika vokatr’izany mba hiaina isan’andro miaraka amin’ny faharisihana bebe kokoa hiatrika ny fiainana sy hitandrina ireo didin’ Andriamanitra, na ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza.

Aoka tsy ho avelantsika ho amin’ny rahampitso izay azontsika atao anio. Izao isika no tsy maintsy manatona an’i Kristy satria “raha mino [Azy Isika], dia hilofo raha mbola atao hoe anio izany.”5

Tokony hieritreritra mba hirotsaka ao anatin’ny fifaneraserana matetika amin’ireo fampianaran’i Kristy isika isan’andro. Ny fihetsika sy asa kely sy tsotra atao isan’andro dia:

  1. Hampahalalim-paka ny fahatakarantsika momba ny maha-zava-dehibe ny Tompo eo amin’ny fiainantsika, sy

  2. Hanampy antsika hizara izany fahatakarana izany amin’ny taranaka vao misondrotra, izay azo antoka fa hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy Zanany, rehefa mahita ny ohatra asehontsika amin’ny fiainana ny filazantsara amin-kitsimpo izy ireo.

Koa inona ary ny sasany amin’ireo fitondrantena tsotra amin’izao fotoana maoderina izao izay hanjary ho balsama ho an’ny fanahintsika amin’ny fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Kristy sy ny asa nanirahany Azy?

Sary
Woman on a train with a cell phone illuminating her face.

Tamin’ny taona 2014, ny fifaninana sary nataon’ny National Geographic dia naharay sary mihoatra ny 9.200 ho entina hifaninanana izay avy tamin’ny mpaka sary matihanina sy mpankafy avy tamin’ny firenena mihoatra ny 150. Ny sary nandresy dia nampiseho vehivavy iray eo afovoan’ny fiaran-dalamby feno mpandeha. Manazava ny tarehiny ny hazavana avy amin’ny findainy. Mampita hafatra mazava ho an’ireo mpandeha hafa izy hoe: na dia eo aza izy ara-batana dia tsy tena eo izy.6

Nanova be ny fomba fiainantsika eto amin’izao tontolo izao sy ny fomba fifandraisantsika amin’ny hafa ny données mobiles, smartphone, ary ireo tambazotra ifaneraserana.

Afaka mitondra ny tenantsika haingana any amin’ny toerana sy hetsika izay manaisotra antsika haingana eo amin’izay zavatra manan-danja mba hananana fiainana feno fifaliana maharitra ity vanim-potoana hampiasana ireo fitaovana nomerika ity.

Ny fotoana hampiasana internet, raha toa ka tsy voafehy dia lasa hanome lanja ambony kokoa ny fifandraisana amin’ireo olona izay tsy fantatsika na tsy mbola nifanena tamintsika noho ny amin’ireo olona izay miara-miaina amintsika—ny fianakaviantsika manokana!

Amin’ny lafiny iray dia fantatsika rehetra fa manana loharano tena tsara azontsika jerena en ligne isika, anisan’izany ireo izay narafitry ny Fiangonana, toy ny lahatsoratra sy ny horonampeon’ny soratra masina sy ny fihaonamben’ny Fiangonana, ireo horonantsary navoaka momba ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy, ny application mba hiraketana ny tantaran’ny fianakaviantsika ary ireo fahafahana hihaino hira manentana ny fanahy.

Misy fiantraikany lehibe ireo safidy sy laharampahamehana ataontsika mandritra ny fotoana hampiasantsika ny internet. Afaka mamaritra ny fivoarantsika ara-panahy sy ny fahamatorantsika ao amin’ny filazantsara ary ny faniriantsika hitondra anjara biriky amin’ny fanaovana izay hahatsara kokoa izao tontolo izao izany ary hiaina fiainana mahomby kokoa.

Noho ireo antony ireo aho anio dia te hilaza fahazarana tsotra anankitelo izay hanorina fomba fampiasana amim-pahendrena ny internet. Hampisy fandinihan-tena isan’andro izay ilaina mba hanakaikezantsika bebe kokoa an’ireo fampianaran’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ireo fahazarana ireo.

Fahazarana laharana 1: Tsidiho ireo tranonkala ôfisialin’ny Fiangonana ho loharanom-pahalalana

Hanampy antsika hiraiki-po hatrany amin’ireo fampianaran’ny filazantsara sy hamporisika ny fianakaviantsika sy ny namantsika mba hieritreritra sy hisaintsaina momba izay manan-danja indrindra ny fitsidihana matetika ireo loharano ireo isan-kerinandro.

Fahazarana laharana 2: Misoràta anarana amin’ireo tambazotra ifaneraserana ôfisialin’ny Fiangonana

Izany safidy izany dia hitondra eo amin’ny efijerinao ny votoatin-kevitra izay ilaina mba hampahalalim-paka ny fikarohanao sy ny fikatsahanao ny Tompo sy ireo fampianarany ary izany dia hampahatanjaka ny fanirianao mba hahatakatra ny filazantsara. Ary ny tena manan-danja indrindra dia hanampy anao hahatsiaro izay andrasan’i Kristy amin’ny tsirairay amintsika izany.

Tahaka ny hoe “tsy misy tany tsara raha tsy misy mpamboly tsara”7 dia tsy hisy vokatra tsara azo avy amin’ny internet koa raha tsy mifantina mialoha izay hotadiavin’ny rantsantanantsika sy ho tonga ao an’eritrerintsika isika.

Fahazarana laharana 3: Makà fotoana hanajanonana ny fitaovana entina mandehandeha anananareo

Tena mampahazo aina ny manajanona ireo fitaovana eletrônika ananantsika mandritra ny fotoana elaela kely ka mamaky soratra masina ho solon’izany na mifampiresaka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika. Indrindra amin’ny andron’ny Tompo, hihaino ny fiadanana tsapa avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanasan’ny Tompo ka tsy misy fahamaizana hijery raha toa ka nahazo hafatra vaovao na publication vaovao ianao.

Ny fahazarana manajanona elaela ny fitaovana entina mandehandeha anananao dia hampitombo sy hampivelatra ny fahitanao ny fiainana, satria tsy voafetra ao anatin’ny efijery folo santimetatra ny fiainana.

Niteny i Jesoa Kristy Tompo hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako ianareo.”8 Tian’ Andriamanitra hahazo fifaliana sy hahatsapa ny fitiavany isika. Manana ireo fitaovana hahafantarana Azy bebe kokoa isika sy hiainana ny filazantsarany.

Mijoro ho vavolombelona aho momba ny fifaliana izay misy rehefa mitandrina ny didy isika ary momba ilay fiadanana izay tsapantsika rehefa mitoetra ao amin’ny fitiavana ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Lahy dia ny Mpamonjintsika isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.