2010–2019
Mijanòna eo akaikin’ilay hazo
Aprily 2015


Mijanòna eo akaikin’ilay hazo

Ny fahitan’i Lehia momba ilay hazon’aina dia fanoharana mahery vaika mikasika ny faharetana hatramin’ny farany.

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’ny Filoha Heber J. Grant, dia namangy ny tokantranony ny iray tamin’ireo Rahalahy. Talohan’ny nandaozan’ilay Rahalahy azy dia nivavaka toy izao ny Filoha Grant: “Andriamanitra ô, tahio aho mba tsy hamery ny fijoroana ho vavolombelona ananako ka hijanona ho mahatoky hatramin’ny farany!”1 Izany no vavaka mahery nataony taorian’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy tokony ho 27 taona teo ho eo. Ny ohatra nasehony dia fampahatsiahivana mahery vaika fa tsy misy olona, na firy taona na firy, izay voaro amin’ny fitaoman’i Satana. Roa amin’ireo fitaovan’i Satana mahery vaika indrindra ny fandrebirebena sy ny famitahana.

Ny faharetana hatramin’ny farany dia toetran’ny tena mpianatry ny Tompo ary ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Saingy rehefa tonga eo amintsika ny fitsapana sy ny olana dia matetika isika no asaina “miaritra” fotsiny. Aoka hazava fa ny “miaritra” dia tsy fitsipiky ny filazantsara. Ny faharetana hatramin’ny farany dia midika hoe manatona hatrany an’i Kristy ary hatao tanteraka ao Aminy.

Raha toa ka ilaina ny maharitra hatramin’ny farany mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia nahoana isika no sahirana amin’ny fijanonana ho mahatoky? Sahirana isika rehefa mila misafidy ny iray amin’ireo laharampahamehana izay mifanohitra. Ny fankatoavana tsy vokatry ny fo sy ny fanolorantena matimaty dia mampihen-danja ny finoana. Ny faharetana hatramin’ny farany dia mitaky fanolorantena tanteraka ho an’ny Mpamonjy sy amin’ireo fanekempihavanana nataontsika.

Ny fahitan’i Lehia momba ilay hazon’aina dia fanoharana mahery vaika mikasika ny faharetana hatramin’ny farany. Miangavy aho ny mba handalinanareo sy hisaintsainanareo amim-bavaka ny nofin’i Lehia. Dia ampiharo amin’ny tenanareo izany avy eo. Rehefa manao izany ianareo dia diniho tsara ireo fitsipika enina manan-danja izay manampy antsika haharitra hatramin’ny farany.

1. Aza adino ny mivavaka

Ilay fahitana dia manomboka amin’i Lehia nandeha irery “tao amin’ny tany ngazana maizina sy mahonena.”2 Ny tsirairay amintsika dia samy miaina ao anatin’ny fotoana maizina sy manirery. “Raha vao maizina ny dianao, mivavaha ianao.”3 Araho ny ohatra nasehon’ny Filoha Heber J. Grant. Mivavaha mba hahazoana hery haharitra hatramin’ny farany. Anontanio ny Ray any An-danitra hoe: “Inona koa no mbola tianao hataoko?”

2. Manatona an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy

Ilay hazon’aina no tena ifantohana ao amin’ny nofin’i Lehia. Misarika ny saintsika ho amin’ilay hazon’aina avokoa ny zavatra rehetra. Ilay hazo dia maneho an’i Kristy, izay fanehoana mazava tsara ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny voa dia ny Sorompanavotany tsisy fetra sy ny porofo lehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ireo olon-tiantsika dia mamy kokoa sy mampilendalenda kokoa noho ny zavatra hafa rehetra. Mba hahatanteraka izany fanomezana izany dia tsy maintsy “manatona an’i Kristy [isika] ary hatao tanteraka ao Aminy.”4 Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.”5 Azontsika fenoina fahombiazana sy fahavitana zavatra tsara ny fiainantsika, kanefa amin’ny farany, raha toa isika ka tsy manao fanekempihavanana masina mba hanaraka an’i Kristy sy hitandrina azy ireny amim-pahatokiana, dia tena tsy takatsika tanteraka ny tena tanjontsika.

3. Aoka hibosesika hatrany amin’ny finoana

Misy lalana mitondra mankany amin’ilay hazon’aina, mankany amin’i Kristy. Ety sy tery izany, hentitra sy marina. Ireo didin’ Andriamanitra dia hentitra fa tsy maneritery. Miaro antsika amin’ny loza ara-panahy sy ara-batana izy ireny ary miaro antsika mba tsy ho very.

Ny fankatoavana no manorina ny finoana an’i Kristy. Ny finoana dia fitsipiky ny asa sy ny hery. Ny fanarahana tsy tapaka ny ohatry ny Mpamonjy dia miteraka hery sy fahafaha-manao ara-panahy. Raha tsy eo ny hery mampatanjaka sy manafaka avy amin’ny Sorompanavotana, dia tsy azo heverina ny ahafahana mijanona eo amin’ilay lalana ka haharitra.

“[Aoka] hibosesika handroso hatrany amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy.”6

4. Fanalahidin’ny fahavelomana ara-panahy ny Bokin’i Mormôna

Sarotra ny diantsika eo amin’ny fiainana. Mora ny hahatonga antsika ho voarebireby sy hiala amin’ilay lalana ary ho very. Ny fahoriana dia ampahany tsy azo ialana ary ilaina amin’ny fivoarantsika mandrakizay. Rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia aza avela ho ravan’izay zavatra tsy takatrao tanteraka ny zavatra rehetra izay fantatrao. Mahareta, mifikira amin’ny fahamarinana dia ho avy ny fahatakarana. Ny fitsapana dia toy ny zavon’ny haizina izay afaka manajamba ny masontsika sy manamafy ny fontsika. Raha tsy “[m]ihazona mafy [hatrany]”7 ny tenin’ Andriamanitra isika, sy miaina araka izany, dia ho lasa very hevitra ara-panahy isika raha tokony hoe hihevitra ny zava-panahy. Halalino isan’andro isan’andro ny Bokin’i Môrmôna sy ny tenin’ny mpaminany velona! Izany no fanalahidin’ny fahavelomana ara-panahy sy fanalahidin’ny fialana amin’ny fitaka. Raha tsy misy azy io dia very ara-panahy isika.

5. Aza mety ho voarebireby sy voafitaka

Ny hoe mihaino dia mifantoka tsara. Ny fihainoana ireo izay tsy mino an’i Kristy dia tsy hanampy anao hahita Azy. Ny fikarohana fahalalana ao amin’ny #tranomalalaka dia tsy hitarika anao ho any amin’ny fahamarinana. Tsy ho hita ao izany. Ny Mpamonjy ihany no manana “ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”8 Ny zavatra hafa rehetra dia tsy manan-danja. Ilay trano lehibe sy malalaka dia maneho ny “hevi-dravina sy ny fieboeboana”9 an’izao tontolo izao—izany hoe, fandrebirebena sy famitahana. Izy io dia feno olona tsara fitafiana izay toa manana ny zavatra rehetra. Kanefa izy ireo dia maneso ny Mpamonjy sy ireo izay manaraka Azy. Izy ireo dia “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.”10 Mety ho marina izy ireo eo imason’izao tontolo izao, saingy very izy ireo ara-panahy.

6. Mijanòna eo akaikin’ilay hazo

Ny hafatr’i Lehia dia hoe mijanòna eo akaikin’ilay hazo. Mijanona isika satria niova fo ao amin’ny Tompo. Nampianatra i Almà hoe: “Indro Izy dia nanova ny fon’izy ireo; eny, namoha azy ireo tamin’ny torimaso lalina, ary dia nifoha ho an’ Andriamanitra izy ireo.”11 Rehefa manolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra isika dia manova ny tena toetrantsika ny Fanahy Masina, lasa miova fo tanteraka ao amin’ny Tompo isika, ary tsy mikaroka intsony ilay trano malalaka. Rehefa mitsahatra amin’ny fanaovana ireo zavatra izay mitondra fiovampo lalim-paka isika dia mihamalemy ara-panahy. Ny Apôstazia no mifanohitra amin’ny fiovampo.

Ho an’ireo misiônera rehetra taloha sy ankehitriny: ry Elder sy Soeur, tsy azo heverina tsotra izao izany hoe hody avy any amin’ny asa fitoriana nataonareo ianareo dia avy eo miverina amin’ny fomban’izao tontolo izao, sy mandany ora maro manao izay hahazoana isa tsy ilaina amin’ny “jeux vidéos” tsy manan-danja, dia hoe tsy ho lasa malemy ara-panahy. Ary tsy azo heverina ihany koa ny tsy hiainanareo vokatra ara-panahy tena mahatsiravina raha milefitra amin’ireo zavatra mamoafady amin’ny Internet sy minia tsy mahalala ny fahatsaran-toetra sy ny fahadiovam-pitondrantena ianareo. Raha tsy manana ny Fanahy Masina ianareo dia ho very. Aza mety ho voarebireby sy voafitaka.

Ireo mpianatra marina dia manohy mifoha ao amin’ Andriamanitra isan’andro amin’ny vavaka manan-danja ataon’ny tena manokana, fandalinana amin-kitsimpo ny soratra masina, fankatoavan’ny tena manokana, ary asa fanompoana tsy mikatsaka ny ho an’ny tenany. Mijanòna eo akaikin’ilay hazo ary aza sondrian-tory.

Taona maro lasa izay dia nantsoina ho filohan’ny Misiôna an’i Washington Tacoma izaho sy Rahavavy Pearson. Tsy nampoizinay mihitsy ilay antso. Somary natahotra aho nihaona tamin’ny mpitari-draharaha sy ny tale jeneralin’ilay orinasa niasako rehefa nampahafantatra azy ireo ilay antsoko hitory ny filazantsara. Hita niharihary fa nahasorena azy ireo ny fanapahan-kevitro hiala tao amin’ilay orinasa. “Oviana ianao no nandray izany fanapahan-kevitra izany ary nahoana ianao no tsy niresaka taminay mialoha?” hoy izy ireo nanontany.

Tao anatin’ny fotoana kely nananako fahazavan-tsaina dia tonga tao an’eritreritro ny valinteny mavesa-danja iray. Hoy aho: “Nandray io fanapahan-kevitra io aho fony aho zatovolahy 19 taona, rehefa nanao fanekempihavanana masina tamin’ Andriamanitra tao amin’ny tempoly fa hanaraka ny Mpamonjy. Naoriko teo ambonin’ireo fanekempihavanana ireo ny fiainako manontolo, ary mikasa tanteraka ny hanaja azy ireo aho ankehitriny.”

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika, dia tsy misy fiverenan-dalana. Tsy safidy tokony hatao ny milefitra sy mitsoaka an-daharana ary mampihena ny tanjaka. Ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia misy ny fenitry ny fahalavorariana mba hahazoana ny fisandratana. Mitaky ny fanehoana ny maha-mpianatra amin-kerimpo izany! Tsy misy toerana ho an’ireo mpianatra izay antonontonony na tsy vonona hiezaka. Fahavalon’ny fahalavorariana ny antonontonony, ary ny fanolorantena antonontonony dia hisakana anao tsy haharitra hatramin’ny farany.

Raha toa ianareo ka manana olana, na sahiran-tsaina, na very ara-panahy, dia mitaona anareo aho hanao ny zavatra iray izay fantatro fa hanampy anareo hiverina hanao izay andrasan’ny Tompo aminareo. Manomboha indray mandalina amim-bavaka ny Bokin’i Môrmôna sy miaina araka ny fampianarany, isan’andro, isan’ndro, isan’andro! Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny hery lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay hanova ny fiainanareo sy hampatanjaka ny fahavononanareo hanaraka an’i Kristy. Ny Fanahy Masina dia hanova ny fonareo, ary hanampy anareo hahita “ny zavatra araka ny tena toetrany.”12 Hasehony anareo izay ilaina ataonareo avy eo. Izao no fampanantenana nataon’i Nefia ho anareo:

“Ary dia nolazaiko azy ireo fa … na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te hihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ny famongorana.

“Koa izaho … dia nandrisika azy ireo … mba hampandriany sofina amin’ny tenin’ Andriamanitra sy hahatsiarovany ny hitandrina mandrakariva ny didiny amin’ny zavatra rehetra.”13

Ry rahalahy sy rahavavy, ny maharitra hatramin’ny farany no ilay fizahan-toetra lehibe ho an’ireo mpianatry ny Tompo. Ny maha-mpianatra antsika isan’andro no hamaritra ny anjarantsika mandrakizay. Mifohaza ao amin’ Andriamanitra, mifikira amin’ny fahamarinana, hajao ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly nataonareo, ary mijanòna eo akaikin’ilay hazo!

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy velona sy nitsangana tamin’ny maty aho. Ny faniriako lehibe indrindra dia ny mba ho marina sy mahatoky hatramin’ny farany amin’ny fanarahana ny ohatra tena kanto izay nasehony. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.