2010–2019
Taranaka tanora tsara indrindra
Aprily 2015


Taranaka tanora tsara indrindra

Ny zavatra ilaintsika amin’izao fotoana izao dia taranaka tanora tsara indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Mila ny fonareo sy ny fanahinareo iray manontolo isika.

Iray amin’ireo fifaliana lehibe indrindra izay tiako rehefa mitety an’izao tontolo izao aho ny fahafahana mihaona sy miarahaba ireo misiônera. Mamirapiratra ny Fahazavan’i Kristy ireo misiônera mahatalanjona ireo, ka voataonan’ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Tompo lalandava aho sy ny asa feno fanolorantena ataon’izy ireo Aminy. Isaky ny mandray tanana azy ireo ka mahatsapa ny fanahy sy ny finoana mahavariana izay ananany dia hoy aho amin’ny tenako hoe: “Tena fahagagana tokoa ireto zanakalahintsika sy zanakavavintsika mahafinaritra ireto!”

Nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana tamin’ny volana Ôktôbra 2002 aho dia nampanao fanamby an’ireo eveka, ray aman-dreny ary ireo mety ho misiônera mba “hampiakatra ny zavatra takina” ho an’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

Dia nilaza aho tamin’izany hoe: “ny zavatra ilaintsika … dia taranaka misiônera lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Mila misiônera mendrika, havanana ary mavitrika ara-panahy isika. …

“… Mila ny fonareo sy ny fanahinareo iray manontolo isika. Mila misiônera mihetsiketsika sy mieritreritra ary entanim-po izay mahalala ny fomba fihainoana sy famaliana ny bitsiky ny Fanahy Masina isika.”1

Amin’ny fomba maro dia feno fanamby bebe kokoa ny tontolo ankehitriny raha oharina amin’izay 13 taona lasa izay. Mihabetsaka kokoa ireo fandrebirebena mianjady amin’ireo zatovolahy sy zatovovavintsika izay manelingelina azy ireo amin’ny fiomanany amin’ny asa fitoriana sy fiainana ho avy feno fifaliana. Mihamivoatra ny teknôlojia, ka saika manana fitaovana entin-tanana izay mety misarika ny sain’ny fianakaviamben’ Andriamanitra avokoa ny olon-drehetra, na ho an’ny zavatra tsara izany na ho an’ny zava-dratsy.

Anio hariva aho dia hiresaka amin’ireo misiônera izay manao asa fanompoana amin’izao, sy ireo misiônera hanao asa fitoriana amin’ny hoavy, ireo misiônera efa avy nanao asa fitoriana ary ireo lehilahy tanora rehetra ato amin’ny Fiangonana. Mivavaka aho mba hahatakaranareo sy hisaintsainanareo lalina ny zavatra tsy maintsy ambarako aminareo eo am-pandehananareo mamakivaky ireo taona mampientanentana sy feno fitakiana eo amin’ny fiainanareo.

Tany am-piandohan’ny Fiangonana dia Manampahefana Ambony no nanao tafa sy dinika an’ireo misiônera alohan’ny nandehanany tany amin’ny misiônany. Amin’izao fotoana izao dia ny evekanareo sy ny filohan’ny tsatòkanareo no manao tafa sy dinika anareo rehefa hanao asa fitoriana ianareo, ary ny ankamaroanareo dia tsy hanao tafa sy dinika amin’ny Manampahefana Ambony mihitsy mandritra ny androm-piainanareo iray manontolo. Ny mahatonga izany dia satria fiangonana mieli-patrana maneran-tany izay misy mpikambana mihoatra ny 15 tapitrisa isika. Fantatro fa miteny amin’ny anaran’ireo Rahalahiko aho rehefa milaza hoe: mba nirianay, raha azo natao, ny nahalala anareo tsirairay avy sy afaka nilaza taminareo fa tianay ianareo ary manohana anareo izahay.

Soa ihany fa nanome fomba maro ho antsika ny Tompo mba hanoloran-tanana anareo. Ohatra: manendry ny misiônera tsirairay ao amin’ny misiônany ny mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Na dia atao tsy misy tafa sy dinika mifanatri-tava izay mahazatra aza izany, ny teknôlojia sy ny fanambarana miaraka dia manome traikefa izay sady lalina no manokana. Mamelà ahy ianareo hilaza ny fomba fitrangan’izany.

Miseho eo amin’ny efijerin’ny solosaina ny sarinareo, miaraka amin’ireo fampahalalana manan-danja nomen’ny evekanareo sy ny filohan’ny tsatòkanareo. Rehefa miseho ny sarinareo dia mijery anareo eo amin’ ny masonareo izahay ka mandinika ireo valinteny nomenareo tamin’ireo fanontaniana ao amin’ny taratasy fangatahana hirotsaka ho misiônera. Mandritra izay fotoana fohy izay dia toy ny hoe manatrika eo mihitsy ianareo ka mamaly anay mivantana.

Rehefa mijery ny sarinareo izahay dia matoky fa nahafeno tanteraka ireo “zavatra takina” amin’izao fotoana izao mba ho misiônera sady mahatoky no mahomby ianareo. Avy eo dia manendry anareo amin’ny iray amin’ireo misiônan’ny Fiangonana maneran-tany miisa 406 izahay amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahin’ny Tompo sy eo ambany fitarihan’ny Filoha Thomas S. Monson.

Tsia, tsy mitovy amin’ny hoe tafa sy dinika manokana sy mifanatri-tava tokoa izany. Kanefa, efa saika mitovy amin’izany ihany.

Ny vidéoconférence koa dia fomba iray izay manampy anay hifandray amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana izay miaina lavitry ny foiben’ny Fiangonana.

Ao anatin’izany dia tiako ianareo izay miomana ny hanao asa fitoriana, ireo izay avy niverina ary ianareo tanora rehetra mba haka minitra vitsivitsy miaraka amiko, tahaka ny hoe mifampiresaka manokana amin’ny alalan’ny fahitalavitra isika izao. Mba mijere kely aty amiko mandritra ny fotoana vitsivitsy, tahaka ny hoe tsy misy afa-tsy izaho sy ianareo no ao an’efitrano, na aiza na aiza no misy anareo anio hariva.

Fa izaho kosa dia haka sary an-tsaina hoe mijery anareo amin’ ny masonareo sy mihaino tsara ny valinteninareo mikasika ireo fanontaniana vitsivitsy izay inoako fa hanambara zavatra maro amiko mikasika ny halalin’ny fijoroanareo ho vavolombelona sy ny fanoloran-tenanareo amin’ Andriamanitra. Raha azoko ambara amin’ny fomba tsotra ny zavatra nolazaiko an’ireo misiônera 13 taona lasa izay dia izao: ny zavatra ilaintsika izao dia taranaka tanora tsara indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Mila ny fonareo sy ny fanahinareo iray manontolo isika. Mila tanora mihetsiketsika sy mieritreritra ary entanim-po izay mahalala ny fomba fihainoana sy famaliana ny bitsiky ny Fanahy Masina isika eo am-pamakivakianareo ireo fitsapana sy fakam-panahy isan’andro amin’ny maha-tanora sy maha-Olomasin’ny Andro Farany anareo amin’izao fotoana izao.

Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe: fotoana izao hampiakarana ny zavatra takina, tsy ho an’ireo misiônera ihany fa ho an’ireo misiônera nahavita asa fitoriana sy ho an’ny taranaka misy anareo iray manontolo mihitsy koa aza. Noho io antony io dia saintsaino ao am-ponareo ny valinteninareo mikasika an’ireto fanontaniana ireto:

  1. Moa ve ianareo mandalina tsy tapaka ny soratra masina?

  2. Moa ve ianareo mandohalika mivavaka mba hiresahana amin’ny Rainareo any An-danitra isa-maraina sy isak’alina?

  3. Moa ve ianareo mifady hanina sy manolotra ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina isam-bolana—eny fa na dia mpianatra mahantra sy feno fahasahiranana izay tsy afaka manome betsaka aza ianareo?

  4. Moa ve ianareo mieritreritra lalina mikasika ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany ho anareo rehefa asaina manomana, manamasina, mizara na mandray ny fanasan’ ny Tompo ianareo?

  5. Moa ve ianareo manatrika ireo fivorianareo ka miezaka ny mitandrina ny andro Sabata ho masina?

  6. Moa ve ianao marin-toetra any an-trano, any am-pianarana, any am-piangonana ary any am-piasana?

  7. Moa ve ianareo madio ara-tsaina sy ara-panahy? Moa ve ianareo manalavitra ny fijerena pôrnôgrafia na ny fijerena tranonkala gazetiboky, sarimihetsika na applications, ka anisan’izany ny sary ao amin’ny Tinder sy ny Snapchat, izay mety hahamenatra anareo raha toa ka hitan’ny ray aman-dreninareo, ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana na ny Mpamonjy Izy Tenany mihitsy?

  8. Moa ve ianareo mitandrina tsara amin’ny fotoana anananareo—manalavitra ireo teknôlôjia sy tambazotra ifaneraserana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo jeux vidéos, izay mety mahadonto ny fahatsapanareo ara-panahy?

  9. Sao dia misy zavatra eo amin’ny fiainanareo izay ilainareo hovaina sy hamboarina, manomboka androany hariva?

Misaotra anareo tamin’ity tafasiry manokana fohifohy ity. Manantena aho fa novalianareo tamin’ny fo madio sy tamim-pieritreretana lalina ny tsirairay tamin’ireo fanontaniana ireo. Raha toa ka tsy nanaraka an’ireo fitsipika tsotra ireo ianareo dia mamporisika anareo aho hibebaka amim-pahasahiana ka hamerina ny fiainanareo hifanaraka amin’ny fenitry ny filazantsara ho an’ny mpanara-dia marina.

Ry rahalahy, azoko atao ve ny manome torohevitra fanampiny izay hanampy anareo handatsaka ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny filazantsara ao am-ponareo sy ao anaty fanahinareo?

Mampahatsiahy anareo misiônera nahavita asa fitoriana aho fa tokony hitohy ny fiomananareo amin’ny fiainana sy ny fianakaviana. Ny hoe “Misiônera nahavita asa fitoriana” dia tsy midika hoe “Môrmôna nisotro ronono”! Amin’ny maha-misiônera nahavita asa fitoriana anareo dia “tokony hazoto hirotsaka amin’ ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ ny nahim-po[nareo] ka hahatonga fahamarinana fatratra.”2

Mba ampiasao ireo fahaiza-manao nianaranareo nandritra ny nanaovanareo asa fitoriana mba hitahiana ny fiainan’ny olona manodidina anareo isan’andro. Aza dia avadika avy amin’ny fanompoana ny hafa mankamin’ny fiompanana manokana amin’ny fianarana, asa na hetsika ara-tsôsialy fotsiny ny fifantohanareo. Fa lanjalanjao amin’ny traikefa ara-panahy izay mampahatsiahy sy manomana anareo amin’ny fanompoana mitohy isan’andro ny fiainanareo.

Nandritra ny fotoana nanaovanareo asa fitoriana dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny famangiana ny olona any an-tranony ianareo. Manantena aho fa ireo tanorantsika rehetra, na nanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno na tsia, dia mahatakatra ny lanjan’ny fitsidihana ireo olona izay manirery, marary na kivy—izay tsy noho ny hoe asa nampandraiketina fotsiny fa noho ny fitiavana madio izay anananareo amin’ny Ray any An-danitra sy ny zanany koa.

Ianareo izay any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ka miomana ny hanao asa fitoriana dia mamporisika anareo aho mba handray anjara sy hahavita hatramin’ny farany ny seminera. Ho anareo tanora mpitovo kosa dia tokony hisoratra anarana amin’ny institiota fianarana filazantsara ianareo.3 Raha toa ka mianatra ao amin’ny sekolin’ny Fiangonana ianareo dia atsofoy tsy tapaka ao anatin’ny enim-bolana iray ny kilasy fianarana filazantsara. Tsy maintsy mitozo amin’ny fitadiavana fomba hianarana sy hitomboana ary handraisana fitaomam-panahy sy fitarihan’ny Fanahy Masina ianareo mandritra io fotoana manan-danja fiomanana amin’ny asa fitoriana na fanambadiana mandrakizay io sy ny fiainana amin’ny maha-olon-dehibe anareo. Afaka manampy anareo hahatratra izany tanjona izany ny fandalinana tsara sy ombam-bavaka ny filazantsara amin’ny alalan’ny seminera, institiota na kilasy fianarana filazantsara.

Na mianatra ao amin’ny sekolin’ny Fiangonana ianareo na tsia, na mianatra eny amin’ny oniversite ianareo na tsia, dia aza mieritreritra hoe be atao loatra ka tsy afaka mandalina ny filazantsara. Hanome fandanjalanjana eo amin’ny fiainanareo ny seminera, institiota na ireo kilasy fianarana filazantsara ka hanampy ny fianarana laika ataonareo amin’ny fanomezana anareo fahafahana ny handany fotoana hianarana ny soratra masina sy ny fampianaran’ny mpaminany sy ny apôstôly. Misy taranja vaovao efatra izay tena tsara tokoa mba tiako hamporisihina ny tanora hojerena sy ho arahina.4

Ary aza adino koa fa ireo kilasy sy fiaraha-mientana izay omena any amin’ireo institiota eo an-toerana na amin’ny alalan’ny paroasy na tsatòkan’ny tanora tokan-tena dia ho toerana hahafahanareo miaraka amin’ireo zatovolahy sy zatovovavy hafa sy hifanomezana famporisihina sy aingam-panahy rehefa mianatra sy mitombo ara-panahy ary mifangaroharo amin’ny hafa ianareo. Ry rahalahy, raha apetrakareo kely ny findainareo ka mijery ny manodidina anareo ianareo dia mety hahita ny vadinareo ao amin’ny institiota ianareo.

Ary izany no mitarika ahy amin’ny torohevitra kely hafa izay azoko antoka fa efa fantatrareo fa homeko: Mila mampiaraka ianareo tanora tokan-tena ka manambady. Atsaharo azafady ny fanemorana! Fantatro fa matahotra ny hanangana fianakaviana ny sasany aminareo. Kanefa, raha manambady ilay olona iray tena izy, any amin’ny toerana tena izy, amin’ny fotoana tokony hanaovana izany ianareo dia tsy mila matahotra. Raha ny marina dia izao: maro amin’ireo olana izay atrehanareo no hisinda raha toa ka “hazoto hirotsaka” amin’ny fampiarahana marina sy fihontihontiana ary fanambadiana ianareo. Aza andefasana hafatra izy! Ampiasao ny feonareo mba hifankahafantaranareo amin’ireo zanakavavy marin’ Andriamanitra izay feno manodidina anareo. Ny fandrenesana feon’olombelona dia hampitolagaga azy—ka angamba hahatonga azy hiteny hoe: eny.

Dia izao ry rahalahy, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa afaka manampy antsika hanitsy ny zava-drehetra izay mila hahitsy eo amin’ny fiainantsika i Jesoa Kristy Tompo amin’ny alalan’ny sorompanavotany.

Amin’izao hariva izao izay anomanantsika ny fankalazana ny Alahadin’ny Paska rahampitso, dia andeha hiato kely miaraka amiko mba hahatsiarovana ny fanomezan’ny Sorompanavotan’i Kristy. Tsarovy fa mahafantatra tsara anareo sy mitia anareo tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika.

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana dia noraisin’ny Mpanavotra teo Aminy ny olantsika, ny fanaintainantsika ary ny fahotantsika. Tonga ny Mpamonjy an’izao tontolo izao mba hahatakatra ny momba antsika tsirairay avy tamin’ny alalan’ny fiainana ny fanantenantsika tsy tanteraka, ny fanamby ary ny loza tamin’ny alalan’ny fijaliany tao Getsemane sy teny amin’ny hazo fijaliana.5 Maty Izy mba ho fanehoam-pitiavana farany ho antsika ka nalevina tao amin’ny fasana vaovao tamin’iny alina mangirifiry iny.

Ny Alahady maraina dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa—ka nampanantena fiainana vaovao ho an’ny tsirairay amintsika. Avy eo dia naniraka ireo mpianany ny Tompo izay nitsangana tamin’ny maty mba hampianatra ny olon-drehetra hanana finoana an’i Kristy, hibebaka amin’ny fahotana, hatao batisa, handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ary haharitra hatramin’ny farany. Ry rahalahy, fantatsika fa niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra, ilay Raintsika sy ny Zanaka Malalany, ka namerina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy.

Matanjaha ry rahalahy. Tandremo ny didin’ Andriamanitra. Mampanantena i Jesoa Kristy Tompo fa ny zava-drehetra izay iriantsika hatao amim-pahamarinana dia ho azontsika avokoa. Manantena anareo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Mila anareo tanora tsirairay izahay mba hiomana hanambady, hanompo ary hitarika amin’ny andro manaraka, ary izany no vavaka ataoko amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.