2010–2019
Ny Tompo no fahazavako
Aprily 2015


Ny Tompo no fahazavako

Ny fahafahantsika hijoro ho mafy orina sy mahatoky ary hanaraka ny Mpamonjy na dia eo aza ireo fiovaovan’ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana dia mihamatanjaka tokoa amin’ny alalan’ny fianakaviana marina sy ny firaisankina mifototra amin’i Kristy ao amin’ny paroasy sy ny sampana misy antsika.

Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia mieritreritra momba ny fanavotana izay natolotr’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika isika ary mifaly noho izany.1

Miparitaka manerana izao tontolo izao ny hotakotaka satria miteraka fahatsapana ho marefo sy ny faharatsian’izao tontolo izao. Miteraka fahatsapana eo amin’ny maro fa zavatra mateti-pitranga eo amin’ny fiainana ny fiantraikan’ny faharatsiana, tsy fitovian-jo ary ny tsy rariny, noho ny fiparitahan’izany eo amin’ireo fitaovam-pifandraisana maoderina. Na dia mety ho goavana aza ireo fitsapana ireo dia tsy voatery hampivily antsika amin’ny fifaliana sy fankalazana ny fanalalànana masina nataon’i Kristy ho antsika izany. “Nandresy ny fahafatesana” ara-bakiteny ny Mpamonjy. Nentiny teo Aminy tao anatin’ny famindrampo sy fangorahana ny fahotana sy ny fandikan-dalàntsika, ka nanavotra antsika sy nanefa ny fitakian’ny fahamarinana ho an’ireo rehetra izay mibebaka sy mino ny Anarany Izy.”2

Ny sorompanavotana lehibe izay nataony dia manana lanjany goavana izay tsy takatry ny fisainan’ny olombelona. Mitondra fiadanana izay mihoatra lavitra noho ny fahatakarana tsotra izany asa feno famindrampo izany.3

Ahoana izany no hiatrehantsika ny zava-misy henjana izay manodidina antsika?

Sary
Some yellow flowers on a mound of dirt.

Tia ny voninkazo tanamasoandro hatramin’izay i Mary vadiko. Ravo izy rehefa mahita azy ireny maniry eny amoron-dalana, izay toerana tsy ampoizina hanirian’izany. Misy lalan-tany iray izay mitondra mankany amin’ny trano izay nipetrahan’ny raibe sy renibeko. Rehefa miditra izany lalana izany izahay dia matetika i Mary no mihiaka hoe: “Hahita ireny tanamasoandro mahavariana ireny indray ve isika androany araka ny eritreritrao?” Gaga izahay fa nandrombona be ireo tanamasoandro, izay tamin’ny tany niharan’ny fampiasana fitaovana amin’ny fambolena sy fanesorana ranomandry ary fitangoronan’ny fitaovana, izay tsy azo lazaina fa tany tsara indrindra hanirian’ny voninkazo dia izany.

Sary
Yellow flowers by some water

Anisan’ireo toetra mahagagan’ny tanamasoandro dia tanora, ankoatra ny faniriana amin’ny tany izay tsy tsara loatra, ny fomba fanarahan’ny bokon’ilay voninkazo tanora ny masoandro eny amin’ny lanitra. Rehefa manao izany izy dia mahazo hery manohana alohan’ny hamelanany ho ilay loko mavo midorehitra iny.

Mandrombona sy manjary midorehitra isika na dia eo aza ireo toe-javatra miseho mahatsiravina manodidina antsika rehefa manaraka ny Mpamonjin’izao tontolo izao, ilay Zanak’ Andriamanitra, tahaka ilay tanamasoandro tanora. Tena fahazavana sy fiainantsika tokoa Izy.

Nanambara tamin’ny mpianany ny Mpamonjy tao anatin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary fa ireo izay manafintohina sy meloka dia hangonina ka havoaka amin’ny fanjakany.4 Niteny Izy anefa momba ireo mahatoky fa: “Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy.”5 Afaka mandrombona sy mamelana isika tsirairay avy, ary amin’ny maha- mpianatr’i Kristy antsika, izay miaina ao anatin’ny tontolo feno fankahalana izay mikorontana ara-bakiteny raha toa ka miorim-paka ao amin’ny fitiavana ny Mpamonjy sy manaraka ireo fampianarany amim-panetrentena.

Ny fahafahantsika hijoro ho mafy orina sy mahatoky ary manaraka ny Mpamonjy na dia eo aza ireo fiovaovan’ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana dia mihamatanjaka tokoa amin’ny alalan’ny fianakaviana marina sy ny firaisankina mifototra amin’i Kristy ao amin’ny paroasy sy ny sampana misy antsika.6

Ny fotoana tsara indrindra ao an-tokantrano

Ny anjara asan’ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia ny “hitondra fahasambarana ho antsika, hanampy antsika hianatra hanitsy ireo fitsipika marina ao anatin’ny tontolo feno fitiavana, ary hanomana antsika amin’ny fiainana mandrakizay.”7 Tokony ho tonga ampahany lalina eo amin’ny fiainan’ireo zanatsika ireo fombafomba mahafinaritra fampidirana ireo fitsipika ara-pivavahana ao an-tokantrano.

Mpianatra nahay, te ho tonga mpanoratra ary quart arrière tao amin’ny ekipa football amerikanina tao BYU i Vaughn Roberts Kimball dadatoako. Nisoratra anarana tao amin’ny tafika an-dranomasin’i Etazonia izy tamin’ny 8 desambra1941, ny ampitson’ny fanafihana ny Pearl Harbor. Nandefa lahatsoratra fohy tamin’ny Reader’s Digest izy rehefa nandeha nandresy lahatra olona hiditra amin’ny tafika tany Albany, New York. Nanome 200 dôlara ho azy ilay gazety ary namoaka ity lahatsoratra ity izay mitondra ny lohateny hoe: “Ny fotoana tsara indrindra ao an-tokantrano,” tamin’ny gazety navoaka tamin’ny taona 1944.

Mivaky toy izao ny ampahany amin’izany fandraisany anjara tamin’ny Reader’s Digest izany, izay nametrahany ny tenany ho tantsambo:

“Ny fotoana tsara indrindra ao an-tokantrano:

“Indray hariva tany Albany, New York, dia nanontany ny tantsambo iray aho hoe amin’ny firy izao. Namoaka famantaranandro lehibe iray izy dia namaly hoe: ‘Amin’ny 7:20.” Fantatro fa tara izany. ‘Nijanona ny famantaranandronao, sa tsy izany?’ hoy aho nanontany.

“‘Tsia,’ hoy izy ‘Mbola mihazona ny ora any Utah aho. Avy any atsimon’i Utah aho. Nomen’i dada ahy ity famantaranandro ity rehefa nilatsaka ho tafika an-dranomasina aho. Niteny izy fa hanampy ahy hahatsiaro ny any an-trano izany.

“‘Rehefa nanondro amin’ny 5 ora maraina ny famantaranandroko dia fantatro fa mitondra fiara handeha hitery ronono i dada. Ary amin’ny alina rehefa manondro amin’ny 7:30 izany dia fantatro fa manodidina ny latabatra feno sakafo ny fianakaviana rehetra, ary misaotra an’ Andriamanitra ny amin’izay eo ambonin’izany i dada sady mangataka ny mba hitsimbinany ahy. …, ’ hoy izy. ‘Afaka mamantatra ny ora aho rehefa milamindamina iny. Ny tiako ho fantatra dia ora any Utah.’”8

Fotoana fohy taorian’ny nandefasany ilay lahatsoratra dia nalefa hanompo tao amin’ny sambo iray tany amin’ny Ranomasina Pasifika i Vaughn. Raha nanompo teo amin’ny sambo USS Bunker Hill teo akaikin’i Okinawa izy tamin’ny 11 mey 1945 dia nilatsahan’ny fiaramanidina roa nanao vy very ny ainy ilay sambo.9 Saika ho tantsambo 400 no maty, ary anisan’izany i Vaughn dadatoako.

Naneho ny fitiavany lalina tamin’ny rain’i Vaughn ny Loholona Spencer W. Kimball, nanao fanamarihana momba ny fahamendrehan’i Vaughn sy ny toky nomen’ny Tompo fa “ireo izay maty ao aminy dia tsy hanandrana fahafatesana fa ho mamy aminy izany.”10 Nilaza tamin-katsaram-panahy ny rain’i Vaughn fa na dia nilevina any an-dranomasina aza i Vaughn dia hitondra azy any amin’ny tokantrano any an-danitra ny tanan’ Andriamanitra.11

Niresaka momba an’i Vaughn ny Filoha Spencer W. Kimball nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana valo amby roapolo taona taty aoriana. Izao ny ampahany tamin’izay nolazainy: “Fantatro tsara izany fianakaviana izany. … Niara-nandohalika nanao vavaka mahery vaika [tamin’izy ireo] aho. … Nitondra fitahiana mandrakizay ho an’izany fianakaviana lehibe izany ny fanazarana tao an-tokantrano.” Nanao fanamby tamin’ny fianakaviana rehetra ny Filoha Kimball mba “handohalika … hivavaka ho an’ny zanakalahiny sy ny zanakavaviny indroa isan’andro.”12

Ry rahalahy sy ranabavy isany, raha toa ka manatanteraka amim-pahatokiana ny vavaky ny mpianakavy, ny takarivan’ny mpianakavy, ny fandalinana ny soratra masina, ny tsodranon’ny fisoronana, ary ny fitandremana ny andro Sabata isika dia ho fantatry ny zanatsika ny ora ao an-tokantrano. Ho vonona amin’ny tokantrano mandrakizay any an-danitra izy ireo, na inona na inona mianjady aminy ato anatin’ity tontolo sarotra ity. Tena manan-danja tokoa ny hahafantaran’ny zanatsika fa tiana sy voaro izy ireo ao an-tokantrano.

Mpiara-miasa mitovy lenta ny mpivady.13 Manana andraikitra samy hafa kanefa mifameno izy ireo. Mety hiteraka zanaka izay mitahy ny fianakaviana iray manontolo ny vehivavy. Mety hahazo ny fisoronana izay mitahy ny fianakaviana iray manontolo ny lehilahy. Kanefa mandray ireo fanapahan-kevitra manan-danja indrindra ny mpivady ao amin’ny filankevitry ny fianakaviana amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy. Manapa-kevitra izy ireo mikasika ny fomba ampianarana sy ifehezana ny ankizy, ny fomba handaniana ny vola, ny toerana ipetrahana, ary ireo fanapahan-kevitra maro hafa momba ny fianakaviana. Atao miaraka ireo rehefa avy nangataka fitarihana avy amin’ny Tompo.

Ny fahazavan’i Kristy dia mamboly lalina ao amin’ny zanak’ Andriamanitra ny fahatakarana momba ny toetra mandrakizain’ny fianakaviana. Niteny toy izao ny iray amin’ireo mpanoratra tiako indrindra, tsy avy ato amin’ny fiangonantsika: “Tsy manan-danja loatra ny ankamaroan’ny zavatra eo amin’ny fiainantsika, [kanefa] … zavatra tena misy ny fianakaviana, ilay fototra; ilay mandrakizay; ilay ambenana sy karakaraina ary tsy hivadihana.”14

Manampy antsika hifantoka amin’ny Mpamonjy ny Fiangonana amin’ny maha-fianakaviana miray hina azy

Manan-danja ihany koa ny anjara asan’ny Fiangonana ankoatra ny fianakaviana. “Ny Fiangonana dia manolotra ny rafitra sy fomba hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Manolotra ny fahefan’ny fisoronana izany mba hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana amin’ireo rehetra izay mendrika sy vonona ny hanaiky izany.”15

Ahitana ady mihanaka sy fahotana ary fanomezana laka lehibe ny fivaonan’ny kolontsaina sy ny tsy fitovian-jo eto amin’izao tontolo izao. Ato amin’ny Fiangonana, ankoatra ireo vondrona arafitra araka ny fiteny, dia manaraka ny faritra ara-jeôgrafia ireo paroasy sy sampana ananantsika. Tsy mampisaraka amin’ny alalan’ny saranga na ny ambaratongam-boninahitra isika.16 Mifaly amin’ny fampifangaroana ny firazanana sy kolontsaina ao anatin’ny vondron’ny mpivavaka mahatoky isika. Manan-danja amin’ny fivoarantsika sy ny fahasambarantsika ary ezaka ataontsika manokana mba ho tahaka an’i Kristy bebe kokoa ny paroasintsika.

Mampisaraka ny olona matetika ny kolontsaina ary fototry ny herisetra sy fanavakavahana izany indraindray.17 Ny sasany amin’ireo voambolana manahiran-tsaina indrindra nampiasaina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nentina namaritana ireo fomban-drazan’ireo ray ratsy fanahy izay nitarika tamin’ny herisetra, ady, asa ratsy, fahotana, na ny fandravana ny vahoaka sy ny firenena mihitsy aza.18

Tsy misy toerana hanombohana mamaky momba ny famaritana ny kolontsain’ny Fiangonana izay manan-danja amintsika ankoatra ny 4 Nefia. Mivaky toy izao ny ampahany ao amin’ny andininy 2: “Niova fo ho an’ ny Tompo avokoa ny vahoaka eran’ ny lafiny rehetra teo amin’ ny tany, na Nefita na Lamanita, ary tsy nisy fifandirana na fifanjihirana teo anivony, ary ny olona tsirairay dia nifampitondra araka ny hitsiny tokoa teo amin’ izy samy izy.” Ao amin’ny andininy 16 dia mamaky isika hoe: “Ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.” Noho “ny fitiavana an’ Andriamanitra izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka” no nahatonga ny tsy fisian’ny fifanjihirana.19 Izany no kolontsaina katsahintsika ananana.

Ampahany fototry amin’ny maha-izy antsika ireo soatoavina sy finoana miorim-paka. Tokony ankamamiana sy arovana ireo fombafomban’ny fahafoizana, fankasitrahana, finoana ary ny fahamarinana. Tsy maintsy mankafy sy miaro ireo fombafomba izay manorina finoana ny fianakaviana.20

Iray amin’ireo manana ny lanjany lehibe tokoa eo amin’ny endrika ara-kolontsaina ny fiteny. Nisy vondrona miteny fiteny fito tsy avy eo an-toerana tao amin’ny faritr’i San Francisco, Californie izay toerana nipetrahako. Ny fotopampianarantsika mikasika ny fiteny dia hita ao amin’ny fizarana 90, andininy 11 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Fa ny zavatra hitranga amin’ izany andro izany, dia handre ny fahafenoan’ ny filazantsara amin’ ny teniny avy ny olona tsirairay ary amin’ ny fiteniny avy.”

Rehefa mivavaka amin’ Andriamanitra amin’ny fitenin-drazany ny zanany dia izany no fitenin’ny fony. Mazava ho azy fa sarobidy ho an’ny olona rehetra ny fitenin’ny fo.

Dokotera mpitsabo i Joseph zokiko lahy ary nitsabo nandritra ny taona maro tao amin’ny faritry ny Baie de San Francisco izy. Nisy Samoana zokinjokiny iray, mpikamban’ny Fiangonana, izay hitsabo tena, tonga tao amin’ny biraony. Tao anatin’ny fanaintainana nampandraingiraingy mafy izy. Voafaritra fa nisy vato ny voany, ary natao ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. Nilaza ity mpikambana Samoana ity fa ny tanjony voalohany dia ny hahatakatra mazava tsara ny zavatra tsy mety taminy mba hahafahany mivavaka amin’ny fiteny Samoana amin’ny Rainy any An-danitra momba izany olana ara-pahasalamana izany.

Zava-dehibe ho an’ny mpikambana ny mahatakatra ny filazantsara amin’ny fitenin’ny fony mba hahafahany mivavaka sy manao asa araka ireo fitsipiky ny filazantsara.21

Tsy maintsy manana fo mifandray anatin’ny firaisankina sy fitiavana isika na dia misy aza ny fahasamihafan’ny fiteny sy ireo fombafomba mahafinaritra sy mankahery ara-kolontsaina.22 Niteny mazava ny Tompo hoe: “Aoka ny olona tsirairay hihevitra ny rahalahiny ho toy ny tenany. … aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.”23 Raha mankamamy ny fahasamihafan’ny kolontsaina araka ny tokony ho izy isika dia ny hiray hina amin’ny kolontsaina, fombafomba, ary fomban-drazan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fomba rehetra no tanjontsika.

Tsy mbola natanjaka toy izao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Fantatsika fa manana fanontaniana sy olana ny mpikambana sasany rehefa mikatsaka ny hampahatanjaka ny finoany sy ny fijoroana ho vavolombelony izy ireo. Tokony hitandrina isika mba tsy hanakiana na hitsara ireo izay manana olana—na lehibe na kely. Amin’izay fotoana izay koa dia tokony hanao izay rehetra azony atao ireo izay manana olana mba hanorenana ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ho azy ireo manokana. Ny fandalinana amim-paharetana sy amim-panetrentena, ny fivavahana, ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara ary ny fakana torohevitra amin’ireo mpitondra mifanaraka amin’izany no fomba tsara indrindra hamahana ireo fanontaniana sy ny olana.

Misy ireo izay milaza fa betsaka kokoa ny mpikambana izay mandao ny Fiangonana ankehitriny ary betsaka kokoa ny fanahiana sy ny tsy finoana noho ny teo aloha. Tsy marina tsotra izao izany. Tsy mbola natanjaka toy ny amin’izao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.Vitsy kely ny isan’ireo mpikambana izay nanaisotra ny anarany avy tamin’ireo firaketan’ny Fiangonana ary tena nihena be izany tato anatin’ny taona vitsivitsy raha oharina amin’ny teo aloha.24 Azo porofoina amin’ny faritra maro izany fitomboana izany, toy ny mpikambana nanao fanafiana masina manana fahazoan-dalana ho any amin’ny tempoly manan-kery, ny mpikambana olon-dehibe izay mandoa fahafolonkarena, ary ireo izay manao asa fitoriana dia nihabetsaka izaitsizy. Averiko indray hoe, Tsy mbola natanjaka toy ny amin’izao ny Fiangonana. Kanefa, “tadidio ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”25 Manolo-tanana amin’ny rehetra isika.

Raha toa ka maizina sy mavesatra ary saika tsy ho zaka mihitsy ny fahasarotan’ny zavatra izay iainanareo ankehitriny dia tadidio fa nanatanteraka ny Sorompanavotana ny Mpamonjy tao anatin’ny fanaintainana lalina tao Getsemane sy tamin’ireo fampijaliana sy fanaintainana tsy takatry ny saina tao Kalvary, izay mamaha ireo enta-mavesatra mahatsiravina indrindra izay mety hitranga eto amin’ity fiainana ity. Nanao izany ho anao Izy. Nataony izany satria tiany isika ary satria mankatò sy tia ny Rainy Izy. Havotana amin’ny fahafatesana isika—na any anatin’ny ranomasina lalina aza.

Ny fiarovana antsika ato anatin’ity fiainana ity sy ho amin’ny mandrakizay dia mifototra amin’ny fahamarinan’ny tsirairay sy ny fianakaviana, ireo ôrdônansin’ny Fiangonana ary ny fanarahana ny Mpamonjy. Izany no fialofantsika amin’ny oram-baratra. Ho an’ireo izay mahatsapa manirery, afaka mijoro amim-pahasahiana ao amin’ny fahamarinana ianareo ao anatin’ny fahafantarana fa ny Sorompanavotana dia hiaro sy hitahy anareo mihoatra noho ny fahafahanareo mahatakatra izany feno.

Isika dia tokony hahatsiaro ny Mpamonjy, hitandrina ireo fanekempihavanantsika, ary hanaraka ny Zanak’ Andriamanitra tahaka ilay tanamasoandro tanora izay manaraka ny taramasoandro. Hitondra fifaliana sy fahasambarana ary fiadanana ho anao ny fanarahana ny fahazavany sy ny ohatra nasehony. Araka ny nambaran’ny Salamo 27 sy ilay hira tiako hoe: “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy.”26

Mijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty aho amin’ity herinandron’ny Paska ity, amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy ahy. Fantatro fa velona Izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy aho sy ny maha-tena misy ny Sorompanavotana, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 2 Nefia 9:20–22.

  2. Jereo ny Môsià 15:8–9.

  3. Jereo ny Filipiana 4:7.

  4. Jereo ny Matio 13:41.

  5. Matio 13:43.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6.

  7. Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 1.1.4.

  8. Vaughn R. Kimball, “The Right Time at Home,” Reader’s Digest, mey 1944, 43.

  9. Jereo ny taratasy avy tamin’ny Kapiteny G. A. Seitz, tafika an-dranomasin’i Etazonia, USS Bunker Hill, tamin’ny 25 mey 1945, ho an’ny rain’i Vaughn Kimball, Crozier Kimball, Draper, Utah.

  10. Jereo ny taratasy avy tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball, natao tamin’ny 2 Jona 1945, ho an’i Crozier Kimball; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:46.

  11. Jereo ny Crozier Kimball, ao amin’ny Marva Jeanne Kimball Pederen, Vaughn Roberts Kimball, A Memorial (1995), 53.

  12. Spencer W. Kimball, “The Family Influence,” Ensign, jolay 1973, 17. Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i Spencer W. Kimball tamin’izany.

  13. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, nôv. 2010, 129.

  14. Carla Carlisle, “Pray, Love, Remember,” Country Life, 29 sept 2010, 120.

  15. Boky Torolalana 2, 1.1.5.

  16. Jereo ny 4 Nefia 1:26.

  17. Resahina be ny kolontsaina amin’izao tontolo ankehitriny izao. Nambaran’ny Merriam-Webster.com ho tenin’ny taona 2014 mihitsy aza ny teny hoe kolontsaina.

  18. Jereo ny Almà 9; Helamana 5.

  19. 4 Nefia 1:15.

  20. I Goethe izay filôzôfa Alemana malaza dia nilaza hoe: “Mba hananana izay navelan’ny rainao ho lovanao dia tsy maintsy miasa mafy mba hahazoana izany ianao!” (Johann Wolfgang von Goethe, Faust, trans. Bayard Taylor [1912], 1:28).

  21. Izany no anisan’ireo antony hampianaran’ny Fiangonana amin’ny fiteny miisa 50 sy handikana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny miisa 110. Anisan’ireo olana maneran-tany anefa ny mianatra ny fitenin’ny firenena izay hipetrahanareo. Mila manao fahafoizantena isika amin’ny maha ray aman-dreny antsika mba hanampiana ny taranaka vao misondrotra mba hianatra ny fiteny ao amin’ny firenena izay hipetrahan’izy ireo ankehitriny. Ampio izy ireo mba hanao izany fiteny izany ho ny fitenin’ny fony.

  22. Jereo ny Môsià 18:21.

  23. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:25, 27.

  24. Tato anatin’ny 25 taona dia nihena ny isan’ny mpikambana nandao ny Fiangonana ary nitombo saika ho avo roa heny ny isan’ny mpikambana ato amin’ny Fiangonana. Nihena be ny tahan’ny fandaozana ny Fiangonana.

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10.

  26. Salamo 27:1; Jereo ihany koa ny “Christ est ma lumière,” Cantiques, no. 50.