2010–2019
Ny feon-kiran’ny filazantsara
Aprily 2015


Ny feon-kiran’ny filazantsara

Ny feon-kiran’ny filazantsara dia ny fahatsapana ara-panahy mahafinaritra izay avy amin’ny Fanahy Masina. Mitondra fiovampo izany.

Taona maro lasa izay dia nihaino fanadihadiana iray aho tao amin’ny radio izay natao tamin’ny mpitsabo tanora iray izay niasa tao amin’ny hôpitaly iray tao amin’ny Firenena Navajo. Notantarainy ny zavatra niainany indray alina izay, raha nisy anti-dahy iray Amerikana Zanatany izay mirandrana sady lava volo niditra tao amin’ny efitrano hiandraiketana ny vonjy taitra. Noraisin’ilay mpitsabo ny fandraisany naoty ary nanatona ilay lehilahy izy ka niteny hoe: “Inona no azoko hanampiana anao?” Nibanjina tany aloha fotsiny ilay anti-dahy, ary tsy niteny na inona na inona. Ilay mpitsabo, izay somary tsy nanam-paharetana dia namerina nanandrana nanontany indray. “Tsy afaka manampy anao aho raha tsy miresaka amiko ianao,” hoy izy. “Lazao amiko izay nahatonga anao ho aty amin’ny hôpitaly.”

Avy eo dia nibanjina azy ilay anti-dahy sady niteny hoe: “Mahay mandihy ve ianao?” Rehefa nandinika izany fanontaniana hafahafa izany ilay mpitsabo tanora, dia tonga tao an-tsainy hoe angamba io marariny io mety ho mpitsabo nentim-paharazana, izay raha araka ny fomban-drazana fahiny, dia manandrana manasitrana ny marary amin’ny alalan’ny hira sy dihy fa tsy amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody.

“Tsia,” hoy ilay mpitsabo, “Tsy mahay mandihy aho. Ianao angaha mahay?” Nihatokatoka ilay anti-dahy nanao eny. Ary dia nanontany ilay mpitsabo hoe: “Afaka mampianatra ahy handihy ve ianao?”

Nampieritreritra lalina ahy nandritra ny taona maro ny valintenin’ilay anti-dahy. “Afaka mampianatra anao handihy aho,” hoy izy, “saingy mila maheno ilay feon-kira ianao.”

Indraindray isika ao an-tokantranontsika, dia mampianatra amim-pahombiazana ireo fihetsika atao rehefa mandihy, kanefa tsy mahomby eo amin’ny fanampiana ireo fianakaviantsika haheno ilay feon-kira. Ary araka ny zavatra fantatr’ilay mpitsabo nentim-paharazana, dia sarotra ny mandihy tsy misy feon-kira. Sarotra sy mampiambakavaka ny mandihy tsy misy feon-kira—mahamenatra mihitsy aza. Efa nanandrana nanao an’izany ve ianao?

Ao amin’ny fizarana faha 8 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Tompo dia nampianatra an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery, “Eny, indro, hiteny ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao” (andininy faha 2). Ny saintsika no ianarantsika ireo fihetsika amin’ny fandihizana, fa ny fontsika no handrenesantsika ny feon-kira. Ireo fihetsika amin’ny dihin’ny filazantsara dia ireo zavatra ataontsika, ary ny feon-kiran’ny filazantsara dia ny fahatsapana ara-panahy mahafinaritra izay avy amin’ny Fanahy Masina. Mitondra fiovampo izany, ary izany no loharanon’ireo faniriana marina rehetra. Mitaky fitsipi-dalàna raha ny dingan’ny fandihizana, fa ny fifaliana entiny dia tsy ho tsapantsika raha tsy efa mandre ilay feon-kira isika.

Misy ireo izay manaraby ny mpikamban’ny Fiangonana noho ireo zavatra izay ataontsika. Mora takarina izany. Matetika ireo izay mandihy no toa hafahafa na miambakavaka na raha ampiasaina ny tenin’ny soratra masina dia hoe “olona nalaina ho an’Andriamanitra” (1 Petera 2:9) amin’ireo izay tsy maheno ilay feon-kira. Efa sendra nijanona tamina jiro mena ve ianao sy ny fiaranao teo akaikina fiara iray, ka ny mpamily an’izany dia mandihy sy mivazavaza mihira faran’izay mafy kanefa ianao tsy maheno feo satria nihidy ny fitaratrao? Moa ve tsy toa mampihomehy izy? Raha mianatra ireo fihetsika atao amin’ilay dihy ireo zanatsika fa tsy mianatra mandre sy mahatsapa ilay feon-kira kanton’ny filazantsara, dia hahatsapa ho tsy mahazo aina izy ireo rehefa ela ny ela rehefa mandihy, ary na izy tsy handihy intsony, na izy, saika ratsy toy izany ihany, manohy mandihindihy amin’izao fotsiny noho ny fanerena izay tsapan’izy ireo avy amin’ireo izay mandihy manodidina azy.

Ny fanamby ho antsika rehetra izay mikatsaka ny hampianatra ny filazantsara dia ny hampivelatra bebe kokoa ilay zavatra tokony hampianarina mba hahafaoka mihoatra lavitra noho ireo fihetsika atao amin’ny fandihizana fotsiny. Miankina amin’ny fahaizan’ireo zanatsika mandre sy mitia ny feon-kira kanton’ny filazantsara ny fahasambaran’izy ireo. Ahoana no fomba anaovantsika an’izany?

Voalohany, mila ampifanarahantsika amin’ilay onjam-peo ara-panahy tena marina aloha ny fiainantsika manokana. Raha iverenana ny andro fahiny, talohan’ny andro nampahazo vahana ny nomerika, rehefa mitady ny onjam-peo ankafizintsika isika dia ahodintsika moramora ny bokotry ny radio mandra-pahatonga azy hifanitsy tsara eo amin’ilay onjam-peo. Rehefa manomboka manakaiky ilay nomerao isika, dia tsy maheno afa-tsy kasaosaoka. Kanefa rehefa hitantsika ihany amin’ny farany ilay tena fifandrifiany, dia azontsika henoina mazava tsara ilay hira tena ankafizintsika. Eo amin’ny fiainantsika, dia mila mifanitsy amin’ilay onjam-peo tena izy isika mba hahafahan’ny tenantsika mandre ilay feon-kiran’ny Fanahy.

Rehefa mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika aorian’ny batisa, dia heniky ny feon-kiran’ny lanitra izay miaraka amin’ny fiovampo. Miova ny fontsika, ary “tsy manana fironana ny hanao ratsy intsony [isika], fa ny hanao ny soa lalandava” (Môsià 5:2). Kanefa tsy afaka mitoetra ny Fanahy rehefa misy haratsiam-panahy na hambom-po na fialonana. Raha tsy tsapantsika eo amin’ny fiainantsika intsony io fitaomana malefaka io, dia vetivety foana dia mety hivadika ho tabataba mikorontana ilay firindra mahafinaritry ny filazantsara, ary dia tsy ho heno intsony. I Almà no nametraka an’ilay fanontaniana milentika ao am-po hoe: “Raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?” (Almà 5:26).

Ry ray aman-dreny, raha tsy mirindra amin’ny feon-kiran’ny filazantsara ny fiainantsika, dia mila manitsy izany isika. Araka izay nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny ôktôbra lasa teo hoe, tsy maintsy misaina tsara izay ho alehan’ny tongotsika isika (jereo ny “Saino tsara izay alehan’ny tongotrao,” Liahona, nôv. 2014, 86–88). Fantatsika hoe ahoana no hanaovana an’izany. Tsy maintsy mandeha amin’ilay lalana izay nodiavintsika fony isika vao sambany naheno ny feon-kiran’ny filazantsara avy any an-danitra isika. Maneho finoana an’i Kristy isika, dia mibebaka, ary mandray ny fanasan’ny Tompo. Tsapantsika mafy kokoa ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ary manomboka hilanto eo amin’ny fiainantsika indray ny feon-kiran’ny filazantsara.

Faharoa, rehefa afaka maheno ilay feon-kira isika, dia tsy maintsy manao izay rehetra vitantsika hitendrena izany ao an-tokantranontsika. Tsy zavatra azo terena izany. “Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ny fisoronana”—na amin’ny maha dada na mama, na noho ny habe na noho ny hamafin’ny feo—“raha tsy amin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po, … ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy; [ary] amin’ny halemem-panahy” (F&F 121:41–42).

Nahoana ireo toetra ireo no mitondra mankany amin’ny fitomboan’ny hery sy ny fitaomana ananana ao an-tokantrano? Satria ireo no toetra izay manasa ny Fanahin’ny Fanahy Masina. Ireo no toetra izay mampirindra ny fontsika amin’ny feon-kiran’ny filazantsara. Rehefa manana ireo toetra ireo, dia handeha ho azy kokoa ary amim-pifaliana kokoa no hanaovan’ireo mpandihy rehetra ao amin’ny fianakaviana ireo fihetsika atao amin’ilay dihy, ka tsy mila fampitahorana na fandrahonana na fanerena akory.

Raha mbola kely ireo zanatsika dia afaka mihira ny rotsirotsin’ny fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy ho azy ireo isika, ary rehefa miziriziry izy ireo ka tsy mety hatory amin’ny alina, dia mety ilaina ny hihirantsika ny rotsirotsin’ny fahari-po. Rehefa tonga zatovo izy ireo, dia azontsika ialana ny kipantson’ny adihevitra sy ny fampitahorana, ary ho solon’izany, dia azontsika hiraina ny feon-kira kanton’ny fandresen-dahatra—ary angamba azontsika hiraina ny andininy faharoa amin’ny rotsirotsin’ny fahari-po. Afaka mampirindra tsara ireo toetra mifamenon’ny hatsaran-toetra sy ny hamoram-po ireo ray aman-dreny. Afaka manasa ireo zanatsika isika hiara-hihira amintsika amin’ny feo tokana rehefa maneho hatsaram-panahy amin’ny mpiray monina iray mila fanampiana.

Tsy indray ho tanteraka ao anatin’ny indray mipi-maso izany. Fa araka ny fantatry ny mpahay mozika tsirairay, dia mitaky famerenana amim-pahazotoana ny fihirana hira kanto. Raha toa ka somary mikorontana sy mivalana ireo fiezahana hihira any am-boalohany, dia tsarovy fa ny hira mivalana dia tsy ho azo ahitsy amin’ny alalan’ny fitsikerana. Ny disadisa ao an-trano dia tahaka ny haizina ao anaty efitrano iray. Tsy mitondra soa ny fibedesana ny haizina amim-pahatezerana. Ny fampidirana hazavana no tsy maintsy ataontsika mba handroahana ny haizina.

Noho izany, raha toa mafy loatra na mitady hahazo laka loatra ny beso ao amin’ny amboarampeon’ny fianakavianao, na raha somary migetraka na mivalana kely ireo tadin-dokanga ao amin’ny rodoben-javamanenon’ny ny fianakavianao, na raha mivalana ireo sodina kely na sarotra ahitsy, dia manàna faharetana. Raha toa ka tsy maheno ny feon-kiran’ny filazantsara ianao ao an-tokantranonao, dia miangavy anao aho tsarovy ireto teny ireto: tohizo ny fanazarana. Miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra dia ho avy ny andro hoe hanenika ny tokantranonao ny feon-kiran’ny filazantsara ao anatin’ny fifaliana tsy hay tononina.

Kanefa, na dia atao tsara aza ny feon-kira, dia tsy hamaha ny olantsika rehetra izany. Tsy maintsy hisy ny mihamiakatra sy ny mihamidina eo amin’ny fiainanao, ny mitsatotsatoka sy ny mitohy. Izany no toe-piainana eto amin’ny planetan’ny tany.

Kanefa rehefa asiantsika feon-kira ireo fihetsika atao amin’ny fandihizana, dia mizotra mankany amin’ny firindrana mifandanja tsara ny figadon’ny fiainam-panambadiana sy ny fiainam-pianakaviana izay sarotra indraindray. Ary na ireo fanamby faran’izay sarotra indrindra iainantsika aza dia hanampy naoty manatsara sy fiverenan-kira mampihetsi-po. Hanomboka hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra ny fotopampianaran’ny fisoronana. Ny Fanahy Masina no ho namantsika lalandava, ary ho tehim-piandrianantsika—izay mazava fa maneho ny fahefanao sy ny fitarihanao—dia ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina tsy miovaova. Ary ny fanapahantsika dia ho fanapahana maharitra mandrakizay. Ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany amintsika mandrakizay mandrakizay (jereo ny F&F 121:45–46).

Ho tanteraka eo amin’ny fiainantsika anie izany, sy any amin’ny tokantranontsika tsirairay avy. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.