2010–2019
Fanoharana momba ilay mpamafy voa
Aprily 2015


Fanoharana momba ilay mpamafy voa

Miankina amintsika tsirairay ny mametraka ireo laharampahamehana sy manao ireo zavatra mba hahatonga ny tanintsika ho tsara sy ny vokatra azontsika ho betsaka.

Ny lohahevitra mikasika ireo lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia omena—tsy amin’ny alalan’ny olona mety maty izay manana fahefana hanao izany fa amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy. Lohahevitra maro no hiresaka mikasika ireo olana ara-nofo izay ifampizarantsika rehetra. Saingy tahaka ny tsy nampianaran’i Jesoa ny fomba handresena ireo olana ara-nofo na ireo fampahoriana ara-pôlitika tamin’ny androny anefa dia matetika Izy no manome aingam-panahy ireo mpanompony maoderina hiresaka momba izay tokony hataon’ny mpanara-dia Azy mba hanovana ny fiainantsika manokana hanomanana antsika amin’ny fiverenana any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Amin’izao faran’ny herinandron’ny Paska izao dia nahatsapa fitaomam-panahy aho mba hiresaka momba ireo fampianarana sarobidy sy tsy tontan’ny ela ao anatin’ny iray amin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa.

Ny fanoharana momba ilay mpamafy voa dia anisan’ireo fanoharana vitsy izay voaresaka hatrany ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka. Anisan’ireo andiana fanoharana kely nohazavain’i Jesoa tamin’ny mpianany koa izany. Ny voa nafafy dia ilay “tenin’ny fanjakana” (Matio 13:19), “ny teny” (Marka 4:14), na “ny tenin’ Andriamanitra” (Lioka 8:11)—dia ireo fampianaran’ny Mpampianatra sy ny mpanompony.

Ireo karazana tany izay nilatsahan’ireo voa dia maneho ireo karazana fomba izay handraisan’ny olona sy hanarahany ireny fampianarana ireny. Noho izany, ireo voa izay “voafafy teny amoron-dalana” (Marka 4:4) dia tsy tody teny amin’ny tanin’ny olombelona izay mety ho naniriany. Mitovy amin’ny fampianarana izay latsaka tao amin’ny fo nohamafisina sy tsy ampy fiomanana izany. Tsy hiresaka mihoatra noho izay aho mikasika an’ireo. Mahakasika antsika izay nanolo-tena ho mpanara-dia an’i Kristy ny hafatro. Inona no ataontsika amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy rehefa miaina ny fiainantsika isika?

Ny fanoharana momba ilay mpamafy dia mampitandrina antsika ny amin’ireo toe-javatra miseho na fihetsika izay mety manakana ireo rehetra izay nandray ilay voan’ny hafatry ny filazantsara tsy hitondra vokatra tsara.

I. Tany ambony vatolampy, tsy manam-paka

Ny voa sasany dia “voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy: dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy” (Marka 4:5–6).

Nanazava i Jesoa fa izany dia mamaritra “ireo izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana,” kanefa satria “tsy manam-paka ao anatiny ireny, … koa rehefa … tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy” (Marka 4:16–17).

Inona no mahatonga ireo mpihaino “tsy manam-paka ao anatiny”? Izany no toe-javatra mitranga amin’ireo mpikambana vaovao izay miova fo fotsiny amin’ny misiônera na amin’ireo toe-javatra mahasarika maro ato amin’ny Fiangonana na amin’ireo fitahiana mahafinaritry ny maha-mpikambana. Satria tsy mifototra amin’ny teny ny finoan’ireny olona ireny dia miala amin’ny fahamarinana ka manary ny fanolorantenany izy rehefa tonga ny fifanoherana. Kanefa na ireo izay nobeazina tato amin’ny Fiangonana aza—ireo mpikambana efa ela—dia mety ho tonga tahaka ireo izay tsy manam-paka. Nahafantatra ny sasany tamin’izy ireo aho—dia ireo mpikambana izay tsy manana fiovampo mafy orina sy maharitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha sady tsy miorim-paka amin’ny fampianaran’ny filazantsara isika no miovaova eo amin’ny fampiharana azy, dia mety hamboly fo vato ny tsirairay amintsika, ka izany dia hahatonga ireo fahamarinana ara-pilazantsara ho sarotra ekena.

Ilaina ny sakafo ara-panahy ho an’ny fahavelomana ara-panahy, indrindra ao amin’ity izao tontolo izao ity izay misitaka amin’ny finoana an’ Andriamanitra sy amin’ny marina sy ny ratsy tanteraka. Amin’izao vanimpotoana hanjakan’ny Internet izao izay manindrahindra ireo hafatra manambana ny hanimba ny finoantsika manokana dia tsy maintsy mampitombo ny fanarahantsika ny fahamarinana ara-panahy isika mba hampatanjaka ny finoantsika ary hiorenam-paka ao amin’ny filazantsara.

Ry tanora, raha toa ka tsy dia voafaritra mazava loatra izany fampianarana izany dia indro misy ohatra voafaritra tsara. Raha mizara ny fanasan’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana kanefa ianareo mandefa hafatra na mibitsibitsika na milalao jeux vidéos na manao zavatra hafa izay handavan’ny tenanareo ireo sakafo ara-panahy manan-danja dia mampalemy ny fijoroanareo ho vavolombelona ianareo ka mamindra ny tenanareo mankany amin’ny tany feno vatolampy. Manao izay mamparefo ny tenanareo ianareo ka lasa mora malemy ara-panahy rehefa tratry ny olana tahaka ny fitokantokanana, ny fampitahorana na fahafaham-baraka. Ary miantefa amin’ny olon-dehibe koa izany.

Ny zavatra hafa iray izay mety ho mpanimba ny faka ara-panahy—izay hafainganin’ny teknôlôjia amin’izao fotoana izao, kanefa tsy izay ihany no antony mahatonga izany—dia ny fitsarana ny filazantsara na ny Fiangonana amin’ny alalan’ny ampahany kely amin’izany. Izany fijery voafetra izany dia mifantoka amin’ny fotopampianarana manokana na fomba fanao na fahadisoana tsikaritra nataon’ny mpitarika iray ka tsy miraharaha ireo lafin-javatra maro hafa ao amin’ny drafitry ny filazantsara sy ireo fitahiana natokana ho an’ny tsirairay sy ho an’ny vondrona, izay azo rehefa manaraka izany izy ireo. Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanome fanoritsoritana mazava mikasika ny iray amin’io fomba fijery voafetra io. Niresaka momba ireo mpandinika ara-pôlitika izay “nisafoaka mafy” noho ny zavatra iray izay nitranga vao haingana tamin’izany fotoana izany tamin’ny mpihaino azy tao BYU izy. “Tamin’ny fomba voakaly no nilazan’izy ireo zavatra feno hatezerana sy fanebahana. … ‘Azo antoka,’” hoy izy namarana izany fa “‘toa tena azo ekena sy malaza amin’izao fotoana izao sy eto amin’ity toerana ity ny miresaka amin’ny fomba manebaka toy izany.’”1 Fa mifanohitra amin’izany kosa raha te hiorim-paka mafy ao amin’ny filazantsara isika dia tokony ho voalanjalanja sy ho voahevitra ny fitsikerana ataontsika ka hikatsaka hatrany ny hahatakatra ny lafin-javatra rehetra ao amin’ny asa lehiben’ Andriamanitra.

II. Tsilo: Ilay fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena

Nampianatra i Jesoa fa “ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy” (Marka 4:7). Nanazava Izy fa “ireo no ilay nandre ny teny, fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy” (Marka 4:18–19). Azo antoka fa fampitandremana tokony hohenointsika rehetra izany.

Voalohany dia hiresaka momba ny fitaky ny harena aho. Na aiza na aiza no misy antsika eo amin’ny diantsika ara-panahy—na manao ahoana na manao ahoana ny toetry ny fiovampontsika—dia alaim-panahy amin’izany avokoa isika. Rehefa mifantoka amin’ny fahazoana, fampiasana, na fananana zavatra ny fihetsika na ny laharampahamehana dia antsointsika hoe materialisma izany. Betsaka ireo efa voalaza sy voasoratra momba ny materialisma ka tsy mila ampiana firy izany.2 Ireo izay mino an’ilay antsoina hoe firehana amin’ny fikatsahana harena dia ianjadian’ny “fitaky ny harena.” Ny fananana harena na volabe miditra dia tsy famantarana ny fiandanian’ Andriamanitra, ary ny tsy fananana izany dia tsy porofon’ny tsy fiandanian’ Andriamanitra. Rehefa nilaza tamin’ny mpanaradia mahatoky Azy i Jesoa fa afaka handova ny fiainana mandrakizay izy raha toa ka hanome izay rehetra ananany ho an’ny mahantra (jereo ny Marka 10:17–24), dia tsy nilaza fa ratsy ny fananana harena fa ny ratsy dia ny fihetsika nasehon’io mpanara-dia io nanoloana azy ireo. Araka ny efa fantatsika rehetra, i Jesoa dia nidera ilay Samaritana tsara fanahy izay nampiasa ilay karazana vola nitovy tamin’ilay nampiasain’i Jodasy mba hamadihana ny Mpamonjiny mba hanompoana ny namany. Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra fa tsy ny vola (jereo ny 1 Timoty 6:10).

Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ny fotoana iray izay nahatonga ny Fiangonan’ Andriamanitra “nanomboka tsy mahomby tamin’ny fandroasoany” (Almà 4:10) satria “ny olon’ny fiangonana dia nanomboka … nametraka ny fony tamin’ny harena sy tamin’ ny zava-poanan’ izao tontolo izao” (Almà 4:8). Na iza na iza manana fananana betsaka dia tandindomin-doza ny ho tsy “vonona hivoatra” ara-panahy noho ireo harena sy zavatra hafan’izao tontolo izao.3 Fampidirana mety tsara amin’ny fampianarana manaraka entin’ny Mpamonjy izany.

Ny tsilo mamitaka amin’ny fomba an-kolaka izay tsy hamela toerana ho an’ny vokatra ateraky ny tenin’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika dia ireo hery eo amin’izao tontolo izao izay nantsoin’i Jesoa hoe: ny “fiahiahiana izao fiainana izao” (Lioka 8:14). Betsaka loatra izy ireny ka tsy ho voatanisa. Ampy ny ohatra vitsivitsy.

Tamin’ny fotoana iray dia nanitsy ny lehiben’ny Apostoliny i Jesoa ka nanao tamin’i Petera hoe: “Fanafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona” (Matio 16:23; jereo ihany koa ny F&F 3:6–7; 58:39). Ny hoe fametrahana lanja lehibe amin’ny zavatry ny olona dia midika ho fametrahana mialoha ny fiahiahiana izao fiainana izao manoloana ireo zavatr’ Andriamanitra eo amin’ny asantsika, ny laharampahamehantsika, ary ny eritreritsika.

Mitolo-batana amin’ireo “fahafinaretan’ity fiainana ity” isika (1) rehefa miankin-doha, izay manaratsy ny fiasan’ilay fanomezana sarobidin’ny fahafahana misafidy avy amin’ Andriamanitra; (2) rehefa voafitaky ny fialamboly tsy manan-danja firy, izay mampisitaka antsika amin’ireo zavatra manan-danja mandrakizay; ary (3) rehefa mieritreritra fa hahazo vokatra tsara hatrany, izay tsy mampandroso ny fivoarantsika manokana izay ilaina hahamendrika antsika amin’ny hoavintsika mandrakizay.

Resin’ny “fiahiahiana … eo amin’ity fiainana ity” isika rehefa tsy afa-mihetsika noho ny tahotra ny hoavy, izay manakana ny fandrosoantsika am-pinoana, ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra sy ny fampanantenany. Dimy amby roapolo taona lasa izay dia niresaka momba ireo loza rehefa mitolo-batana amin’ny fiahiahiana ity fiainana ity i Hugh W. Nibley izay mpampianatra ahy tao BYU tena ankasitrahako indrindra. Nanontaniana izy tao anatin’ny tafatafa iray raha toa ny toetoetran’izao tontolo izao sy ny adidintsika hanaparitaka ny filazantsara ka mahatonga ny faniriana hikatsaka bebe kokoa na tsia ny fomba vitsivitsy “hanovana ny zavatra ataontsika ato amin’ny Fiangonana mba hitovy amin’izay atao ao amin’izao tontolo izao.”4

Ny valinteniny dia hoe: “Izany no tantara manontolon’ny Fiangonana, sa tsy izany? Mila vonona hanafintohina olona ianao eto, mila vonona hanao vy very ny aina ianao. Eo no hidiran’ny finoana. … Natao ho fitsapana ny fanolorantenantsika, natao ho sarotra izany, natao ho toy ny tsy azo tanterahina izany raha araka ny fijeren’izao tontolo izao.”5

Ity laharampahamehan’ny filazantsara ity dia nohamafisin’ny mpitarika hajaina iray ao amin’ny Katôlika, dia i Charles J. Chaput, arsevekan’i Philadelphie tao BYU volana vitsy monja lasa izay. Raha niresaka momba ireo “olana izay ifampizaran’ny fiarahamonina OAF sy Katôlika” izy, toy ny “mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny toetry ny fananahantsika, ny fahamasinan’ny fiainan’ny olombelona, ary ny fahamehana eo amin’ny fananana zom-pahafahana misafidy ny finoana,” dia hoy izy:

“Tiako ny hanamafy indray ny maha-zava-dehibe ny tena fiainantsika marina izay itompoantsika teny fa inoantsika. Tokony no laharampahamehana izany—tsy ao amin’ny fiainantsika manokana na ao amin’ny fiainam-pianakaviantsika fotsiny fa ao amin’ny fiangonantsika, ireo safidy ara-pôlitika ataontsika, ny fandraharahana eo amin’ny asa ataontsika, ny fikarakarantsika ny mahantra; na amin’ny teny hafa: amin’ny zavatra rehetra izay ataontsika.”

“Izao no maha-manan-danja izany,” hoy izy nanohy. “Mianara avy amin’ny zavatra iainan’ny Katôlika. Izahay Katôlika dia mino fa ny tanjonay dia ny ho masirasira (lalivay) eo amin’ny fiarahamonina. Kanefa misy fahasamihafana manasaraka ny hoe masirasira ao amin’ny fiarahamonina, sy ny hoe atelin’ny fiarahamonina.”6

Ny fampitandreman’ny Mpamonjy amin’ny fiahiahiana ity fiainana ity izay tsy mamela toerana ho an’ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia azo antoka fa mametraka fanamby ho antsika mba hampifantoka ny laharampahamehantsika—sy ny faniriantsika—amin’ny didin’ Andriamanitra sy amin’ireo mpitarika ny Fiangonany.

Ny ohatra nataon’ny Mpamonjy dia mety hahatonga antsika hieritreritra momba ity fanoharana ity ho toy ilay fanoharana momba ny tany. Ny maha-tsara na maha-ratsy ny tany dia miankina amin’ny fontsika tsirairay avy izay ahitana ny voan’ny filazantsara. Raha ny fahavononana ara-panahin’ny olona no eritreretina dia misy ireo fo sasany izay nohamafisina sy tsy nomanina, misy ireo fo vato noho ny tsy fampiasana azy, ary misy ireo fo sasany mifantoka amin’ny zavatr’izao tontolo izao.

III. Nafafy tamin’ny tany tsara dia namoa

Ny fanoharana momba ny mpamafy dia nofaranan’ny Mpamonjy tamin’ny famaritana ilay voa izay “voafafy teny amin’ny tany tsara dia namoa” betsaka (Matio 13:8). Ahoana no ahafahantsika manomana ny tenantsika ho tonga tahaka izany tany tsara izany ka hanana vokatra tsara?

Nanazava i Jesoa “fa ireo teny amin’ny tany tsara kosa dia izay nandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ny faharetana” (Lioka 8:15). Manana ny voan’ny tenin’ny filazantsara isika. Miankina amintsika tsirairay ny mametraka ireo laharampahamehana sy manao ireo zavatra mba hahatonga ny tanintsika ho tsara sy ny vokatra azontsika ho betsaka. Mila mikatsaka ny hiorim-paka tsara sy hiova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika (jereo ny Kolosiana 2:6–7). Tratrantsika izany fiovampo izany amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina, amin’ny alalan’ny fanompoana, amin’ny alalan’ny fandraisana tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo mba hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Tsy maintsy mikatsaka izany fiovampo mahery vaika izany koa isika (jereo ny Almà 5:12–14) izay manolo ireo fanirian-dratsy sy ny fitiavan-tena amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana hanompo Azy sy ny zanany.

Mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ireo zavatra ireo aho ary mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, ka ny fampianarany dia manoro lalana antsika ary ny Sorompanavotany dia mahatonga ny zavatra rehetra ho tanteraka, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Let Not Your Heart Be Troubled” (Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young University, 29 ôkt. 1974), 1; speeches.byu.edu.

  2. Jereo ohatra ny Dallin H. Oaks, “Materialism,” toko faha 5 ao amin’ny Pure in Heart (1988), 73–87.

  3. Ananan’ny Loholona Neal A. Maxwell trosa aho amin’ity fanoharana ity (jereo ny “These Are Your Days,” Ensign, ôkt. 2004, 26).

  4. James P. Bell, ao amin’ny “Hugh Nibley, in Black and White,” BYU Today, mey 1990, 37.

  5. Hugh Nibley, ao amin’ny “Hugh Nibley in Black and White,” 37–38.

  6. Charles J. Chaput, “The Great Charter at 800: Why It Still Matters,” First Things, 23 jan. 2015, firstthings.com/web-exclusives/2015/01/the-great-charter-at-800; jereo ihany koa ny Tad Walch, “At BYU, Catholic Archbishop Seeks Friends, Says U.S. Liberty Depends on Moral People,” Deseret News, 23 jan. 2015 deseretnews.com/article/865620233/At-BYU-Catholic-archbishop-seeks-friends-says-US-liberty-depends-on-moral-people.html. Nilaza koa ny arseveka Chaput hoe “ny sasany tamin’ireo toeram-pianarana Katôlika dia na namery na nanalefaka tokoa ny maha-izy azy ireo ara-pivavahana. … oniversite miavaka i Brigham Young … satria ivontoeram-pianarana izay manan-karena amin’ny alalan’ny maha-izy azy ara-pivavahana izany. Aza mamery izany na rahoviana na rahoviana” (“The Great Charter at 800”).