2010–2019
Fahafinaretana ny Sabata
Aprily 2015


Fahafinaretana ny Sabata

Ahoana no ahafahanao manao izay hitondran’ny fitondrantenanao amin’ny Sabata fifaliana sy firavoravoana?

Ry rahalahy sy anabavy malala isany, tena nahafinaritra izay roa andro nanaovana ny fihaonambe izay. Nahazo hery tamin’ny alalan’ny hira manentana ny fanahy sy ireo vavaka tsara lahatra isika. Nampatanjahana tamin’ny alalan’ireo hafatry ny fahazavana sy fahamarinana ny fanahintsika. Misaotra an’ Andriamanitra amim-piraisampo sy amin-kitsimpo indray isika noho ny mpaminany amin’izao alahadin’ny Paska izao.

Ny fanontaniana ho antsika tsirairay dia hoe: ahoana no fomba hiovako noho ny zavatra henoko sy tsapako nandritra ity fihaonambe ity? Na inona na inona valinteninareo dia avelao aho hanasa anareo handinika ny fahatsapanareo momba ny andro Sabata sy ny fitondrantenanareo mandritra izany.

Mahavariana ahy ny tenin’i Isaia, izay niantso ny Sabata ho “fahafinaretana.”1 Kanefa manontany tena aho raha toa ka tena fahafinaretana ho ahy sy ho anao tokoa ny Sabata?

Voalohany nahita fahafinaretana tamin’ny Sabata aho taona maro lasa izay rehefa fantatro fa nanjary ho androm-panasitranana ho an’ny tenako manokana ny Sabata amin’ny maha-mpandidy be andraikitra ahy. Narary ny tanako isaky ny faran’ny herinandro noho ny fikosehana izany matetika amin’ny savony sy rano ary borosy maranitra volo. Nila fiatoana koa aho noho ny fahasarotan’ny asa. Nitondra fahamaivanana izay nilaina tokoa ny alahady.

Inona no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niteny izy hoe “ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny sabata”?2 Mino aho fa tiany hahatakatra isika fa ny Sabata dia fanomezany ho antsika, izay mitondra fitsaharana marina amin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra mitranga amin’ ny fiainana andavanandro sy fahafahana iray hanovozana hery vaovao ho an’ny fiainam-panahy sy ny vatana. Nanome izany andro miavaka izany ho antsika Andriamanitra, tsy hialana voly na hanaovana ny asa andavanandro fa hitsaharana amin’ny adidy, arahin’ny fahazoana fahamaivanana ara-batana sy ara-panahy.

Amin’ny teny Hebreo, ny teny hoe Sabata dia midika hoe “fitsaharana.” Ny tanjon’ny Sabata dia efa nisy nanomboka tany amin’ny Fahariana izao tontolo izao rehefa nitsahatra tamin’ny asa fahariana ny Tompo taorian’ny enina andro niasana.3 Rehefa nambarany tamin’i Mosesy ireo Didy Folo taty aoriana dia nandidy antsika Andriamanitra mba “[hahatsiaro] ny andro sabata hanamasinana azy.”4 Notandremana ny Sabata taty aoriana ho fampahatsiahivana ny fanafahana an’i Isiraely tamin’ny fanandevozana azy ireo tany Egypta.5 Ny manan-danja indrindra angamba dia ny hoe nomena ho fanekena mandrakizay ny Sabata, mpampahatsiahy tsy tapaka fa hanamasina ny vahoakany ny Tompo.6

Ankoatra izany dia mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny andro Sabata isika ankehitriny ho fahatsiarovana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.7 Manao fanekempihavanana indray isika fa vonona hitondra eo amintsika ny anarany masina.8

Ny Mpamonjy mihitsy no nilaza ny tenany ho ny Tompon’ny Sabata.9 Androny izany! Nangataka tamintsika foana Izy mba hitandremantsika ny Sabata10 na mba hanamasinantsika ny andro Sabata.11 Nanao fanekempihavanana isika fa hanao izany.

Ahoana no hanamasinantsika ny andro Sabata? Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra.12 Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho niaraka tamin’izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: “Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?” Nampahazava tsara ny safidiko momba ny andro sabata izany.

Na dia efa nisy hatramin’ny fahiny aza ny andro Sabata dia nohavaozina izany amin’izao andro farany izao ho ampahany iray ao anatin’ny fanekempihavanana vaovao miaraka amin’ny fampanantenana iray. Henoy ny herin’ity fanambarana avy amin’ Andriamanitra ity:

“Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpetin’ izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ ny androko masina;

“Satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ ny asanao; ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra. …

“Ary amin’ io andro io, dia … hanomana ny haninao amin’ ny fahatsoram-po [ianao], mba hahatonga ny fifadianao ho fanaperana, … mba ho feno ny fifalianao. …

“Ary raha ataonareo amin’ny fankasitrahana, amin’ ny fo sy ny tarehy falifaly ireo zavatra ireo, … dia anareo ny fahafenoan’ ny tany.”13

Eritrereto ny halehiben’izany fanambarana izany! Ampanantenaina ho an’ireo izay mitandrina ny andro Sabata ho masina ny fahafenoan’ny tany.14 Tsy mahagaga raha nantsoin’i Isaia hoe “fahafinaretana” ny Sabata.

Ahoana no ahafahanao manao izay hitondran’ny fitondrantenanao amin’ny Sabata fifaliana sy firavoravoana? Ankoatra ny fandehanana any am-piangonana, fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy fahazotoana amin’ny antso manokana izay anompoanareo, dia inona ireo hetsika hafa izay hanampy anareo hanao ny Sabata ho fahafinaretana ho anareo? Inona no famantarana izay omenareo ny Tompo mba hampisehoana ny fitiavanareo Azy?

Manome fahafahana mahafinaritra mba hanamafy orina ny fifandraisan’ny fianakaviana ny Sabata. Raha ny marina dia tian’ Andriamanitra isika tsirairay avy, amin’ny maha-zanany antsika, mba hiverina any Aminy amin’ny maha-Olomasina vita fanafiana masina sy nofehezina tamin’ny razambentsika sy ny taranatsika tany amin’ny tempoly amin’ny maha-fianakaviana antsika.15

Manao ny Sabata ho fahafinaretana isika rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny zanatsika. Mazava be ny andraikitsika amin’ny maha-ray aman-dreny antsika. Niteny ny Tompo hoe: “Ary ankoatra izany, raha manan-janaka ao Ziona … ny ray aman-dreny ka tsy mampianatra azy hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’ i Kristy ny Zanak’ Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, rehefa feno valo taona izy, dia mby eo amin’ ny lohan’ ny ray aman-dreny ny fahotana.”16

Nanamafy momba ny maha-zava-dehibe ny fotoana tsara atokana ho an’ny fianakaviana ny Fiadidiana Voalohany taona maro lasa izay. Nanoratra izy ireo hoe:

“Miantso ny ray aman-dreny izahay mba hanao izay tsara indrindra vitan’izy ireo amin’ny fampianarana sy fanabeazana ny zanany ao anatin’ireo fitsipiky ny filazantsara izay hihazona azy ireo ho akaikin’ny Fiangonana. Ny tokantrano no fototry ny fiainana araka ny fahamarinana, ary tsy misy zavatra hafa afaka manolo izany na manatontosa ny asa manan-danja fonosin’izany mba hanatanterahana ilay andraikitra nomen’ Andriamanitra.

“Manoro hevitra ny ray aman-dreny sy ny zanaka izahay mba hanao ho laharampahamehana ambony indrindra ny vavaky ny mpianakavy, ny takarivam-pianakaviana, ny fandalinana ny soratra masina sy ny fananarana, ary ireo hetsika mahasoa ho an’ny fianakaviana. Na mendrika sy tsara toy ny ahoana aza anefa ireo zavatra hafa hita fa tokony hatao koa sy ireo hetsika hafa dia tsy azo avela haka ny toeran’ireo adidy asain’ Andriamanitra atao izany izay ny ray aman-dreny ihany no afaka manatontosa azy tsara.”17

Rehefa misaintsaina izany torohevitra izany aho dia saika maniry ny ho ray vao herotrerony indray. Manana loharano mahafinaritra maro ireo ray aman-dreny amin’izao fotoana izao mba hanampiana azy ireo hanao ny fiarahana amin’ny fianakaviana ho fotoana manan-danja kokoa, amin’ny andro sabata sy amin’ireo andro hafa koa. Manana ny LDS.org, Mormon.org, ireo Horonantsary momba ny Baiboly, ny Mormon Channel, ny Media Library, ny Friend, ny New Era, ny Ensign, ny Liahona, sy ny maro hafa—izay maro dia maro izy ireo. Tena manampy ireo ray aman-dreny amin’ny fanatontosana ny adidy masina ananan’izy ireo amin’ny fampianarana ny zanany ireny loharano ireny. Tsy misy asa hafa manan-danja kokoa mihoatra izany maha-ray aman-dreny araka ny fahamarinana sy amin’ny nahim-po izany!

Hianatra bebe kokoa ianareo rehefa mampianatra ny filazantsara. Izany no fomban’ny Tompo hanampiana antsika hahatakatra ny Filazantsarany. Niteny Izy hoe:

“Ary omeko anareo ny didy mba hifampianaranareo ny fotopampianaran’ny fanjakana.

“Mampianara amin’ ny fahazotoana tokoa … , mba hahazoana mampianatra anareo misimisy kokoa … ny amin’ ny fotopampianarana, ny amin’ ny lalàn’ ny filazantsara, ny amin’ ny zava-drehetra izay mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra.”18

Ny fandalinana ny filazantsara toy izany no mahatonga ny Sabata ho fahafinaretana. Mihatra izany fampanantenana izany na toy ny ahoana ny haben’ny fianakaviana, ny olona ao aminy, na ny toerana misy azy.

Ankoatra ny fotoana ho an’ny fianakaviana dia afaka miaina ny tena fahafinaretana ianareo amin’ny Sabata amin’ny alalan’ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana. Afaka mitondra fifaliana goavana ny fitadiavana sy fahitana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay nialoha lalana teto an-tany—ireo izay tsy nanana fahafahana hanaiky ny filazantsara fony mbola teto.

Vavolombelon’izany ny tenako. Tapa-kevitra ny hianatra ny fomba fanaovana fikarohana ny fianakaviana i Wendy vady malalako taona maro lasa izay. Niadana ny fivoarany tamin’ny voalohany, kanefa nianatra tsikelikely izy fa tena mora ny manao izany asa masina izany. Ary mbola tsy nahita azy faly toy izany aho. Ianareo koa dia tsy mila mandeha any amin’ny firenena hafa na mankany amin’ny ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana aza. Afaka mamantatra ireo fanahy izay miandrandra ny ôrdônansiny ianareo any an-trano miaraka amin’ny fanampian’ny solosaina iray na ny fitaovana entina mandehandeha iray. Ataovy ho fahafinaretana ny Sabata amin’ny alalan’ny fitadiavana ireo razambenareo sy amin’ny fanafahana azy ireo hiala avy ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy!19

Ataovy ho fahafinaretana ny Sabata amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana ho an’ny hafa, indrindra ho an’ireo izay tsy salama na ireo izay manirery na sahirana.20 Hankahery anareo koa ny fankaherezana ny fanahin’izy ireo.

Rehefa namaritra ny Sabata ho “fahafinaretana iray” i Isaia dia nampianariny antsika koa ny fomba hanaovana izany ho mahafinaritra. Niteny izy hoe:

“Raha miaro ny tongotrao … hianao, ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina; ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, … ka hanome voninahitra [ny Tompo], ary tsy mandeha amin’ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana:

“Dia hiravoravo ao amin’i Jehovah ianao.”21

Mitaky fifehezan-tena ny tsy fanaovana izay “tianareo manokana” amin’ny Sabata. Mila mandà ny zavatra izay tianareo ianareo. Raha misafidy ny hiravoravo amin’i Jehovah ianareo dia tsy hamela ny tenanareo hanao izany ho toy ny andro hafa. Azo atao amin’ny fotoana hafa ireo zavatra fanao mahazatra sy ny fialamboly.

Eritrereto izao: Mamerina ny iray ampahafolon’ny vola miditra amintsika ho an’ny Tompo isika rehefa mandoa ny fahafolonkarena. Manome andro iray ao anatin’ny fito ho Azy isika rehefa mihazona ny andro Sabata ho masina. Koa voninahitra ho antsika ny mahafoy vola sy fotoana ho Azy izay manome fiainana antsika isan’andro.22

Miteraka fitiavana ny Sabata ny finoana an’ Andriamanitra. Miteraka fitiavana an’ Andriamanitra ny finoana ny Sabata. Tena fahafinaretana marina ny Sabata masina.

Raha hifarana ity fihaonambe ity amin’izao fotoana izao dia fantatsika fa tokony ho ohatra ho an’ny mpino isika eo anivon’ny fianakaviantsika, ny mpiray vodirindrina amintsika, ary ny namantsika na aiza na aiza misy antsika.23 Mihazona ny andro Sabata ho masina ny tena mpino.

Faranako amin’ny alalan’ity fiangaviana nataon’i Môrmôna tao anatin’ny fanaovam-belomany ity ny teniko, rehefa namarana ny Bokin’i Môrmôna izy: “Manatòna an’ i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’ izany dia… hamasinina ao amin’ i Kristy ianareo.”24

Apetrako aminareo amim-pitiavana izany ho vavaka sy fijoroana ho vavolombelona ary tsodrano ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.