2010–2019
Tena feno hatsarana ary tsy mba mamitaka
Aprily 2015


Tena feno hatsarana ary tsy mba mamitaka

Ny vaovao mahafaly entin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hoe afaka hovana ny fanirian’ny fontsika ary afaka hampianarina sy hodiovina ny antony mandrisika antsika.

Indrisy fa nisy ny fotoana teo amin’ny fiainako izay naniriako anaram-boninahitra sy fahefana. Tsy nanana hevi-dratsy anefa aho tany am-boalohany. Rehefa niomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno aho, dia voatendry ho misiônera mpitarika ny faritra hiasana ny zokiko lahy tany amin’ny misiônany. Nahare zavatra tsara maro momba azy aho ka tsy haiko ny tsy naniry ny hiresahana toy izany momba ahy koa. Nanantena izany toerana izany aho ary mety nivavaka momba izany mihitsy aza.

Soa ihany anefa fa nianatra lesona mahery vaika aho, rehefa nanao ny asa fitoriako. Nampahatsiahivina ahy izany lesona izany tamin’ny fihaonambe farany teo.

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tamin’ny ôktôbra hoe: “Nanana fahafahana nifanerasera tamin’ny lehilahy sy vehivavy sasany faran’izay mahay sy mahiran-tsaina nonina teto amin’ity tany ity aho nandritra ny fiainako. Variana tamin’ireo olona manam-pahaizana, nahatontosa zavatra maro, nahita fahombiazana ary nahazo doka avy amin’izao tontolo izao aho fony mbola tanora. Saingy rehefa nandeha ny taona dia tsapako fa mahavariana ahy lavitra kokoa ireo fanahy mahatalanjona sy voatahy izay tena feno hatsarana ary tsy mba mamitaka.”1

Ny maherifo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay ankafiziko indrindra dia ohatra lavorary amin’ny fanahy mahagaga sy voatahy izay tena feno hatsarana ary tsy mba mamitaka. I Siblôna dia iray amin’ireo zanakalahin’i Almà Zanany. Fantatsika kokoa ny mikasika ny rahalahiny Helamàna, izay nandimby ny rainy amin’ny maha-misiônera rakitsoratra azy, sy i Kôriantôna, izay fanta-daza amin’ny maha misiônera nila torohevitra avy tamin’ny rainy azy. Nanoratra andininy 77 ho an’i Helamàna i Almà (jereo ny Almà 36–37). Nanokana andininy 91 ho an’i Kôriantôna izy (jereo ny Almà 39–42). Ho an’i Siblôna, ilay lahiaivo, dia andininy 15 monja no nosoratan’i Almà (jereo ny Almà 38). Mahery vaika sy feno fampianarana anefa ny teny hita ao amin’ireo andininy 15 ireo.

“Ary ankehitriny anaka, matoky aho fa izaho dia hanam-pifaliana lehibe aminao, noho ny fiorenanao sy ny fahatokianao an’ Andriamanitra; fa toy ny efa nanombohanao niandrandra ny Tompo Andriamanitrao tamin’ny fahatanoranao, dia toy izany no anantenako fa hotohizanao ny fitandremana ny didiny; satria hotahiana izay maharitra hatramin’ny farany.

“Lazaiko aminao anaka fa efa nanam-pifaliana lehibe taminao sahady aho, noho ny fahatokianao sy ny fahazotoanao, ary ny faharetanao sy ny fahari-ponao teo anivon’ny vahoakan’ny Zôramita” (Almà 38:2–3).

Ankoatra ny firesahana tamin’i Siblôna dia niresaka momba azy tamin’i Kôriantôna koa i Almà. Hoy i Almà: “Moa tsy efa nomarihinao va ny fiorenan’ny rahalahinao, ny fahatokiany ary ny fahazotoany tamin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra? Indro, moa va izy tsy efa nampiseho ohatra tsara taminao?” (Almà 39:1).2

Hita fa zanaka izay naniry ny hahafaly ny rainy i Siblôna ary nanao izay marina satria izany no tokony hatao fa tsy nikatsaka laza, na toerana, na hery, na voninahitra, na fahefana. Mety nahafantatra sy nanaja izany toetra nananan’ny rahalahiny izany i Helamàna satria nampiandraiketiny an’i Siblôna ny fitazonana ny rakitsoratra masina izay noraisiny tamin’ny rainy. Tena nahatoky an’i Siblôna i Helamana satria “lehilahy marina izy sy nandeha araka ny hitsiny tokoa teo anoloan’ Andriamanitra; ary niezaka izy ny hanao ny tsara lalandava, ny hitandrina ny didin’ny Tompo Andriamaniny” (Almà 63:2). Raha ny toetoetra marina nananan’i Siblôna no resahina dia ahitana tahirin-tsoratra be loatra momba azy teo anelanelan’ny fotoana nandraisany ny rakitsoratra masina sy ny fotoana nanomezany izany an’i Helamàna, zanakalahin’i Helamàna (jereo ny Almà 63:11).

Tena feno hatsarana ary tsy mba namitaka i Siblôna. Olona nahafoy fotoana sy talenta ary ezaka izy mba hanampiana sy hampaherezana ny hafa noho ny fitiavany an’ Andriamanitra sy an’ny mpiara-belona aminy (jereo ny Almà 48:17–19; 49:30). Tena mamariparitra azy tsara ny teny nambaran’ny Filoha Spencer W. Kimball manao hoe: “Ny vehivavy sy ny lehilahy tena tsara dia te hanompo bebe kokoa hatrany fa tsy te hanjakazaka.”3

Eo amin’ny tontolo izay hikatsahana amin’ny fomba rehetra ny laza, ny toerana, ny hery, ny voninahitra, ary ny fahefana, dia manaja ireo fanahy mahagaga sy voatahy izay tena feno hatsarana ary tsy mba mamitaka ireo aho, ireo izay atosiky ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa, ireo vehivavy sy lehilahy tena tsara izay “te hanompo bebe kokoa hatrany fa tsy te hanjakazaka.”

Amin’izao fotoana izao dia ao ireo olona sasany manao izay hinoantsika fa ny fahazoana toerana sy fahefana ihany no hanome fahafahampo ny fikatsahantsika mba ho lasa olona manan-danja. Soa ihany anefa fa betsaka no tsy voasarik’izany fomba fijery izany. Mahatsapa ho manan-danja izy ireo amin’ny fikatsahana ny ho tena feno hatsarana ary tsy mba hamitaka. Hitako teo anivon’ireo sarangam-piainana samihafa sy teo anivon’ny antokom-pivavahana isan-karazany izy ireo. Ary betsaka tokoa izy ireo eo anivon’ireo mpanaradia an’i Kristy izay tena niova fo marina.4

Manaja ireo izay manompo amin’ny fahafoizantena isan-kerinandro eo amin’ireo paroasy sy sampana maneran-tany aho amin’ny fanatanterahana antso, mihoatra izay takina amin’izy ireo. Ny antso anefa dia mandalo fotsiny. Mbola mahatalanjona ahy kokoa ireo olona betsaka izay tsy manana antso ôfisialy, nefa mahita fomba hanampiana sy hampaherezana tsy an-kiato ny hafa. Misy rahalahy iray tonga aloha any am-piangonana mba handamina ny seza ary mijanona aorian’ny fotoana mba hampirina ny trano fiangonana. Ny rahavavy iray dia misafidy an-tsitrapo ny hipetraka eo akaikin’ny rahavavy jamba iray ao amin’ny paroasiny mba hahafahany sady miarahaba azy no mihira mafy tsara mba hahafahan’ilay rahavavy jamba mandre ny tononkira dia hihira izany koa. Raha mandinika tsara ianareo ao amin’ny paroasy na sampana misy anareo, dia hahita ohatra tahaka izany. Misy foana ny mpikambana izay toa mahafantatra ny olona mila fanampiana sy ny fotoana izay tokony hanolorana izany fanampiana izany.

Ny lesona voalohany voaraiko momba ny Olomasina tena feno hatsarana ary tsy mba mamitaka angamba dia nianarako fony aho misiônera tanora. Nafindra tamin’ny faritra iray mba hiara-hiasa amin’ny elder iray tsy fantatro aho. Reko tamin’ny misiônera hafa fa tsy mbola voatendry ho mpitarika izy ary nanana fahasahiranana tamin’ny fianarana ny teny Koreana na dia efa ela aza no nijanonany tao Korea. Rehefa nahafantatra bebe kokoa an’io elder io anefa aho, dia hitako fa anisan’ireo misiônera mpankato sy mahatoky indrindra izay fantatro izy. Nandalina izy rehefa tonga ny fotoana tokony nanaovana izany. Niasa izy tamin’ny fotoana tokony nanaovana izany. Niala tao an-trano ara-potoana izy ary niverina tao an-trano tamin’ny fotoana tokony hiverenana. Nazoto tamin’ny fianarana ny teny Kôreana izy na dia tena sarotra ho azy aza izany.

Rehefa hitako fa diso ny resaka natao momba an’io misiônera io, dia tsapako fa noheverina ho tsy mahomby izy. Te hilaza tamin’ny misiôna iray manontolo ny zavatra hitako momba an’io elder io aho. Noresahiko tamin’ny filohan’ny misiônako ny faniriako hanitsy io fiheveran-diso io. Toy izao no navaliny hoe: “Fantatry ny Ray any An-danitra fa misiônera mahomby io tovolahy io, ary mahafantatra izany koa aho.” Nampiany hoe: “Dia mahafantatra izany koa ianao amin’izao fotoana izao, koa inona intsony moa no ilàna olon-kafa hahafantatra izany?” Nampianatra ahy ny ny zavatra manan-danja amin’ny asa fanompoana io filohan’ny misiôna hendry io, ary tsy laza, na toerana, na hery, na voninahitra, na fahefana izany. Lesona tena lehibe ho an’ny misiônera tanora iray izay nifantoka be loatra tamin’ny anaram-boninahitra izany.

Teo am-piheverana io lesona io, dia nanomboka nanao jery todika ny fiainako taloha aho ary nahita ny fahatetehan’ny fotoana nitaoman’ny lehilahy sy vehivavy izay tsy nihazona anaram-boninahitra na toerana ambony ahy tamin’izany fotoana izany. Anisan’ireo fanahy tahaka an’i Siblôna ny mpampianatro seminera tamin’izaho kilasy faharoa tany amin’ny lycée. Nampianatra seminera nandritra ny roa na telo taona monja io lehilahy io, kanefa nampisokatra ny foko tamin’ny fomba izay nanampy ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona izy. Mety tsy ilay mpampianatra malaza indrindra tao amin’ny sekoly izy, kanefa vonona foana izy ary ny fitaomany ahy dia nahery vaika sy naharitra. Iray amin’ireo fotoana vitsy izay nahitako an’io lehilahy io tao anatin’ireo 40 taona hatramin’ny fotoana nampianarany ahy ny fotoana nahatongavany mba hijery ahy tamin’ny fandevenana ny raiko. Tena tsy avy amin’ny fikatsahana anaram-boninahitra na fahefana velively izany.

Manaja io mpampianatra feno fanolorantena io sy ny maro hafa tahaka azy aho, izay tena feno hatsarana sy tsy mba mamitaka. Manaja ilay mpampianatra Sekoly Alahady izay tsy mampianatra ny mpianany mandritra ny kilasy rehefa alahady fotsiny ihany aho fa mampianatra sy mitaona azy ireo mpianatra ihany koa amin’ny fanasana azy ireo hiaraka amin’ny fianakaviany hiara-hisakafo maraina. Manaja ireo mpitarika ny tanora aho, izay manatrika ny fiaraha-mientana ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina an’ny zatovolahy sy ny zatovovavy ao amin’ny paroasy misy azy. Manaja ilay lehilahy izay manoratra teny fampaherezana ho an’ny mpiray monina aminy aho, ary ilay vehivavy izay tsy mandefa ny karatra firarian-tsoa amin’ny Krismasy fotsiny fa manatitra izany an-tanana mihitsy any amin’ireo fianakaviana sy namana izay mila famangiana. Manaja ilay rahalahy izay lasa zatra nitondra ny mpiray monina aminy tamin’ny fiarakodia nandritra ny fotoan-tsarotra nianjadian’ny Alzheimer tamin’io mpiray monina aminy io aho—izay nanome azy sy ny vadiny fiovana tena nilaina tamin’ny rotorotom-piainana nahazatra azy ireo isan’andro.

Tsy natao mba hahazoana laza sy voninahitra ireo zavatra ireo. Ireo lehilahy sy vehivavy ireo dia tsy namporisihin’ny fahafahana mandray anaram-boninahitra na fahefana. Izy ireo dia mpianatr’i Kristy izay manao ny tsara lalandava, sy miezaka ny hahafaly ny Rainy any An-danitra tahaka an’i Siblôna.

Mampalahelo ahy ny mahare mikasika ireo olona sasany izay mitsahatra amin’ny fanompoana na amin’ny fanatrehana mihitsy aza ny fivoriam-piangonana satria nisaorana tamin’ny antso iray na tsy noraisina tamin’ny toerana na anaram-boninahitra izay niriany ho azo. Manantena aho fa hianatra ny lesona izay nianarako fony aho misiônera tanora izy ireo—fa ny fanompoana manan-danja indrindra mazàna dia ilay fanompoana ankasitrahan’ Andriamanitra irery ihany. Moa ve isika manadino ny tombotsoan’ Andriamanitra ao anatin’ny fikatsahantsika ny tombotsoantsika?

Mety hilaza ny sasany hoe: “Mbola betsaka anie ny ezaka mila hataoko mba ho tonga tahaka ireo olona noresahinao ireo e!” Ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny ny hoe afaka ny hiova ny fanirian’ny fontsika ary afaka ny hovolavolaina sy hatsaraina ny zavatra mandrisika antsika. Rehefa atao batisa ao amin’ilay tena valan’ Andriamanitra isika, dia manomboka ny dingana amin’ny fahatongavana ho olom-baovao isika (jereo ny 2 Korintiana 5:17; Môsià 27:26). Isaky ny manavao ny fanekempihavanan’ny batisa amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isika, dia manakaiky bebe kokoa izany tanjona faratampony izany.5 Rehefa maharitra ao amin’izany fanekempihavanana izany isika dia mandray ny hery ilaina mba hiara-malahelo amin’izay malahelo sy hampionona izay mila fampiononana (jereo ny Môsià 18:9). Ao amin’izany fanekempihavanana izany no ahitantsika ny fahasoavana izay mamela antsika hanompo an’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny, anisan’izany ny fitiavana an’ Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy ny fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika.6 Ao amin’io fanekempihavanana io dia manampy antsika Andriamanitra sy i Jesoa Kristy mba hahafahantsika manampy ireo izay mila ny fanampiantsika (Jereo ny Môsià 4:16; jereo koa ny andininy 11–15).

Ny zavatra tena iriako amin’ny fiainana dia ny hahafaly ireo raiko—na ny eto an-tany na ny any an-danitra—ary ny hitovy bebe kokoa amin’i Siblôna.7

Misaotra ny Raiko any An-danitra aho noho ireo fanahy tahaka an’i Siblôna izay manolotra fanantenana ho ahy—sy ho antsika rehetra—amin’ny alalan’ny ohatra asehony. Hitantsika eo amin’ny fiainan’izy ireo ny vavolombelona manambara ny fisian’ny Ray any An-danitra be fitiavana sy ny Mpamonjy iray izay mikarakara sy feno famindrampo. Atambatro amin’ny azy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananako miaraka amin’ny fanolorantena ny hiezaka hitovy amin’izy ireo bebe kokoa, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Amena.

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Moa izaho va izany, Tompoko?”Liahona, nôv. 2014, 58; nampiana fanamafisana.

  2. Tsy nandeha nitory teo anivon’ny Zôramita i Helamàna, noho izany dia fantatsika fa niresaka mikasika an’i Siblôna i Almà rehefa nilaza hoe “ny rahalahinao” (jereo ny Almà 31:7; 39:2).

  3. Spencer W. Kimball, “The Role of Righteous Women,” Ensign, nôv. 1979, 104.

  4. “Nampianatra antsika ny Tompo fa rehefa miova fo marina amin’ny filazantsarany isika dia tsy hitodika amin’ireo olana mifono fitiavan-tena intsony ny fontsika fa hitodika amin’ny asa fanompoana mba hanome hery ny hafa eo am-pirosoan’izy ireo mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Mba hahazoana izany fiovampo izany dia afaka mivavaka sy miasa am-pinoana isika mba hahatonga antsika ho ilay olom-baovao avy amin’ny alalan’ny fanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka manomboka izany isika amin’ny alalan’ny fangatahana finoana mba hibebahana amin’ny fitiavan-tena sy ny fangatahana fanomezam-pahasoavana mba hikarakara bebe kokoa ny hafa mihoatra ny tenantsika. Afaka mivavaka isika mba hahazo hery hialana amin’ny fitiavan-tena sy ny fitsiriritana” (Henry B. Eyring, “Fijoroana ho Vavolombelona sy Fiovampo,” Liahona, feb. 2015, 4–5).

  5. “[Andriamanitra] dia tsy mety maty ary tonga lafatra. Isika dia mety maty ary tsy tonga lafatra. Na izany aza anefa dia mikatsaka fomba izay ahafahantsika miray Aminy ara-panahy isika na dia eto amin’ny fiainana an-tany aza. Rehefa manao izany isika dia mandray ny sasany amin’ny fahasoavany sy ny voninahitry ny Heriny. Anisan’ireo fotoana manokana ireo … ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana … [ary] ny fandraisana ny tandindon’ny Fanasan’ny Tompo” (Jeffrey R. Holland, To My Friends [2014], 80).

  6. “Ny Olomasin’ny Andro Farany izay mahatsapa ny tenany ho zanak’ Andriamanitra amin’ny zavatra ataony rehetra dia manao fanolorantena ho azy ary manaja izany. Voamariky ny fanekempihavanana ny drafitry ny famonjena. Mampanantena isika fa hitandrina ny didy. Ho setrin’izay dia mampanantena fitahiana amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana mandrakizay Andriamanitra. Marina tsara Izy amin’ny zavatra takiany ary lavorary amin’ny fanajana ny teny nomeny. Noho ny fitiavany antsika sy noho ny tanjon’ny drafitra dia ny ho tonga toa Azy, dia mitaky antsika ho marina tsara Izy. Ary ny fampanantenana izay omeny antsika dia ahitana mandrakariva ny hery hampitomboana ny fahafahantsika mitandrina fanekempihavanana. Ataony izay hahafantarantsika ny lalàny. Rehefa miezaka amin’ny fontsika manontolo mba hanaja ireo fitsipika napetrany isika dia omeny ny Fanahy Masina ho namana lalandava. Izany kosa dia sady mampitombo ny hery hanajantsika ny fanolorantena nataontsika no hanoro antsika ny tsara sy ny marina. Ary izany no herin’ny fianarana, na amin’ny fandalinantsika eo amin’ny ara-nofo izany na amin’ny fianarana ilaintsika amin’ny mandrakizay” (Henry B. Eyring, “A Child of God” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, ôkt. 21, 1997], 4–5; speeches.byu.edu). Jereo koa ny David A. Bednar, “Mitondra Mora Foana ny Enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 87–90.

  7. Raha ny fahatsiarovako azy hatrizay dia naniry ny hanao izay hahafaly ny raiko foana aho. Rehefa nihalehibe ka nandray fijoroana ho vavolombelona aho dia nandray ihany koa ny faniriana ny hanao izay hahafaly ny Ray any An-danitra. Taty aoriana dia nianatra momba an’i Siblôna aho ary nametraka tanjona teo amin’ny fiainako mba hitovy bebe kokoa aminy.