2010–2019
Miandry ilay nania
Aprily 2015


Miandry ilay nania

Enga anie izaho sy ianao ka handray ny fanambarana mba hahalalana ny fomba hanatonana bebe kokoa ireo olona eo amin’ny fiainantsika izay very.

Nandany ny fotoana nanompoany teto an-tany tamin’ny fampianarana mikasika ilay hery manasitrana sy manavotra ananany ny Mpamonjy. Indray mandeha tao amin’ny Lioka toko 15 ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia tena nokianina tokoa Izy fa niara-nisakafo sy niresaka tamin’ireo mpanota (jereo ny Lioka 15:2). Nampiasain’ny Mpamonjy io fanakianana io hoentina hampianarana antsika rehetra ny fihetsika tokony haseho amin’ireo izay very lalana.

Novaliny tamin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana manan-danja anankiroa ireo mpanakiana Azy:

“Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an’efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?” (Lioka 15:4).

“Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?” (Lioka 15:8).

Dia nampianarin’ny Mpamonjy avy eo ny fanoharana mikasika ilay zanaka adala. Tsy mikasika ny ondry zato sy farantsakely folo akory io fanoharana io fa mikasika ny zanaka anankiray sarobidy izay very. Inona ary amin’ny alalan’izany fanoharana izany no ampianarin’ny Mpamonjy antsika mikasika ny fihetsika tokony haseho rehefa misy olona iray nivily lalana ao amin’ny fianakaviana?

Nilaza tamin-drainy ilay zanaka adala hoe ilainy izao dia izao ny anjara lovany. Te handao ny fiainana amim-pandriam-pahalemana ao an-tranony sy ao amin’ny fianakaviany izy ka hikatsaka ny fiainana ara-nofon’izao tontolo izao (jereo ny Lioka 15:12–13). Jereo tsara ao anatin’ilay fanoharan’ny Mpamonjy fa fihetsika feno fitiavana no nasehon’ilay ray ka nomeny ilay zanany lahy ny lovany. Azo antoka fa nanao izay rehetra vitany ilay ray mba handresena lahatra ilay zanany lahy hijanona. Saingy raha vao nandray ny fanapahan-keviny ilay zanakalahy efa lehibe dia navelan’ilay ray nandeha izy. Dia naneho fitiavana marina ilay ray ka niandrandra ny hiverenany ary niandry (jereo ny Lioka 15:20).

Niaina toe-javatra nitovy tamin’izany ny fianakaviako. Notaizan’ny ray aman-dreny fakan-tahaka izaho sy ny rahalahiko mahatoky anankiroa ary ny anabaviko mahafinaritra anankiray. Nampianarina ny filazantsara izahay tao an-tokantranonay. Lehibe soa aman-tsara izahay ary samy nofehezina tamin’ny vadinay tany amin’ny tempoly avokoa izahay efatra. Lasa tsy faly tamin’ny Fiangonana sy ny fampianarany sasantsasany anefa i Susan anabaviko tamin’ny 1994. Resy lahatra tamin’ireo nandrabiraby sy nanakiana ireo mpitarika ny Fiangonana tany am-piandohana izy. Navelany hihena ilay finoany ny mpaminany velona sy ny apôstôly. Resin’ny ahiahiny ny finoany rehefa nandeha ny fotoana ka dia nisafidy ny handao ny Fiangonana izy. Nomen’i Susan lalana aho hizara ny tantarany sao mety hanampy ny hafa izany.

Kivy izaho sy ireo rahalahiko ary ny reniko izay mananotena. Tsy azonay an-tsaina mihitsy ny zavatra mety nitarika azy handao ny finoany.

Efa eveka sy filohan’ny kôlejy izaho sy ireo rahalahiko ka tsapanay izany fifaliana noho ny fahombiazana teo amin’ny famonjena ireo mpikambana tao amin’ny paroasy sy kôlejy izany rehefa nandao ny sivy amby sivifolo izahay ka nandeha nitady ilay iray very. Toa vao mainka nampanalavitra bebe kokoa an’ilay anabavinay anefa ny ezaka tsy tapaka nataonay mba hamonjy azy.

Rehefa nikatsaka ny fitarihan’ny lanitra izahay mikasika ny fomba ahafahanay manampy azy araka ny tokony ho izy, dia nazava be fa tokony hanaraka ny ohatra nasehon’ilay ray tao anatin’ny fanoharana momba ilay zanaka adala izahay. Nanao ny safidiny i Susan dia tsy maintsy navelanay, ara-panoharana, nandeha izy—saingy tsy navelanay nandeha fotsiny ka tsy nahalala sy nahatsapa ny fitiavanay marina azy izy. Koa dia niandrandra ny fiverenany sy niandry azy tamin’ny fitiavana sy hatsaram-panahy hatrany izahay.

Tsy nitsahatra nitia sy nikarakara an’i Susan ny reniko. Nosoratan’ny reniko teo amin’ny horonan-taratasy misy ny anaran’olona hivavahana any amin’ny tempoly ny anaran’i Susan isaky ny mandeha any amin’ny tempoly izy ary tsy very fanantenana mihitsy izy. Nasain’ny zokiko lahy sy ny vadiny izay mipetraka akaiky indrindra an’i Susan any Californie mba hanatrika ireo fotoana rehetra iaraha-mifaly amin’ny fianakaviana i Susan. Nanomana sakafo hariva tao an-tranony izy ireo isan-taona isaky ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Susan. Nataon’izy ireo izay nifandraisana tsy tapaka taminy sy izay nahafantarany ny fitiavan’izy ireo marina azy.

Nifanerasera tamin’ny zanak’i Susan tany Utah ny zandriko lahy sy ny vadiny ary nikarakara sy nitia azy ireo. Nataon’izy ireo izay hanasana foana ny zanak’i Susan tany amin’ireo fihaonam-pianakaviana ka rehefa tonga ny fotoana nanaovana batisa ny zafikelivavin’i Susan dia ny rahalahiko no tany nanatanteraka ilay ôrdônansy. Nanana mpampianatra isan-tokantrano sy mpamangy isan-tokantrano be fitiavana izay tsy nilavo lefona velively koa i Susan.

Rehefa nandeha nanao asa fitoriana sy nanambady ireo zanakay dia nasaina sy nanatrika izany fiaraha-mifaly amin’ny fianakaviana izany i Susan. Niezaka izahay mba hikarakara tsy tapaka fotoana iarahana amin’ny fianakaviana mba hahafahan’i Susan sy ny zanany miaraka aminay ka ho fantany fa tianay izy ireo ary anisan’ny fianakavianay. Nahazo mari-pahaizana ambony tany amin’ny oniversite iray tany Californie i Susan ary nanatrika tany daholo izahay mba hanohana azy tamin’ny fizarana ny mari-pahaizana. Marina fa tsy afaka nekenay ny safidy sasany nataony saingy izy kosa dia nekenay tokoa. Nitia izahay dia niandrandra ny fiverenany ary niandry.

Ny taona 2006, 12 taona lasa taorian’ny nandaozan’i Susan ny Fiangonana dia nifindra tany Californie i Katy zanakay vavy sy ny vadiny mba hahafahan’ny vadiny mianatra any amin’ny sekoly mampianatra lalàna. Nipetraka tao amin’ny tanàna nisy an’i Susan izy ireo. Nitodika tany amin’i Susan nenitoany ireto mpivady vao herotrerony ireto mba hahazo fanampiana sy fanohanana ary notiavin’izy ireo izy. Nanampy tamin’ny fikarakarana an’i Lucy zafikelinay vavy roa taona i Susan ary nanampy azy tamin’ny vavaka fanao isan-kariva. Niantso ahy indray andro i Katy ary nanontany raha mba efa noeritreretiko ny hiverenan’i Susan ao amin’ny Fiangonana. Nanome toky azy aho fa nahatsapa ny hiverenany indray fa mila manohy ny fananana faharetana izahay. Nandritra ny telo taona dia niandrandra ny fiverenany sy niandry niaraka tamin’ny fitiavana tsy tapaka izahay.

Enin-taona lasa katroka tamin’ity faran’ny herinandro ity izay no nipetrahanay sy i Marcia vadiko teo amin’ny laharan-tseza voalohan’ity ivontoeran’ny fihaonambe ity. Hotohanana mba ho Manampahefana Ambony aho tamin’izay andro izay. Nanoratan’i Marcia, izay mifandray akaiky foana amin’ny Fanahy, teny kely mivaky toy izao aho: “Fotoana izao hiverenan’i Susan araka ny eritreritro.” Nanoro hevitra ahy i Katy zanako vavy mba hivoaka sy hiantso an’i Susan ka hanasa azy hijery ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’izay andro izay.

Rehefa namporisihan’ireo vehivavy roa manana ny maha-izy azy ireo aho dia nandeha nankany amin’ny toeram-piandrasana ary niantso ny anabaviko. Nametraka hafatra am-bava tao amin’ny telefaoniny aho ka nanasa azy tsotra fotsiny mba hijery io fivoriana anankiray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana io. Voarainy ilay hafatra. Tena faly izahay fa nisy nanosika azy hijery ireo fivoriana rehetra amin’ny fihaonambe. Naheno ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly izay tiany tany aloha tany izy. Naheno anarana vaovao izay tsy mbola henony teo aloha izy toy ny hoe, Filoha Uchtdorf, Loholona Bednar, Loholona Cook, Loholona Christofferson, ary Loholona Andersen. Tonga saina nandritra izany fotoana izany sy tao anatin’ny toe-java-niseho hafa nalefan’ny lanitra ilay anabaviko—tahaka ilay zanaka adala (jereo ny Lioka 15:17). Namporisika azy hitodika sy hanomboka hanao dia miverina mody indray ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly ary ny fitiavan’ny fianakaviany. Very ka hita indray 15 taona taty aoriana ilay zanakavavinay sy anabavinay. Tapitra ny fiandrandrana ny fiverenana sy ny fiandrasana.

Ny famariparitan’i Susan io zavatra niainany io dia mitovy amin’ny famariparitan’i Lehia izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Navotsony ilay anja-by ary tafiditra tao anatin’ny zavon’ny haizina izy (jereo ny 1 Nefia 8:23). Nilaza izy fa tsy fantany hoe very raha tsy nofohazin’ilay Fahazavan’i Kristy indray ny finoany izay nampiharihary mazava tsara ny fahasamihafana goavana nisy teo amin’ny zavatra niainany tao amin’izao tontolo izao sy ny zavatra natolotry ny Tompo sy ny fianakaviany.

Nisy fahagagana niseho tao anatin’izay enin-taona lasa izay. Manana fijoroana ho vavolombelona indray momba ny Bokin’i Môrmôna i Susan. Nahazo ny fahazoan-dalany hidirana ny tempoly izy. Efa mpanatanteraka ôrdônansy tany amin’ny tempoly izy ary amin’izao fotoana izao dia mampianatra ny fotopampianaran’ny filazantsara ao amin’ny paroasiny. Nisokatra ho an’ny zanany sy ny zafikeliny ny varavaran’ny lanitra ary na dia nisy aza ireo zava-tsarotra nateraky ny nataony dia toy ireny hoe tsy nandao ny Fiangonana izany velively izy.

Ny sasany aminareo, tahaka ny fianakaviana Nielson, dia manana olona ao amin’ny fianakaviana izay nivily lalana vetivety. Ny torolalan’ny Mpamonjy ho an’ny rehetra dia ny mandao ireo sivy amby sivifolo ary mandeha mitady sy manavotra ilay anankiray. Ny torolalany ho an’ireo izay nanana farantsakely folo ka nanary ny anankiray dia ny mitady izany mandra-pahita azy. Raha toa ka zanakao lahy na zanakao vavy na rahalahinao na anabavinao na anadahinao na rahavavinao ilay very, ary nisafidy ny handeha izy, dia nianatra izahay tao amin’ny fianakavianay fa rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao, dia tiavintsika amin’ny fontsika rehetra io olona io ary miandrandra ny fiverenany isika sy mivavaka ary miandry ny fiasan’ny tanan’ny Tompo.

Ny lesona manan-danja indrindra nampianaran’ny Tompo ahy tao anatin’io zava-nitranga io angamba dia niseho nandritra ny fandalinan’ny fianakavianay ny soratra masina taorian’ny nandaozan’ny anabaviko ny Fiangonana. Ny zanako lahy David no namaky raha niara-nandalina ny Lioka 15 izahay. Rehefa namaky ny fanoharana momba ilay zanaka adala izy dia hafa noho ny fahenoako azy hatramin’izay ny fahenoako azy tamin’io andro io. Noho ny antony tsy fantatra loatra dia nahatsapa foana ho toy ilay zanakalahy nijanona tao an-trano aho. Rehefa namaky anefa i David dia tsapako toy ny hoe izaho ilay zanaka adala. Isika rehetra dia tsy manana ny voninahitra avy amin’ny Ray (jereo ny Romana 3:23). Mila ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika mba hanasitrana antsika. Olona very isika rehetra ary mila tadiavina. Io fanambarana azo tamin’io andro io dia nanampy ahy hahafantatra fa samy nila ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany izaho sy ny anabaviko. Samy teo amin’ilay lalana miverina mankany an-trano izaho sy i Susan raha ny marina.

Mahery vaika ny tenin’ny Mpamonjy ao anatin’ilay fanoharana rehefa nitantara ny fitsenan’ilay ray ny zanany adala Izy, ary mino aho fa ny zavatra niainan’izy ireo no mety ho endriky ny zavatra hiainantsika sy ianao miaraka amin’ny Ray rehefa miverina mody any amin’ilay fonenantsika any an-danitra isika. Mampianatra antsika mikasika an’ilay ray izay tia sy miandry ary miandrandra ny fiverenana izy ireo. Izao no tenin’ny Mpamonjy: “Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nonoroka azy” (Lioka 15:20).

Enga anie izaho sy ianao ka handray ny fanambarana mba hahalalana ny fomba hanatonana bebe kokoa ireo olona eo amin’ny fiainantsika izay very ary rehefa ilaina dia mba hanana ilay faharetana sy fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy Jesoa Kristy Zanany, eo am-pitiavana sy eo am-piandrandrana ny fiverenan’ilay adala sy eo am-piandrasana azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.