2010–2019
Hiara-hivoatra isika
Aprily 2015


Hiara-hivoatra isika

Amin’ny maha-vehivavy sy lehilahy mpanao fanekempihavanana antsika dia mila mifampahery isika ary mifanampy mba ho tonga ilay vahoaka tian’ny Tompo hahatongavantsika.

Ankoatra ireo lahateny sy hira ary vavaka manentana ny fanahy izay mahakasika mandrakariva ny fontsika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nolazain’ny rahavavy marobe tamiko fa ny zavatra tian’izy ireo indrindra dia ny mijery ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa mandao ny lampihazo miaraka amin’ireo vadiny mandrakizay. Ary moa ve tsy mba mahafinaritra antsika rehetra ny maheno ireo Rahalahy milaza amin-kamamiana ny fitiavan’izy ireo ny vadiny?

Sary
President Boyd K. Packer and his wife, Donna, at the Brigham City Utah Temple cornerstone ceremony, 23 September 2012.

Raha niresaka mikasika an’i Donna vadiny ny Filoha Boyd K. Packer dia hoy izy hoe: “Noho ny anjara fanompoana ananako dia manana adidy ny hilaza ny marina aho: Tonga lafatra izy.”1

Sary
President Dieter F. Uchtdorf and his wife.

“Izy no masoandrom-piainako,”2 hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf raha niresaka mikasika an’i Harriet vadiny.

Sary
President Henry B. Eyring and Sister Eyring at their wedding.

Rehefa niresaka an’i Kathleen vadiny ny Filoha Henry B. Eyring dia hoy izy hoe: “Izy [dia] olona iray izay nahatonga ahy naniry ny ho lasa ilay olona tsara indrindra azoko ahatongavana.”3

Sary
LDS Church President Thomas S. Monson gives his wife, Frances, a kiss at their 60th anniversary celebration, 10/6/2008, at the Lion House. The two met in 1944 and were married in the Salt Lake Temple on Oct. 7, 1948.

Ary rehefa niresaka an’i Frances malalany ny Filoha Thomas S. Monson dia hoy izy hoe: “Izy no ilay olon-tiako teo amin’ny fiainako, ilay olona nitokiako ary ilay namako akaiky indrindra. Ny filazana hoe malahelo azy aho dia tsy ampy hanombohana hilazana ny halalin’ny fahatsapako.”4

Izaho koa dia te hanambara ny fitiavako an’i Craig vady malalako. Fanomezana sarobidy ho ahy izy! Raha ny vadiko no resahina dia misy fehezanteny iray izay lalaiko sy tena sarobidy ao amin’ny tsodranon’ny patriarika ho ahy izay mampanantena fa “ho voakarakarany tsara” ny fiainako sy ny fiainan’ireo zanako. Mazava amiko fa i Craig no fahatanterahan’izany fampanantenana izany. Raha mindrana ny tenin’i Mark Twain aho dia hoy aho hoe: “ny fiainana tsy misy an’i [Craig] dia tsy fiainana.”5 Tiako amin’ny foko sy ny fanahiko izy!

Anjara asa sy andraikitra masina

Anio aho dia te hanome voninahitra ireo vady, raim-pianakaviana, anadahy, zanakalahy, ary dadatoa izay mahafantatra hoe iza izy ireo, sy izay manao ny tsara indrindra vitany hanatanterahana ny anjara asa nomen’ Andriamanitra azy ireo araka izay voafaritra ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana, anisan’izany ny fitarihana ny fianakavian’izy ireo amim-pahamarinana sy ny fanomezana izay ilainy ary ny fiarovana azy. Fantaro fa tena mahalala tsara mihitsy aho hoe mety manahirana ny olona maro ny lohahevitra mikasika ny maha-ray sy ny maha-reny ary ny fanambadiana. Fantatro fa ny mpikambana sasany ato amin’ny Fiangonana dia mahatsapa fa tsy ho tonga amin’ilay heverin’izy ireo fa tsara indrindra mihitsy ny tokantranon’izy ireo. Maro ireo maratra noho ny tsy firaharahiana, ny fanararaotana, ny fiankinan-doha ary ireo fombafomba sy kolontsaina tsy mendrika. Tsy azoko odian-tsy hita ireo zavatra ataon’ireo lehilahy sy vehivavy izay ninia nampitondra fanaintainana sy fahoriana ary fahadisoam-panantenana tao an-tokantranony, na ireo izay nanao izany kanefa tsy mahatsiaro tena hoe nanao izany. Saingy androany aho dia hiresaka zavatra hafa.

Resy lahatra aho fa rehefa manao ny anjara asa nomen’ Andriamanitra azy amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana mendrika azy ny lehilahy no tena mahasarika ny vadiny indrindra—indrindra fa rehefa ao an-tokantrano. Tiako ary inoako ireto teny avy amin’ny Filoha Packer ireto ho an’ireo vady sy raim-pianakaviana mendrika manao hoe: “Manana ny herin’ny fisoronana avy amin’ny Tompo ianareo mba hiarovana ny tokantranonareo. Hisy fotoana izay hijoroan’izany hery izany ho hany sisa ampinga hanelanelanana ny fianakavianareo sy ny fanafihana ataon’ny fahavalo.”6

Mpitarika ara-panahy sy mpampianatra ao an-tokantrano

Tany am-piandohan’ity taona ity dia nanatrika ny fandevenana lehilahy iray aho, izay tahaka ny olona rehetra kanefa niavaka—i Don dadatoan’ny vadiko. Nizara ny zavatra niainany tamin’ny fahazazany ny iray amin’ny zanakalahin’i Dadatoa Don, fotoana fohy taorian’ny nividianan’ireo ray aman-dreniny ny tranon’izy ireo voalohany. Koa satria nisy zaza dimy tsy maintsy nofahanana sy nampitafiana dia tsy ampy ny vola mba hamefena ny tokotany. Noho izy tsy mba nivazivazy tamin’ny anjara asa masina nananany amin’ny maha-mpiaro ny fianakaviany azy dia nitaona tsato-kazo madinika vitsivitsy ho eo an-tokotany i Dadatoa Don, dia naka tady ary namatotra ilay tady avy eo amin’ny tsato-kazo iray mankeny amin’ny iray hafa manodidina ilay tokotany. Dia nantsoiny ho eny aminy avy eo ireo zanany. Nasehony azy ireo ireo tsato-kazo sy tady ary nohazavainy tamin’izy ireo fa raha mijanona ao anatin’izany fefy vonjy maika izany izy ireo dia ho voaro.

Indray andro raha nanatona ilay trano ireo mpampianatra isan-tokantrano dia talanjona nijery ka nahita ankizy kely dimy nijoro tamim-pankatoavana teo amoron’ilay tady, izay nitazana tamim-pitsiriritana ny baolina iray izay nitontona nivoaka ny faritra nisy azy ireo ka lasa teny amin’ny arabe. Nihazakazaka ny ankizy kely iray mba haka ny dadany, izay namaly ny antso ka nihazakazaka naka ilay baolina.

Rehefa nandeha ny fotoana nandritra ilay fandevenana dia nilaza tamin-dranomaso ilay zanany lahimatoa fa ny zavatra tena niriany indrindra teto amin’ity fiainana ity dia ny hitovy amin’ny dada malalany.

Sary
Sister Burton's son and grandson reading together.

Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

“Ry vady sy ray ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ô! Afaka manao zavatra marobe ianareo ho an’ny famonjena sy ny fisandratan’ny fianakavianareo! …

“Tsarovy ny antso masina nomena anareo mba ho ray ao amin’ny Isiraely—ny antso manan-danja indrindra nomena anareo amin’izao fotoana izao sy mandrakizay—antso izay tsy hisaorana anareo na oviana na oviana.”

Sary
Sister Burton's son and grandson on a bed together.

“Tsy maintsy manampy amin’ny fanorenana tokantrano ahafahan’ny Fanahin’ny Tompo mitoetra ianareo.”7

Tena mety tsara amin’izao fotoana izao ireo tenin’ny mpaminany ireo.

Tsy maintsy ho sarotra be tokoa ho an’ireo lehilahy nanao fanekempihavanana ny miaina ao anatin’ny tontolo izay tsy vitan’ny hoe tsy manisy lanja ny anjara asa sy andraikitra masin’izy ireo fa mandefa hafatra diso mikasika ny dikan’ny hoe “tena lehilahy” ihany koa. Hafatra diso iray ny hoe “Izaho ihany no manan-danja indrindra amiko.” Etsy ankilan’izay ihany koa ny hafatra manimba sy maneso izay milaza fa tsy ilaina intsony ny vady sy ny raim-pianakaviana. Miangavy anareo aho tsy hihaino ireo laingan’i Satana! Nafoiny izany tombontsoa sarobidy ahafahana ho lasa vady na ray izany. Noho ny fialonany ireo izay manana ireo anjara asa masina izay tsy ho tanterany mihitsy ireo dia mikasa ny hanao izay hahatonga ny “olon-drehetra ho ory tahaka azy” izy!8

Mampahery sy manampy amin’ny anjara asantsika izay mifameno

Ry rahalahy sy rahavavy, mila ny lehilahy ny vehivavy ary mila ny vehivavy ny lehilahy! Amin’ny maha-vehivavy sy lehilahy mpanao fanekempihavanana antsika dia mila mifampahery isika ary mifanampy mba ho tonga ilay vahoaka tian’ny Tompo hahatongavantsika. Ary mila miara-miasa isika mba hampahery ny taranaka vao misondrotra ary manampy azy ireo hahatratra ny fahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy ireo. Afaka manao tahaka izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales sy i Mary vadiny isika ary manaraka ilay ohabolana hoe “Ampaherezo aho dia ampahereziko ianao, dia hiara-hivoatra isika.”9

Fantatsika avy amin’ny soratra masina fa “tsy tsara raha irery ralehilahy.” Ka izay no antony nanamboaran’ny Ray any An-danitra “mpanampy sahaza ho azy.”10 Ilay andian-teny hoe mpanampy sahaza dia midika hoe “mpanampy mety aminy, na mendrika azy, na mifanaraka aminy.”11 Ohatra, mitovy endrika ny tanantsika roa kanefa tsy tena mitovy tanteraka. Raha ny marina dia samihafa tanteraka izy ireo, kanefa mifameno ary mifanentana tsara. Rehefa miara-miasa izy ireo dia matanjaka kokoa.12

Mirakitra ity fehezanteny ity ny boky torolalan’ny Fiangonana ao amin’ny fizarana iray mikasika ny fianakaviana: “Ny toetoetry ny fanahy lahy sy ny fanahy vavy dia natao hifameno.”13 Jereo tsara fa izany dia tsy milaza hoe “mifaninana,” fa hoe “[m]ifameno”! Isika dia natao mba hifanampy sy hifampahery ary hiara-hifaly rehefa miezaka ny ho lasa izay tsara indrindra azontsika ahatongavana. Nampianatra tamim-pahendrena Rahavavy Barbara B. Smith hoe: “Afaka mahazo fahasambarana betsaka kokoa isika rehefa afaka mifaly amin’ny fahombiazan’ny hafa fa tsy amin’ny antsika fotsiny.”14 Rehefa mikatsaka ny “hifameno” isika fa tsy “hifaninana” dia mora lavitra kokoa ny mifampahery amin-kafanam-po!

Fony aho reny tanoran’ny ankizy madinika maromaro dia tsy nisy na iray aza nihira tamin-kafanam-po ilay hiran’ny Kilonga hoe: “Quand papa rentre à la maison, je suis très heureux (Rehefa tonga ao an-trano i Dada dia faly aho)”15 rehefa nifarana ny tontolo andro, izay nanoloana lamban-jaza marobe, nanasana vilia ary nampiharana ireo fitsipi-pifehezana. Malahelo aho anefa raha miaiky eto anoloanareo fa tsy nientanentana foana aho rehefa niditra ny varavarana tamim-pientanentanana i Craig taorian’ny andro henjana iray niasana. Niarahaba lalandava ny tsirairay avy taminay tamin’ny alalan’ny fihina sy oroka izy ary namadika ireo andro sarotra, ary indraindray ratsy dia ratsy, ho fotoam-pifaliana niarahana tamin’i dada. Tahaka izay aho mba tsy dia nifantoka be loatra tamin’ireo zavatra maro tokony mbola ho nataoko ka nifantoka bebe kokoa tamim-pahendrena, tahaka izay nataony, tamin’ireo zavatra manan-danja indrindra. Mety ho niato matetika kokoa aho dia nankafy ireo fotoana sarobidy ho an’ny fianakaviana ary mety ho nisaotra azy matetika kokoa noho ny fitondrany fitahiana teo amin’ny fiainanay!

Aoka isika hifanao matetika teny feno hatsaram-panahy

Vao haingana ny rahavavy mahatoky iray ato amin’ny Fiangonana no nizara tamiko ny olana lehibe iray izay nentiny am-bavaka nandritra ny fotoana iray. Mahakasika ireo rahavavy sasany ao amin’ny paroasiny ny olany. Nolazainy tamiko fa tena nandratra ny fony ny nahatsikaritra fa indraindray izy ireo dia nanao teny tsy manaja tamin’ireo vadiny sy mikasika ireo vadiny, eny fa na dia teo imason’ireo zanany aza. Dia notantarainy tamiko hoe toy ny ahoana ny naniriany sy nivavahany tamin-kitsimpo fony izy zatovovavy mba hahita sy hanambady mpihazona fisoronana mendrika ka hanorina tokantrano sambatra miaraka aminy. Nobeazina tao amin’ny tokantrano iray izy, izay “nanjakazakan’ny” reniny tao an-tokantrano ary nanatanterahan’ny rainy tamin-tahotra ny zavatra nangatahan’ny reniny mba hitandroana ny filaminana tao an-trano. Tsapany fa nisy fomba iray tsara kokoa. Tsy hitany tamin’ny alalan’ny ohatra tao amin’ny tokantrano nahalehibe azy izany, kanefa rehefa nivavaka tamin-kitsimpo izy mba hahazo fitarihana dia nampahafantarin’ny Tompo azy ny fomba hanorenana tokantrano miaraka amin’ny vadiny, izay handraisana amim-pitiavana ny Fanahy. Tao amin’izany tokantrano izany aho ary afaka mijoro ho vavolombelona fa toerana masina izany!

Ry rahavavy sy rahalahy, impiry isika no “mifanao teny feno hatsaram-panahy”16 avy amin’ny nahim-pontsika?

Afaka manadina ny tenantsika isika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana vitsivitsy. Mety amin’ny ankamaroantsika ireto fanontaniana ireto, raha amboarina kely, na manambady isika na tokan-tena na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho toe-javatra misy ao amin’ny tokantranontsika.

  1. Oviana ny fotoana farany niderako ny vadiko, na tamin’ny fotoana niarahanay samirery na teo anatrehan’ireo zanakay?

  2. Oviana ny fotoana farany nisaorako azy, na nanehoako fitiavana taminy, na nitondrako azy am-bavaka tamin-kafanampo sy tamim-pinoana?

  3. Oviana ny fotoana farany nitsaharako tamin’ny fitenenana zavatra izay fantatro fa mety handratra?

  4. Oviana ny fotoana farany nialako tsiny sy nangatahako famelan-keloka tamim-panetrentena—ka tsy nanampy ireo andian-teny hoe “fa raha mba nanao an’izao mantsy ianao” na “fa raha mba tsy nanao an’izao mantsy ianao”?

  5. Oviana ny fotoana farany nisafidianako ny ho faly toy izay ny hitaky hoe izaho no “manana ny rariny”?

Raha misy ary amin’ireo fanontaniana ireo no mahatonga anareo ho sadaikatra na hahatsapa ho meloka kely dia tsarovy fa nampianatra ny Loholona David A. Bednar fa “ny fahatsapana ho meloka ho an’ny fanahintsika dia mitovy amin’ny fanaintainana ho an’ny vatantsika—fampitandremana ny loza sy fiarovana amin’ny fahavoazana fanampiny.”17

Manasa ny tsirairay avy amintsika aho mba hihaino ny fangatahana avy amin’ny fo nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland manao hoe: “Ry rahalahy sy rahavavy, mandritra ity fikatsahana maharitra mandrakizay mba hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy antsika ity dia enga anie isika mba hiezaka ny ho lehilahy sy vehivavy “lavorary,” farafaharatsiny amin’ity fomba iray ity amin’izao fotoana izao—mba tsy hanafintohina amin’ny teny, na raha lazaina amin’ny fomba tsaratsara kokoa, dia mba hiteny amin’ny fiteny vaovao, ny fitenin’ny anjely.”18

Rehefa niomana ho amin’ity fahafahana hanao lahateny androany ity aho dia nampianatra ahy ny Fanahy, ka dia nanolo-tena aho mba hanao teny feno hatsaram-panahy matetika kokoa amin’ny vady malalako sy mikasika azy, hampahery ireo lehilahy ao amin’ny fianakaviako sy haneho fankasitrahana noho ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny anjara asany masina sy mifameno amin’ny an’ny hafa. Ary nanolo-tena aho ny hanaraka ilay ohabolana hoe: “Ampaherezo aho dia ampahereziko ianao, dia hiara-hivoatra isika.”

Hiaraka amiko ve ianareo amin’ny fikatsahana ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mifampahery amin’ny fomba tsaratsara kokoa amin’ny anjara asantsika izay mifameno, amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavy nanao fanekempihavanana antsika, izay zanak’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra be fitiavana?

Fantatro fa afaka manao izany isika amin’ny alalan’ilay hery manome fahafahana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny finoantsika Azy. Mivavaka aho mba hametrahantsika ny fitokisantsika Aminy mba hanampiana antsika hifanampy mba hiaina amim-pahasambarana sy mandrakizay rehefa miara-mivoatra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, ao amin’ny “Donna Smith Packer Receives Family History Certificate from BYU,” news.byu.edu/archive12-jun-packer.aspx.

  2. Dieter F. Uchtdorf, ao amin’ny Jeffrey R. Holland, “Elder Dieter F. Uchtdorf: On to New Horizons,” Liahona, mar. 2005, 10.

  3. Henry B. Eyring, ao amin’ny Gerald N. Lund, “Elder Henry B. Eyring: Molded by ‘Defining Influences,’” Liahona, apr. 1996, 31.

  4. Thomas S. Monson, “Tsy handao na hahafoy anao Aho,” Liahona, nôv. 2013, 85.

  5. Mark Twain, Eve’s Diary (1905), 107.

  6. Boyd K. Packer, “Ny herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2010, 9.

  7. Ezra Taft Benson, “To the Fathers in Israel,” Ensign, nôv. 1987, 51, 50.

  8. 2 Nefia 2:27.

  9. Jereo ny Robert D. Hales, “Strengthening Families: Our Sacred Duty,” Liahona, jolay 1999, 40; jereo koa ny LaRene Gaunt, “Elder Robert D. Hales: ‘Return with Honor,’” Liahona, apr. 1995, 31.

  10. Genesisy 2:18.

  11. Genesisy 2:18, fanovozan-kevitra b. eny ambanin’ny pejy ao amin’ny Baiboly navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany

  12. Jereo ny Bruce K. Satterfield, “The Family under Siege: The Role of Man and Woman” (famelabelarana natao tao Ricks College Education Week, 7 jona 2001), 4; emp.byui.edu/SATTERFIELDB/PDF/RoleManWoman2.pdf.

  13. Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 1.3.1.

  14. Barbara B. Smith, “Hearts So Similar,” Ensign, mey 1982, 97.

  15. “Le retour de papa,” Chants pour les enfants, 110.

  16. “Sachons dire un mot gentil,” Cantiques, no. 150.

  17. David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 44.

  18. Jeffrey R. Holland, “The Tongue of Angels,” Liahona, mey 2007, 18.