2010–2019
Eny, afaka mandresy isika ary handresy!
Aprily 2015


Eny, afaka mandresy isika ary handresy!

Tsy maintsy mifikitra mafy kokoa hatrany isika amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ary dia handresy isika amin’ireo ady atao isan’andro amin’ny ratsy.

Ry rahalahy malala isany, mampanetry tena ahy ny tombontsoa lehibe ananako ahafahako miresaka aminareo, ianareo mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra manerana ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson indray mandeha hoe:

“Indraindray izao tontolo izao dia mety ho toerana mampatahotra ny miaina ao aminy. Ny endrika ara-môralin’ny fiaraha-monina dia toa mihasimba haingana dia haingana. Tsy misy na iray aza—na tanora na antitra na eo anelanelany—izay tsy hiharan’ireo zavatra izay mety afaka hanakivy sy hamotika antsika ireo. …

“… Nefa tsy mila kivy isika. … Miady amin’ny fahotana isika. … Ady izay mety handresentsika izany ary handresy isika amin’izany. Ny Raintsika any An-danitra dia nanome antsika ireo fitaovana ilaintsika mba hanatanterahana izany.”1

Isika rehetra, na tanora na antitra, dia mifanehitra isan’andro amin’ilay ady voalazan’ny Filoha Monson. Ilay fahavalo sy ireo anjeliny dia miezaka mandrebireby antsika. Ny tanjon’izy ireo dia ny hamporisika antsika hiala amin’ireo fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny Tompo, ka hahatonga antsika hanadino ny lovantsika mandrakizay. Fantatr’izy ireo tsara ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo zanany, satria niara-nanatrika tamintsika izy ireo tamin’ilay Filankevitra lehibe tany An-danitra rehefa nampahafantarina manontolo izany. Miezaka manararaotra ny fahalementsika izy ireo, ka mamitaka antsika amin’ny “zavon’ny haizina …, izay manajamba ny maso sy manamafy ny fon’ny zanak’olombelona ary mitarika azy hankany amin’ny lalana migodàna mba ho faty sy ho very.”2

Na dia eo aza ny fanoherana izay atrehintsika, araka izay nampianarin’ny Filoha Monson, dia ady izay mety handresentsika izany ary handresy isika amin’izany. Matoky ny fahafahantsika mandresy sy ny fahavononantsika ny Tompo.

Ny soratra masina dia ahitana ohatra tsy tambo isaina amin’ireo izay nandresy tamin’ny adiny, na dia tao anatin’ny toe-javatra tena feno fanoherana aza. Iray amin’ireo ohatra ireo ny Kapiteny Môrônia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io tovolahy miavaka io dia nanana herimpo hiarovana ny fahamarinana tamin’ny fotoana izay nisian’ny fisaraham-bazana, sy ady maro, izay nanohintohina ny fisian’ny firenena Nefita iray manontolo mihitsy. Na dia namiratra aza i Môrônia tamin’ny fanatanterahany ny andraikiny dia nanetry tena hatrany izy. Io toetra io sy ny toetra hafa koa no nahatonga azy ho fitaovana niavaka teo am-pelatanan’ Andriamanitra tamin’izany fotoana izany. Ny bokin’i Almà dia manazava fa raha nitovy tamin’i Môrônia avokoa ny olona rehetra dia “ny fahefan’ny helo mihitsy no efa ho nohozongozonina mandrakizay; [ary] ny devoly dia tsy ho nanam-pahefana na oviana na oviana tamin’ny fon’ny zanak’olombelona.”3 Ireo toetran’i Môrônia rehetra dia azo avy amin’ny finoany lehibe an’ Andriamanitra sy an’i Jesoa Kristy Tompo4 ary ny fahavononany tsy voahozongozona hanaraka ny feon’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny.5

Raha amin’ny hevi-teny itarina dia mila miova mba ho lasa Kapiteny Môrônia maoderina isika rehetra mba handresena ny ady atao amin’ny ratsy. Mahafantatra diakona kely iray tena mahatoky aho, izay niova mba ho lasa Kapiteny Môrônia maoderina. Arakaraka ny nikatsahany hanaraka ny torohevitr’ireo ray aman-dreniny sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana no nisedrana isan’andro ny finoany sy ny fahavononany, na dia mbola kely aza izy. Nilaza tamiko izy indray andro fa notampohan’ny toe-javatra tena sarotra sy tsy nampahazo aina—nijery sary mamoafady tamin’ny findain’izy ireo ny namany. Tamin’izay fotoana izay indrindra dia tsy maintsy nanapa-kevitra io zatovolahy io hoe inona no tena nanan-danja—ny fitiavan’ny olona azy ve sa ny fahamarinany. Tao anatin’ireo segondra vitsy taorian’izay dia feno herimpo tao anatiny, ka nilaza tamin’ireo namany izy fa tsy nety ny zavatra nataon’izy ireo. Nolazainy azy ireo mihitsy aza fa tokony hatsahatr’izy ireo io zavatra nataony io, fa raha tsy izany dia ho lasa andevozin’izany izy ireo. Nihomehezan’ny ankamaroan’ireo mpiara-mianatra taminy ilay torohevitra nomeny, tamin’ny filazana fa ampahan-javatra ao anatin’ny fiainana izany ka tsy misy maha-ratsy azy. Kanefa nisy iray tamin’izy ireo izay nihaino ny torohevitr’io zatovolahy io ka nanapa-kevitra ny tsy hanao intsony io zavatra nataony io.

Nisy fiantraikany tsara teo amin’ny iray tamin’ireo mpiara-mianatra taminy, farafahakeliny, ny ohatra nasehon’ity diakona ity. Tsy isalasalana fa noesoina sy nenjehina noho izany fanapahan-kevitra izany izy sy ilay namany. Tetsy an-kilan’izany izy ireo dia nanaraka ny fananarana nataon’i Almà ho an’ny vahoakany, tamin’izy nilaza hoe: “Mivoàha hiala amin’ ny olon-dratsy, ary aoka hisaraka, ary aza mikasika ny zavany tsy madio.”6

Ilay kiboky Jeunes, soyez forts dia ahitana an’izao torohevitra nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany izao ho an’ny tanoran’ny Fiangonana: “Tompon’andraikitra amin’ny safidy ataonareo ianareo. Mahafantatra anareo Andriamanitra ary hanampy anareo hanao safidy tsara Izy, na dia mampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba tsy mety aza ny fianakavianareo sy ireo namanareo. Manàna herimpo hijoro amin’izay inoanareo amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ Andriamanitra, na dia voatery mijoro irery aza ianareo. Raha manao izany ianareo dia mampiseho ohatra mba ho arahin’ny hafa.”7

Hitohy mandritra ny fiainantsika ny ady ataon’ny tsara amin’ny ratsy, satria ny tanjon’ny fahavalo dia ny hanao izay hahafadiranovana ny olona rehetra tahaka azy. Hiezaka ny hampikorontana ny saintsika i Satana sy ireo anjeliny mba hametraka ny fifehezany amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika hanota. Raha afaka izy ireo dia handoto izay rehetra tsara. Na izany aza anefa dia zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy hanana fahefana amintsika izy ireo raha tsy isika no mamela izany.

Ny soratra masina ihany koa dia mirakitra ohatra maro mikasika ireo izay nanome izany lalana izany ho an’ny fahavalo ka dia nanjary nikorontan-tsaina, ary simba tanteraka mihitsy aza tahaka an’i Nehôra sy i Kôrihôra ary i Serema. Mila mailo isika amin’io loza io. Tsy afaka mamela ny tenantsika isika ho voakorontan’ireo hafatra malaza izay eken’izao tontolo izao mora foana, kanefa mifanohitra amin’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika marin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Maro amin’ireo hafatra avy amin’izao tontolo izao ireo no tsy maneho afa-tsy ny fikasan’ny fiarahamonintsika hanamarina ny fahotana. Mila mitadidy isika fa amin’ny farany dia hijoro eo anatrehan’i Kristy ny rehetra mba hotsaraina amin’ny asantsika, na tsara izany na ratsy.8 Rehefa mifanehitra amin’ireo hafatra avy amin’izao tontolo izao ireo isika dia herimpo lehibe sy fahalalana mafy orina ny drafitry ny Raintsika any An-danitra no ilaina mba hisafidianana ny tsara.

Afaka mahazo ny hery hisafidianana ny tsara isika rehetra raha mikatsaka ny Tompo sy mametraka ny fitokiantsika sy ny finoantsika manontolo Aminy. Kanefa, araka ny ampianarin’ny soratra masina, dia mila manana “[hi]tsimpo” sy “tena finiavana” isika. Ary ny Tompo, ao amin’ny famindrampony tsy misy fetra dia “haneho ny fahamarina[na amintsika] amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina. Ary amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia azon[tsika] fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra.”9

Io fahalalana azo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina io dia tsy inona tsy akory fa ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika, izay mampitombo ny finoantsika sy ny fahavononantsika hanaraka ny fampianarana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao, na dia eo aza ireo hafatra malaza izay rentsika avy amin’izao tontolo izao. Ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika no tsy maintsy ataontsika ampinga hiarovana antsika amin’ny zana-tsipìka mirehitry ny fahavalo eo amin’ny ezaka ataony mba hamelezana antsika.10 Io no hitarika antsika tsy ho azon-doza ao anatin’ny haizina sy ny safotofoton-tsaina izay misy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny.11

Nianatra an’io fitsipika io aho tamin’ny izaho misiônera tanora. Nanompo tao amin’ny sampana iray tena kely sy mitoka-monina an’ny Fiangonana izaho sy ny namako. Niezaka niresaka tamin’ny olona rehetra tao amin’ilay tanàna izahay. Noraisin’izy ireo tsara izahay, saingy tian’izy ireo ny miady hevitra mikasika ny soratra masina ary nangataka porofo mivaingana izy ireo mikasika ny fahamarinan’ny zavatra nampianarinay.

Tsaroako fa isaky ny niezaka ny hanaporofo zavatra iray tamin’ny olona izaho sy ny namako dia nandao anay ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia nahatsiaro ho very sy nikorotan-tsaina tanteraka izahay. Nahatsapa izahay fa tokony hampifanarahanay tsara kokoa tamin’ny fahamarinan’ny filazantsara izay nampianarinay ireo fijoroana ho vavolombelona nanananay. Nanomboka tamin’io fotoana io dia tadidiko fa rehefa nijoro ho vavolombelona tamin’ny fonay manontolo izahay dia nameno ilay efitrano ny hery manamafy mangina avy amin’ny Fanahy Masina, ka tsy nisy toerana ho an’ny fikorontanan-tsaina sy ny ady hevitra. Nianatra aho fa tsy misy herin’ny ratsy izay afaka mampikorontan-tsaina, na mamitaka, na manimba ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona amin-kitsimpo ataon’ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy.

Araka izay nampianarin’ny Mpamonjy mihitsy, dia irian’ny fahavalo ny hikororoka antsika toy ny vary, mba hahatonga antsika tsy hanana fahafahana hitarika an’izao tontolo izao ho amin’ny tsara.12

Ry rahalahiko malala, noho ny fitobaky ny safotofoton-tsaina sy ny ahiahy mihanaka manerana an’izao tontolo izao ankehitriny dia tsy maintsy mifikitra mafy kokoa hatrany isika amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ary dia hitombo fatratra ny fahafahantsika miaro ny fahamarinana sy ny rariny. Handresy isika amin’ireo ady atao isan’andro amin’ny ratsy, ka tsy ho lavo eny amin’ny sahan’ny adin’ny fiainana isika fa hahataona ny hafa hanaraka ireo fenitry ny Tompo.

Manasa ny rehetra aho mba hahazo fiarovana ao amin’ireo fampianarana hita ao amin’ny soratra masina. Ny Kapiteny Môrônia dia nampifanaraka ny finoany an’ Andriamanitra sy ny fijoroana ho vavolombelona nananany mikasika ny fahamarinana tamin’ny fahalalana sy ny fahendrena hita ao amin’ny soratra masina. Araka izany dia nahatoky izy fa handray ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ary hahazo fandresena maro, ary izay tokoa, raha ny marina, no nitranga.

Manasa ny rehetra aho mba hahazo fiarovana ao amin’ireo teny feno fahendrena nataon’ireo mpaminanintsika amin’izao fotoana izao. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson: “Afaka manova zavatra isika izay notendrena ho amin’ny fisoronan’ Andriamanitra. Rehefa mihazona ny fahadiovan’ny tenantsika isika ary manaja ny fisoronana hazonintsika dia lasa ohatra tsara arahan’ny hafa … [ary] afaka manazava ny tontolo izay mihamaizina hatrany.”13

Manasa ny rehetra aho mba hahatoky ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka mahazo herimpo isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany mba handresena amin’ny ady rehetra amin’izao androntsika izao, eny fa na dia mandritra ireo zava-tsarotra sy olana ary fakam-panahy mandalo eo amintsika aza. Aoka isika hahatoky ny fitiavany sy ny fahafahany manavotra antsika. I Kristy mihitsy no nilaza hoe:

“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”14

“Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”15

“Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”16

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.