2010–2019
Fiangaviana ho an’ireo anabaviko
Oktobra 2015


Fiangaviana ho an’ireo anabaviko

Mila ny tanjakareo, ny fiovamponareo, ny finoanareo, ny fahaizanareo mitarika, ny fahendrenareo ary ny feonareo izahay.

Ry Loholona Rasband, Stevenson, ary Renlund malalanay, izahay, Rahalahinareo, dia miarahaba anareo tonga soa ato amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Misaotra an’ Andriamanitra isika noho ny fanambarana izay narotsany tamin’ny Mpaminaniny, Filoha Thomas S. Monson.

Ry rahalahy sy ranabavy, rehefa nihaona tao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana isika enim-bolana lasa izay dia tsy nisy tamintsika nahafantatra ireo fiovana izay hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fihetsehampon’ny mpikamban’ny Fiangonana iray manontolo. Nanolotra hafatra mahery vaika momba ny anjara asa tsy misy afaka manolo izay ananan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao anatin’ny drafitry ny Tompo ny Loholona L. Tom Perry. Taitra isika raha naheno, andro vitsivitsy monja taorian’izany, momba ilay homamiadana izay nitarika tamin’ny fahafatesany.

Na dia niharatsy aza ny toe-pahasalaman’ny Filoha Boyd K. Packer, dia nanohy “niezaka tamin’ny zotom-po” izy tao anatin’ny asan’ny Tompo. Nihaosa izy tamin’ny aprily lasa teo, kanefa mbola vonona ny hanambara ny tenivavolombelony raha mbola velon’aina koa izy. Dia niampita tany ambadiky ny voaly ihany koa ny Filoha Packer, 34 andro monja taorian’ny nahafatesan’ny Loholona Perry.

Nalahelo ny Loholona Richard G. Scott isika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany, kanefa misaintsaina ireo tenivavolombelona mahery vaika momba ny Mpamonjy izay nozarainy nandritra ireo fihaonamben’ny Fiangonana maro teo aloha. Ary 12 andro monja lasa izay dia nantsoina hody ny Loholona Scott ka tafaraka amin’i Jeanene malalany.

Voninahitra ho ahy ny niaraka tamin’ireo Rahalahy rehetra ireo nandritra ireo andron’izy ireo farany, ary koa ny fiarahana tamin’ny fianakaviana akaiky ny Filoha Packer sy ny an’ny Loholona Scott mialoha ny nahafatesan’izy ireo. Sarotra ho ahy ny nino hoe lasana tampoka ireo namana sarobidy telo ireo, ireo mpanompo lehiben’ny Tompo ireo. Tsy haiko ny mamaritra ny alaheloko azy ireo.

Rehefa nieritreritra momba izany fiovan-javatra tampoka izany aho, ny zavatra iray izay tsikaritro sy tsy ho hadinoiko velively dia ny zavatra izay tsikaritro teny amin’ny vady navelan’izy ireo avy. Tsy ho hadinoiko ny endriky ny Rahavavy Donna Smith Packer sy ny Rahavavy Barbara Dayton Perry teo akaikin’ny fandrian’ny vadin’izy ireo avy. Samy heniky ny fitiavana sy fahamarinana ary finoana tsy misy pentina ireo vehivavy roa ireo.

Rehefa nipetraka teo akaikin’ny vadiny ny Rahavavy Packer tamin’ireo ora vitsivitsy farany, dia nisoritra teny aminy ilay fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.1 Na dia fantany aza fa handao tsy ho ela ny vady malalany saika ho efa nandritra ny 70 taona, dia nampiseho ny fahatonian’ny vehivavy heniky ny finoana izy. Toy ny anjely ny fijery azy, tahaka ny eto amin’ity sarin’izy ireo ity tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Brigham City.

Sary
Filoha sy Rahavavy Packer teo amin’ny Tempolin’i Brigham City Utah

Hitako ilay karazana fitiavana sy finoana nasehon’ny Rahavavy Perry. Nibaribary ny fanolorantenany sady ho an’ny vadiny no ho an’ny Tompo, ary nampihetsi-po ahy tokoa izany.

Sary
Loholona sy Rahavavy Perry

Nandritra ireo ora farany niainan’ny vadin’izy ireo avy, ary mitohy hatramin’izao anio izao, ireo vehivavy matanjaka ireo dia nampiseho ny tanjaka sy risim-po izay asehon’ireo vehivavy mitandrina ny fanekempihavanana hatrany.2 Tsy hay ny handrefy ny hery fitaomana ananan’ny vehivavy toy izany, tsy eo amin’ny fianakaviana ihany fa eo amin’ny Fiangonan’ny Tompo koa, amin’ny maha-vady sy reny ary renibe, amin’ny maha-rahavavy sy nenitoa; amin’ny maha-mpampianatra sy mpitarika ary indrindra amin’ny maha-ohatra sy mpiaro ny finoana feno fanolorantena azy ireo.3

Marina hatrany izany tao amin’ireo fotoampitantanan’ny filazantsara hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva. Kanefa miavaka amin’ireo vehivavy tamin’ny fotoampitantanana hafa ireo vehivavin’ity fotoampitantanana ity, satria miavaka amin’ny hafa ity fotoampitantanana ity.4 Sady mitondra tombontsoa no mitondra andraikitra izany fiavahana izany.

Sary
Sarin’ny Filoha Kimball

Enina amby telopolo taona lasa izay, tamin’ny 1979, dia nanao faminaniana goavana momba ny fitaomana ananan’ny vehivavy mitandrina fanekempihavanana eo amin’ny hoavin’ny Fiangonan’ny Tompo ny Filoha Spencer W. Kimball. Naminany izy hoe: “Ny ampahany manan-danja indrindra eo amin’ny fitomboana izay hitranga eo amin’ny Fiangonana amin’ny andro farany dia hitranga satria maro amin’ireo vehivavy tsaran’izao tontolo izao … no hotarihina amin’ny isa betsaka tokoa ho ao amin’ny Fiangonana. Izany dia hitranga ka ny vehivavin’ny Fiangonana dia hampiseho fahamarinana sy fahaizana eo amin’ny fiainan’izy ireo ary ireo vehivavin’ny Fiangonana dia ho hita miavaka sy samy hafa—amin’ny lafin’ny fifaliana—amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao.”5

Ry ranabavy malala isany, ianareo izay mpiara-miombonantoka manan-danja aminay mandritra ity vanimpotoana farany ity: anio ny andro izay hitan’ny Filoha Kimball mialoha. Ianareo no ireo vehivavy izay hitany mialoha! Hisintona ireo vehivavy tsaran’izao tontolo izao, miaraka amin’ny fianakaviany, ho ao amin’ny Fiangonana amin’ny isa betsaka tokoa tsy misy toy izany ny hatsaram-panahy, ny fahazavana, ny fitiavana, ny fahalalana, ny risim-po, ny toetra, ny finoana ary ny fiainanareo araka ny fahamarinana!6

Mila ny tanjakareo, ny fiovam-ponareo, ny finoanareo, ny fahaizanareo mitarika, ny fahendrenareo ary ny feonareo izahay, anadahinareo. Tsy feno ary tsy ho feno ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy misy ireo vehivavy izay manao fanekempihavanana masina, ka mitandrina izany avy eo, ireo vehivavy izay afaka miteny amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra!7

Nanambara ny Filoha Packer hoe:

“Mila vehivavy izay milamina sy afaka mandamina isika. Mila vehivavy manana fahaizana mitarika izay afaka manao drafitra sy mitarika ary manatanteraka isika; vehivavy izay afaka mampianatra, vehivavy izay afaka miteny amim-pahasahiana. …

“Isika dia mila ireo vehivavy manana ny fanomezam-pahasoavana hoenti-mamantatra izay afaka mahita ireo lamaody eto amin’izao tontolo izao ka hamantatra ireo izay tsy mifototra amin’ny finoana na mampidi-doza, na malaza tahaka ny inona aza izany.”8

Avelao aho anio hanampy fa isika dia mila ireo vehivavy izay mahafantatra ny fomba hanatanterahana ireo zavatra manan-danja amin’ny alalan’ny finoan’izy ireo, sy mpiaro amin’ny risim-po ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fianakaviana ao anatin’ny tontolo izay feno fahotana. Mila vehivavy izay manolo-tena amin’ny fitarihana ny zanak’ Andriamanitra manerana ilay lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fisandratana isika; vehivavy izay mahafantatra ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana, izay mahatakatra ny hery sy ny fiadanana avy amin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly; vehivavy izay mahafantatra ny fomba hahazoana fanampiana avy amin’ireo herin’ny lanitra mba hiarovana sy hampatanjahana ny zanaka sy ny fianakaviana; vehivavy izay mampianatra tsy amim-pahatahorana.

Nahazo tombontsoa tamin’ny fiarahana tamin’ny vehivavy toy izany aho nandritra ny fiainako manontolo. Vehivavy toy izany i Dantzel vadiko, izay efa nodimandry. Ho feno fankasitrahana hatrany aho ny amin’ny fitaomana izay manova fiainana nananany teo amin’ny lafiny rehetra teo amin’ny fiainako, anisan’izany ny ezaka nataoko mba hikolokoloana paikady vaovao tamin’ny fanatanterahana fandidiana fo.

Dimam-polo taona lasa izay dia nangatahina aho mba handidy zazavavy kely iray, izay narary tokoa noho ny aretin’ny fo hatrany am-bohoka. Nodimandry noho ny aretina mitovy tamin’izany ny zokiny lahy. Nitalaho nangataka fanampiana ireo ray aman-dreniny. Tsy nanam-panantenana firy aho ny amin’izay ho vokatr’izany kanefa nivoady ny hanao izay rehetra vitako amin’ny heriko rehetra aho mba hanavotana ny ainy. Na dia teo aza ireo ezaka tsara indrindra vitako dia nodimandry ilay zaza. Taty aoriana dia nentin’ireo ray aman-dreny ireo ihany teo amiko ny zazavavy iray hafa, vao 16 volana tamin’izay, izay teraka niaraka tamin’ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fo. Nanatanteraka ny fandidiana indray aho, araka ny fangatahan’izy ireo. Nodimandry ihany koa izany zaza izany. Nampihetsi-po ahy tanteraka ny fahitana izany famoizana fahatelo tena mandratra fo teo amin’ny fianakaviana iray izany.

Nody hatsatry ny alahelo aho. Nitsoraka teo amin’ny gorodon’ny trano fandraisam-bahininay aho ka nitomany nandritra ny alina iray manontolo. Nitoetra teo akaikiko i Dantzel, nihaino rehefa namerimberina nilaza aho fa tsy hanatanteraka fandidiana fo na oviana na oviana intsony. Ary, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina teo ho eo, dia nijery ahy i Dantzel ka nanontany ahy tamim-pitiavana hoe: “Vita ve ny tomaninao? Dia mandehana miakanjo. Miverena any amin’ny hôpitaly. Mandehana miasa! Mila mianatra bebe kokoa ianao. Raha toa ka mijanona ianao izao dia tsy maintsy hianatra ao anatin’ny fahoriana ny zavatra efa fantatrao ny olona hafa.”

Tena nila ny fijery sy ny fahasahiana ary ny fitiavan’ny vadiko aho! Niverina tany am-piasana aho ary nianatra bebe kokoa. Raha tsy noho ny famporisihana nentanin’ny Fanahy nataon’i Dantzel dia tsy nanohy ny fandidiana fo aho ary tsy ho niomana hanao ilay fandidiana tamin’ny 1972 izay nanavotra ny ain’ny Filoha Spencer W. Kimball.9

Ranabavy isany, fantatrareo ve ny vokatsoa tsy hay refesina eo amin’ny fitaomana anananareo rehefa miteny ireny zavatra izay avy ao amin’ny fo sy sainareo araka ny fitarihan’ny Fanahy ireny ianareo? Ny filohan’ny tsatòka tena mahafinaritra iray dia niteny tamiko momba ny fivorian’ny filankevitry ny tsatòka iray ka nifampiresahan’izy ireo momba ny zavatra sarotra iray. Nisy fotoana nahatonga saina azy fa tsy mbola niteny ilay filohan’ny Kilonga teo anivon’ny tsatòka, ka nanontany azy izy raha toa izy ka nanana hevitra hozaraina. “Eny, manana tokoa aho,” hoy izy ka dia nizara hevitra iray izay nanova ny fandehan’ilay fivoriana iray manontolo. Notohizan’ilay filohan’ny tsatòka hoe: “Rehefa niteny izy dia nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy fa nilaza ny fanambarana izay nokatsahinay miaraka amin’ny maha-filankevitra anay izy.”

Ranabavy malala isany, na inona na inona antsonareo, na inona na inona toe-java-misy eo aminareo, mila ny fahatsapanareo sy ny hevi-baovao avy aminareo ary ny fitaomam-panahy anananareo izahay. Mila anareo mba hiteny amim-pahasahiana mandritra ireo filankevitry ny paroasy sy tsatòka izahay. Mila ny rahavavy manambady tsirairay izahay mba hiteny amin’ny maha-“mpiara-miasa mitondra anjara biriky sy feno10 anareo rehefa miray hina amin’ny vadinareo ianareo amin’ny fitantanana ny fianakavianareo. Ianareo rahavavy, na manambady na tokan-tena, dia manana fahafahana manao zavatra miavaka sy fahatsapana manokana izay noraisinareo toy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra. Tsy afaka manana fitaomana tahaka ny anareo izahay.

Fantatsika fa ilay asa farany sady lehibe indrindra tamin’ny fahariana iray manontolo dia ny fahariana ny vehivavy!11 Mila ny tanjakareo izahay!

Hitombo ireo fanafihana ny Fiangonana sy ny fotopampianarany ary ny fomba fiainantsika. Noho izany dia mila vehivavy izay manana fahatakarana mafy orina ny fotopampianaran’i Kristy sy hampiasa izany fahatakarana izany mba hampianarana sy hanampiana amin’ny fanabeazana taranaka mahatohitra ny fahotana isika.12 Mila vehivavy izay afaka mamantatra ny fitaka amin’ny endriny rehetra isika. Mila vehivavy izay mahalala ny fomba hahazoana ny hery izay omen’ Andriamanitra an’ireo mpitandrina fanekempihavanana sy maneho ny finoany amim-pahatokiana sy amim-pitiavana isika. Mila vehivavy izay manana ny risim-po sy ny fahitana nananan’i Eva renintsika isika.

Ranabavy malala isany, tsy misy zavatra manan-danja kokoa amin’ny fiainana mandrakizainareo ankoatra ny fiovamponareo. Ny vehivavy niova fo, mitandrina fanekempihavanana—ary ataoko isan’izany ny vadiko malalako Wendy—izay hiavaka ao anatin’ny tontolo mihasimba ny fiainany araka ny fahamarinana, no ho hita miavaka sy samy hafa amin’ny fomba mahafaly indrindra.

Koa anio dia miangavy an’ireo rahavavy ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho mba handroso hanao asa! Raiso ny toeranareo izay anananareo zo sady ilainareo ao an-tokantranonareo sy any amin’ny fiarahamonina misy anareo ary ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra—ataovy mihoatra noho izay nataonareo teo aloha izany. Miangavy anareo aho mba hanatanteraka ny faminanian’ny Filoha Kimball. Ary mampanantena anareo aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, fa raha manao izany ianareo, dia hampitombo ny fitaomana anananareo amin’ny ambaratonga ambony kokoa ny Fanahy Masina!

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-tena misy ny Tompo Jesoa Kristy aho sy ny amin’ny heriny manavotra sy mamonjy ary manamasina. Ary, misaotra anareo aho, ranabavy malala isany, amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôliny ahy, ka mitsodrano anareo mba ho tonga amin’ny tena maha-izy anareo tanteraka, mba hanatanteraka ny tanjona nahariana anareo, raha miara-mandray anjara ato amin’ity asa masina ity isika. Hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany miaraka isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny maha-anadahinareo ahy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Filipiana 4:7.

  2. Izany dia ahitana ranomaso amin’ny fitandremana ny didy mba hamafa ny ranomason’ireo olon-tiantsika rehefa mahatontosa ity fiainana ity izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45).

  3. Jereo ny fitaomana nananan’i Rebeka teo amin’i Isaka sy i Jakôba zanak’izy ireo ao amin’ny Genesisy 27:46; 28:1–4.

  4. Jereo ny Joseph Fielding Smith, Answers to Gospel Questions, comp. Joseph Fielding Smith Jr., boky miisa 5 (1957–66), 4:166. Fanamarihana: Ny asan’ny Tompo nandritra ireo fotoampitantanana hafa rehetra dia voafetra tao anatin’ny ampahany kely teo amin’izao tontolo izao ary nifarana tamin’ny apôstazia. Mifanohitra amin’izany, ity fotoampitantanana ity dia tsy ho voafetran’ny toerana na ny fotoana. Hameno izao tontolo izao ka hitarika amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany izany.

  5. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball (2006), 222–23.

  6. Latsaky ny 600 000 ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’izaho teraka. Ankehitriny dia misy mpikambana mihoatra ny 15 tapitrisa. Hitohy hitombo izany isa izany.

  7. Niteny tamin’ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Afaka miteny amim-pahefana ianareo, satria nametraka fahefana teo aminareo ny Tompo.” Niteny ihany koa Izy fa ny Fikambanana Ifanampiana dia “[n]omena hery sy fahefana hanao zavatra goavana maro. Atao amin’ny alalan’ny hery avy amin’ Andriamanitra ny asa ataon’izy ireo” (“Relief Society—an Aid to the Priesthood,” Relief Society Magazine, Jan. 1959, 4, 5). Ireo teny nindramina ireo dia notanisain’ny Loholona Dallin H. Oaks koa ao amin’ny lahateny nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana, “Ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana,” Liahona, mey 2014, 51.

  8. Boyd K. Packer, “The Relief Society,” Ensign, nôv. 1978, 8; jereo ihany koa ny M. Russell Ballard, Counseling with Our Councils: Learning to Minister Together in the Church and in the Family (1997), 93.

  9. Jereo ny Spencer J. Condie, Russell M. Nelson: Father, Surgeon, Apostle (2003), 146, 153–56. Fanamarihanana: Nanokana ahy ho filohan’ny tsatòka ny Filoha Kimball tamin’ny 1964 ka nitsodrano ahy fa hihena ny tahan’ny fahafatesana noho ireo ezaka ataoko mba hanatsarana ireo paikady amin’ny fandidiana ny lalan-drà be ao amin’ny fo. Tsy nisy tamintsika no nahalala tamin’izay fa valo taona taty aoriana dia hanao fandidiana tamin’ny Filoha Kimball aho izay nahitana fanoloana ny lalan-drà be tsy niasa iray tao amin’ny fony.

  10. “Rehefa miresaka momba ny fanambadiana isika amin’ny maha-fiaraha-miasa izany, dia handeha hiresaka momba ny fanambadiana amin’ny maha-fiaraha-miasa feno izany. Tsy tiantsika ho mpiara-miasa mangina na voafetra ireo vehivavy OAF ao anatin’izany asa ampanaovina mandrakizay izany! Mbà mpiara-miasa mitondra anjara biriky sy feno” (Spencer W. Kimball, “Privileges and Responsibilities of Sisters,” Ensign, nôv. 1978, 106).

  11. “Ny tanjona rehetran’izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra tao amin’izao tontolo izao dia ho zary tsinontsinona raha tsy misy ny vehivavy—izay singa manan-danja indrindra amin’ny fahariana rehetra” (Russell M. Nelson, “Lessons from Eve,” Ensign, nôv. 1987, 87). “Nanjary ho ny faharian’ Andriamanitra farany i Eva, ilay fehin’ny asa mahagaga rehetra izay natao teo aloha” (Gordon B. Hinckley, “The Women in Our Lives,” Liahona, nôv. 2004, 83).

  12. Jereo ny Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, mey 1995, 33.