2010–2019
Aoka ianao ho ohatra sy fahazavana
Oktobra 2015


Aoka ianao ho ohatra sy fahazavana

Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika dia hanana fahafahana ho fahazavana eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Ry rahalahy sy anabavy, tena mahafinaritra ny tafaraka aminareo indray. Araka ny efa fantatrareo, taorian’ny nivoriantsika tamin’ny volana Aprily, dia nidonam-pahoriana noho ny fahalasan’ny telo tamin’ireo Apôstôly malalantsika isika—Ny Filoha Boyd K. Packer, ny Loholona L. Tom Perry, ary ny Loholona Richard G. Scott. Niverina nody any amin’ilay fonenany any an-danitra izy ireo. Mahatsiaro azy ireo isika. Tena mankasitraka ny ohatry ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy nasehon’izy ireo isika sy ireo fampianarana manentana ny fanahy izay navelany ho antsika rehetra.

Manolotra fiarahabana avy amin’ny fo manontolo an’ireo Apôstôlintsika vaovao isika, ny Loholona Ronald A. Rasband, Loholona Gary E. Stevenson, ary ny Loholona Dale G. Renlund. Lehilahy manolo-tena hanao ny asan’ny Tompo izy ireo. Manana tsara ireo fahaiza-manao hihazonana io toerana manan-danja izay niantsoana azy ireo io izy ireo.

Vao haingana aho no namaky sy nisaintsaina ny soratra masina ka nisy andinin-tsoratra masina anankiroa izay niraikitra tao an-tsaiko. Samy efa fantatsika izy roa ireo. Avy ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra ny voalohany: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any An-danitra.”1 Ny soratra masina faharoa dia tonga tao an-tsaiko rehefa nisaintsaina ny dikan’ilay voalohany aho. Avy amin’ny Epistilin’i Paoly Apôstôly ho an’i Timoty izany: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny [toe-panahy tsara], amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.”2

Mino aho fa manazava amin’ny ampahany lehibe ny fomba ahafahantsika manatanteraka ilay voalohany ilay soratra masina faharoa. Lasa fianarana ho an’ny mino isika amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Kristy amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny [toe-panahy] tsara, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana. Rehefa manao izany isika dia hamiratra ka ho hitan’ny hafa ny fahazavantsika.

Tonga teto an-tany isika tsirairay rehefa avy nomena ny Hazavan’i Kristy. Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika sy miaina araka ny fomba niainany sy nampianarany, dia hirehitra ao anatintsika izany hazavana izany ka hanazava ny lalana ho an’ny hafa.

Mitanisa toetra enina ananan’ny mino iray i Paoly Apôstôly, toetra izay hampamiratra ny hazavantsika. Ndeha hojerentsika ny tsirairay amin’izany.

Atambatro ny firesahana mikasika ireo toetra roa voalohany—ohatra amin’ny fiteny sy ny fitondrantena. Ny teny ampiasaintsika dia mety hampahery sy hanentana ny fanahy na mety handratra sy hanambany. Hita eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ny fitobahan’ny faniratsirana izay toa manodidina antsika na aiza na aiza misy antsika. Sarotra ny misoroko ny fahenoana ny fampiasana lava sy fahatany ny anaran’ny Andriamanitra. Ireo fanehoan-kevitra mirefarefa amin’ny tany no lasa zavatra fahita mahazatra ao amin’ny fahitalavitra sy sarimihetsika ary boky ary ao anatin’ny mozika. Lasa mandeha ho azy ny fifanompana sy ny fiteny feno hatezerana. Aoka isika mba hiresaka amin’ny hafa amim-pitiavana sy amim-panajana, hihazona ny fitenintsika ho madio foana ary hisoroka ny teny sy fanehoan-kevitra izay mety handratra na hanafintohina. Enga anie isika ka hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izay niteny tamim-pandeferana sy tamin-katsaram-panahy nandritra ny asa fanompoana nataony.

Ny toetra manaraka nolazain’i Paoly dia ny fitiavana izay nofaritana ho toy ny “fitiavana madion’i Kristy.”3 Azoko antoka fa misy olona eo anivon’ireo olona azontsika ampiana no irery, marary sy mahatsapa ho kivy. Manana fahafahana hanampy azy ireo sy hampahery ny fanahiny isika. Nitondra fanantenana ho an’ny kivy ary hery ho an’ny malemy ny Mpamonjy. Nanasitrana ny marary Izy, nampandeha ny mandringa, nampahiratra ny jamba ary nampalady ny marenina. Nampitsangana ny maty mihitsy aza Izy. Nanampy tamim-pitiavana an’izay olona sahirana Izy nandritra ny asa fanompoana nataony. Rehefa manaraka ny ohatra nasehony isika dia hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny olona ary tafiditra ao anatin’izany ny an’ny tenantsika.

Ny manaraka dia tokony ho ohatra amin’ny toe-panahy tsara isika. Ho ahy dia midika izany fa miezaka maneho hatsaram-panahy, fankasitrahana, famelan-keloka ary halemem-panahy isika. Hanome toe-panahy antsika izay hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ireo olona manodidina antsika ireo toetra ireo. Nanana tombontsoa nifaneraserana tamin’ny olona maro nanana toe-panahy tsara toy izany aho nandritra ny taona maro. Mahatsapa zavatra miavaka isika rehefa miaraka amin’izy ireo. Fahatsapana iray izay manosika antsika hifanerasera amin’izy ireo sy hanaraka ny ohatra asehony. Mamoaka ilay Hazavan’i Kristy izy ireo ary manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’i Kristy antsika.

Mba hanehoana hoe tsapan’ny hafa ilay hazavana avy amin’ny fanahin’olona madio sy be fitiavana dia hozaraiko zavatra iray niainako tao maro lasa ianareo.

Nihaona tamin’ireo manampahefana tao Jerosalema ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany mba handamina ny fifanekem-panofana ho an’ny tany iray izay hanorenana ny Ivontoeran’ny Fiangonana ao Jerosalema. Mba hahafahana mahazo ilay fahazoan-dalana nilaina dia tsy maintsy nanaiky ny Fiangonana fa tsy mahazo manao asa fitoriana ireo mpikambana avy ao amintsika izay hampiasa ilay ivontoerana. Rehefa vita ilay fifanarahana dia nilaza ny iray tamin’ireo manampahefana Isiraelita izay nahafantatra tsara ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy fa hanaja ilay fifanarahana tsy hanao asa fitoriana ny Fiangonana. “Kanefa,” hoy izy, raha niresaka mikasika ireo mpianatra izay hianatra ao, “inona no hataontsika eo anatrehan’ny hazavana eny amin’ny mason’izy ireo?”4 Enga anie ilay hazavana miavaka ao anatintsika hamiratra foana ka mba ho tsapa sy hankasitrahan’ny hafa izany.

Ny hoe ohatra amin’ny finoana dia midika hoe matoky ny Tompo sy ny teniny isika. Midika izany fa manana finoana sy mikolokolo finoana izay hitarika ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika isika. Hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra rehetra ataontsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Raintsika any An-danitra. Lasa vatofantsika hifikiran’ny fiainantsika ilay finoana maharitra rehefa eo anivon’ny fisafotofotoana amin’izao vanimpotoana izao sy ny fifanoheran’ny saina ary ny korontan’ny fiainana andavanandro. Tsarovy fa tsy afaka miaraka ao anatin’ny saina sy amin’ny fotoana iray ny finoana sy ny ahiahy, satria handroaka ny iray ilay anankiray. Hamafisiko indray ny zavatra naverimberina tamintsika—hoe mba hananana ilay finoana ilaintsika sy hihazonana izany dia zava-dehibe ny mamaky sy mandalina ary misaintsaina ny soratra masina. Tena ilaina ny fifandraisana amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka. Tsy afaka ny hoe tsy hiraharaha ireo zavatra ireo isika satria ny fahavalo sy ny mpanara-dia azy dia mitady mafy izay mety ho fahalementsika sy izay indro kely eo amin’ny fahatokiantsika. Hoy ny Tompo hoe: “Mitadiava amim-pahazotoana, mivavaha mandrakariva, ary minoa dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoanareo.”5

Farany dia mila madio isika izay midika hoe madio ny vatantsika sy ny saintsika ary ny fanahintsika. Fantatsika fa tempoly ny vatantsika ka tokony ho hajaina. Tokony ho feno eritreritra mitondra soa sy mendrika ny saintsika ary tsy ahitana zavatra izay handoto. Tsy maintsy mendrika isika mba hananana ny Fanahy Masina ho namana. Ry rahalahy sy anabavy, hitondra fiadanan-tsaina ho antsika ny fahadiovana ary hahamendrika antsika hahazo ireo fampanantenan’ny Mpamonjy. Hoy izy hoe: “Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra.”6

Rehefa mampiseho isika fa ohatra amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny [toe-panahy] tsara, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana, dia ho mendrika ny ho fahazavan’izao tontolo izao isika.

Mamela ahy hiteny aminareo rehetra, indrindra ianareo tanora, hoe raha mihamandeha manalavitra hatrany an’ireo fitsipika sy torolalana nomen’ny Ray any an-danitra be fitiavana antsika izao tontolo izao dia hiavaka amin’ny olona rehetra kosa isika satria misy ny fahasamihafantsika amin’izy ireo. Hiavaka isika satria manao akanjo maotina. Hiavaka isika satria tsy mampiasa teny ratsy ary tsy mandray zavatra izay manimba ny vatantsika. Hiavaka isika satria misoroka ny vazivazy maloto sy ny fanehoan-kevitra mirefarefa amin’ny tany. Hiavaka isika rehefa manapa-kevitra fa tsy hameno ny saintsika amin’ny zavatra mamoa fady sy mahamenatra ampitain’ny haino aman-jery izay hanaisotra ny Fanahy ao an-tokantranontsika sy eo amin’ny fiainantsika. Tena hiavaka toko isika rehefa manao safidy eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena—safidy izay mifanaraka amin’ireo fitspiky ny filazantsara. Ireo zavatra izay mampiavaka antsika amin’ny ankamaroan’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao ireo dia manome antsika ilay hazavana sy toe-panahy tsara koa izay hamiratra ao anatin’ity tontolo izay mihamaizina hatrany ity.

Sarotra matetika ny manao izay hiavahana sy hijoroana irery eo anivon’ny olona rehetra. Toe-javatra mahazatra izany hoe matahotra izay ho eritreretin’ny hafa na holazain’ny hafa izany. Mankahery ireo teny ao anatin’ny salamo izay manao hoe: “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; Iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko; Iza no hangovitako?”7 Rehefa ataontsika ho ivon’ny fiainantsika i Kristy dia hosoloin’ny faharisihana avy amin’ny finoantsika ny tahotsika.

Tsy misy olona manana fiainana tonga lafatra amintsika ary mety manempotra indraindray ireo olana sy fahasarotana atrehantsika ka mahatonga ilay hazavantsika hitsilopilopy. Amin’ny alalan’ny fanampian’ny Raintsika any An-danitra anefa, miaraka amin’ny fanampian’ny hafa dia afaka mahazo io hazavana io indray isika izay hanazava indray ny lalantsika manokana sy hanome ilay hazavana mety ilain’ny hafa.

Mba hanehoana izany dia hozaraiko aminareo ireto teny manohina ny fo avy ao amin’ny tononkalo iray tena tiako ireto izay novakiako taona maro lasa izay:

Nihaona tamin’ny vahiny iray aho

Indray alina ary maty ny fanilony.

Nijanona aho,

Namela azy handrehitra ny fanilony avy amin’ny faniloko.

Nisy tafio-drivotra nitranga taty aoriana

Ka nanozongozona ny tany,

Ary maty ilay faniloko

Rehefa lasa ilay tafio-drivotra.

Saingy indro niverina nanatona ahy ilay vahiny

Ary nirehitra tsara ny fanilony.

Natsangany ilay lelafo sarobidy

Ary narehiny ny faniloko!8

Ry rahalahy sy anabavy, manodidina antsika ireo fahafahana mba hamiratra isan’andro, na inona na inona toe-javatra iainantsika ihany ilay izy fa tsy nataoko an’ilay novainao teo hoe iainanareo. Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika dia hanana fahafahana ho fahazavana eo amin’ny fiainan’ny hafa, na olona ao amin’ny fianakaviantsika manokana izany na namana na mpiara-miasa, na olom-pantatra fotsiny na olona tsy fantatra mihitsy.

Milaza amin’ny tsirairay avy aminareo aho fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra ianareo. Avy teo anatrehany ianao no tonga mba hiaina eto amin’ity tany ity mandritra ny fotoana voafetra iray ary mba ho ohatry ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ary mba hamela amim-pahasahiana ny hazavanao hamiratra ho hitan’ny rehetra. Rehefa tapitra ilay fotoana iainana eto an-tany ary nanao ny anjaranao ianao dia hahazo ilay fitahiana lehibe hiverina hiaina miaraka Aminy mandrakizay.

Tena mampitony ilay tenin’ny Mpamonjy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”9 Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy ary Mpisolovava antsika ao amin’ny Ray. Ohatra ho antsika sy hery ho antsika Izy. Izy no “Fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina.”10 Enga anie isika tsirairay izay maheno ahy mba hirotsaka hanaraka Azy ka ho lasa fahazavana manazava an’izao tontolo izao. Izany no vavaka ataoko amin’ny anarany masina dia i Jesoa Kristy Tompo izany, amena.