2010–2019
Aza Matahotra, Minoa Fotsiny Ihany
Oktobra 2015


Aza Matahotra, Minoa Fotsiny Ihany

Rehefa misafidy ny hino isika, sy rehefa mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana ary manaraka ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy, dia manokatra ny masontsika ara-panahy ka hahita zavatra mahatalanjona izay tsy azontsika noheverina akory.

I Babylona sy i Daniela

I Babylona no ilay firenena matanjaka indrindra maneran-tany, enin-jato sy roa arivo taona lasa izay. Ny mpahay tantara tamin’ny andro fahiny iray dia nanoritsoritra fa nihoatra ny sivifolo metatra (90 m) ny haavon’ny manda nihodidina ilay tanàna ary dimy amby roapolo metatra (25 m) no hatevin’izany. “Raha ny hafatratra noho ny halehibe no resahina,” hoy izy, “dia tsy misy tanàna hafa manakaiky akory … izany.”1

Tamin’ny vaninandrony dia ivontoerana maneran-tany an’ny fianarana, sy ny lalàna ary ny filôzôfia i Babylona. Ny herin’ny tafika tao aminy dia tsy nanam-paharoa. Nandresy ny herin’ny tafik’i Egypta izany. Niditra an-keriny sy nandringana ary naka an-keriny ireo fananana tao Ninive, renivohitr’i Asiria izany. Tsy sarotra no nandresen’izany an’i Jerosalema ary nitondrany ireo zanak’i Isiraely sangany indrindra sy matsilo saina indrindra ho an’i Babylona mba hanompo ny Mpanjaka Nebokadnezara.

Ny iray tamin’ireo olona natao sesitany ireo dia ny zatovolahy iray nantsoina hoe Daniela. Ny manampahaizana maro dia nilaza fa teo anelanelan’ny 12 (roa ambin’ny folo) sy 17 (fito ambin’ny folo) taona izy tamin’izany fotoana. Diniho anie izany ry tanora mpihazona ny Fisoronana Aharôna malala isany e! tena nitovitovy taona taminareo i Daniela rehefa noentina tany an-tranon’ny mpanjaka mba hobeazina amin’ny fiteny, lalàna, fivavahana ary siansan’ilay toeran’izao tontolo izao, dia i Babylona.

Azonareo saintsainina ve hoe ahoana izany voatery handao ny fonenanareo izany ka handeha tongotra 800 km (valonjato kilaometatra) hankany amin’ny tanàna vahiny iray ary hianatra ny fotopampianaran’ny fivavahan’ny fahavalonareo izany?

I Daniela dia efa nobeazina mba ho mpanara-dia an’i Jehovah. Nino sy nidera Ilay Andriamanitr’i Abrahama, Isaka ary Jakoba izy. Efa nandalina ireo tenin’ny mpaminany izy ary nahafantatra ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny olombelona.

Ankehitriny anefa, amin’ny maha-mbola tanora kely azy dia sady mpianatra no babo tany Babylona izy. Ny fanerena tsapany ny mba handaozana ireo zavatra ninoany taloha sy ny mba hanekeny ny an’i Babylona dia mety tena goavana tokoa. Nitoetra marina tamin’ny finoany anefa izy—na tamin’ny teny na tamin’ny asa.

Maro aminareo no mahafantatra ny fahatsapana ananana amin’ny fiarovana fahamarinana tsy fanta-daza. Amin’izao vanimpotoan’ny firesadresahana amin’ny Internet izao dia miparitaka vetivety ny fanesoesoana, manao hoe: “dory!” ataon’ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika. Tsy ny fanalam-baraka eo imasom-bahoaka ihany anefa no mety hihatra amin’i Daniela. Ireo izay nanahirana ny manampahefana ara-pivavahana tany Babylona dia mahafantatra tsara ny dikan’ny hoe nodorana. Anontanio anie i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, naman’i Daniela e!2

Tsy fantatro raha mora tamin’i Daniela no nijanona ho mpino tao anatin’izany tontolo izany. Ny olona sasany dia notahiana amin’ny fananana fo mora mino—amin’izy ireo ny finoana dia toa fanomezana avy any an-danitra. Azoko sary an-tsaina anefa fa i Daniela dia nitovy tamin’ny maro amintsika, izay voatery miasa mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona. Mino aho fa nandany ora maro tamin’ny vavaka amim-pandohalihana mba hibabohana ny fanontaniany sy ny ahiahiny miaraka amin’ny finoana fa handray valiny ary natoky ny Tompo amin’ny fanomezana fahatakarana sy fahendrena i Daniela.

Ary ny Tompo dia nitahy an’i Daniela. Na dia notsapaina sy nalaim-baraka aza ny finoany dia nitoetra ho marina tamin’izay fantany tamin’ny alalan’ny traikefany manokana fa marina izy.

Nino i Daniela. Tsy nisalasala i Daniela.

Avy eo, tamin’ny indray alina iray dia nanana nofo izay nanahiran-tsaina azy ny Mpanjaka Nebokadnezara. Nanangona ny ekipan’ny manampahaizana sy mpanolotsaina teo anivony izy ary nangataka ny mba hamariparitan’izy ireo ilay nofo ary koa ny mba hanambaran’izy ireo aminy ny hevitry ny nofo.

Mazava ho azy fa tsy afaka nanao izany izy ireo. Niangavy tamin’ny mpanjaka izy ireo hoe “Tsy misy olona mahavita ny fangatahanao.” Fa vao mainka anefa izany nampitombo ny fahatezeran’i Nebokadnezara, ka nandidy izy ny tokony handringanana ireo olon-kendry, ombiasy sy mpisikidy rehetra—anisan’izany i Daniela sy ny tanora mpianatra avy tany Isiraely hafa.

Ianareo izay mahafantatra tsara ny bokin’i Daniela dia mahafantatra ny zava-nitranga avy eo. Nangataka fotoana fanampiny tamin’i Nebokadnezara i Daniela, ary nanatona ilay loharanon’ny finoana sy tanjaka ara-tsainan’ izy ireo izy sy ny namana mahatokiny. Nivavaka tamin’ Andriamanitra izy ireo ary nangataka fanampiana masina nanoloana ny naha teo am-bavahoan’ny fahafatesana azy ireo teo amin’ny fiainany. Dia “naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana … izany zava-miafina izany.”3

I Daniela, ilay zazalahy avy tamin’ny firenena babo—izay nalaina an-keriny sy nenjehina noho ny finoany fivavahana hafahafa—dia nanatona ny mpanjaka ary nanambara taminy ny nofiny ary ny hevitr’izany.

Vokatra mivantana avy tamin’ny fahatokian’i Daniela an’ Andriamanitra no nahatonga azy, nanomboka teo, ho mpanolotsaina natokisan’ny mpanjaka, fanta-daza tamin’ny fahendreny nanerana an’i Babylona manontolo.

Ilay zazalahy nino sy niaina ny finoany dia lasa olon’ Andriamanitra. Lasa mpaminany. Lasa andrian’ny fahamarinana.4

Moa ve isika mitovy amin’i Daniela?

Isika rehetra izay mitondra ny fisoronana masin’ Andriamanitra no anontaniako hoe, moa ve isika mitovy amin’i Daniela?

Moa ve isika mijoro ho mpahatoky an’ Andriamanitra?

Moa ve isika mpanatanteraka izay toriantsika sa Kristianina isaky ny alahady fotsiny?

Moa ve ny zavatra ataontsika isan’andro maneho mazava tsara ny zavatra lazaintsika fa inoantsika?

Moa ve isika manampy “ny mahantra sy ny sahirana, ny marary sy ny ory”?5

Moa ve isika miresaka finoana ihany sa mampihatra ny finoana amim-kafanampo ihany koa?

Ry rahalahy, efa nomena be isika. Efa nampianarina ireo fahamarinana avy any an-danitra mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny isika. Efa nankinina tamintsika ny fahefam-pisoronana mba hanampiana ireo olombelona tahaka antsika ary mba hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Miaina mandritra ny vanimpotoana firotsahan’ny hery ara-panahy betsaka isika. Manana ny fahafenoan’ny fahamarinana isika. Manana ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hamehezana etỳ an-tany sy hamehezana any an-danitra isika. Mbola tsy niroborobo toy ny amin’izao fotoana izao ny fahafahana mandray ny soratra masina sy ireo fampianaran’ny mpaminany sy apôstôly velona.

Ry namako malala, aoka tsy ataontsika tsinontsinona ireo zavatra ireo. Ireo fitahiana sy tombontsoa ireo dia miaraka amin’ny andraikitra sy adidy lehibe. Aoka ho ekentsika sy sahanintsika izany.

Amin’izao fotoana izao dia sisan’ny tanàna fahagola i Babylona. Efa very hatry ny ela ny fanjelanjelany. Fa ny rehak’izao tontolo izao sy ny faharatsiana tao Babylona dia mbola mitoetra anefa. Ankehitriny dia andraikintsika ny mijoro ho mpino ao anatin’ny tontolo ahitana tsy mpino maro. Ny fanambintsika dia ny mampihatra isan’andro ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny ary ny manaraka marina ireo didin’ Andriamanitra. Mila mitoetra ao anatin’ny fahatoniana isika manoloana ny faneriterena ataon’ny hafa, tsy vaohelingelin’ireo firehana malaza na mpaminany sandoka, tsy miraharaha ny fanesoesoan’ny ratsy fanahy, manohitra ny fakam-panahin’ilay ratsy, ary mandresy ny hakamoantsika manokana.

Eritrereto kely ange e! Tena mety mora tamin’i Daniela mihitsy ny nanaraka ireo fombafomban’i Babylona. Azony natao tsara ny nanadino ny fitsipi-pitondrantena mametra napetrak’ Andriamanitra ho an’ny zanak’i Isiraely. Azony natao tsara ny nanao hanim-pitoloha tamin’ny sakafo matsiro naroson’ny mpanjaka ary nanome vahana ireo fahafinaretan’izao tontolo izao an’ny olona araka ny nofo. Mety tsy niharan’ny esoeso izy raha nanao izany.

Mety nitombo laza izy.

Mety neken’ireo olon-kafa izy.

Mety tsy dia nanahirana taminy loatra ny lalana nizorany.

Izany, mazava ho azy, no mety nitranga hatramin’ny andro izay nangatahan’ny mpanjaka ny hevitry ny nofo. Dia, hahita avy eo i Daniela fa efa nanapaka ny fifandraisany tamin’ilay loharanom-pahazavana sy fahendrena tena izy, tahaka ireo “olon-kendrin” ’i Babylona rehetra hafa, izy.

Efa nandresy tamin’ny fizahana toetra azy i Daniela. Ny antsika anefa dia mbola mitohy hatrany.

Ny Herimpo Ahafahana Mino

I Satana, ilay fahavalo, dia maniry ny mba tsy hahombiazantsika. Manaparitaka lainga mba handravana ny finoantsika izy. Mikononkonona ny fanoroana hevitra izy fa ny mpisalasala, sy ny tsy tapa-kevitra lava ary ny mpitsikera no lalim-pahaizana sy feno faharanitan-tsaina, fa ireo izay manam-pinoana an’ Andriamanitra sy an’ny fahagagany kosa dia mora voarebireby, sy dombo saina ary mora voafitaka. Hampiroborobo ny hambompo i Satana fa raitra ny fisalasalana amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy sy amin’ireo fampianaran’ny mpaminany marina.

Maniry aho ny mba hahafahako manampy ny tsirairay hahatakatra ity zavatra tsotra iray ity: mino an’ Andriamanitra isika noho ireo zavatra izay fantatsika amin’ny alalan’ny fontsika sy ny saintsika, fa tsy noho ireo zavatra izay tsy fantatsika. Indraindray ireo traikefantsika ara-panahy dia masina loatra ka tsy azo hazavaina amin’ny alalan’ny fiteny ampiasain’izao tontolo izao, fa tsy midika anefa izany fa tsy misy izy ireo.

Ny Ray any An-danitra dia efa nanomana hanim-pitoloha ara-panahy ho an’ireo zanany, ka nanolorany izay mety ho karazana sakafo mafilotra azo eritreretina—kanefa ilaozan’ireo mpitsikera lava mifaly fotsiny amin’ny fijerevana avy lavitra sy amin’ny fanohizana ny fisalasalana sy ny tsy fanajana anefa fa tsy ny fankafizana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireo.

Nahoana ny olona iray no hifaly fotsiny amin’ny hazavan’ny labozia avy amin’ny fahatakarana kely ananany fa tsy haninjitra amin’ny Raintsika any an-danitra mba hahafahany mandray ny hazavana mamirapiratrin’ny masoandro, dia ny fahalalana ara-panahy izay hampivelatra ny sainy amin’ny fahendrena ary hameno ny fanahiny amin’ny fifaliana?

Matetika izaho sy ianao rehefa miresaka momba ny finoana amin’ny olon-kafa dia mahare ny hoe, “Raha mba azoko natao ny mino tahaka ny finoanao”?

Misy famitahan’i Satana anankiray fonosin’izany fanambarana izany: fa ny finoana dia natokana ho an’ny olona sasantsasany ihany fa tsy ho an’ny rehetra. Tsy azo avy amin’ny fomba mahagaga ny finoana. Fa ny faniriana mba hino no dingana takiana voalohany! Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.6 Izy no Raintsika. Te hiresaka aminao Izy. Mitaky ny tenanao mba hanomboka ho liana amin’ny fikarohana anefa izany—izay mitaky fanandramana ny tenin’ Andriamanitra—sy ny fampiharana sombiny amin’ny finoana.7 Mitaky anao mba hanomboka hanetry tena ihany koa izany. Ary mitaky fo manoa sy saina mivelatra izany. Mitaky fikatsahana, araka ny hevitr’io teny io rehetra izany. Ary ny sarotra indrindra angamba dia ny hoe mitaky faharetana sy fatokiana ny Tompo izany.

Raha tsy manao ezaka ny mba hino isika dia mitovy amin’ny olona iray izay tsy manao izay tokony hatao mba hampirehitra ny jiro iray nefa manome tsiny io jiro io avy eo noho ny tsy fanomezany fahazavana.

Vao tsy ela dia gaga sy nalahelo aho raha nahare ny fieboeboan’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna iray noho ny nanalavirany an’ Andriamanitra. Hoy izy hoe: “Rehefa maneho ny Tenany amiko Andriamanitra vao hino aho. Hatreto aloha, dia hikaroka ny fahamarinana avy amin’ny fahatakarako manokana sy ny faharanitan-tsainako manokana mba hanazavana ny lalana eo anoloako aho.”

Tsy fantatro manokana ny eritreritra sy fahatsapan’io zatovolahy io, fa tsy haiko anefa ny tsy hahatsapa alahelo ho azy. Tena nandà moramora fotsiny izao ireo fanomezam-pahasoavana natolotry ny Tompo izy. Io zatovolahy io dia tsy nanao izay tokony natao mba hampirehitra ny jiro ary avy eo toa afa-pò fotsiny tamin’ny hoe tsy nisy ny fahazavana.

Indrisy anefa fa toa lasa toe-tsaina ananan’ny olona maro tokoa izany amin’izao fotoana izao. Raha azontsika natao ny nahatonga an’ Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fanaporofoana ny fahamarinan-javatra, dia lasa mihevitra isika fa afaka mandray ireo didiny ho ambanin-javatra ary miala andraikitra amin’ny fifandraisantsika Aminy.

Ry rahalahy isany, aoka hazava tsara: tsy toe-tsaina ambony na mampisongadina ny fitsikerana lava. Mora ny fisalasalana—ny rehetra dia mahavita izany. Ny fiainana feno fahatokiana no mitaky tanjaka ara-tsaina sy fanolorantena ary herimpo. Ireo izay mamikitra amin’ny finoana dia misongadina lavitra noho ireo izay mamela ny tenany amin’ny fisalasalana rehefa mipetraka ny fanontaniana mampifanjevo sy rehefa mitranga ny olana.

Fa tsy tokony hahagaga antsika anefa ny tsy fanomezan’ny fiaraha-monina izao lanja ny finoana. Efa hita tamin’ny tantaran’izao tontolo izao ombieny ombieny ny tsy fanekena izay zavatra tsy takatra. Ary tena sarotra manokana ny mahatakatra izay zavatra tsy hita maso. Fa ny tsy fahitantsika amin’ny alalan’ny masontsika ara-nofo anefa dia tsy midika ny tsy fisian’ny zavatra iray. Raha ny marina no lazaina, dia “betsaka lavitra ireo zavatra any an-danitra sy eto an-tany … izay azo nofinofisana” sy hita ao anatin’ireo bokim-pianarana, boky mpivoaka matetika mirakitra fampahafantarana ara-tsiansa ary ireo filôzôfian’izao tontolo izao.8 Izao rehetra izao dia ahitana zava-mahagaga sy mahatalanjona—zavatra izay tsy azo takarina raha tsy amin’ny alalan’ny maso ara-panahy.

Ny Fampanantenan’ny Finoana

Rehefa misafidy ny hino isika, sy rehefa mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana ary manaraka ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy, dia manokatra ny masontsika ara-panahy ka hahita zavatra mahatalanjona izay tsy azontsika noheverina akory. Dia hitombo hatrany hatrany ny finoantsika, ary hahita misimisy kokoa isika.9

Ry rahalahy, mijoro ho vavolombelona aho fa na dia manoloana ny fotoana sarotra indrindra aza dia hilaza aminao, tahaka ny nilazany tamin’ilay raim-pianakaviana sahiran-tsaina teo amin’ny lalana feno vahoaka tany Galilia, ny Mpamonjy hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”10

Afaka misafidy ny hino isika.

Satria rehefa mino isika dia manomboka mahatakatra fahamarinana.

Dia hahatakatra fahamarinana isika.11

Ary hahita fiadanana isika.12

Noho ny finoantsika dia tsy mba ho noana ary tsy mba hangetaheta intsony isika.13 Ny famindrampo, izay fanomezana avy amin’ Andriamanitra dia manome antsika fahafahana ho marina amin’ny finoantsika sy hameno ny fanahintsika toy ny “loharano miboiboika ao anaty ho fiainana mandrakizay.”14 Hahatsapa fifaliana tena izy sy maharitra isika.15

Noho izany, ry namako malala, ry rahalahiko malala ao amin’ny fisoronan’ Andriamanitra isany:

Manàna herimpo mba hino.

Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Mijoroa miaraka amin’i Daniela.

Mivavaka ny mba hahitan’ny tsirairay avy amintsika—na ny antitra na ny tanora—tanjaka, sy herimpo ary faniriana nohavaozina mba hino, aho. Amin’ny anaran’ny Tompontsika, dia i Jesoa Kristy, amena.