2010–2019
Voatahy sy sambatra ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra
Oktobra 2015


Voatahy sy sambatra ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra

Ny fefy izay napetraky ny Tompo dia mamorona toerana azo antoka ho antsika hiarovana amin’ny ratsy sy amin’ireo hery mandrava.

Taona maro lasa izay, raha nitsidika an’i Australie aho dia nandeha tamin’ny helo-dranomasina mahafinaritra miendrika tapaka faribolana izay fanta-daza amin’ny fanaovana surf. Rehefa nandeha an-tongotra teo amin’ilay moron-dranomasina aho dia nitolagaga tamin’ny hakanton’ireo onjan-dranomasina lehibe izay niantoraka tamin’ilay helo-dranomasina teny ivelany sy ireo onjan-dranomasina kely kokoa izay nitambolina rehefa nanakaiky ny moron-dranomasina.

Rehefa nanohy ny dia tongotro aho dia nahita andiana Amerikanina mpanao surf. Toa sorena momba ny zavatra iray izy ireo raha ny fahitana azy ka niresaka tamin’ny feo mafy sy nanondro nankany amin’ilay ranomasina. Rehefa nanontany azy ireo aho hoe fa nisy inona, dia nanondro fotsiny tany ivelan’ilay helo-dranomasina izay niantefan’ireo onjan-dranomasina lehibe izy ireo.

“Jereo anie iry e!” hoy ny iray tamin’izy ireo nilaza tamiko tamim-pahatezerana. “Hitanao ve iry fefy iry?” Rehefa nijery akaiky kokoa aho dia nahita ilay fefy izay manemitra ny vavan’ilay helo-dranomasina iray manontolo, teo amin’ny toerana izay niantefan’ireo onjan-dranomasina lehibe sady manintona. Toa vita tamin’ny vatobe voarary ilay fefy ary voatazon’ireo fitaovana izay mitsingevana eo ambonin’ny rano. Araka ny voalazan’ireo mpanao surf dia milatsaka hatrany amin’ny fanambanin’ilay ranomasimbe ilay izy.

Notohizan’ilay mpanao surf Amerikanina izany hoe: “Nandeha nankaty izahay, dia indray mandeha ihany eo amin’ny fiainanay, mba hanao surf amin’ireto onjan-dranomasina lehibe ireto. Afaka manao surf amin’ireo onjan-dranomasina kely kokoa izay miantoraka amin’ilay helo-dranomasina izahay, saingy ilay fefy dia tsy mamela anay hanao surf amin’ireo onjan-dranomasina lehibe. Tsy hainay hoe nahoana no atao eo io fefy io. Ny zavatra fantatray dia hoe nanimba tanteraka ny dianay io.”

Raha lasa nisafaoka bebe kokoa ireo mpanao surf Amerikanina dia voasarika nankany amin’ny mpanao surf teo akaiky teo ny saiko—dia lehilahy antitra sy toa avy teo an-toerana. Toa nihanitombo ny tsy faharetany rehefa nihaino ireo fitarainana tsy an-kijanona momba an’ilay fefy izy.

Nony farany dia nitsangana izy ka nandeha teo amin’ilay vondrona. Tsy niteny izy na nivolana fa namoaka masolavitra avy anaty kitapony ka nanome izany tamin’ny iray amin’ireo mpanao surf sady nanondro tany amin’ilay fefy. Samy nijery tamin’ilay masolavitra avokoa ireo mpanao surf tsirairay. Tonga ny anjarako ary tamin’ny alalan’ny fanalehibeazana kokoa dia afaka nahita zavatra iray izay tsy afaka hitako teo aloha aho: vombon-trondro—antsantsa lehibe izay misakafo eny akaikin’ny sisin’ilay fefy.

Nangina haingana ilay vondrona. Nalain’ilay anti-dahy mpanao surf ny masolaviny ka niverin-dalana izy. Rehefa nanao izany izy dia niteny ireo teny izay tsy ho adinoko na oviana na oviana: “Aza manakiana loatra an’ilay fefy” Hoy izy. “Io no hany zavatra miaro anareo tsy ho lanin’ny antsantsa.”

Teo am-pijoroana teo amin’io tora-pasika mahafinaritra io dia niova tampoka teo ny fomba fijerinay. Ilay fefy izay toa mafy sy mamehy—izay toa mametra ny fahafinaretana sy ny fientanentanana amin’ilay fanaovana surf amin’ireo onjan-dranomasina lehibe tokoa—dia lasa zavatra hafa. Lasa nanome fiarovana sy fiadanana ilay fefy noho ny fomba fijery vaovao nanananay momba an’ilay loza izay niafina tao ambanin’ilay rano.

Rehefa mandeha mamakivaky ny lalan’ny fiainana izaho sy ianao ka manaraka ireo nofintsika dia mety ho sarotra takarina indraindray ireo didy sy fenitr’ Andriamanitra—tahaka ilay fefy. Mety ho toa henjana sy tsy voafolaka mihitsy izy ireo sady misakana ny lalana izay toa mahafinaritra sy mampientanentana ary izoran’ny maro. Araka ny voalazan’ny Apôstôly Paoly hoe: “Mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina,”1 ary voafetra ihany ny fomba fijerintsika, hany ka matetika isika no tsy afaka mahatakatra ireo loza lehibe izay miafina amin’ny toerana tsy hitan’ny masontsika.

Fa Ilay “[mahatakatra] ny zava-drehetra”2 dia mahalala ny toerana tena misy an’ireny loza ireny. Manome antsika fitarihana masina Izy, amin’ny ny didiny sy ny fitarihany feno fitiavana, mba hahafahantsika misoroka an’ny loza—mba hahafahantsika mametraka lalana eo amin’ny fiainantsika izay voaro amin’ireo mpihaza ara-panahy sy ireo lozan’ny fahotana.3

Mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika—ary ny finoantsika Azy—amin’ny alalan’ny fanaovana izay tsara indrindra vitantsika isan’andro mba hanarahana ny lalana izay napetrany ho antsika sy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy izay nomeny antsika. Mampiseho izany finoana sy fitiavana izany indrindra isika ao anatin’ireo toe-javatra izay tsy ahatakarantsika tanteraka ny antony nanomezan’ Andriamanitra ny didy na ny lalana iray manokana izay nolazaina ho alehantsika. Moramora foana ny manaraka ny lalana ao anatin’ilay fefy vantany vao fantatsika fa misy andiana mpihaza maranitra nify mitangorona eo ivelan’izany. Fa sarotra kokoa ny manohy ny lalantsika ao anatin’ilay fefy raha toa ka onjan-dranomasina mampientanentana sy manintona no hany hitantsika etsy ankilany. Kanefa mandritra ireny fotoana ireny—fotoana izay hisafidianantsika ny hampiasa ny finoantsika sy hametrahantsika ny fahatokisantsika an’ Andriamanitra ary hampisehoantsika ny fitiavantsika Azy—no hitomboantsika sy hahazoantsika tombony indrindra.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Ananiasy dia tsy afaka nahatakatra ny didin’ny Tompo mba hitady sy hitsodrano an’i Saoly—lehilahy iray izay nanana ny fahefana ara-bakiteny hanagadra ireo mpino an’i Kristy. Kanefa noho ny fankatoavan’i Ananiasy ny didin’ Andriamanitra dia nanana anjara asa lehibe tamin’ny fahaterahana ara-panahin’ny Apôstôly Paoly izy.4

Rehefa matoky ny Tompo isika ka mampihatra ny finoantsika sy mankatò ny didiny ary manaraka ny lalana izay napetrany ho antsika isika dia lasa ilay olona izay tian’ny Tompo hiafarantsika. Io “fiafarana” io—io fiovampo io—no zava-dehibe indrindra. Araka ny nampianaran’ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy am-pieritreretana. Ny didy, ny ôrdônansy, ary ny fanekempihavanana ao amin’ny filazantsara dia tsy toy ny lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hahatongavantsika.”5

Noho izany, ny fankatoavana tena izy dia ny fanolorantsika ny tenantsika manontolo ho Azy sy ny famelana Azy hametraka ny lalantsika mandritra ny fotoam-pilaminana sy ny fotoan-tsarotra, sady mahatakatra fa afaka manampy antsika mihoatra noho izay mety ho vitan’ny herin’ny tenantsika Izy.

Rehefa manaiky ny sitrapony isika dia hitombo ny fiadanantsika sy ny fahasambarantsika. Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra—izay manaraka ny fitarihany—no “[voatahy] sy [sambatra] … amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy.”6 Tian’ Andriamanitra hahazo fifaliana isika. Tiany hahazo fiadanana isika. Tiany hahomby isika. Tiany isika hilamina sy ho voaro amin’ny herin’izao tontolo izao izay manodidina antsika.

Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe: ny didin’ny Tompo dia tsy fitambarana famerana sarotra izay tsy maintsy iaretantsika eo amin’ity fiainana ity mba hahafahantsika ho voasandratra amin’ny fiainana ho avy. Fa ny fefy izay napetraky ny Tompo kosa dia mamorona toerana azo antoka ho antsika hiarovana amin’ny ratsy sy amin’ireo hery mandrava izay hisintona antsika hankany amin’ny fahakiviana. Ireo didin’ny Tompo dia nomena vokatry ny fitiavana sy ny firaharahiana. Natao ho an’ny fifaliantsika eto amin’ity fiainana ity7 izy ireny tahaka ny nanaovana azy ireny ho an’ny fifaliantsika sy ny fisandratantsika amin’ny fiainana ho avy. Manisy marika ny lalana tokony halehantsika izy ireny—ary ny zava-dehibe indrindra dia hoe izy ireny no manampy antsika hahatakatra ny karazana olona tokony hiafarantsika.

Tahaka ny zava-drehetra izay tsara sy marina dia i Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra. Niseho ny fankatoavana lehibe indrindra hatrizay rehefa nametraka ny Tenany teo ambanin’ny sitrapon’ny Ray ny Zanaka. Raha nangataka tamim-panetrentena lalina ny fahafahana manaisotra ilay kapoaka Aminy—mba hahafahany mandeha amin’ny lalana hafa ankoatra izay natao ho Azy—i Kristy, dia nametraka ny Tenany ho eo amin’ny lalana izay tian’ny Rainy halehany Izy. Lalana izay mitondra mankany amin’i Getsemane sy Golgota izany, izay toerana niaretany ny fanaintainana sy fijaliana tsy takatry ny saina ary namelana Azy ho irery rehefa nandao Azy ny fanahin’ny Rainy. Saingy io lalana io ihany no niafara tamin’ny fasana foana tamin’ny andro fahatelo, niaraka tamin’ireo hika hoe: “Efa nitsangana [Izy]!”8 izay re sy tsapan’ireo izay tia Azy. Tao anatin’izany ny fifaliana sy ny fankaherezana tsy takatry ny saina izay mifototra amin’ny Sorompanavotany ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra hatrizay. Tamin’ny famelana ny sitrapony ho voatelin’ny sitrapon’ny Ray dia nomen’i Kristy antsika ny mety hahazoana fiainana mandrakizay sy fifaliana mandrakizay ary fiainana mandrakizay.

Mijoro ho vavolombelona aho fa zanak’ilay Andriamanitra feno fitiavana isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa tiany ho faly sy voaro ary voatahy isika. Noho izay antony izay no nametrahany ny lalana izay mitarika antsika hiverina any Aminy sy nametrahany fefy izay hiaro antsika eny an-dalana. Rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika isika amin’ny fanarahana izany lalana izany dia hahita fiarovana sy fahasambarana ary fiadanana marina. Rehefa manaiky ny sitrapony isika dia miafara amin’izay tiany hiafarantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.