2010–2019
Misafidy ilay fahazavana
Oktobra 2015


Misafidy ilay fahazavana

Tsy maintsy isika misafidy ny hihaino ny torohevitry ny mpaminany, hiaiky ary hanao zavatra amin’ireo bitsika ara-panahy, hankatò ny didin’ Andriamanitra, ary hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana.

Vao tsy ela akory izay dia nanapa-kevitra izaho sy ny vadiko fa tokony hankafy bebe kokoa ny hakanton’ny toerana akaikin’ny tranonay tao avaratra andrefan’i Montana. Nanapa-kevitra ny haka ny bisikiletanay izahay handeha amin’ny lalana Hiawatha, lalamby novaina ho lalankely izay manapaka ireo Tendrombohitra Vatovatoana tsara tarehy eo anelanelan’i Montana sy Idaho. Nanantena andro mahafinaritra niaraka tamin’ireo namana tsara izahay sady nigoka ny hakanto ara-boajanaharin’ilay faritra.

Fantatray fa ilay lalanay namakivaky ilay lalankely mahafinaritra mirefy 24 km dia ahitana tetezan-dalamby izay mampitohy ireo andian-tendrombohitra mitomandavana sy ireo tonelina lavabe izay mitsofoka anaty tendrombohitra mijoalajoala. Koa dia niomana niaraka tamin’ny hazavana natao teo amin’ny fiarovan-dohanay sy ny bisikiletanay izahay.

Sary
Eo ivelan’ny Tonelina Taft

Ireo izay efa nandeha teo alohanay dia nampitandrina anay fa maizina ireo tonelina ka mila hazavana matanjaka tokoa izahay. Rehefa tafahaona teo anoloan’ilay harambato mandondona izay fidirana amin’ny Tonelina Taft izahay dia nisy mpiandraikitra iray nanazava ny sasantsasany tamin’ireo loza aterak’ilay lalana, ka ao anatin’izany ireo lavaka lalina manamorona an’ireo sisin-dalana sy rindrim-bato maranindranitra ary haizin-kitroka. Tsy nahandry izahay fa dia niroso nankao amin’ilay tonelina. Minitra vitsy monja taorian’ny nitsifohanay dia henik’ilay haizina nolazain’ilay olona mialoha izahay. Toa tsy nety ireo hazavana nentiko, ary tsy ela akory dia voasaron’ny haizina izy ireo. Tampoka teo dia nanomboka nahatsiaro tena ho nitebiteby sy nikorontan-tsaina ary very aho.

Sary
Bisikileta ao anaty tonelina
Sary
Bisikileta ao anaty tonelina misy jiro mameri-taratra

Menatra aho ny hiaiky ny tebitebiko tamin’ireo namako sy fianakaviako. Na dia efa mpitaingina bisikileta za-draharaha aza aho dia toa nahatsapa ohatra ny hoe tsy mbola nitaingina bisikileta mihitsy. Sahirana mafy aho nijoro nahitsy satria nihanitombo ny fikorontan-tsaiko. Nony farany, rehefa avy naneho ny ahiahiko tamin’ireo manodidina ahy aho dia afaka nanakaiky bebe kokoa ny hazavana matanjaka kokoa avy amin’ny namana iray. Raha ny marina dia nanomboka nanao faribolana kely nanodidina azy ny tsirairay tao amin’ilay vondrona. Noho ny fifanatonana akaiky taminy sy noho ny fianteherana nandritra ny fotoana fohy tamin’ny hazavany sy ny hazavana nitambaran’ilay vondrona dia nandroso lalindalina kokoa tao anatin’ny haizin’ilay tonelina izahay.

Sary
Hazavana eny amin’ny faran’ny tonelina

Taorian’ny fotoana izay toa naharitra elabe dia nahita ny tsilopin’ny hazavana kely aho. Avy hatrany dia nanomboka nahatsapa ho nahazo toky aho fa hilamina ny zava-drehetra. Nanohy nandroso hatrany aho sady niantehatra tamin’ny hazavan’ireo namako sy ilay tsilopin’ny hazavana izay nihalehibe. Nihaniverina tsikelikely ny fahatokian-tenako rehefa nihalehibe sy nihanatanjaka ilay hazavana. Talohan’ny nahatongavanay teo amin’ny faran’ilay tonelina dia tsy nila ny fanampian’ireo namako intsony aho. Nanjavona ireo tebitebin-tsaina rehetra rehefa namoivoy haingana nankeny amin’ilay hazavana izahay. Nahatsiaro ho tony sy nahazo hery kokoa aho mihoatra ny talohan’ny nandehananay namakivaky ilay hazavana vao maraina feno hafanana sy mahafinaritra aza.

Miaina ao anatin’ny tontolo izay hiainantsika ireo fanamby ho an’ny finoantsika isika. Mety hahatsapa ho matoky tena isika fa vonona ny hiatrika ireny fanamby ireny—kinanjo tsy ampy ny fiomanantsika. Ary tahaka ny nampitandreman’ilay namako ahy momba ilay haizina no hampitandremana antsika ankehitriny. Mampitandrina antsika ireo feon’ny Apôstôly mba hiomana miaraka amin’ireo hazavana mahery vaikan’ny tanjaka ara-panahy.

Torak’izany koa, mety hahatsiaro tena ho menatra, na tsy mahazo aina, na mikorotan-tsaina ara-panahy isika rehefa miatrika ny fanamby ho an’ny finoantsika. Amin’ny ankapobeny dia hiankina amin’ny fihetsika asehontsika amin’izy ireny ny hamafy sy ny faharetan’ireo fahatsapana ireo. Raha tsy manao na inona na inona isika dia mety hitarika antsika hiala an’ilay hazavana ny fisalasalana sy ny fieboeboana ary amin’ny farany ny apôstazia.

Nianatra lesona manan-danja maromaro aho avy amin’ilay zavatra niainako tao amin’ilay tonelina. Ny sasantsasany amin’izy ireo ihany no hozaraiko.

Voalohany, na manao ahoana na manao ahoana ny hamafin’ilay haizina feno ahiahy dia isika no misafidy ny halavana sy ny hoe hatraiza no hamelantsika ny fiantraikan’izany eo amintsika. Tsy maintsy tadidiantsika ny hoe tena tia antsika tokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahiny. Tsy hahafoy antsika na hamela antsika ho resy Izy Ireo raha mikatsaka ny fanampiany isika. Tsarovy ilay traikefan’i Petera teo ambonin’ireo onja mahery vaika tany amin’ny Ranomasin’i Galilea. Rehefa nahatsapa ny haizina feno hatsiaka nanodidina azy i Petera dia niaiky avy hatrany ny nahasanganehana azy, ka nisafidy ny hikatsaka fanampiana tamin’izay fotoana izay. Tsy niahiahy ny herin’ny Mpamonjy mba hamonjy azy izy. Niantso fotsiny izy hoe: “Tompo ô, vonjeo aho.”1

Eo amin’ny fiainantsika dia mety hiseho amin’ny endrika fanampiana avy amin’ny namana mahatoky na mpitarika na havan-tiana ny fanoloran-tanana ataon’ny Mpamonjy. Rehefa ao anatin’ny haizina isika dia tsy misy maharatsy ny miantehitra vetivety amin’ny hazavan’ireo izay tia antsika sy mikatsaka izay mahasoa antsika.

Rehefa raisintsika amim-pieritreretana dia nahoana moa isika no mihaino ireo feo izay tsy manan’endrika sy feno fanimbazimbana ataon’ireo izay ao amin’ny trano mijoalajoala sy malalaka amin’izao androntsika izao kanefa tsy miraharaha ireo fiangavian’ireo izay mitia antsika amin-kitsimpo? Aleon’ireo olona mpamingavinga amin’izao ireo manimba toy izay mampisondrotra, maneso toy izay manandratra. Afaka milentika eo amin’ny fiainantsika ireo teny feno fanesoana ataon’izy ireo, ary matetika niniana natao tao anatin’ny fotoana fohy monja izany mba handrava ny finoantsika. Moa ve fahendrena ny mametraka izay mahasoa antsika mandrakizay eo an-tanan’ny vahiny? Moa ve fahendrena ny maka fahazavana avy amin’ireo izay tsy manam-pahazavana omena na ireo izay manana fandaharam-potoana izay miafina amintsika? Raha aseho antsika marina ireo olona tsy fantatra anarana ireo dia tsy homentsika fotoana akory, saingy noho izy ireo mampiasa ny tambazotra ifaneraserana, izay nafenina tsy ho hitan’ny fanamarinana dia mahazo fahatokisana tsy misy fetra.

Hanalavitra antsika amin’ny famonjena sy ny fahazavana mamonjy aina avy amin’ny Mpamonjy ny safidintsika hihaino ireo izay maneso ireo zava-masina. Nanoratra i Jaona hoe: “Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”2 Tsarovy fa ireo izay tena tia antsika marina no afaka hanampy antsika hanorina ny finoantsika.

Tahaka ny nahasanganehana ahy tao anatin’ilay tonelina no mety hahatsapantsika ho sanganehana hangataka fanampiana rehefa misy fisalasalana. Angamba mety isika no olona izay nalain’ny olona tahaka ny amin’ny fahatanjahana, kanefa izao isika mila fanampiana. Rehefa tsapantsika fa sarobidy loatra ka tsy tokony hariana ny hazavana sy ny fiononana afaka omen’ny Mpamonjy antsika raha oharina amin’ny fieboeboana dia afaka manampy ireo mpitarika feno aingam-panahy ao amin’ny Fiangonana sy ireo ray aman-dreny ary ireo namana mahatoky. Vonona izy ireo ny hanampy antsika hahazo toky ara-panahy izay hanamafy orina antsika hanoherana ireo fanamby mahazo ny finoana.

Faharoa, tsy maintsy matoky ny Tompo isika mba hampitomboana ny tanjaka ara-panahy anatintsika. Tsy afaka miantehitra mandrakizay amin’ny hazavan’ny hafa isika. Fantatro fa ny haizina tao amin’ilay tonelina dia tsy haharitra raha toa ka nanohy namoy teo akaikin’ilay namako sy tao anatin’ny fiarovan’ilay vondrona aho. Saingy ny zavatra nantenaiko dia ny mba hahafahako manohy amin’ny heriko manokana vantany vao afaka mahita ilay hazavana aho. Mampianatra antsika ny Tompo hoe: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondony dia hovohana ianareo.”3 Tsy maintsy manao zavatra isika sady manantena fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenany ny hanafaka antsika amin’ny haizina raha manakaiky Azy isika. Kanefa ny fahavalo dia hiezaka ny handresy lahatra antsika fa tsy nahatsapa na oviana na oviana ny herin’ny Fanahy isika ka mora foana ny tsy miezaka intsony.

Manoro hevitra antsika ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo.”4 Nilaza ny zatovolahy iray tao amin’ny paroasiko hoe: “Misy zavatra tsapako izay tsy afaka hazavaina amin’ny fomba hafa raha tsy hoe avy amin’ Andriamanitra izy ireo.” Izany no fahamarinan-toetra ara-panahy.

Rehefa manana fanontaniana na alaim-panahy hisalasala isika dia tokony hahatsiaro ireo fitahiana sy fahatsapana ara-panahy izay nanenika ny fontsika sy ny fiainantsika tany aloha ary mametraka ny finoantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, Zanakalahiny. Tsaroako ilay torohevitra nomena ao amin’ny hira fiderana mahazatra: “Matoky ny Tompo izahay, hatrizao sy rahatrizay.”5 Hampisaraka antsika amin’ Andriamanitra ny tsy firaharahiana sy ny tsy fanomezana lanja ireo traikefa ara-panahy taloha.

Hitombo ny fikatsahantsika ny hazavana amin’ny alalan’ny fahavononantsika ny hahafantatra rehefa mamirapiratra eo amin’ny fiainantsika izany. Manome famaritana ny hazavana ny soratra masina amin’izao fotoana izao sady manome fampanantenana ho an’ireo izay manaiky izany: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ ny andro.”6 Tahaka antsika rehefa manohy mamoy mankeny amin’ny hazavana dia arakaraka ny mampikiry antsika no mahatonga ny heriny hahazava bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika. Tahaka ilay hazavana teny amin’ny fiafaran’ilay tonelina, ny heriny dia hitondra fahatokiana sy fahazotoana, fankaherezana ary hery hahalalana fa velona Izy—izay lehibe indrindra—ho antsika.

Fahatelo, tsy misy haizina lehibe sy mampatahotra na manahirana ka tsy afaka ho resin’ny hazavana. Vao tsy ela akory izay dia nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Rehefa mitombo ny haratsiana eo amin’izao tontolo izao dia misy hery ara-panahy mifono fanonerana ho an’ireo olo-marina. Rehefa mikisaka miala amin’ny toeram-pamaharany ara-panahy izao tontolo izao, ny Tompo dia manomana ny lalana ho an’ireo izay mitady Azy sady manome azy ireo toky lehibe kokoa sy fanamafisana bebe kokoa ary fahatokian-tena bebe kokoa eo amin’ny lalana ara-panahy izoran’izy ireo. Manjary hazavana mazava kokoa ao anatin’ilay hazavana mitsilopilopy ny fanomezana ny Fanahy Masina.”7

Ry rahalahy sy rahavavy, isika dia tsy navela ho irery ho tratry ny herin’ny fiovaovan’ny toetran’izao tontolo izao, kanefa manana ny hery isafidianana ny hino eo anatrehan’ny fisalasalana isika. Mba hahazoana io hery ara-panahy mifono fanonerana nampanantenaina io dia tsy maintsy isika misafidy ny hihaino ny torohevitry ny mpaminany, hiaiky ary hanao zavatra amin’ireo bitsika ara-panahy, hankatò ny didin’ Andriamanitra, ary hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana. Tsy maintsy misafidy isika. Enga anie ka hisafidy ilay fahazavan’ny Mpamonjy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.