2010–2019
“Nofinidy ho vavolombelona manambara ny anarako”
Oktobra 2015


“Nofinidy ho vavolombelona manambara ny anarako”

Tsara tokoa ny manana lehilahy antitra efa matotra tokoa ara-panahy sy manana fandanjalanjana tokoa manompo amin’ireo toerana ambony indrindra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Tamin’ny taona 1996 dia niseho tamin’ny fandaharam-baovao 60 Minutes (60 minitra) tao amin’ny fahitalavi-panjakana ny Filoha Gordon B. Hinckley. I Mike Wallace, izay mpanao gazety za-draharaha sy be fanontaniana, no nanadihady ny Filoha Hinckley mikasika ny lohahevitra manan-danja maro.

Tany amin’ny faramparan’ny fifampiresahan’izy ireo, dia nanao fanamarihana Andriamatoa Wallace hoe: “Misy ireo milaza hoe ‘Gerontocratie io. Fiangonana tarihin’ny olona antitra.’”

Namaly tamim-pifaliana ny Filoha Hinckley sady tsy nihambahamba nanao hoe : “Ka tsy mahafinaritra ve izany hoe lehilahy matotra sy nasondrotry ny taona no mpitarika, lehilahy manana fandanjalanjana izay tsy ahilangilan’ny rivotry ny fotopampianarana samihafa rehetra?” (fampitana natao ny 7 apr. 1996).

Ny tanjoko dia ny hanazava hoe nahoana no tsara tokoa ny manana lehilahy antitra efa matotra tokoa ara-panahy sy manana fandanjalanjana tokoa manompo amin’ireo toerana ambony indrindra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny—ary nahoana isika no tokony hihaino sy handre (Môsià 2:9) ny fampianaran’ireo lehilahy ireo izay “nofinid[in’ny Tompo] ho vavolombelona manambara ny anara[ny] … any anivon’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (F&F 112:1).

Mivavaka aho mba ho ampianarin’ny Fanahy Masina isika rehetra eo am-piarahana mieritreritra io lohahevitra manan-danja io.

Lesona avy amin’ny zavatra niainana nandritra ny androm-piainana

Miresaka ity lohahevitra ity aho amin’ny fomba fijery tena miavaka tokoa. Tato anatin’ny 11 taona, dia izaho no mpikambana zandriny indrindra tao amin’ny Roambinifololahy raha ny taona no resahana. Nandritra ireo taona nanompoako tao, dia 77 taona ny sala-taonan’ireo lehilahy nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—io no salan-taonan’ireo Apôstôly, tao anatin’ny fe-potoana 11 taona, ambony indrindra nisy tamin’ity fotoampitantanana ity.

Nitahy ahy ny traikefa sy fahatakarana itambarana amin’ny maha-apôstôly sy ny traikefan’ny tena manokana sy arak’asa izay ananan’ireo olona ao amin’io kôlejy io izay iarahako manompo. Ny ohatra iray tamin’ny niarahako tamin’ny Loholona Robert D. Hales dia manamarina ireo fotoana miavaka izay nahafahako nianatra tamin’ireo mpitarika ireo sy niara-nanompo tamin’izy ireo.

Taona maro lasa izay, indray Alahady tolakandro, dia niaraka tamin’ny Loholona Hales tao an-tranony aho, raha teo am-pakana aina izy noho ny aretina mafy izay vao avy nahazo azy. Nifampiresaka mikasika ny fianakavianay izahay, sy ny andraikitray ao amin’ny kôlejy, ary ireo traikefa manan-danja hafa.

Nisy fotoana nanontaniako ny loholona Hales hoe: “Ianao dia vady sy ray ary mpanao fanatanjahantena nahomby, mpandraharaha nahay ary mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Inona no lesona nianaranao rehefa nanomboka nihanahazo taona ianao ka voafetran’ny fihenan’ny tanjaka ara-batana?”

Niato kely ny Loholona Hales ary namaly hoe: “Rehefa tsy afaka manao ny zavatra efa fanaonao intsony ianao, dia izay manan-danja indrindra ihany no ataonao.”

Nahatalanjona ahy ny valinteniny izay tsotra sy feno. Ilay apôstôly tiako sy mpiara-miasa amiko dia nizara tamiko lesona iray avy amin’ny zavatra niainana nandritra ny androm-piainana—lesona iray nianarana tamin’ny alalan’ny fitsapana mivaivay noho ny fijaliana ara-batana sy ny fikarohana ara-panahy.

Ireo zava-mametra sy fahalemen’ny maha-olona

Ireo zava-mametra izay vokatra voajanaharin’ny fahanterana raha ny marina dia afaka ny ho tonga loharanom-pianarana sy fahatakarana ara-panahy miavaka. Ireo zavatra ireo mihitsy izay mety heverin’ny maro fa mametra ny fahombiazan’ireo mpanompo ireo dia afaka ny ho tonga anisan’ny hery lehibe indrindra ananan’izy ireo. Ny famerana ara-batana dia afaka mampitombo ny fahatakarana. Ny tanjaka voafetra dia afaka mampahazava ireo laharam-pahamehana. Ny tsy fahafahana manao zavatra maro dia afaka mitarika ny fifantohana mankany amin’ireo zavatra vitsivitsy manan-danja indrindra.

Nisy olona sasany izay nandroso hevitra fa ny mpitarika tanora kokoa sy mavitrika kokoa no ilaina ato amin’ny Fiangonana mba ho afaka hiatrika amim-pahombiazana ireo olana amin’izao tontolo maoderina misy antsika izao. Kanefa ny Tompo dia tsy mampiasa ireo filôzôfia sy fomba fitarihana maoderina rehefa hanatanteraka ireo tanjony (jereo ny Isaia 55:8–9). Afaka manantena isika fa ny Filoha sy ireo mpitarika zokiny hafa ato amin’ny Fiangonana dia ho lehilahy antitra sy manana traikefa ara-panahy.

Ny fomba fitantanan’ny Tompo, araka ny voambara, amin’ny alalan’ny filankevitra ao amin’ny Fiangonany dia mamaha ireo olana ateraky ny fahalemen’ny maha-olombelona ary mampihena ny fiantraikan’izany. Mahavariana fa ireo fahalemen’ny fiainana an-tany ananan’ireo lehilahy ireo raha ny marina dia manamafy ny maha-avy amin’ Andriamanitra an’ireo fanambarana izay tonga ao amin’izy ireo sy amin’ny alalan’izy ireo. Tena marina fa ireo lehilahy ireo dia nantsoin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny faminaniana (jereo ny Fanekem-pinona 1:5).

Lamin’ny fanomanana

Hitako tao amin’ireo Rahalahiko farafahakeliny ny ampahany amin’ny tanjon’ny Tompo amin’ny ananana lehilahy matotra sy hendry manompo amin’ireo toeran’ny mpitarika ambony ato amin’ny Fiangonana. Ireo lehilahy ireo dia nandritra ny fotoana ela no efa nampianarin’ny Tompo izay soloin’izy ireo tena, sy tompoiny ary tiany. Efa nianatra ny hahatakatra ilay fomba masina ifandraisan’ny Fanahy Masina izy ireo sy ny fomba napetraky ny Tompo hahafahana mandray fanambarana. Ireo lehilahy tsotra ireo dia nandalo dingana hivoarana tena mahatalanjona izay nanatsara ny fahitan’izy ireo sy nampitombo ny fahatakarany, ary niteraka fitiavana ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra sy ao anatin’ny toe-javatra rehetra, ary nanamafy ny fisian’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Imbetsaka aho no nanatri-maso an’ireo Rahalahiko niezaka tamim-pahazotoana hanatanteraka tamim-pahatokiana sy nilofo tamin’ny antson’izy ireo, na dia nisedra olana ara-batana goavana aza. Ireo lehilahy ireo dia tsy ialana fijaliana. Kanefa, notahiana sy nankaherezina izy ireo hibosesika handroso amim-pahavitrihana rehefa mizaka sy miaritra fijaliana.

Rehefa miara-manompo amin’ireo solontenan’ny Tompo ireo aho dia lasa nahafantatra fa ny fanirian’izy ireo lehibe indrindra dia ny hamantatra sy hanatanteraka ny sitrapon’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany Malalany. Rehefa miara-mifandinika izahay, dia mahazo fitaomam-panahy izahay, sy mandray fanapahan-kevitra izay ahitana taratra fa nandray fahazavana sy fahamarinana betsaka izahay, mihoatra lavitra noho ny faharanitan-tsain’olombelona sy ny fomba fisainany ary ny traikefany. Rehefa miara-miasa amim-piraisan-kina manoloana ireo olana saro-bahana izahay, dia mivelatra amin’ny fomba mahavariana ny fahatakaranay mitambatra, noho ny herin’ny Fanahy Masina.

Mahatsiaro ho sambatra aho mahita isan’andro ny toetra mendrika sy ny fahaiza-manao ananan’ireo mpitarika tsirairay. Misy olona sasantsasany izay mihevitra fa mampieritreritra sy mampihena finoana ny tsy fahatanterahan’ny maha-olombelona an’ireo Rahalahy ireo. Ho ahy ireny tsy fahatanterahana ireny dia mankahery sy mampitombo finoana.

Lesona fanampiny

Ankehitriny aho dia nanatri-maso ny enina tamin’ireo Rahalahiko ireo nafindra tamin’ny alalan’ny fahafatesana ara-batana ho amin’ny andraikitra vaovao any amin’ny tontolon’ny fanahy dia: ny Filoha James E. Faust, ny Filoha Gordon B. Hinckley, ny Loholona Joseph B. Wirthlin, ny Loholona L. Tom Perry, ny Filoha Boyd K. Packer, ary ny Loholona Richard G. Scott.

Ireo Rahalahy mahery fo ireo dia nanokana ny “fanahin’[izy ireo] manontolo” mihitsy (Ômnia 1:26)—hanambarana ny anaran’i Jesoa Kristy tamin’izao tontolo izao. Tena sarobidy ny fitambaran’ny fampianaran’izy ireo.

Ireo mpanompo ireo dia nizara tamintsika, tao anatin’ireo taona faramparany nanompoan’izy ireo teto an-tany, famintinana lesona ara-panahy mahery vaika, nianarana nandritra ny fanompoana feno fanolorantena am-polo taonany maro. Ireo mpitarika ireo dia nizara fahamarinana sarobidy maro tamin’ny fotoana izay mety noheverin’ny sasany fa tsy nahafahan’izy ireo indrindra nanolotra.

Eritrereto ireo fampianarana farany nataon’ireo mpaminany lehibe ao amin’ny soratra masina. Ohatra, i Nefia dia namarana ny rakitsorany tamin’ireto teny ireto hoe: “Fa izany no efa nandidian’ny Tompo ahy ka dia tsy maintsy mankatò aho” (2 Nefia 33:15).

Rehefa akaiky hifarana ny fiainan’i Jakôba dia nanentana izy hoe:

“Mibebaha ianareo ary midira amin’ny vavahady ety, ary mitozoa amin’ny lalana izay tery, mandra-pahazoanareo ny fiainana mandrakizay.

“Ô, mba hendry, inona no azoko lazaina ankoatra izany?” (Jakôba 6:11–12).

Ary i Môrônia dia namita ny asa fanomanana ireo takelaka tamin’ny fiandrandrana tamim-panantenana ny Fitsanganana amin’ny maty, hoy izy: “Handeha tsy ho ela aho hiala sasatra ao am-paradisan’ Andriamanitra, ambara-pikamban’ny fanahiko sy ny vatako indray, ka hitondrana ahy mpandresy eny amin’ny habakabaka, hihaona aminareo eo anoloan’ny toeram-pitsarana mahafinaritr’Ilay Jehovah Lehibe, ny Mpitsara Mandrakizain’ny velona sy ny maty” (Môrônia 10:34).

Manana tombontsoa izaho sy ianao hianatra avy amin’ireo fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona farany an’ireo apôstôly sy mpaminanin’ny andro farany. Ireo anarana amin’izao fotoana izao dia tsy Nefia na Jakôba na Môrônia—fa Filoha Faust, Filoha Hinckley, Loholona Wirthlin, Loholona Tom Perry, Filoha Packer ary ny Loholona Scott.

Tsy milaza aho akory hoe ny hafatra farany nataon’ireo lehilahy lalaina ireo no tsy maintsy niavaka na nanan-danja indrindra teo amin’ny asa fanompoan’izy ireo. Kanefa, ny fitambaran’ny zavatra ara-panahy nianarany sy ireo traikefa niainany no nahatonga ireo mpitarika ireo nanantitrantitra fahamarinana mandrakizay tao anatin’ny hitsimpo tanteraka sy hery mandoaka fo sy lehibe.

Sary
Filoha James E. Faust

Tamin’ny lahateny nataony tamin’ny fihaonambe natrehany farany tamin’ny aprily 2007, dia nilaza ny Filoha Faust hoe:

“Nanolotra fiadanana sarobidy ho antsika rehetra ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, saingy tsy mety ho tanteraka izany raha tsy vonona isika handroaka ireo fahatsapana ratsy toy ny fahatezerana sy ny lolompo ary ny valifaty. …

“Aoka ho tsaroantsika fa mila mamela isika raha te ho voavela heloka. … Izaho dia mino amin’ny foko sy ny fanahiko manontolo ilay hery manasitrana izay mety ho tonga amintsika raha toa isika manaraka ilay torohevitry ny Mpamonjy hoe tokony ‘hamela ny olon-drehetra’ [F&F 64:10]” (“The Healing Power of Forgiveness,” Liahona, mey 2007, 69).

Io hafatry ny Filoha Faust io dia lesom-piainana iray mahery vaika avy amin’ny olona iray izay tiako ary anisan’ny mpamela heloka indrindra fantatro.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Ny Filoha Hinckley dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny fihaonambe farany natrehany tamin’ny ôktôbra 2007 hoe: “Hamafisiko ny fijoroako ho vavolombelona mikasika ny antson’ny Mpaminany Joseph, sy ny asa vitany, ary ny famehezany ny fijoroana ho vavolombelona nananany tamin’ny rany, amin’ny maha-maritioran’ny fahamarinana mandrakizay azy. … Izaho sy ianao dia tsy maintsy miatrika ilay fanontaniana lalina mahakasika ny fanekena ny maha-marina ny Fahitana Voalohany sy izay nitranga taorian’izany. Miankina amin’ny tena fisian’io Fahitana Voalohany io no tena mampitombona an’ity Fiangonana ity. Raha marina fa nisy izany, ary mijoro ho vavolombelona aho fa nisy tokoa izany, dia ity asa izay ilofosantsika ity no asa tena manan-danja indrindra eto ambonin’ny tany” (“The Stone Cut Out of the Mountain,” Liahona, nôv. 2007, 86).

Ny fijoroana ho vavolombelon’ny Filoha Hinckley dia manamafy ny lesom-piainana iray mahery vaika avy tamin’ny lehilahy iray izay tiako sy fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra.

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

Ny loholona Wirthlin dia tamin’ny ôktôbra 2008 no nanolotra ny hafany farany tamin’ny fihaonambe maneran-tany.

“Mbola tsaroako ny torohevitra izay nomen’ny [reniko] ahy taona maro lasa izay rehefa resy tamin’ny lalao baolina kitra ny ekipako: ‘Avelao hitranga izay hitranga, dia tiavo izany.’

“… Ny olana, raha raisina tsara, dia ho lasa fitahiana eo amin’ny fiainantsika. …

“Raha mikatsaka fahaizana mihomehy isika, mikatsaka fahaizana mijery ny mandrakizay, ka mahatakatra ny fitsipiky ny fanonerana izay mety ho very, ary manatona ny Raintsika any An-danitra, dia afaka hiaritra ny fotoan-tsarotra sy ny fitsapana. Afaka hiteny isika, tahaka ny reniko hoe: ‘Avelao hitranga izay hitranga dia tiavo izany’” (“Avelao hitranga izay hitranga, dia tiavo izany,” Liahona, nôv. 2008, 28).

Ny hafatry ny Loholona Wirthlin dia lesom-piainana iray mahery vaika avy tamin’ny lehilahy iray izay tiako sy ohatra velona naneho izany hoe mandresy ny fahasarotana amin’ny alalan’ny finoana ny Mpamonjy.

Sary
Loholona L. Tom Perry

Ny loholona Perry dia mbola nijoro teto amin’ity polpitra ity vao enim-bolana lasa izay. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nosainintsainintsika akory hoe iny no ho fijoroany ho vavolombelona farany amin’ny fihaonambe maneran-tany.

“Mamelà ahy ianareo hamarana izany amin’ny fijoroana ho vavolombelona (ary ny sivifolo taona niainako teto an-tany no ahafahako milaza izany tanteraka) fa arakaraky ny maha-lehibe ahy no ahatongavako saina fa ny fianakaviana no ivon’ny fiainana sy fanalahidin’ny fahasambarana mandrakizay.

“Izaho dia mankasitraka ny vadiko sy ny zanako, ary ireo zafikeliko mbamin’ny zafiafiko, sy ireo … havana rehetra izay nahatonga ny fiainako ho voatahy, eny, ho mandrakizay mihitsy aza. Izany fahamarinana mandrakizay izany no izaràko ny fijoroako ho vavolombelona mahery vaika sy masina indrindra” (“Nahoana no manan-danja ny fanambadiana—Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2015, 42).

Ny hafatry ny Loholona Perry dia lesom-piainana iray mahery vaika avy tamin’ny lehilahy iray izay tiako sy nahatakatra tamin’ny alalan’ny traikefa midadasika ny fifandraisana izay tena zava-dehibe misy eo amin’ny fianakaviana sy ny fahasambarana mandrakizay.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Ny Filoha Packer dia nanantitrantitra nandritra ny fihaonambe maneran-tany, enim-bolana lasa izay, mikasika ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana, sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ary ny fianakaviana mandrakizay.

“Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy ary Zanak’ilay Andriamanitra velona. Izy no lohan’ny Fiangonana. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny herin’ny fisoronana, dia afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana izay manomboka eto an-tany.

“Feno fankasitrahana tokoa aho ny Sorompanavotana izay afaka manadio ny pentina rehetra, na sarotra manao ahoana aza izany, ary na naharitra manao ahoana ary na impiry na impiry niverimberenan’izany. Ny Sorompanavotana dia afaka manolotra fahafahana ho anao indray mba handroso hatrany, omban’ny fahadiovana sy fahamendrehana” (“Ny drafitry ny fahasambarana,” Liahona, mey 2015, 28).

Ny hafatra farany napetraky ny Filoha Packer dia lesom-piainana iray avy tamin’ny lehilahy iray izay tiako, nanamafy sy namerimberina nanambara fa ny tanjon’ny zavatra rehetra atao ato amin’ity Fiangonana ity dia ny hiantohana fa sambatra ao an-tokantrano misy azy ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka amin’ny zanany, ary voafehy ho iray mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay” (Liahona, mey 2015, 26).

Sary
Loholona Richard G. Scott

Nanambara ny Loholona Scott nandritra ny lahateny farany nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, tamin’ny ôktôbra 2014 hoe: “Ny hivoatra avy amin’ireo fisedrana sy fitsapana mihitsy no nahatongavantsika teto amin’ny fiainana an-tany. Manampy antsika ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa ireo olana, ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manao izay ahafahantsika mahazaka ireny olana ireny. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manatona Azy amim-pahavitrihana isika dia afaka ny hahatohitra izay fakam-panahy rehetra, sy hahazaka izay ratram-po sy olana rehetra atrehantsika” (“Ataovy Voalohany amin’ny Laharam-pahamehanareo ny Fampiasana Finoana,” Liahona, nôv. 2014, 94).

Ny hafatry ny Loholona Scott dia lesom-piainana mahery vaika avy amin’ny lehilahy iray izay tiako sy vavolombelona manokana sy tiana ny amin’ny anaran’i Kristy manerana izao tontolo izao (jereo ny F&F 107:23).

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Nanambara ny Mpamonjy fa “na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany” (F&F 1:38). Enga anie isika hihaino sy hanaraka ireo fahamarinana ampianarin’ireo solontenan’ny Tompo nahazo lalana. Raha manao izany isika, dia mampanantena aho fa hihamatanjaka ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy, ary handray fitarihana sy fiarovana ara-panahy ho amin’ireo toe-java-iainantsika manokana sy ireo zavatra ilaintsika.

Amin’ny herin’ny fanahiko manontolo no ijoroako ho vavolombelona fa ilay Kristy velona sy efa nitsangana tamin’ny maty no mitantana ny raharahan’ ny Fiangonany izay naverina tamin’ny laoniny sy velona, amin’ny alalan’ireo mpanompony izay nofidiana ho vavolombelona manambara ny anarany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.