2010–2019
Mahita ireo toetra araka an’ Andriamanitra ao amintsika
Oktobra 2015


Mahita ireo toetra araka an’ Andriamanitra ao amintsika

Tonga eto amin’ity tany ity isika mba hikolokolo sy hamantatra ireo toetra araka an’ Andriamanitra vao mitsiry izay ao anatintsika.

Ry rahavavy isany, tianay ianareo! Mijoro ho vavolombelona aho fa fanomezana ny fiainana. Manana drafitra ho antsika tsirairay Andriamanitra, ary ny tanjontsika tsirairay dia efa nanomboka elabe talohan’ny niaviantsika tety an-tany.

Vao haingana aho no nahatsapa fa ny fahaterahan’ny zazakely iray ho amin’ny fiainana an-tany, izay fahagagana, dia ampahany ao amin’ny drafitry ny Tompo. Ny tsirairay amintsika dia nitombo ara-batana tao anatin’ny kibon’ny renintsika rehefa niantehitra tamin’ny vatany isika mba hanohana ny vatantsika nandritra ny volana maro. Amin’ny farany anefa, dia nampisaraka antsika ny fiterahana—izay trangan-javatra manan-danja lehibe na ho an’ny reny sy ho an’ny zanaka.

Sary
Zaza vao teraka

Rehefa miditra eto amin’izao tontolo izao ny zazakely iray, dia misy ny fiovan’ny hafanana sy ny hazavana sy ny famelàna tampoka ny tratra ho malalaka izay mahatonga ilay zazakely hifoka ny rivotra voalohany eo amin’ny fiainany. Sambany ireo havokavoka kely ireo no feno rivotra tampoka, manomboka miasa ny taovam-pisefoana, ary manomboka misy fofon’aina ilay zazakely. Rehefa afatotra sy tapahina ny tadi-poitra, dia tapaka mandrakizay ny fifampitohizan’aina nisy teo amin’ilay reny sy ny zazakely ary manomboka ny fiainan’ilay zazakely ety an-tany.

Hoy i Joba hoe: “Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ny Tsitoha no namelona ahy.”1

Tonga eto amin’ity tany ity isika “mitarika rahom-boninahitra.”2 “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia mampianatra antsika tsirairay fa isika “dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra,” ary “ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”3 Mizara amim-pahalalahana amintsika ny ampahany amin’ny toetra maha-Andriamanitra Azy ny Ray any An-danitra. Izany toetra araka an’ Andriamanitra izany dia fanomezana avy Aminy noho ny fitiavana izay ny ray aman-dreny ihany no afaka mahatsapa azy.

Tonga eto amin’ity tany ity isika mba hikolokolo ireo toetra araka an’ Andriamanitra vao mitsiry izay ao anatintsika.

Fantatsika ny Antony

Nilaza i Elaine Cannon, izay filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany taloha, hoe: “Misy andro roa lehibe eo amin’ny fiainan’ny vehivavy iray: Ny andro ahaterahany sy ny andro hahafantarany ny antony nahaterahany.”4

Fantatsika ny antony nahaterahantsika. Tonga eto an-tany isika mba hanampy amin’ny fananganana ny fanjakany etỳ an-tany sy hanomana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Zanany Fanindroany. Isa-tsegondra isika dia miezaka ny manaraka Azy. Mihatsara sy mihamisandratra ny toetra araka an’ Andriamanitra ao anatintsika tsirairay amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika hanatonana bebe kokoa ny Raintsika sy ny Zanany.

Ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra dia tsy misy ifandraisany amin’ny zava-bitan’ny tenantsika manokana, na ny toerana misy antsika eo amin’ny fiarahamonina, na ny isan’ny hazakazaka lavitra ezaka nataontsika, na ny lazantsika eo imason’ny olona sy ny fijerintsika ny tenantsika. Avy amin’ny Ray ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra. Napetraka tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahantsika izy io ary mbola hitohy hatrany amin’ny mandrakizay.

Tiany Isika

Asehontsika ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra rehefa mahatsapa sy manome ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra isika ka maneho izany amin’ny hafa. Manana fahalalahana isika hikolokolo io toetra araka an’ Andriamanitra io, sy hamela azy hiroborobo ary hampitombo azy. Nilaza i Petera fa isika dia nomena “teny fikasana [lehibe]” mba hahafahantsika “ho tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra.”5 Rehefa mahatakatra isika hoe iza moa isika—zanakavavin’ Andriamanitra—dia manomboka mahatsapa ireo teny fikasana lehibe ireo isika.

Ny mijery ny hafa fa tsy ny tenantsika fotsiny ihany dia manampy antsika hahatakatra hoe zanakavaviny isika. Mitodika ho azy any Aminy amin’ny vavaka isika, ary tiantsika ny mamaky ny teniny sy manao ny sitrapony. Isika dia afaka mahazo fankasitrahana avy Aminy avy any ambony, fa tsy avy amin’ny olona manodidina antsika na avy amin’ireo olona ao amin’ny Facebook na Instagram.

Raha toa ianao misalasala ny amin’ny fanananao toetra araka an’ Andriamanitra, dia mandohaliha mivavaka ary anontanio ny Ray any An-danitra hoe: “Tena zanakavavinao tokoa ve aho, ary tianao ve aho?” Nilaza ny Loholona M. Russell Ballard hoe “Anisan’ny hafatra mahafinaritra indrindra izay hampitain’ny Fanahy Masina ny hoe inona no tsapan’ny Tompo momba anao.”6

An’ Andriamanitra isika. Hoy i Paoly hoe: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.”7 Matetika ny hiran’ny Kilonga ianarantsika voalohany dia ny “Zanaky ny Ray aho.”8 Izao no fotoana hakana ilay fehezanteny mamy hoe “Zanaky ny Ray aho” ary ampiana ireo teny hoe “Noho izany inona no tokony hataoko?” Mety hametraka fanontaniana toy izao aza isika: “Inona no hataoko mba hiainako araka ny maha-zanaky ny Ray ahy?” “Ahoana no ahafahako mampitombo ny toetra araka an’ Andriamanitra izay ao anatiko?”

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Nalefan’ Andriamanitra eto ianao mba hiomana ho amin’ny hoavy lehibe kokoa noho izay mety ho azonao heverina.”9 Izany hoavy izany, izay mitranga tsikelikely isan’andro, dia tanteraka aminao rehefa manao mihoatra noho ny miaina fotsiny ianao. Tonga aminao izany rehefa tratranao ny tanjona nahariana anao. Izany dia manasa ny Tompo ho eo amin’ny fiainanao, ary hanomboka hamela ny sitrapony ho lasa sitraponao ianao.

Mianatra isika noho ny Toetrantsika araka an’ Andriamanitra

Ny toetra araka an’ Andriamanitra no miteraka ao anatintsika ny faniriana mba hahalala ho an’ny tenantsika manokana ireo fahamarinana mandrakizay ireo.

Vao haingana no nisy zatovovavy antsoina hoe Amy nampianatra ahy izany lesona izany rehefa nanoratra izao izy: “Sarotra izany hoe adolantsento izany amin’izao fotoana izao. Mihaety kokoa ny lalana. Tena maka fanahy tokoa i Satana. Rehefa tsy marina dia diso fa tsy misy eo anelanelany.”

Hoy ihany izy: “Indraindray dia sarotra ny mahita namana tsara. Na dia mieritreritra aza ianao hoe manana namana akaiky izay tsy handao anao mihitsy, dia mety hiova izany noho ny antony tsy hay vinavinaina. Izany no antony mahatonga ahy ho faly fa manana fianakaviana, Ray any An-danitra, Jesoa Kristy, sy ny Fanahy Masina izay afaka ny ho namako rehefa misy zavatra tsy mandeha tsara miaraka amin’ireo namako.”

Notohizan’i Amy ihany hoe: “Indray alina izay aho dia sahiran-tsaina, ka nilaza tamin’ny rahavaviko aho hoe tsy fantatro izay tokony hatao.”

Taorian’izay tamin’io alina io ihany dia nandefa SMS ho azy ilay rahavaviny ary namerina ny teny nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland manao hoe: “Aza milavo lefona. … Aza mitsahatra ianao. Mandehana hatrany. Miezaha hatrany. Misy fanampiana sy fifaliana miandry anao. … Hilamina izany amin’ny farany. Matokia an’ Andriamanitra ary minoa hoe hisy zavatra tsara ho avy.”10

Nanazava i Amy hoe: “Tsaroako aho namaky izany ary nivavaka fotsiny ny mba hahatsapako ny fitiavan’ Andriamanitra raha toa tena eo tokoa Izy noho ny amiko.”

Hoy izy: “Vantany vao nanontany aho sy nino fa teo Izy, dia tonga tamiko ny fahatsapana mahatalanjona faran’izay faly sy feno fitiavana indrindra. Tsisy teny afaka milazalaza ilay izy. Nahafantatra aho fa teo Izy ary tia ahy Izy.”

Satria zanany ianao, dia fantany hoe mety ho lasa iza ianao. Fantany ireo tahotra sy nofinofinao. Mahafaly Azy ny hery ahafahanao mahavita zavatra. Miandry anao hanatona Azy amim-bavaka Izy. Satria zanany ianao, dia tsy ianao ihany no mila Azy fa mila anao koa Izy. Mila anao ireo olona mipetraka manodidina anao amin’izao fotoana izao amin’ity fivoriana ity. Mila anao izao tontolo izao, ary ny toetranao araka an’ Andriamanitra dia mamela anao ho lasa mpianany izay itokisany ho an’ireo zanany rehetra . Rehefa manomboka mahita ny maha-andriamanitra ao amintsika isika, dia afaka mahita izany ao amin’ny hafa.

Manompo Isika noho ny Toetrantsika araka an’ Andriamanitra

Ny toetra araka an’ Andriamanitra no miteraka ao anatintsika ny faniriana hanompo ny hafa.

Sary
Reny sy zaza nandritra ny hain-tany tany Etiopia

Tsy ela izay no nitantaran’i Sharon Eubank, talen’ny fanaovana asa fanasoavana sy ny LDS Charities, ny zavatra niainan’ny Loholona Glenn L. Pace. Nisy hain-tany niely patrana sy mosary lehibe tany Etiopia nanodidina ny taona 1985. Mba hanomezana fanampiana, dia nasiana toerana fanomezana sakafo misy rano sy hanina ho an’ny olona izay afaka nankany amin’ireo toerana ireo. Nisy lehilahy antitra iray noana mafy nandeha lavitra dia lavitra mba hamonjena ny toerana fanomezana sakafo iray. Rehefa nandalo tanàna kely iray izy dia nandre zazakely nitomany. Nikaroka izy mandra-pahitany ilay zazakely nipetraka teo amin’ny tany teo akaikin’ny reniny izay efa maty. Noraisiny ilay zazakely ary mbola nandeha 40 kilaometatra izy mandra-pahatongany tany amin’ilay toerana fanomezana sakafo. Rehefa tonga izy, ny zavatra noteneniny voalohany dia tsy hoe “Noana aho” na hoe “Ampio aho.” Fa hoe “Inona no azo atao ho an’ity zazakely ity?”11

Ny toetra araka an’ Andriamanitra ao anatintsika dia mampitombo ny faniriantsika hanampy ny hafa ary manosika antsika hanao zavatra. Afaka manampy antsika hahita ny hery hanaovana izany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mety manontany antsika ve ny Tompo hoe: “Inona no azo atao ho an’ity zanakavavy ity, na ity rahalahy ity, na ity raim-pianakaviana ity, na ity namana ity?”

Amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina no hahatonga ny toetra araka an’ Andriamanitra ao amin’ny olona iray izay misalasala, ho afaka hahazo fitoniana ka hanam-pinoana indray, rehefa avy nitolona mba hanam-pinoana.

Rehefa miteny ny mpaminany, dia misy fiantraikany amin’ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra ny teniny ka manome antsika ny hery mba hankatò.

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro dia mitondra fanantenana ho an’ny maha-andriamanitra ao anatintsika ho antsika ka mahatsiaro ny Mpamonjy, Jesoa Kristy isika.

Mampanantena aho fa rehefa mikatsaka ny hahita ny halalin’ny toetra araka an’ Andriamanitra izay ao anatinao ianao, dia hanomboka hanandriana kokoa ilay fanomezam-pahazoavana sarobidinao ianao. Aoka izany hitarika anao ho lasa zanakavaviny, mandeha eo amin’ny lalana miverina any Aminy—any isika no “haverina ho amin’ny laoniny indray amin’io Andriamanitra io […] izay nanome [antsika] fofon’aina.”12 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Joba 33:4.

  2. “Ode: Intimations of Immortality from Recollections of Early Childhood,” The Complete Poetical Works of William Wordsworth (1924), 359.

  3. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv. 2010, 129.

  4. Elaine Cannon, ao amin’ny “‘Let Me Soar,’ Women Counseled,” Church News, 17 ôkt, 1981, 3.

  5. 2 Petera 1:4.

  6. M. Russell Ballard, “Women of Righteousness,” Liahona, des. 2002, 42.

  7. Romana 8:16.

  8. Jereo ny “Zanaky ny Ray Aho,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, 113.

  9. Dieter F. Uchtdorf, “Miaina ny Filazantsara Amim-pifaliana,” Liahona, nôv. 2014, 121.

  10. Jeffrey R. Holland, “An High Priest of Good Things to Come,” Liahona, jan. 2000, 45.

  11. Jereo ny Glenn L. Pace, “Infinite Needs and Finite Resources,” Tambuli, mar. 1995, 18–19.

  12. 2 Nefia 9:26.