2010–2019
Maso mba hahita sy sofina mba handre
Oktobra 2015


Maso mba hahita sy sofina mba handre

Raha mibanjina an’i Kristy isika ka manokatra ny masontsika sy ny sofintsika, dia ho tahian’ny Fanahy Masina ka afaka hahita an’i Jesoa Kristy Tompo miasa eo amin’ny fiainantsika, manamafy ny finoantsika Azy omban’ny fahatokiantena sy ny fanamarinana.

Nandritra ny asa fanompoany tety an-tany i Jesoa Kristy dia nanatanteraka fahagagana lehibe tamin’ny fanasitranana, ary nampianatra tamim-pahefana sy hery tokoa ka milaza ny soratra masina hoe: “Ary niely eran’i Syria ny lazany … dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka.”1

Ny sasany tamin’ireo izay nahita Azy nanasitrana sy nandre Azy nampianatra dia nandà Azy. Ny hafa indray dia nanaraka Azy nandritra ny fotoana fohy, saingy avy teo dia tsy niara-nandeha taminy intsony.2 Teo anatrehan’izy ireo i Jesoa Kristy Tompo, saingy tsy hitan’izy ireo hoe iza marina moa Izy io. Jamba izy ireo, ary nisafidy ny hihodina hivily lalana. Hoy i Jesoa momba azy ireo:

“Tonga tany amin’ny Ahy Aho ary ny Ahy tsy nandray Ahy.”3

“Efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony.”4

Na izany aza dia nisy lehilahy sy vehivavy maro, anisan’izany ireo Apôstôliny mahatoky, izay nampifantoka ny fiainan’izy ireo Taminy. Na dia nitolona tamin’ireo zava-mahasarik’izao tontolo izao aza izy ireo, ka nahatsiaro sahiran-tsaina mikasika ny zavatra izay nampianariny, ary na dia nitolona tamin’ny tahotra mihitsy azy izy ireo, dia nino Azy, sy tia Azy ary nanara-dia Azy.

Hoy i Jesoa momba azy ireo: “Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.”5

Mialoha kely ny fijaliany tao Getsemane sy tao Kalvaria i Jesoa dia nanao izao fampanantenana miavaka izao tamin’ireo mpianany: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.”6

Notanterahan’i Jesoa io fampanantenana io nanomboka tamin’ny andro Pentekosta, ka nandray ny batisan’ny afo sy ny an’ny Fanahy Masina ireo mpianatra.7 Tamin’ny alalan’ny finoan’izy ireo an’i Kristy sy ny fankatoavana dia lasa naman’izy ireo ny Fanahy Masina, ka nanova ny fon’izy ireo ary nitahy azy ireo ka nahazoany vavolombelona mitoetra mikasika ny fahamarinana.

Nanamafy orina an’ireo mpianatry ny Tompo ireo fanomezam-pahasoavana sy fitahiana ireo. Na dia nampidi-doza sy nampikorontan-tsaina aza ny vanimpotoana niainan’izy ireo, dia nahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hanana maso mahita sy sofina mandre izy ireo. Noho ny herin’ny Fanahy Masina dia nanomboka nahita ny fahamarinan’ny zava-drehetra araka ny tena toetrany izy ireo, indrindra ny momba an’i Jesoa Kristy sy ny asany teo anivon’izy ireo.8 Nampisokatra ny fahatakaran’izy ireo ny Fanahy Masina ka henon’izy ireo mazava kokoa ny feon’ny Tompo. Nilentika lalina tao am-pon’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.9 Natoky izy ireo ary nankato.10 Nitory ny filazantsara tamim-pahasahiana sy tamin-kery izy ireo ary nanorina ny fanjakan’ Andriamanitra.11 Nifaly tao amin’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo.

Betsaka no itovizantsika amin’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana ireo. Isika koa dia miaina amin’ny fotoana izay hanatanterahan’i Jesoa Kristy Tompo fahagagana eo anivontsika—anisan’izany ny fanasitranana marary, ny fanadiovana antsika amin’ny fahotana, ny fanovana ny fontsika, ary ny fanolorana ny famonjena ho an’ireo zanak’ Andriamanitra na ny velona na ny maty. Amin’izao fotoantsika izao dia manana mpaminany sy apôstôly velona ihany koa isika, manana ny fahefan’ny fisoronana, fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ary ireo fitahiana masin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara.

Vanimpotoana mampididoza ny fotoana iainantsika—fotoana isian’ny faharatsiana sy fakam-panahy lehibe, fotoana isian’ny korontana sy ny sahotaka. Amin’izao andro mahory izao dia miantso antsika ny mpaminanin’ny Tompo eto an-tany, dia ny Filoha Thomas S. Monson, hamonjy ireo maratra ara-panahy,12 hijoro amin-kerimpo hanohana ny marina,13 ary hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra.14 Na manao ahoana na manao anao ahoana ny haavon’ny aim-panahintsika na ny finoantsika na ny fankatoavantsika ankehitriny, dia tsy ho ampy izany ho an’ny asa izay miandry antsika any aoriany. Mila fahazavana sy hery ara-panahy lehibe kokoa isika. Mila maso afaka mahita mazava kokoa ny Mpamonjy miasa eo amin’ny fiainantsika sy sofina afaka mandre ny feony lalina kokoa ao am-pontsika.

Tanteraka io fitahiana mahatalanjona io rehefa manokatra ny fontsika isika ka mandray,15 tena mandray an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fotopampianarany ary ny Fiangonany ho ao amin’ny fiainantsika. Tsy voatery hoe tonga lafatra isika, saingy tokony ho tsara isika ary hihatsara kokoa. Mila miezaka isika miaina ireo fahamarinana mazava sy tsotra ao amin’ny filazantsara. Raha mitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy isika, ka miasa am-pinoana ao Aminy mba hibebaka amin’ny fahotantsika, sy mitandrina ny didiny ary mahatsiaro Azy mandrakariva, dia hanana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava isika noho ny famindram-po sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Ny fankatoavana fotsiny dia mitondra ny Fanahy ho ao am-pontsika. Any an-tokantranontsika isika dia mivavaka am-pinoana, mandalina ny soratra masina, ary mitandrina ny Sabata ho masina. Any amin’ireo fiangonantsika isika dia mandray ny fanasan’ny Tompo ary manao fampanantenana masina amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Any amin’ny tempoly masina isika dia mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina amin’ny anaran’ireo rahalahy sy anabavintsika izay any ambadiky ny voaly. Ao amin’ny fianakaviantsika ary eo amin’ny asa ampandraiketana antsika avy amin’ny Tompo, dia manolo-tanana ny hafa isika, manamaivana ny enta-mavesatr’izy ireo ary manasa azy ireo hanatona an’i Kristy.

Ry rahalahy sy anabavy isany, fantatro fa raha manao ireo zavatra ireo isika dia ho tonga ny Fanahy Masina! Hitombo ara-panahy isika ka hahazo traikefa miaraka amin’ny Fanahy Masina, ary ho namantsika Izy. Raha mibanjina an’i Kristy isika ka manokatra ny masontsika sy ny sofintsika, dia ho tahian’ny Fanahy Masina ka afaka hahita an’i Jesoa Kristy Tompo miasa eo amin’ny fiainantsika, manamafy ny finoantsika Azy omban’ny fahatokiantena sy ny fanamarinana. Ho afaka hahita bebe kokoa ireo rahalahy sy anabavintsika rehetra araka ny fomba fijerin’ Andriamanitra isika, amim-pitiavana sy fangorahana. Ho henontsika ny feon’ny Mpamonjy ao anatin’ny soratra masina, sy ao amin’ny bitsika ataon’ny Fanahy, ary ao amin’ny tenin’ireo mpamimnany velona.16 Hahita ny herin’ Andriamanitra isika mitoetra eo amin’ny mpaminaniny sy ireo mpitarika rehetra ato amin’ny Fiangonany marina sy velona, ary ho fantatsika omban’ny fahazoana antoka fa asa masin’ Andriamanitra ity.17 Ho afaka hahita sy hahatakatra ny tenantsika sy izao tontolo izao manodidina antsika amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjy azy isika. Ho lasa manana ilay nantsoin’ny Apôstôly Paoly hoe “sain’i Kristy.”18 Hanana maso afaka mahita isika ary sofina afaka mandre, ary hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra.

Mety hihasarotra ny fiainana, hampikorontan-tsaina sy hampahory ary hahakivy. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa noho ny fananana ny Fanahy Masina ho namana dia ho tonga aminao ny fahazavan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na dia eo aza ny korontana sy ny fahoriana ary ny haizina. Io hery ara-panahy io, na ho tonga tampoka amin’ny fomba miavaka, na amin’ny fomba malefaka, dia hampita fitiavana manasitrana sy fankaherezana ho an’ny fanahy ory an’izay olona mibebaka, sy handroaka ny haizina amin’ny alalan’ny fahazavan’ny fahamarinana, ary hanolo ny fahakiviana ho tonga fanantenana ao amin’i Kristy. Ho hitantsika fa ho tonga ireo fitahiana ireo ary ho fantatsika amin’ny alalan’ny fijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy Tompo izany miasa eo amin’ny fiainantsika. Tena ho “voatelina ao amin’ny fifalian’ny [Mpanavotra antsika]”19 tokoa ny enta-mavesatsika.

Ny zavatra niainan’ny ray aman-dreniko taona maro lasa izay dia maneho ny maha-zava-dehibe sy ny herin’ny maso afaka mahita sy ny sofina afaka mandre. Tamin’ny taona 1982 ireo ray aman-dreniko dia voantso hanompo tany amin’ny Misiônan’i Davao, Philippines. Rehefa nanokatra ilay taratasy ny reniko ka nahita fa voantso izy ireo, dia nihoraka tamin’ny raiko izy hoe “An An An! Mila miantso an’izy ireo ianao dia lazao fa tsy afaka mandeha mankany Philippines isika, efa fantatr’izy ireo fa voan’ny sohìka ianao.” Efa voan’ny sohìka nandritra ny taona maro ny raiko ary tena sahirantsaina be ny momba azy ny reniko.

Alina vitsivitsy taorian’izany dia nofohazin’ny reniko ny raiko, tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. Hoy izy: “Merlin a! Renao ve izany feo izany?”

“Tsia, tsy naheno feo izany aho.”

“Hay, in-telo izay no nahenoko an’io feo io androany alina, manao hoe, ‘Fa nahoana ianao no sahiran-tsaina? Tsy fantatrao va fa mahafantatra Aho fa voan’ny sohìka izy? Hikarakara azy aho ary hikarakara anao. Mivonòna hanompo any Philippines.’”

Sary
Merlin sy i Helen Clark

Nanompo tany Philippines ny reniko sy ny raiko ary nahazo traikefa mahatalanjona. Nanana ny Fanahy Masina ho namana izy ireo, ary voatahy sy voaro. Tsy nisohìka mihitsy ny raiko na kely aza. Mpanolontsaina voalohany tao amin’ny fiadidian’ny misiôna izy tany ary nampiofana misiônera an-jatony izy sy ny reniko ary Olomason’ny Andro Farany mahatoky an’arivony mba hahavonona azy ireo ho amin’ny fijoroan’ny paroasy sy tsatòka maro ao amin’ny nosy Mindanao. Nomena maso hahita izy ireo sy sofina handre.

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho momba an’i Jesoa Kristy. Fantatro fa velona Izy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Fantatro fa raha mandray Azy ao amin’ny fiainantsika isika ka miaina ireo fahamarinana tsotra sy mazava ao amin’ny Filazantsarany, dia hanana ny Fanahy Masina ho namantsika. Hahazo ilay fanomezam-pahasoavana sarobidy isika dia ny fananana maso mba hahita sy sofina mba handre. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.