2010–2019
Ny Finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy
Oktobra 2015


Ny Finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy

Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fanomezana avy any an-danitra izay tonga rehefa misafidy ny hino isika sy rehefa katsahintsika sy hifikirantsika izany.

Hitan’ny Mpamonjy ny tanjaka na ny halemen’ny finoan’ireo izay nanodidina Azy. Hoy izy nilaza tamim-pankatoavana tamin’ny anankiray hoe: “Lehibe ny finoanao.”1 Hoy izy nilaza tamin’alahelo tamin’ny iray hafa hoe: “Ry kely finoana.”2 Nanontany ny hafa Izy hoe: “Aiza ny finoanareo?”3 Ary nisy iray hafa noderain’i Jesoa nanao hoe: “Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho [Tamin’ny Isiraely].”4

Manontany tena aho hoe: “Ahoana no fahitan’ny Mpamonjy ny finoako?” Ary anio hariva aho dia manontany anareo hoe: “Ahoana no fahitan’ny Mpamonjy ny finoanareo?”

Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo dia tsy zavatra manidintsidina, mitsingevaheva eny amin’ny rivotra. Tsy tonga amintsika noho ny kisendrasendra ny finoana, na mitoetra eo amintsika noho ny fizokiana. Izy io, araka ny voalazan’ny soratra masina, dia “fahatokiana …, fanehoana ny zavatra tsy hita.”5 Mamoaka hazavana ara-panahy ny finoana, ary azo fantarina izany fahazavana izany.6 Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fanomezana avy any an-danitra izay tonga rehefa misafidy ny hino isika7 sy rehefa katsahintsika sy hifikirantsika izany. Na mihamatanjaka ny finoanao na izany mihamalemy. Ny finoana dia fitsipiky ny hery izay tsy vitan’ny hoe manan-danja eo amin’ity fiainana ity ihany, fa manan-danja koa amin’ny fivoarantsika any ankoatry ny fahafatesana.8 Noho ny fahasoavan’i Kristy, dia ho voavonjy isika indray andro any amin’ny alalan’ny finoana ny Anarany.9 Ny finoanao amin’ny ho avy dia tsy avy amin’ny kisendrasendra, fa avy amin’ny safidy.

Ny finoan’ny tanora Bireziliana iray

Iray volana lasa izay, tany Brésil, dia nihaona tamin’i Aroldo Cavalcante aho. Natao batisa izy tamin’ny faha-21 taonany, ary izy no mpikambana voalohany tao amin’ny fianakaviany. Niredareda fatratra ny finoany, ary avy hatrany izy dia nanomboka niomana hitory ny filazantsara. Indrisy anefa, fa nararin’ny homamiadana ny renin’i Aroldo. Telo volana taorian’izay, andro vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesany, dia niresaka tamin’i Aroldo momba ny zavatra nampiahiahy azy indrindra izy: Tsy misy havana hanampy azy ireo. Mila miandraikitra tanteraka ireo zandrivaviny roa sy ny zandriny lahy i Aroldo. Nanome izany toky izany tamim-boninahitra ho an’ilay reniny eo am-bavahoan’ny fahafatesana izy.

Sary
Ry Cavalcante mianadahy

Niasa tamin’ny banky izy amin’ny antoandro, ary nanaraka ny fianarana tany amin’ny oniversite izy amin’ny alina. Nanohy nanaja ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa izy, saingy nanjavona ny fanantenany hanao asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Nanjary ny fikarakarana ny fianakaviany no asa nanirahana azy.

Volana maromaro taty aoriana raha nanomana lahateny ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo i Aroldo, dia nandalina ireo teny fananarana izay nolazain’i Samoela tamin’i Saoly Mpanjaka izy: “Ny manaraka,” hoy ny novakiany, “no tsara noho ny [manao] fanatitra.”10 Nahatsapa fitaomana izay toa tsy azo tanterahana i Aroldo hoe mila mankatò ny antson’ny mpaminany mba hanao asa fitoriana. Tsy voahozongozon’ireo sakana teo anoloany izy, ka nandroso tamim-pinoana lehibe.

Sary
Elder Aroldo Cavalcante

Nangonin’i Aroldo ny cruzeiro Breziliana rehetra azony nangonina. Rehefa feno 23 taona izy, dia nahazo ny antsony hanompo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Nolazainy tamin’ilay rahalahiny hoe ohatrinona isam-bolana no vola alaina ao amin’ny kaontiny. Mbola tsy nanana ny vola ampy handoavana ny saran’ny asa fitoriany sy ireo vola ilain’ireo iray tampo aminy i Aroldo mba hiveloman’izy ireo, kanefa dia nankany amin’ny MTC tamim-pinoana izy. Herinandro taorian’izay dia nandray ny fitahiana voalohany tamin’ny maro hafa izy. Nampitomboin’ilay banky niasan’i Elder Cavalcante tampoka ny vola tokony noraisiny rehefa nahavita ny asany izy. Izany fahagagana izany, sy ny hafa koa, dia nanome ny fidiram-bola nilaina ho amin’ny asa fitoriany sy ho an’ny fianakaviany nandritra ny tsy naha-teo azy.

Sary
Fianakaviana Cavalcante amin’izao fotoana izao

Roapolo taona aty aoriana, dia filohan’ny Tsatòkan’i Recife Brazil Boa Viagem ny Rahalahy Cavalcante amin’izao. Rehefa manao jery todika izy, dia hoy izy momba ireny fotoana ireny hoe: “Rehefa niezaka ny niaina tamim-pahamarinana aho, dia nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fitarihany. Nitombo ny finoako, ka nahafahako nandresy ireo olako.”11 Tsy avy amin’ny kisendrasendra ny finoan’i Aroldo, fa avy amin’ny safidy.

Misy lehilahy sy vehivavy Kristianina maro manana finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy Tompo, ary midera sy manaja azy ireny isika.

Tsy mijanona ao amin’ny tsy fiandaniana intsony

Kanefa ry rahalahy isany, isika dia nomena tombony: ny fisoronan’ Andriamanitra, ilay herin’ Andriamanitra naverina tamin’ny laoniny ety an-tany tamin’ny alalan’ny anjely masina. Mampiavaka anareo izany. Tsy afa-mijanona ao amin’ny tsy fiandaniana na amin’ny atsy na amin’ny aroa intsony ianareo. Tsy avy amin’ny kisendrasendra no hitomboan’ny finoanareo fa avy amin’ny safidy.

Ny fomba fiainantsika dia na mampitombo na mampihena ny finoantsika. Ny vavaka, ny fankatoavana, ny fahadiovan’ny eritreritra sy ny fihetsika, ny fanetrentena, ary ny tsy fitiavan-tena dia mampitombo ny finoana. Raha tsy ao ireo, dia mihena ny finoana. Nahoana moa ny Mpamonjy no nilaza tamin’i Petera hoe: “Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao”?12 Satria misy fahavalo iray izay faly amin’ny fandravana ny finoantsika! Aza mijanona miaro ny finoanao.

Fanontaniana amin-kitsimpo

Ny fametrahana fanontaniana amin-kitsimpo dia ampahany manan-danja amin’ny fanorenana finoana, ary sady mampiasa saina isika no mihaino ny fahatsapana. Hoy ny Tompo hoe: “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho.”13 Tsy ho avy eo no ho eo avokoa ny valiny rehetra, saingy ny ankamaroan’ny fanontaniana dia afaka ho voavaly amin’ny alalan’ny fandalinana amin-kitsimpo sy fikatsahana valiny avy amin’ Andriamanitra. Tsy hitondra valiny ara-panahy ny fampiasantsika ny saintsika fotsiny kanefa tsy miaraka amin’ny fontsika. “Tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra, afa-tsy [amin’ny alalan’ny] Fanahin’ Andriamanitra ihany.”14 Ary mba hanampiana antsika, Jesoa dia nampanantena antsika “Mpananatra hafa,” ary niantso Azy “eny dia ny Fanahin’ny fahamarinana.”15

Ny finoana dia tsy mangataka velively ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana rehetra fa mikatsaka ny antoka sy ny herimpo mba hirosoana hatrany, sady manaiky indraindray hoe: “Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra aho, saingy ampy ny zavatra fantatro mba hanohizako ny lalana maha-mpianatry ny Tompo.”16

Ny mamela ny tena ho feno fisalasalana, fahanan’ny valinteny avy amin’ny kely finoana sy ny tsy mpino, dia mampalemy ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny.17 “Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra: fa fahadalana aminy izany.”18

Ohatra, tsy zava-baovao ireo fanontaniana momba ny Mpaminany Joseph Smith. Efa napetrak’ireo mpanenjika azy hatramin’ny fiandohan’ity asa ity izy ireny. Ho an’ireo izay manam-pinoana, izay manana ireo fampahalalana omen’ny taonjato faha-21 ka mametra-panontaniana amin-kitsimpo momba ny zavatra nitranga na ny zavatra nolazain’ny Mpaminany Joseph 200 taona lasa izay, dia mamelà ahy hizara torohevitra mahasoa vitsivitsy: Aoka isika tsy ho fatra-pitsara an’ny Rahalahy Joseph! Ho avy ny andro izay hahazoana fampahalalana zato heny mihoatra noho izay hita ao amin’ireo fitaovam-pikarohana amin’izao fotoana izao rehetra mitambatra, ary avy amin’ny Ray any An-danitra mahalala ny zava-drehetra izany.19 Eritrereto ny fitambaran’ny fiainany—teraka tao anatin’ny fahantrana ary nandia fianarana kely monja, kanefa nandika ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny 90 andro latsaka i Joseph.20 Nitarika lehilahy sy vehivavy marin-toetra sy feno fanolorantena an’aliny maro mba hirotsaka amin’ny tanjon’ny famerenana amin’ny laoniny izy. Namehy ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny rany tamin’ny faha-38 taonany i Joseph. Mijoro ho vavolombelona aho fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Ataovy masaka ao an-tsainareo izany, dia mirosoa amin’ny zavatra hafa!

Ireo fanomezana izay mampivelatra ny finoantsika

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia samy manome antoka tanteraka antsika fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra. Ity an-tanako ity ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray izay navoaka tamin’ny edisiôna voalohany amin’ny teny Frantsay, navoakan’i John Taylor, rehefa nanomboka ny asa tany France izy tamin’ny 1852. Ny sasany na ny Bokin’i Môrmôna manontolo dia amin’ny fiteny miisa 110 manerana izao tontolo izao ankehitriny. Izany dia manome tenivavolombelona ara-panahy sy azo tsapain-tanana ny amin’ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Oviana no namakianao farany ny Bokin’i Môrmôna hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany? Vakio indray izany. Hampahatanjaka ny finoanao izany.21

Ny fanomezana iray hafa avy amin’ Andriamanitra izay mampivelatra ny finoantsika dia ny fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Nanohana mpikambana telo ao amin’ny Roambinifololahy isika androany, ary miarahaba ny Loholona Rasband, Loholona Stevenson, ary ny Loholona Renlund ato amin’ity fiaraha-manompo masina ato amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho. Niteny i Paoly hoe:

“Izy no [niantso] apôstôly; [sy] … mpaminany; …

“ho fanatanterahana ny olona masina … :

“mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra. …

“… Tsy ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa [intsony isika] … amin’ny saim-petsy, [na ataon’ireo olona izay mihendry] hahatanteraka ny hevitry ny famitahana.”22

Ny fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy dia hiaro ny finoantsika.

Sary
Afon’ny finoana

Na dia kely aza ny afon’ny finoanareo izay vao miforona, dia hitondra fahatokiana lehibe kokoa an’ Andriamanitra ireo safidy marina ataonareo, ary hitombo ny finoanareo. Mifofofofo ireo zava-tsarotry ny fiainana an-tany ary mitampify ao amin’ny maizina ny herin’ny ratsy, izay manantena ny hamono ny afom-pinoanareo. Kanefa, rehefa manohy hatrany ny fanaovana safidy tsara ianareo, sy matoky an’ Andriamanitra ary manaraka ny Zananilahy, dia handefa fahazavana sy fahalalana mitombo hatrany ny Tompo, ary ho tafapetraka tsara sy tsy hihozongozona ny finoanareo. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson: “Aza matahotra. … Mamiratra tahaka ny finoanareo ny hoavy.”23

Porter, Zane, ary i Max Openshaw

Tena miavaka ny finoan’ireo zatovolahin’ity Fiangonana ity!

Sary
Fianakaviana Openshaw

Tamin’ny 12 Jona tamin’ity taona ity, dia naharay email aho nilaza fa ny evekan’ny paroasy iray ao Utah sy ny vadiny ary ny zanany roa dia namoy ny ainy tamin’ny lozam-piaramanidina. Namory ilay fiaramanidina ny Eveka Mark Openshaw rehefa niala tamin’ny seranana kely iray izany, izay nianjera tamin’ny tany tampoka teo rehefa nijanona tsy nandeha intsony ilay fiaramanidina. Namoy ny ainy tamin’io loza io ny Eveka Openshaw sy Amy vadiny, ary ireo zanany Tanner sy Ellie. Avotra tamin’ny fomba mahagaga i Max, zananilahy dimy taona, satria tafapitika nivoaka ny fiaramanidina niaraka tamin’ny sezany ka ny taolany ihany no tapaka.

Nahare aho fa ny zanakalahin’izy ireo Elder Porter Openshaw dia nanompo tany amin’ny Misionan’i Marshall Islands Majuro, ary i Zane zanakalahin’izy ireo 17 taona, dia any Allemagne noho ny fifanakalozana ara-kolontsaina nataony amin’ny fianarana.

Niantso an’i Elder Openshaw tany amin’ny Christmas Island aho. Na dia nalahelo mafy noho ny fahafatesana tampoka nianjady tamin’ny reniny sy ny rainy sy ireo iray tampo aminy aza i Elder Openshaw, dia nitodika avy hatrany tany amin’ireo zandriny roa lahy ny ahiahiny.

Tamin’ny farany dia nanapaka hevitra i Elder Openshaw sy i Zane rahalahiny hoe misy olona hafa afaka manampy any an-trano ka tokony hijanona hanohy ny asa fitoriany i Porter. Nahafantatra izy ireo fa izay no ho ankasitrahan’ny ray aman-dreniny.

Sary
Elder Porter Openshaw mandritra ny fotoam-batisa iray

Rehefa niresaka tamin’i Elder Openshaw aho, dia nahatsapa ny alahelony kanefa nahatsapa ihany koa ny firedareda tsy mety matin’ny afom-pinoany. “Azoko antoka,” hoy izy, “ary fantatro tsy am-pisalasalana na kely akory aza fa mbola hahita ny fianakaviako aho. … Ny hery mandritra ny fitsapana lalovantsika dia hita hatrany ao amin’i … Jesoa Kristy Tompontsika. … Hita miharihary ny tanan’ Andriamanitra Tsitoha nanampy [ahy] sy ireo rahalahiko nandritra [ity] olana tena sarotra [ity].”24

Sary
Manao lahateny mandritra ny fandevenana i Zane Openshaw

Tany am-pandevenana no nihaonako voalohany indrindra tamin’i Zane. Rehefa nijery ireo vatapaty efatra teo alohanay aho tao amin’ilay trano fivoriam-piangonana, dia talanjona tamin’ny finoana nananan’ity zatovolahy 17 taona ity rehefa niteny tamin’ny mpiangona izy. “Androany,” hoy izy, “dia tafangona isika amin’ny fietren’ny fo sy ny fanahy, mba hahatsiaro ny fiainan’ny mamako sy ny dadako sy i Tanner ary i Ellie. … Niara-niresaka izahay, niara-nitomany, niara-nahatsiaro, ary niara-nahatsapa ny tanan’ Andriamanitra. …

“Andro iray taorian’ny nandrenesako ilay loza, dia nahita taratasy iray avy tany amin’ny mamako aho tao anaty kitapoko. Izao no nosoratany tao amin’ilay taratasy: ‘Zane, tadidio hoe iza ianao ary avy aiza ianao. Hivavaka ho anao izahay ary manina anao.’” Tsy misy teny farany mety kokoa nataon’ny reniko noho izany. Fantatro fa izy sy i Tanner sy i Ellie ary ny dadako dia … mivavaka ho ahy [sy ny rahalahiko]. Fantatro fa … mivavaka izy ireo mba hahatsiarovako hoe iza aho … satria izaho, tahaka anareo, dia zanaky ny Ray, napetrany etỳ. Mijoro ho vavolombelona aho fa … na manao ahoana na manao ahoana ny fahatsapako ho irery, dia tsy mandao antsika Andriamanitra.”25

Ry namako malala isany, tsy niantomboka tamin’ny fahaterahana ny finoanareo, ary tsy hifarana amin’ny fahafatesana. Safidy atao ny finoana. Ampatanjaho ny finoanareo ary manàna fiainana mba ho mendrika ireo teny feno fankatoavan’ny Mpamonjy manao hoe: “Lehibe ny finoanao.” Rehefa manao izany ianareo, dia mampanantena anareo aho fa ny finoanareo indray andro any, noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, dia hamela anareo hijoro, madio sy tsisy pentina, eo anatrehan’ Andriamanitra miaraka amin’ireo olona tianareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 15:28.

  2. Matio 6:30.

  3. Lioka 8:25.

  4. Matio 8:10.

  5. Hebreo 11:1.

  6. Jereo ny Almà 32:35.

  7. Jereo ny L. Whitney Clayton, “Choose to Believe,” Liahona, mey 2015, 36–39.

  8. Jereo ny Lectures on Faith (1985), 3.

  9. Jereo ny Efesiana 2:8.

  10. 1 Samoela 15:22.

  11. Resadresaka manokana niaraka tamin’i Aroldo Cavalcante, 29 Aôg. 2015, Salvador, Brésil, ary koa mailaka tamin’ny datin’ny 31 Aôg 2015. Mbola misy tantara maro hafa momba ny fanolorantenan’i Aroldo Cavalcante tamin’ny reniny mba hikarakara ireo iray tampo aminy. Nandritra ny taona maro taorian’ny nahafatesan’ny reniny, dia antsoiny malalaka hoe “zanany” ireo iray tampo aminy. Nandritra ny asa fitoriana nataony, dia niompana tamin’ny olan’ny fianakaviany tsirairay ireo antso an-tariby fanao amin’ny Krismasy sy Fetin’ny Reny. Tamin’ny alalan’ny fahafoizantena lehibe taorian’ny asa fitoriany, dia niantoka ara-bola ny fianarana sy asa fitorian’ny rahalahiny i Aroldo ary niandry hoe nanambady ireo iray tampo aminy izay vao nanambady izy tamin’ny faha-32 taonany. Nijanona ho fianakaviana mifandray am-po izy ireo.

  12. Lioka 22:32.

  13. Fotopampianarana sy Fankempihavanana 8:2.

  14. 1 Korintiana 2:11.

  15. Jaona 14:16–17.

  16. Jereo ny Adam Kotter, “When Doubts and Questions Arise,” Liahona, mar. 2015, 39–41.

  17. Nilaza ny Loholona Neal A. Maxwell indray mandeha hoe: “Ny sasany dia mandalina ny Fiangonana amin’ny fomba fijerin’ireo mpanenjika azy fotsiny—toy ny hoe manao dinidinika amin’i Jodasy mba hahatakarana an’i Jesoa. Ireo mpanenjika dia milaza amintsika hatrany ny momba ny tenany mihoatra noho ny zavatra izay nialany” (“All Hell Is Moved” [Brigham Young University devotional, 8 nôv. 1977], 3, speeches.byu.edu ).

  18. 1 Korintiana 2:14.

  19. “Tsy nilaza taminareo mihitsy aho hoe tanteraka; kanefa tsy misy diso ireo fanambarana izay nampianariko” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 522).

  20. Jereo ny John W. Welch and Tim Rathbone, “The Translation of the Book of Mormon: Basic Historical Information,” (Foundation for Ancient Research and Mormon Studies, 1986).

  21. Ny fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny Bokin’i Môrmôna dia manan-danja ho an’ny resaka ataon’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany dia fijoroana ho vavolombelona izay mila havaozina hatrany hatrany. Raha tsy izany, dia hihena ireo fahatsapana ara-panahy ary ny olona iray dia tsy hahatsiaro intsony ny hery izay efa tsapany taloha. “Ary ny vahoaka dia nanomboka nanadino ireo famantarana sy zava-mahagaga izay efa reny ireo ary nanomboka tsikelikely ho tsy talanjona firy tamin’ny … zava-mahagaga avy tany an-danitra, hany ka dia nanomboka nanamafy ny fony, sy nanajamba ny sainy ary nanomboka tsy nino izay rehetra efa reny sy hitany izy … ary notarihiny izy hino fa ny fotopampianaran’i Kristy dia adalana sy zava-poana” (3 Nefia 2:1–2).

  22. Efesiana 4:11–14.

  23. Thomas S. Monson, “Be of Good Cheer,” Liahona, mey 2009, 92.

  24. Mailaka manokana voaray avy amin’i Elder Porter Openshaw, 23 aôg. 2015.

  25. Fanamarihana nataon’i Zane Openshaw tamin’ny fandevenana ho an’ny fianakaviany, 22 jona 2015.