2010–2019
Tonga mba hanompo amin’ny tanjona tsara
Oktobra 2015


Tonga mba hanompo amin’ny tanjona tsara

Enga anie isika hisafidy ny hanompo amin’ny tanjona tsara amin’ny maha-iraka maherin’ny Tompo Jesoa Kristy antsika.

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahantsika miara-mivory amin’ny vehivavy mahatoky maro, toa an’i Lisa—ilay rahavavy tao anaty horonantsary—izay madio am-po sy tia an’ny Tompo ary manompo Azy, na dia ao anatin’ireo fitsapany aza. Ny tantaran’i Lisa dia mampahatsiahy ahy fa tokony hifankatia isika ary hita taratra ao anatin’ny tsirairay ny hatsaran’ny fanahy. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”1 Na 8 taona isika na 108 taona, ny tsirairay amintsika dia “malala eo [imasony].”2 Tia antsika Izy. Zanakavavin’ Andriamanitra isika. Isika no vehivavy ao Ziona. Manana toetra araka an’ Andriamanitra isika, ary samy manana asa feno voninahitra hatao ny tsirairay avy.

Nandritra ny fahavaratra dia namangy renim-pianakaviana manana zanaka vavy maro aho. Nizara ny fahatsapany tamiko izy fa mila tanjona ny zatovovavintsika, zavatra izay hanampy azy ireo hahatsapa tena ho sarobidy. Fantany fa afaka mahita ny hasarobidintsika manokana sy mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ny tanjontsika masina eto amin’ny fiainana an-tany. Vao avy nihira tononkira izay mampianatra antsika ny tanjontsika ity amboarampeo mahatalanjona sy mahafinaritra ity anio hariva. Ao amin’ny fitsapana sy ny fizahan-toetra, na dia ao amin’ny tahotra sy ao anatin’ny fahakiviana aza dia manana fo mahery isika. Vonona hanao ny anjarantsika isika. Tonga eto isika mba hanompo amin’ny tanjona tsara.3 Ry rahavavy, sarobidy isika rehetra ao anatin’izany tanjona izany. Ilaina daholo isika.

Ny tanjona tsara izay hanompoantsika dia ny tanjon’i Kristy. Asan’ny famonjena izany.4 Nampianatra ny Tompo nanao hoe: “Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”5 Isika no tanjona nahatonga an’i Jesoa Kristy nijaly sy nivoa-dra tamin’ny mason-kodiny rehetra ary nanome ny ainy tamin’ny fitiavana tonga lafatra. Ny tanjony dia ny vaovao tsara, “ny vaovao mahafaly, … fa tonga teo amin’izao tontolo izao Izy, dia i Jesoa, mba hohomboana ho an’izao tontolo izao sy hitondra ny fahotan’izao tontolo izao, ary mba hanamasina izao tontolo izao sy hanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra; mba ho amin’ny alalany no hahazoana mamonjy ny rehetra.”6 “[Nomen’ny Mpamonjy antsika] ohatra isika, lalana mazava, handovana ilay rahatrizay, hiaraka Aminy.”7 Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manaraka ny ohatra asehony isika, tia an’ Andriamanitra sy mifanompo amin-katsaram-panahy sy amim-pangorahana, dia hijoro ho madio, “tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.”8 Misafidy ny hanompo ny Tompo amin’ny tanjony tsara isika fa ho lasa iray ao amin’ny Ray sy miaraka amin’ny Zanaka.9

Nanambara tamim-pahasahiana ny mpaminany Môrmôna hoe: “Fa manana asa hotontosaina isika raha mbola ao amin’ity tabernakely tanimanga ity, mba hahazoantsika mandresy ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra ary hialan’ny fanahintsika sasatra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”10 Ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany sy ireo mpamaky lay taloha dia nibosesika tamin-kerimpo sy tamim-pahatokiana mba hanangana ny filazantsara naverina amin’ny laoniny sy hanorina tempoly izay toerana nahafahana nanatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisandratana. Ireo mpamaky lay amin’izao fotoana izao, izany hoe izaho sy ianao, dia mibosesika am-pinoana ihany koa, “mba hiasa ao amin’ny tanimboaloboky [ny Tompo] ho famonjena ny fanahin’ny olona.”11 Ary araka ny nampianarin’ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Akory ny hatsaran’ny hoavy rehefa manohy ny asany be voninahitra ilay Tsitoha … amin’ny alalan’ny [fanompoana] tsy misy fitiavan-tena ataon’ireo izay manana fo feno fitiavana ny Mpanavotra izao tontolo izao.”12 Mitambatra amin’ireo rahavavy tany aloha sy ankehitriny ary ireo rahavavy ao amin’ny taranaka vao misondrotra isika rehefa miara-miombon’antoka amin’ny asan’ny famonjena!

Talohan’ny nahaterahantsika dia nanaiky ny drafitry ny Ray any An-danitra isika “izay ahafahan[tsika] hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahaka an’Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy.”13 Nanazava ny Loholona John A. Widtsoe mikasika io fanekempihavanana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana io: “Teo no ho eo isika dia nanaiky mba tsy ho mpamonjy ny tenantsika ihany fa … ho mpamonjy ny fianakaviamben’ny olombelona rehetra koa. Niditra ho mpiara-miasa amin’ny Tompo isika. Ny fiasan’ilay drafitra avy eo dia lasa tsy hoe ny asan’ny Ray ihany, sy ny asan’ny Mpamonjy ihany, fa asantsika ihany koa. Ny kely indrindra amintsika, izay faran’ny manetry tena, no miara-miasa amin’ilay Tsitoha amin’ny fanatratrarana ny tanjon’ilay drafitry ny famonjena.”14

Ety an-tany dia nanao fanekempihavanana indray isika mba hanompo ny Mpamonjy ao amin’ny asan’ny famonjena. Amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy masin’ny fisoronana isika dia mianiana fa hirotsaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjaka.15 Mandray ny Fanahy Masina isika ary mikatsaka ny bitsiny mba hitarika ireo ezaka ataontsika. Miparitaka amin’izao tontolo izao ny fahamarinana rehefa takatsika izay tian’ Andriamanitra hataontsika ka ataontsika izany avy eo.

Mahafantatra ankizy iray ao amin’ny Kilonga aho izay nilaza tamin’ny namana iray rehefa nijoro teo amin’ny toerana fijanonan’ny bus nanao hoe: “E! Tokony hiaraka amiko mankany am-piangonana ianao!”

Hitako tao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy iray ireo ankizivavy ireo nifampisakambina ka nanolo-tena mba hifanompo ary avy eo dia hanao drafitra ny fomba mety mba hanampiana zatovovavy iray izay nanana fahasahiranana tamin’ny fiankinan-doha.

Efa nahita renim-pianakaviana tanora maro aho nanome ny fotoany sy ny talentany ary ny heriny rehetra mba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara sy hanehoana ohatra ny amin’izany mba hahatonga ireo zanany hijoro amin-kerimpo sy amim-pahatokiana, tahaka ireo zanakalahin’i Helamàna, rehefa mandalo fitsapana sy fakam-panahy ary fahoriana.

Angamba ny tena feno fanetrentena tamiko dia ny nandre rahavavy tanora tokan-tena iray izay nanambara tamin’ny hafanan’ny fijoroana ho vavolombelona madio fa ny asa lehibe indrindra azontsika atao dia ny miomana ho amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Na dia tsy zavatra niainany aza izany dia fantany fa ny fianakaviana no ampahany tena manan-danja indrindra ao amin’ny asan’ny famonjena. “Ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana.”16 Manome voninahitra ny drafitry ny Ray sy manome voninahitra an’ Andriamanitra isika rehefa manamafy orina sy manatsara izany fifandraisana izany ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizan’ny fanambadiana. Misafidy ny hiaina fiainana madio sy mendrika isika mba hahatonga antsika ho vonona ny hanao izany fanekempihavanana masina izany ao amin’ny tranon’ny Tompo sy hitandrina izany mandrakizay rehefa tonga ny fotoana.

Samy mandalo fotoana sy tonontaona avokoa isika amin’ny fiainantsika. Saingy na any an-tsekoly isika, na any am-piasana, na eny amin’ny fiaraha-monina, indrindra indrindra ao an-tokantrano, dia mpandraharahan’ny Tompo isika ary irany.

Tsy misy toerana ho an’ny fanaovana fampitahana sy fitsikerana ary fanamelohana ao amin’ny asan’ny famonjena. Tsy mikasika ny taona na ny traikefa na ny fandokafan’ny mpiara-belona izany. Ity asa masina ity dia mikasika ny fampitomboana fo torotoro sy fanahy manenina ary fahavononana hampiasa ireo fanomezam-pahasoavantsika avy amin’ Andriamanitra sy ny talentantsika miavaka hanao ny asan’ny Tompo amin’ny fombany. Izany dia ny fananana fanetrentena handohalika ka hilaza hoe: “Raiko ô, … aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”17

Amin’ny herin’ny Tompo no ahafahantsika “manao ny zava-drehetra.”18 Mikatsaka tsy tapaka ny fitarihany isika ao amin’ny vavaka sy ao amin’ny soratra masina ary ao amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina. Nisy vehivavy iray izay niatrika asa mavesatra iray, nanoratra hoe: “Manontany tena aho indraindray raha toa ka tsy nametraka ny lohany teo amin’ny ondana tahaka antsika ireo rahavavy ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana tany am-piandohana nandritra ny alina ka nivavaka hoe: ‘Na inona na inona hoentin’ny ampitso, Ianao anie hanampy ahy hamakivaky izany?’” Dia nanoratra izy avy eo hoe: “Ny fitahiana iray dia [hoe] samy efa nanao izany avokoa izahay ary samy afaka hiaritra izany avokoa izahay!”19 Na inona na inona toe-javatra misy antsika, na aiza na aiza toerana misy antsika ao amin’ilay lalana mankany amin’ny famonjena, dia mitambatra ho iray isika amin’ny fanolorantenantsika amin’ny Mpamonjy. Mifanohana isika ao amin’ny asany.

Sary
Nahavita ny Mon Progrès Personnel i Ella Hoskins

Mety efa namaky mikasika an’ny rahavavy Ella Hoskins ianao, vao tsy ela izay, izay tamin’ny faha-100 taonany, dia voantso hanampy ireo zatovovavy ao amin’ny paroasiny amin’ny Mon Progrès Personnel.20 Tokony ho roa taona taty aoriana, tamin’ny faha-102 taonany, dia nahazo ny valisoan’ny Mari-pankasitrahan’ny Maha-zatovovavy ny rahavavy Hoskins. Niara-nivory hankalaza ny zavatra vitany ireo zatovovavy sy ny fiadidian’ny Zatovovavy sy ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny paroasy sy tsatòka ary ireo mpikamban’ny fianakaviana. Tsy ilaina ny fetran’ny taona sy ny fikambanana ary ny sata ara-panambadiana rehefa manao fanompoana am-pahatokiana. Zatovovavy maro no naneho ny fisaorany an’ny rahavavy Hoskins noho ny fampianarany sy ny ohatry ny fahamarinana nasehony. Naniry ny ho tahaka azy izy ireo. Avy eo dia nanontany an’ny rahavavy Hoskins aho hoe: “Ahoana no nanaovanao izany?”

Namaly avy hatrany izy hoe: “Mibebaka isan’andro aho.”

Avy tamin’ny vehivavy malemy fanahy iray, izay tena feno ny Fanahin’ny Tompo tokoa ka namiratra tamin’ny hazavana madio, no nampahatsiahivana ahy fa mba hamirapiratra amin’ny hatsarana masina sy mba hijoro miaraka amin’ny Mpamonjy ary mba hitahy ny hafa dia tsy maintsy madio isika. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy dia mety ho tratra ny fahadiovana rehefa mandà ny haratsiam-panahy sy misafidy ny hitia an’ Andriamanitra amin’ny hery sy saina ary tanjaka isika.21 Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Mandosira ny filan’ ny tanora fanahy, … miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio.”22 Tsy misy tonga lafatra isika. Nanao fahadisoana avokoa isika rehetra. Saingy mibebaka isika mba ho tsaratsara kokoa sy “hitana ilay anaran[’i Kristy] ho voasoratra mandrakariva ao am-[pontsika].”23 Rehefa manompo amin’ny anaran’ny Tompo isika, amin’ny fahadiovam-po, dia maneho ny fitiavan’ny Mpamonjy sy mampiseho sombin-danitra amin’ny hafa.

Enga anie isika hisafidy ny hanompo amin’ny tanjona tsara amin’ny maha-iraka maherin’ny Tompo Jesoa Kristy antsika. Ndao isika hiara-hitsangana ka “hibosesika miaraka amin’ny hira ao am-po[ntsika], sady miaina ny filazantsara sy mitia ny Tompo ary manorina ny fanjakany.”24 Mijoro ho vavolombelona aho fa ao amin’ity asa be voninahitra ity, dia afaka mahafantatra ny fitiavana madion’ Andriamanitra isika. Afaka mahazo ny tena fifaliana marina isika sy mandray ireo voninahitra rehetra an’ny mandrakizay. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.