2010–2019
Endrey mahagaga ahy
Oktobra 2015


Endrey mahagaga ahy

Ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy dia naorina avy tamin’ny zavatra niainana miavaka izay nahafantarako ny fitiavany lehibe ho an’ny tsirairay amintsika.

Ry rahalahy sy ranabavy malala manerana izao tontolo izao, tena feno fankasitrahana ny Fiadidiana Voalohany aho tamin’ny fanasana ahy hizara ny fijoroana ho vavolombelona feno fanetrentena ananako amin’ity andro Sabata ity. Mamariparitra ireo fahatsapako amin’izao fotoana izao ny tonon’ny hira iray izay an’ny Olomasin’ny Andro Farany:

Mahagaga ahy ny fitiavan’i Jesoa,

Ny famindram-po ‘zay nomeny ho ahy tokoa. …

Mahagaga: nandao ny lapan’Izy ho ahy,

Mba hamonjena ireo toa ahy ratsy fanahy,

Natolony ho ahy ilay fitiavan-dehibe,

Ampy hanamarin’ahy ny fanavotany. …

Endrey mahagaga re, mahagaga re!1

Andro vitsivitsy lasa izay dia nanana tombontsoa nihaona tamin’ny Fiadidiana Voalohany aho ka nandray ity antso ity avy tamin’ny Filoha Thomas S. Monson, mpaminany malalantsika. Te hijoro ho vavolombelona aminareo aho momba ny tanjaka sy ny fitiavana nananan’ny Filoha Monson rehefa niteny tamiko izy hoe: “Avy amin’ny Tompo Jesoa Kristy ity antso ity.”

Tena mihetsi-po sy mihovitra hatrany anatiko lalina any aho rehefa mieritreritra momba ny maha-zava-dehibe sy ny lanjan’ireo teny izay nolazain’ny mpaminany malalantsika ireo. Ry Filoha Monson, Filoha Eyring, Filoha Uchtdorf, tia anareo aho ary hanompo ny Tompo sy anareo amin’ny foko, ny heriko, ny saiko, ary ny tanjako rehetra.

Tena tiako ny Filoha Boyd K. Packer sy ireo Loholona isany L. Tom Perry ary Richard G. Scott. Malahelo mafy azy ireo aho. Fitahiana ho ahy ny nampiofanina sy nampianarin’ireo Rahalahy ireo manokana. Tsy mendrika velively ny hanolo na iza na iza amin’izy ireo aho, kanefa voninahitra ho ahy ny antsoina ao amin’ny kôlejy izay nanompoan’izy ireo ka manohy ao amin’ny asa fanompoan’ny Tompo.

Rehefa mieritreritra ireo izay nanampy ahy nahatonga ahy amin’izao fotoana izao aho dia eritreretiko voalohany ilay namako mandrakizay izay tsara toetra sy tia ny hafa, dia i Melanie. Nanampy namolavola ahy tahaka ilay tanimangan’ny mpanao vilany tanimanga izy nandritra ny taona maro ka nahatonga ahy ho mpianatr’i Jesoa Kristy voatefy. Manohana ahy ny fitiavany sy ny fanohanany, sy ny an’ireo zanakay 5 sy ny an’ny vadin’izy ireo avy, ary ny an’ireo zafikelinay 24. Ry fianakaviana malalako, tiako ianareo.

Tahaka an’i Nefia taloha dia nateraky ny ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo tao amin’ny filazantsara aho ary ny razambeko ao anatin’ny taranaka enina mankany aoriana dia nateraky ny ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo. Ny razambeko izay niditra voalohany ho mpikamban’ny Fiangonana dia avy any Angletera sy Danemark. Ireo mpamaky lay voalohany ireo dia nanome izay rehetra nananany mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hamela lova mba ho arahin’ny taranak’izy ireo. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fianakaviana izay mpikamban’ny Fiangonana tao anatin’ny taranaka maro, ary fantatro fa tanjona mendrika ho antsika rehetra mba hoezahantsika atao izany.

Nitondra anjara biriky tamin’ny fanomanana ny fiainako ho amin’ity antso vaovao ity ihany koa ny olona maro hafa. Anisan’izany ireo namana sy fianakaviana tamin’ny fahazazako, ireo mpitarika ahy teo aloha, ireo mpampianatra ary ireo mpitarika ahy nandritra ny fiainako manontolo. Tsy maintsy ampidiriko ao ireo izay avy tao amin’ny misiônako teo aloha, tany amin’ireo Faritany Atsinanana, sy ireo misiônera malalanay avy tao amin’ny Misiônan’i New York Avaratra, New York. Ho an’ireo olona marobe izay nitaona fanahy ahy sy namolavola ny fiainako, mankasitraka indrindra anareo aho.

Nankamamy ny fanompoana niaraka tamin’ireo Rahalahy ao amin’ny Fitopololahy aho. Tao anatin’ny iray amin’ireo kôlejy tsara indrindra sy firahalahiana feno fitiavana ato amin’ny Fiangonana aho nandritra ny 15 taona. Misaotra anareo aho ry mpiara-manompo malalako. Izao aho dia tsindrindaona ho ao amin’ny kôlejy vaovao iray. Ry Filoha Russell M. Nelson, lalim-paka tokoa ny fitiavako anao sy ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Fitahiana ho an’ny Rahavavy Rasband sy ny tenako ny nitsidika mpikambana marobe nandritra ireo asa nampanaovina maro tany amin’ireo vondron’ny mpivavaka sy misiôna manerana izao tontolo izao. Tianay ny Olomasin’ny Andro Farany na aiza na aiza! Nampitombo ny finoanay ny finoanareo; nampian’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ny fijoroana ho vavolombelona anananay.

Ankehitriny, raha afaka mizara hafatra kely aminareo aho anio, dia ho izao izany: niteny ny Tompo hoe: “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo.”2 Azoko antoka fa tsy misy safidy na fahotana na fahadisoana izay ataonareo na ataon’ny olona hafa na iza na iza ka hanova ny fitiavany ho anareo na ho azy ireo. Tsy midika izany fa manome vahana na manaiky ny fanaovana fahotana Izy—azoko antoka fa tsy manao izany Izy—saingy midika izany fa tokony hanolo-tanana amin’ireo mpiara-belona amintsika amim-pitiavana isika mba hanasa sy handresy lahatra sy hanompo ary hanavotra. Tsy niraharaha ny fiaviana sy ny sokajim-piainana ary ny toe-javatra misy i Jesoa Kristy mba hampianarana azy ireo izany fahamarinana lalina izany.

Nanontaniana imbetsaka tamiko ny fotoana nahazoako ny fijoroako ho vavolombelona.

Tsy tsaroako izany hoe tsy nino ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Tiako Izy ireo hatramin’ny fotoana nipetrahako teo am-pofoan’ilay reniko anjely toetra izay namaky ny soratra masina sy ireo tantara momba ny filazantsara tamiko. Izany finoana tany am-boalohany izany dia nitombo ho fahalalana sy tenivavolombelona momba ny Ray any An-danitra, izay mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika ankehitriny. Ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy dia naorina avy tamin’ny zavatra niainana miavaka izay nahafantarako ny fitiavany lehibe ho an’ny tsirairay amintsika.

Feno fankasitrahana aho noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika ary manantena tahaka an’i Almà aho mba hihiaka izany miaraka amin’ny trompetran’ Andriamanitra.3 Fantatro fa i Joseph Smith dia mpaminan’ Andriamanitra ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny ary tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Ary fantatro fa ny Filoha Thomas S. Monson dia tena mpanompon’ Andriamanitra sy mpaminany eto ambonin’ny tany ankehitriny.

Rehefa manaraka ny mpaminanintsika isika dia mivavaka aho mba hananantsika fitiavana ho an’ny hafa ao am-pontsika sy mba hahatongavantsika ho vavolombelona velona ka “[ho gaga tokoa] amin’ny fitiavan’i Jesoa [antsika].” Enga anie ka ho “mahagaga re, mahagaga [anao sy ahy] re.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Endrey, mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy lah. 44.

  2. Jaona 13:34.

  3. Jereo ny Almà 29:1.