2010–2019
Mitondra soa izany!
Oktobra 2015


Mitondra soa izany!

Mivavaka aho mba hifantoka amin’ilay “[fahatsorana ao] amin’i Kristy” isika ary hamela ny fahasoavany hampitraka sy hitarika antsika.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ry namako isany! Fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo eto androany. Vonton’alahelo isika mahita ireo seza telo banga ety amin’ny lampihazo. Malahelo ny Filoha Packer sy ny Loholona Perry, ary ny Loholona Scott isika. Tiantsika izy ireo ary mivavaka isika mba hahazo fampaherezana ny fianakaviany.

Mandritra ity fihaonamben’ny faran’ny herinandro ity dia hanana fahafahana hanohana olona telo izay nantsoin’ny Tompo haka ny toeran’izy ireo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo isika.

Hampahatanjaka azy ireo ny vavaka ataonareo ho azy ireo eo am-pandraisan’izy ireo ny antso sy andraikitra masina amin’ny maha-apôstôly.

Moa ve mitondra soa ho anao ny Filazantsara?

Vao tsy ela aho no nahita tenin’olona iray izay nahatonga ahy hiato kely sy hieritreritra. Toy izao ilay izy: “Lazao amin’ny olona iray fa misy kintana an-davitrisa maro eny ambony tsy taka-maso eny, tonga dia hino anao izy. Lazao azy hoe misy loko mando io rindrina io, dia hikasika izany izy aloha mba hahafantarany fa marina izany.”

Moa ve tsy toa izany ihany isika? Taorian’ny fitsaboana narahiko vao tsy ela izay dia nilaza ny zavatra ilaiko atao mba hahasitrana ahy araka ny tokony ho izy ny dokoterako izay tena mahay. Kanefa tsy maintsy namerina nianatra zavatra mahakasika ny tenako aho aloha, izay efa tokony ho fantatro hatry ny ela: amin’ny maha-marary tsy maintsy miaritra fitsaboana ahy dia tsy mba maharitra mihitsy aho.

Noho izany tsy faharetako izany dia nanapa-kevitra aho hanafaingana ny fomba fahasitranana tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataoko tamin’ny Internet. Nihevitra aho fa hahafantatra fahamarinana izay tsy hain’ny dokoterako na nezahiny nafenina tamiko.

Fotoana elaela kely taty aoriana vao tonga saina tamin’ny zavatra nataoko aho. Marina fa tsy hevitra ratsy akory ny manao fikarohan-javatra. Saingy notsinotsinoaviko ny fahamarinana azoko nianteherana ka dia voasariky ny fampahalalana avy amin’ny Internet izay matetika mifono fanambarana tsy marina ny tenako.

Indraindray toy ny mahitsy loatra sy mazava loatra ary tsotra loatra izany ny fahamarinana ka zara raha ankasitrahantsika ilay lanjany lehibe. Ka dia odiantsika tsy fantatra ireo zavatra efa niainantsika sy fantatsika fa marina fa manohy mitady fampahalalana tsy taka-tsaina na sarotra kokoa isika. Ny fanantenana dia ny mba hahafantarantsika fa rehefa manenjika aloka isika dia toy ny mikaroka zavatra poaka aty sy tsy manan-danja.

Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa mizotra amin’ny lalana marina isika, raha fahamarinana ara-panahy no resahina?

Amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana mitombina ny fomba iray—ilay karazam-panontaniana izay manosika antsika hisaintsaina ny fivoarantsika sy hanombantombana ny fiasan’izany eo amintsika. Toy ny hoe:

“Misy antony ve ny fiainako?”

“Mino an’ Andriamanitra ve aho?”

“Mino ve aho fa mahafantatra ahy Andriamanitra ary tia ahy?”

“Mino ve aho fa mandre sy mamaly ny vavaka ataoko Izy?”

“Tena faly ve aho?”

“Mitarika ahy any amin’ireo tanjona ara-panahy sy ireo soatoavina avo indrindra eo amin’ny fiainana ve ny ezaka ataoko?”

Nitarika olona sy fianakaviana maro manerana izao tontolo izao hikaroka ny fahamarinana ireo fanontaniana mifantoka amin’ny tanjon’ny fiainana ireo. Matetika izany fikarohana izany no nitarika azy ireo tany amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy tany amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Manontany tena aho raha toa ka mety mahasoa antsika koa, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, ny mametraka ity fanontaniana ity amin’ny tenantsika indraindray: “Moa ve mitondra soa ho ahy ny zavatra iainako ato am-piangonana? Mampanakaiky kokoa ahy amin’i Kristy ve izany? Manome fiadanana sy fifaliana izay nampanantenain’ny filazantsara ho ahy sy ho an’ny fianakaviako ve izany?”

Nametraka fanontaniana mitovy amin’izany tamin’ireo mpikamban’ny fiangonana tao Zarahemlà i Almà, rehefa nanao hoe: “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo? … [Ary] tsapanareo ve izany ankehitriny?”1 Mety manampy antsika hamerina hampifantoka na hanitsy ny ezaka ataontsika isan’andro amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra ny fisaintsainana toy izany.

Maro ireo mpikamban’ny Fiangonana no amim-pientanentanana fa mitondra soa miavaka ho azy ireo ny zavatra iainany amin’ny maha-mpikambana azy. Hijoro ho vavolombelona izy ireo fa na ao anatin’ny fahantrana na firoboroboana, na ao anatin’ny zavatra mahafinaritra na mangirifiry, dia mahita tanjona, fiadanana sy fifaliana lehibe izy ireo noho ny fanolorantenany ho an’ny Tompo sy ny asa fanompoana mahavariana ataony ato am-piangonana. Mifankahita amin’ny mpikamban’ny Fiangonana aho isan’andro izay heniky ny fifaliana lehibe sy maneho amin’ny teny sy fihetsika fa nitahy azy ireo tokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Manaiky koa aho anefa fa misy ireo izay tsy nahita fahombiazana loatra—izay mahatsapa fa indraindray ny maha-mpikambana azy ato am-piangonana dia tsy araka izay nantenainy loatra.

Mampalahelo ahy izany satria fantatro tsara fa afaka mampatanjaka sy manavao ny fanahin’ny olona iray ny filazantsara—tena afaka mameno fanantenana ny fontsika sy mameno hazavana ny saintsika izany. Fantatro fa afaka manova fiainana tsy misy mampiavaka azy sy mankaleo ho mahatalanjona sy mamirapiratra ny voan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Nahoana anefa no toa mitondra soa kokoa ny hafa izany raha oharina amin’ny sasany? Inona no fahasamihafana misy eo amin’izay mahatsapa fa ny zavatra iainany ato am-piangonana dia mameno hiran’ny fitiavana manavotra ny fanahiny2 sy eo amin’izay mahatsapa fa misy zavatra tsy ampy?

Teo am-pieritreretana ireo fanontaniana ireo dia maro ny zavatra tonga tato an-tsaiko. Te hizara roa amin’izany aho androany.

Tsory

Voalohany: moa ve manao izay hahasarotra ny maha-mpianatra antsika isika?

Tena tsotra ity filazantsara mahafinaritra ity ka na ny zaza madinika aza dia afaka mahatakatra izany, kanefa sarotra sy lalina ihany koa izany ka mitaky ny androm-piainana manontolo—ny mandrakizay mihitsy aza—ny fandalinana sy ny fikarohana atao mba hahatakarana izany tanteraka.

Kanefa indraindray isika dia manarona ity lisy mahatehotia an’ny fahamarinan’ Andriamanitra ity amin’ireo hosotry ny hevitra tsara, fandaharan’asa ary zavatra antenain’olombelona. Izy rehetra ireo, raha mandeha tsirairay, dia mety hahasoa sy hanampy amin’ny fotoana iray sy toe-javatra manokana, fa raha ampiarahana kosa dia mety hamorona tangorongoron-tendrombohitra izay tena matevina sy mavesatra ka hanakona ny fahitana izany voninkazo sarobidy izany izay nisy fotoana nitiavantsika fatratra azy.

Noho izany, amin’ny maha-mpitarika antsika dia tsy maintsy miaro amin’ny fomba hentitra ny maha-madio sy tsotra ny Fiangonana sy ny filazantsara isika ary manao izay tsy hametrahana enta-mavesatra tsy ilaina eo amin’ireo mpikambantsika.

Mila manao ezaka voalanjalanja mba hampifantoka ny tanjatsika sy fotoantsika amin’ireo zavatra izay tena manan-danja isika mpikamban’ny Fiangonana rehetra—mampitraka ny namantsika sy manorina ny fanjakan’ Andriamanitra.

Fantatra tamin’ny fahaizana manomana lesona tsara rindra ny rahavavy iray, mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Nanapa-kevitra izy indray mandeha fa hamorona lamba bemiray izay ampiasaina ho ravaka ao an-damosina hanehoana ny lohahevitry ny lesony. Kanefa maro ny zavatra nanakana ny fahavitan’izany—toy ny fakana ireo ankizy tany am-pianarana, mpifanolobodirindrina nila fanampiana tamin’ny fifindrana, vady izay nanavy ary namana iray izay nahatsiaro ho manirery. Nihananatona ny andro hizarana ny lesona ary tsy vita ilay lamba bemiray. Farany, ny alina talohan’ilay lesona, dia tsy natory firy izy fa niasa nanao ilay lamba bemiray nandritra ny alina manontolo.

Reraka tanteraka izy ny ampitson’iny ary zara raha nahavita nandrindra ireo zavatra noeritreritiny, kanefa afaka nijoro tamim-pahasahiana sy nizara ny lesona ihany izy.

Nahatalanjona ilay lamba bemiray—tena tsara ny zaitrany, marevaka ny lokony ary sarotra alain-tahaka ny endrikendriny. Teo afovoan’izany rehetra izany dia nisy teny iray izay nampita tamin’ny fomba tena miavaka ny lohahevitry ny lesony, dia hoe: “Tsory.”

Tsy mila hasarotina, rahalahy sy anabavy ny fiainana ny filazantsara.

Tena mahitsy izany. Azo hazavaina toy izao:

  • Mitarika antsika hino an’ Andriamanitra sy hatoky ny fampanantenany ny fihainoana am-piniavana ny tenin’ Andriamanitra.3

  • Rehefa matoky kokoa an’ Andriamanitra isika dia ho heniky ny fitiavana Azy sy ny hafa kokoa ny fontsika.

  • Maniry ny hanaraka an’ Andriamanitra sy hampifanaraka ny asa ataontsika araka ny teniny isika noho ny fitiavantsika Azy.

  • Noho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra dia maniry ny hanompo an’ Andriamanitra isika. Maniry ny hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny hafa isika ary hanampy ny mahantra sy ny sahirana.

  • Rehefa manohy hatrany ny dia eo amin’ity lalan’ny maha-mpianatra ity isika dia hanana faniriana bebe kokoa hianatra ny tenin’ Andriamanitra.

Ary dia hitohy hatrany izany, ny dingana iray dia hitarika any amin’ny manaraka ary hameno antsika amin’ny finoana, fanantenana ary fiantrana tsy mitsaha-mitombo izany.

Tsotra sy mitondra soa mahafinaritra amin’ny fomba mahafinaritra izany.

Ry rahalahy sy anabavy, raha toa ka mieritreritra ianao fa tsy mandaitra loatra aminao ity filazantsara ity dia manasa anao aho mba hiato kely, hanombantombanana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny fanomoranao ny hoe maha-mpianatra. Mifantoha amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara. Mampanantena anao aho fa hitarika sy hitahy anao eo amin’ilay lalana izoranao hahatongavana any amin’ilay fiainana feno fahombiazana Andriamanitra, ary hitondra soa ho anao tokoa ny filazantsara.

Atombohy eo amin’ny misy anao amin’izao

Ny torohevitro faharoa dia hoe: atombohy eo amin’ny misy anao amin’izao.

Mahatsiaro ho kivy isika indraindray satria tsy mba mahatratra ilay hoe “bebe kokoa” eo amin’ny sehatra iray—masina bebe kokoa, na hajaina bebe kokoa, na maranin-tsaina bebe kokoa, na salama bebe kokoa, na manan-karena bebe kokoa, na mora alain-ko namana bebe kokoa na mahavita zavatra bebe kokoa. Mazava ho azy fa tsy misy maharatsy ny faniriana hivoatra. Noharian’ Andriamanitra mba hivoatra sy handroso isika. Tsarovy anefa fa ny fahalementsika dia afaka hanampy antsika hanetry tena sy hampitodika antsika amin’i Kristy, izay afaka ny hahatonga “ny zavatra malemy [ho] tonga matanjaka.”4 Etsy ankilan’izany, i Satana dia mampiasa ny fahalementsika hahatonga antsika ho kivy na dia ny hanandrana hiezaka aza.

Teo amin’ny fiainako dia nianatra aho fa tsy mila mahatratra ilay hoe “bebe kokoa” amin’ny zavatra rehetra isika mba hanombohana ilay fahatongavana ho olona izay irian’ Andriamanitra hahatongavantsika.

Eken’ Andriamanitra amin’ny maha-ianao anao ianao amin’izao fotoana izao ary manomboka miasa miaraka aminao Izy. Ny hany ilainao dia ny fananana fo vonona, ny faniriana hino ary ny fahatokiana ny Tompo.

Nihevitra ny tenany ho mpamboly sy mpiompy tsy manan-katao i Gideona, ary farany eo amin’ny tranon’ny rainy. Andriamanitra kosa anefa nandray azy ho lehilahy mahery.5

Rehefa nisafidy an’i Saoly ho mpanjaka i Samoela dia niezaka ny nandà izany i Saoly. I Saoly dia avy tamin’ny foko kely indrindra tao amin’ny mpianakavin’ny Isiraely. Ahoana no haha-mpanjaka azy?6 Kanefa Andriamanitra dia nahita azy ho “mbola tanora sy tsara tarehy.”7

Na dia ny mpaminany lehibe Mosesy aza dia nahatsapa ho tena sahiran-tsaina sy kivy tamin’ny fotoana iray ka naniry ny hilavo lefona sy ho faty.8 Tsy mba namela irery an’i Mosesy Andriamanitra.

Ry rahalahy sy anabavy malala, raha toa ka ny masontsika amin’ny maha-olombelona no hijerentsika ny tenantsika dia mety tsy hanome sitraka ny tenantsika isika. Ny Raintsika any An-danitra kosa anefa dia mahafantatra antsika hoe iza marina moa isika ary izay ho isika amin’ny hoavy. Raisiny amin’ny maha-zanakalahiny sy zanakavaviny antsika isika, amin’ny maha-olona manana faharanitan-tsaina mandrakizay sy hery anaty tsy manam-pahataperana antsika ary anjara araka an’ Andriamanitra antsika.9

Nahatanteraka ny famonjena ny rehetra hiverina any amin’ Andriamanitra ny sorona nataon’ny Mpamonjy. “Ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoava[ny] mba hanetreny tena eo anoloa[n’ Andriamanitra].”10 Ny fahasoavany dia hery mifono fahefana ahafahana miditra ny fanjakam-pamonjen’ Andriamanitra. Vokatry ny fahasoavany dia hitsangana amin’ny maty daholo isika rehetra ary ho voavonjy ao amin’ny fanjakam-boninahiny.

Na dia ny fanjakam-boninahitra ambany indrindra aza—ny fanjakana telestialy, “[dia] manoatra noho ny fahatakaran’ ny saina rehetra,”11 ary vahoaka sesehena no handova ity fanjakam-pamonjena ity.12

Afaka manao zavatra bebe kokoa ho antsika anefa ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia maniry zavatra lehibe kokoa tsy takatry ny saina isika. Fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy izany. Fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra izany. Ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra.13 Ao amin’ny fanjakana selestialy no handraisantsika “avy amin’ny fahafenoany sy avy amin’ny voninahiny.”14 Omena antsika tokoa izay rehetra ananan’ny Ray.15

Fisandratana ny tanjontsika. Ny mba ho mpianatra ny dia ataontsika.

Hiova ny fonao16 rehefa mampihatra finoana kely ianao ary manomboka manao ilay dianao amin’ny maha-mpanara-dia milamin-tsaina an’i Jesoa Kristy Tompo anao. Ho heniky ny hazavana ny vatanao iray manontolo.17

Hanampy anao ho lasa hanan-danja bebe kokoa mihoatra noho izay noheverinao hatramin’izay Andriamanitra. Ary ho hitanao fa tena mitondra soa eo amin’ny fiainanao tokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mitondra soa izany!

Ry rahalahy sy anabavy malala, ry namana isany! Mivavaka aho mba hifantoka amin’ilay “[fahatsorana ao] amin’i Kristy”18 isika ary hamela ny fahasoavany hampitraka sy hitarika antsika mandritra ny diantsika amin’izao misy antsika izao mankany amin’ilay anjara tena lehibe ho antsika eo anatrehan’ny Raintsika.

Rehefa manao izany isika ka misy olona manontany hoe: “Mitondra soa manao ahoana ho anao ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao?” dia afaka ny hamaly amim-pireharehana sy amim-pifaliana lehibe ary amim-panetrentena hoe: “Tena mitondra soa tokoa izany! Misaotra anao nanontany! Te-hahafantatra bebe kokoa ve ianao?”

Izany no fanantenako sy vavaka ataoko ary ny fijoroako ho vavolombelona sy tsodranoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.