2010–2019
Tandremo ny didy
Oktobra 2015


Tandremo ny didy

Izy, ilay nahary sy tia antsika no mahafantatra tanteraka ny fomba tokony hiainantsika mba hahafahana mahazo ny fahasambarana lehibe indrindra.

Ry rahalahy malalako isany, tena mahafinaritra mihitsy ny miaraka aminareo indray. Nentanim-panahy tokoa isika tamin’ity takariva ity noho ireo teny izay henontsika. Mivavaka aho mba ho voatarika ihany koa amin’izay zavatra teneniko.

Ny hafatro ho anareo amin’ity hariva ity dia tsotra. Dia ny hoe: tandremo ny didy.

Ny didin’ Andriamanitra dia tsy nomena mba hahasorena antsika na hanakana ny fahasambarantsika. Ny mifanohitra amin’izany no marina. Izy, ilay nahary sy tia antsika no mahafantatra tanteraka ny fomba tokony hiainantsika mba hahafahana mahazo ny fahasambarana lehibe indrindra. Efa nomeny antsika ireo torolalana izay hiaro antsika mandritra ity dia eto an-tany izay matetika mampidi-doza ity, raha toa ka arahintsika izy ireny. Tsaroantsika ny tononkiran’ilay hira fanaontsika matetika hoe: “Tandremo ireo didy! Ao no misy fiarovana; ao no misy fiadanana.”1

Tia antsika loatra ny Raintsika any An-danitra ka hoy Izy hoe: Aza mandainga; aza mangalatra; aza mijangajanga; tiava ny namanao tahaka ny tenanao; sy ny sisa sy ny sisa.2 Fantatsika ireo didy. Takany fa rehefa mitandrina ny didy isika dia ho sambatra kokoa sy hahafapo kokoa ary ho tsotra kokoa ny fiainantsika. Ho mora zakaina kokoa ireo fanamby sy olana, ary handray ireo fitahiana nampanantenainy isika. Fa rehefa manome antsika lalàna sy didy Izy dia mamela antsika ihany koa mba hisafidy ny hanaiky na handà azy ireny. Ny fanapahan-kevitra raisintsika mikasika izany no hamaritra ny hoavintsika.

Mino aho fa ny tanjon’ny tsirairay avy amintsika farany ambony indrindra dia ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Noho izany dia tena tsy maintsy manao safidy izay hitondra antsika mankany amin’io tanjona io isika mandritra ny fiainantsika. Fantatsika anefa fa ny fahavalo dia maniry ny tsy hahombiazantsika. Tsy milavo lefona izy sy ny tafiny amin’ny ezaka izay ataony mba tsy hahatanteraka ireo faniriantsika feno fahamarinana. Loza lehibe sy mitatao ho an’ny famonjena antsika mandrakizay izy ireo, raha tsy hoe tsy milavo lefona ihany koa isika amin’ny fahavononantsika sy ny ezaka ataontsika mba hahatratrarana ny tanjontsika. Nampitandrina antsika ny Apôstôly Paoly hoe: “Mahonòna tena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.”3

Na dia tsy misy mihitsy aza fotoana amin’ny fiainantsika izay tsy hitrangan’ny fakam-panahy, dia ao anatin’ny taona mahatonga anareo ho marefo manokana ianareo ry zatovolahy. Ny taona maha-zatovo dia matetika taona tsy hananana fahatokian-tena, taona hahatsapana fa toa tsy mahavita azy ianareo, taona hitadiavanareo ny toerana sahaza anareo eo anivon’ny namanareo ary taona hiezahanareo mba ho eken’ny hafa. Mety halaim-panahy ianareo hanambany ireo fitsipika iainanareo ka hanaraka ny besinimaro mba ho eken’ireo izay irinareo ho lasa namana. Miangavy anareo aho mba hatanjaka, sy mba ho malady amin’ izay zavatra rehetra mety hanakana anareo tsy hahazo ireo fitahian’ny mandrakizay. Ireo safidy ataonareo ety sy amin’izao fotoana izao dia manan-danja mandrakizay.

Mamaky isika ao amin’ny 1 Korintiana hoe: “Misy … fiteny maro samy hafa amin’izao tontolo izao.”4 Andrenesana feo mandresy lahatra, feo manintona, feo manambany, feo tsara rindra ary feo mampifanjevo ny manodidina antsika. Ary ho ampiako ihany koa fa ireo dia feo mitabataba. Amporisihiko ianareo mba tsy hiraharaha an’ireo feo ireo sy ho voataonan’ilay feo tony sy malefaka izay hitarika anareo amin’ny toerana voaro. Tsarovy fa nisy olona iray izay nihazona fahefana nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohanareo taorian’ny nanaovana batisa anareo, ka nanamafy anareo ho mpikamban’ny Fiangonana ary nilaza hoe: “Raiso ny Fanahy Masina.”5 Sokafy ny fonareo, dia ny aty fanahinareo, hihaino izany feo manokana izany izay mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Araka ny fampanantenana nomen’ny Mpaminany Isaia manao hoe: “Ny sofinao [dia] handre teny … , manao hoe, Ity no lalana, ka handehano.”6 Enga anie isika rehetra hiray feo, mba hahafahantsika mahare io feo mpampitony sy mpitarika io, izay hiaro antsika.

Ny tsy firaharahiana ireo didy dia nanokatra ny lalana ho amin’izay heveriko hoe aretin’izao vaninandro izao. Anisan’izany ny aretin’ny fanaranam-po, ny aretin’ny pôrnôgrafia, ny aretin’ny zava-mahadomelina, ny aretin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena ary ny aretin’ny fanalan-jaza, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy fotsiny amin’izany. Ny soratra masina dia milaza amintsika fa ny fahavalo no “fototry ireo zavatra rehetra ireo.”7 Fantatsika fa izy no “rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona.”8

Miangavy anareo aho mba hisoroka izay zavatra rehetra mety hanakana ny fahasambaranareo eto amin’ity fiainana an-tany ity sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo izay ho avy. Amin’ny alalan’ireo fitaka sy lainga dia hitarika anareo amin’ny lalana mitongilana sy malama izay hitondra anareo ho any amin’ny famongorana ny fahavalo, raha toa ka avelanareo hanao izany izy. Mety ho eo amin’io lalana mitongilana sy malama io mihitsy ianareo vao ho tonga saina fa tsy misy ny fomba ahafahana mijanona. Efa henonareo ny hafatry ny fahavalo. Miantso amin’ny fomba feno hafetsena izy manao hoe: Tsy maninona raha ity indray mitoraka ity fotsiny; manao izany daholo ny olon-drehetra; mba manaraha lamaody; efa niova ny vaninandro; tsy handratra na iza na iza izany; ianao no tokony hiaina ny fiainanao. Mahafantatra antsika ny fahavalo, ary fantany ireo fakam-panahy izay ho sarotra amintsika ny tsy hiraharaha azy. Tena zava-dehibe mihitsy ny fiambenantsika hatrany mba tsy hampiroboka antsika ao anatin’izany lainga sy fakam-panahy izany.

Ho takiana ny herimpo lehibe rehefa mijanona ho mahatoky sy marina manoloana ny faneriterena tsy mitsaha-mitombo sy ireo fitaomana mpamitaka manodidina antsika izay manova ny fahamarinana, mandrava izay tsara sy mety ary mikasa hampiditra ireo filôzôfian’izao tontolo izao izay avy amin’ny olombelona isika. Raha olombelona no nanoratra ireo didy dia olombelona ihany no tokony hanova izany na noho ny fironana manokana izany na amin’ny alalan’ny lalàna na amin’ny alalan’ny fomba hafa. Ny didy anefa dia avy amin’ Andriamanitra. Raha mampihatra ny fahafahana misafidy ananantsika isika dia afaka manilika azy ireny. Fa tsy afaka manova azy ireny kosa anefa isika, tahaka ny tsy fahafahantsika manova ny vokatra avy amin’ny tsy fankatoavana sy ny tsy fitandremana azy ireny.

Enga anie isika hahatsapa fa ny fahasambarana lehibe indrindra eto amin’ity fiainana ity dia tonga rehefa manaraka ireo didin’ Andriamanitra sy mankatò ireo lalàny isika! Tiako ny teny hita ao amin’ny Isaia toko faha 32, andininy faha 17 manao hoe: “Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay.” Izany fiadanana izany, sy izany fahatokiana izany dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fahamarinana.

Tsy azontsika avela hanao fahotana ny tenantsika na dia amin’ny fahafahantsika bitika indrindra aza. Tsy azontsika avela hino ny tenantsika hoe afaka mandray anjara “kely fotsiny” amin’ny tsy fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, satria ny fahotana dia afaka mifehy antsika ka ho sarotra sy hanaintaina amintsika ny fialana amin’izany. Ireo fiankinan-doha izay mety mitranga noho ny zava-mahadomelina, ny zava-pisotro mahamamo, ny pôrnôgrafia sy ny tsy fahadiovam-pitondrantena dia tena misy ary saika tsy azo fongorona mihitsy raha tsy efa nisy fahasahiranana be sy fanampiana betsaka.

Raha efa nisy taminareo lavo nandritra ny fiainany dia manome toky anareo aho fa misy ny lalana ahafahana miverina. Ny dingana amin’izany dia antsoina hoe fibebahana. Na dia sarotra aza ilay lalana, dia miankina amin’izany ny famonjena anareo mandrakizay. Mety hisy ve zavatra hafa mendrika ny ezaka ataonareo? Miangavy anareo aho mba hanapa-kevitra eto dieny izao hanaraka ireo dingana takian’ny fibebahana feno. Arakaraka ny hanaovanareo izany haingana no ahafahanareo mahatsapa haingana ilay fiadanana sy fahatoniana ary fahatokiana noresahan’i Isaia.

Fotoana vao tsy ela akory izay no nandrenesako ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ny vehivavy iray izay niala tamin’ny lalan’ny fiarovana niaraka tamin’ny vadiny, ka nandika ireo didy, ary saika nandrava ny fianakavian’izy ireo mihitsy aza noho izany. Rehefa nahita avy tamin’ny vokatry ny fiankinan-doha izy ireo ka nahatsapa fa lasa tsy sambatra ny fiain’izy ireo sy nahatsapa ihany koa fa nandratra ireo olon-tiany izy ireo, dia nanomboka niova. Tsapan’izy ireo fa ela ny dingan’ny fibebahana ary matetika izany dia nitondra fanaintainana, fa rehefa niaraka tamin’ny fanampian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny fanampiana avy amin’ny fianakaviana sy ireo namana mahatoky, dia tafaverina soa aman-tsara izy ireo.

Zaraiko aminareo ny ampahan’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’io rahavavy io momba ny hery manasitran’ny fibebahana: “Ahoana no ahafahan’ny olona iray miala avy amin’ny maha-ondry very sy voatazon’ny [fahotana] azy, ho amin’ity fiadanana sy fahasambarana iainana ankehitriny ity? Ahoana no hitrangan’izany? Ny valiny … dia noho ny filazantsara tonga lafatra iray sy noho ny Zanaka tonga lafatra iray ary ny sorona izay nataony ho ahy. … Lasa misy hazavana ankehitriny izay nisy haizina teo aloha. Lasa misy fifaliana sy fanantenana ankehitriny izay nisy famoizampo sy fanaintainana teo aloha. Nahazo fitahiana tsy misy fetra izahay noho ny fiovana izay tsy nitranga raha tsy tamin’ny alalan’ny fibebahana, izay azo natao noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Ny Mpamonjy antsika dia maty mba hahazoako sy hahazoanao io fanomezana mirakitra fitahiana io. Na dia eo aza ny fahasarotan’ilay lalana, dia tena misy ilay fampanantenana. Hoy ny Tompo ho an’ny mpibebaka:

“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”9

“Ary tsy hotsarovako intsony ny fahota[ny].”10

Mila mikolokolo fijoroana ho vavolombelona matanjaka amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka ary ny fisaintsainana ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika mandritra ny fiainantsika. Rehefa miorim-paka lalina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara sy ny Mpamonjy ary ny Raintsika any An-danitra dia hiantefa amin’izay zavatra rehetra ataontsika izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa isika rehetra dia zanakalahy malalan’ny Raintsika any An-danitra, nalefa ety an-tany amin’izao andro sy fotoana izao ho amin’ny tanjona iray, sy nomena ny fisoronan’ Andriamanitra mba hahafahantsika manompo ny hafa sy manatanteraka ny asan’ Andriamanitra ety an-tany. Nodidiana isika mba hitondra ny fiainantsika amin’ny fomba izay hahafahantsika mitoetra ho mendrika ny fihazonana izany fisoronana izany.

Ry rahalahiko, aoka isika hitandrina ireo didy! Zava-mahatalanjona sy feno voninahitra no natokana ho antsika raha manao izany isika. Mivavaka aho mba ho azontsika izany fitahiana izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amena.