2010–2019
Aoka haneno ny feo mazavan’ilay trompetra
Oktobra 2015


Aoka haneno ny feo mazavan’ilay trompetra

Mila mpianatr’i Kristy izay afaka mampita ny hafatry ny filazantsara amin’ny fomba mazava sy avy amin’ny fo izao tontolo izao.

Tamin’ny fahavaratra farany teo dia niara-nipetraka taminay mivady ny zafikelinay lahy anankiroa raha nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientana momba ny dian’ny mpisava làlana niaraka tamin’ny tsatòkany ny ray aman-dreniny. Te hahazo antoka ny zanakay vavy fa mbola nanao fanazaran-tena amin’ny pianô foana ireo zazalahy ireo na dia lavitra ny trano aza. Fantany fa hanamora ny fanadinoana manazatra tena amin’ny pianô ny fiarahana andro vitsivitsy amin’i Dadabe sy i Bebe. Indray tolakandro dia nanapa-kevitra ny hipetraka teo akaikin’i Andrew, zafikeliko izay 13 taona, aho ka nihaino azy nitendry.

Henin-kery ity zazalahy ity sady tia mandeha mivoaka any ivelany. Mora foana aminy ny mandany ny fotoany rehetra mandeha mihaza sy manjono. Teo am-panazarany tena tamin’ny pianô izy dia azoko lazaina fa naleony kokoa ny manjono eo amin’ny renirano eo akaiky eo. Nihaino azy niezaka nitendry ny naoty tsirairay amin’ny hira iray izay efa faheno aho. Nitovy avokoa ny hamafiny sy ny halavan’ny naoty tsirairay notendreny ka sarotra ny namantatra mazava tsara an’ilay feon-kira. Nipetraka teo anilany aho teo ambonin’ilay seza ka nanazava ny maha-zava-dehibe ny fanindriana mafimafy kokoa ireo naoty tena manan-danja izay manome an’ilay feon-kira sy ny fanindriana moramora kokoa ireo naoty izay manaraka an’ilay feon-kira. Niresaka izahay momba ny hoe ny pianô dia tsy fitaovana mekanika izay mahatalanjona fotsiny. Mety ho fanitarana ny feony sy ny fihetsehampony izany ka ho lasa fitaovam-pifandraisana tena tsara tokoa. Tahaka ny olona iray izay miteny ka mivadika avy amin’ny teny iray mankany amin’ny teny iray hafa ihany no tokony ho fanenon’ilay feon-kira rehefa mivadika avy amin’ny naoty iray ka mitendry naoty iray hafa isika.

Niara-nihomehy izahay raha nanandrana namerimberina foana izy. Nitombo ilay fitsikiny misy fandaingana rehefa nanomboka heno tsara ilay feon-kira faheno izay fitambarana feo mikorontana teo aloha. Lasa nazava ilay hafatra: “Zanaky ny Ray aho, napetrany ety.”1 Nanontany an’i Andrew aho raha tsapany ny fahasamihafana tao amin’ilay hafatra. Namaly izy hoe: “Eny Dadabe, tsapako izany!”

Nampianatra antsika ny Apôstôly Paoly momba ny fampitahana ny fifandraisana amin’ny zava-maneno rehefa nanoratra ho an’ny Korintiana izy nanao hoe:

“Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no ahafantarana izay ataony, na amin’ ny sodina, na amin’ ny lokanga?

“Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?”2

Raha misy fotoana izay ilàn’izao tontolo izao mpianatr’i Kristy izay afaka mampita ny hafatry ny filazantsara amin’ny fomba mazava sy avy amin’ny fo, dia izao izany. Mila ny feo mazavan’ilay trompetra isika.

I Kristy no tena ohatra tsara indrindra ho antsika. Nampiseho fahasahiana foana izy hijoro amin’ny fahamarinana. Nanakoako nandritra ny taonjato maro ny teniny raha nanasa antsika mba hahatsiaro ny hitia an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra rehetra, ary ny hiaina mba ho fahazavana ho an’izao tontolo izao Izy. Tsy natahotra izy nanome tsiny an’ireo mahery na mpanapaka amin’izao tontolo izao, na dia tamin’ny fotoana nanoheran’izy ireo ny asany izay nanirahan’ny Rainy any An-danitra Azy aza. Tsy natao hampisavoritaka ny teniny fa kosa natao hampientana ny fon’ny olombelona. Fantany mazava tsara ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny zavatra rehetra izay nolazainy sy nataony.

Tiako ihany koa ny ohatra nasehon’i Petera, izay niatrika tamim-pahasahiana sy tamin-kazavana ireo lehilahin’izao tontolo izao tamin’ny andro Pentekosta. Tamin’izany andro izany dia vory ny vahoaka avy amin’ny firenena maro nitsikera ny Olomasina tany am-boalohany satria naheno azy ireo niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy ireo ka nihevitra azy hoe mamo. Nitsangana i Petera, raha nentanin’ny Fanahy, mba hiaro ny Fiangonana sy ireo mpikambana. Hoy izy nijoro ho vavolombelona tamin’ny alalan’ireto teny ireto: “Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko.”3

Dia naka teny avy tao amin’ny soratra masina izay misy ny faminaniana momba an’i Kristy izy ka nizara izao fijoroana ho vavolombelona mahitsy izao: “Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”4

Maro ireo izay naheno ny teniny ka nahatsapa ny Fanahy, ary fanahy 3.000 no lasa mpikamban’ilay Fiangonana tany am-boalohany. Porofo iray tena matanjaka izany fa afaka manova zavatra ny lehilahy na ny vehivavy iray izay vonona hijoro ho vavolombelona rehefa toa manana hevitra mifanohitra amin’ny Fiangonana izao tontolo izao.

Rehefa manapa-kevitra ny hitsangana ka hijoro ho vavolombelona matanjaka ny amin’ny fotopampianaran’ Andriamanitra sy ny Fiangonany isika, amin’ny maha-mpikambana antsika, dia misy zavatra miova ao anatintsika. Mitondra ny endriny eo amintsika isika. Lasa akaiky kokoa ny Fanahiny isika. Ary Izy avy eo dia ho eo anoloantsika sy ho “eo ankavanan[tsika] sy eo ankavian[tsika] …, ary ho ao am-pon[tsika] ny Fanahi[ny], ary hanodidina [antsika] ny anjeli[ny] mba hanohana [antsika].”5

Ny tena mpianatr’i Kristy dia tsy miezaka hamorona fialan-tsiny rehefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny amin’izao tontolo izao ny fotopampianarana. I Paoly dia mpianatra mahery fo iray hafa izay nanambara tamim-pahasahiana fa izy dia “tsy menatra ny filazantsara … ; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.”6 Ny tena mpianatr’i Kristy dia misolo tena ny Tompo amin’ny fotoana mety tsy hahamora ny fanaovana izany. Ny tena mpianatr’i Kristy dia maniry ny hanentana ny fon’ny olona, fa tsy ny hampiaiky volana azy ireo fotsiny.

Matetika dia tsy mora na tsy mampahazo aina ny mijoro ho an’i Kristy. Azoko antoka fa izany no nitranga tamin’i Paoly rehefa nantsoina ho eo anatrehan’i Agripa Mpanjaka izy ka nangatahina mba hanamarina ny tenany sy hilaza ny tantarany. Nambaran’i Paoly, tsy nisy fisalasalana, tamin-kery ny finoany ka niaiky ity mpanjaka mampatahotra ity fa saika nanaiky ho Kristianina izy.

Ny valintenin’i Paoly dia nanaporofo ny faniriany ny hahatakaran’ny olona tanteraka ny zavatra izay tsy maintsy nolazainy. Nilaza tamin’i Agripa Mpanjaka izy fa ny faniriany dia ny hoe izay rehetra mandre azy dia tsy hoe saika Kristianina fa tena lasa mpianatr’i Kristy tanteraka.7 Afaka manatanteraka izany ireo izay miteny amin’ny fomba mazava.

Nandritra ny taona maro izay nandalinako ny tantaran’ny fahitan’i Lehia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,8 dia nieritreritra foana an’ilay trano mijoalajoala sy malalaka ho toerana fonenan’ireo izay tena mpikomy ihany aho. Ilay trano dia feno olona naneso sy nanondro an’ireo olona nahatoky izay efa nihazona an’ilay anjam-by, izay maneho ny tenin’ Andriamanitra, sy nanao ny làlany nankany amin’ilay hazon’aina, izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny sasany tsy nahazaka ny faneren’ireo olona izay naneso azy ka nirenireny. Ny hafa kosa dia nanapa-kevitra ny hiaraka amin’ireo mpaneso tao amin’ilay trano. Moa ve izy ireo tsy nanana ny herimpo hiteny tamim-pahasahiana nanohitra ny tsikera na ny hafatr’izao tontolo izao?

Rehefa mijery an’izao tontolo izao manalavitra an’ Andriamanitra aho dia mieritreritra fa mihamitombo ny haben’io trano io. Maro amin’izao fotoana izao no mirenireny ao amin’ny lalantsaran’ilay trano mijoalajoala sy malalaka, tsy mahafantatra akory hoe lasa tafiditra ao amin’ny kolontsain’izany izy ireo. Matetika izy ireo no resin’ireo fakam-panahy sy ireo hafatra. Dia hitantsika maneso na miaraka amin’ireo izay mitsikera na maneso izy ireo amin’ny farany.

Nandritra ny taona maro dia noheveriko fa nanao ho fihomehezana ny fomba fiainan’ny mahatoky ireo olona mpaneso ireo, saingy efa niova ankehitriny ny fomba fiteny sy ny fomba fiasan’ilay feo avy ao amin’ilay trano. Matetika ireo izay maneso dia miezaka manarona ilay hafatra tsotran’ny filazantsara amin’ny famelezana ny lafiny sasany amin’ny tantaran’ny Fiangonana na amin’ny fanaovana tsikera mahitsy ny mpaminany na ny mpitarika hafa. Mamely ny tena fototry ny fotopampianarantsika sy ireo lalàn’ Andriamanitra, izay nomena hatramin’ny nahariana ny tany, koa izy ireo. Isika, amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy sy mpikamban’ny Fiangonany antsika, dia tsy tokony hiala amin’ilay anjam-by mihitsy. Tsy maintsy avelantsika haneno avy ao anatintsika ny feo mazavan’ilay trompetra.

Ilay hafatra tsotra dia ny hoe Andriamanitra no Raintsika be fitiavana any An-danitra ary i Jesoa Kristy no Zanany. Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny mpaminany velona ny filazantsara amin’izao andro farany izao, ary ny Bokin’i Môrmôna no porofon’izany. Amin’ny alalan’ny fianakaviana araka ny voalamina sy nambaran’ny Ray any An-danitra azy tany am-boalohany no lalana mankany amin’ny fahasambarana. Izany no feon’ilay hafatra izay faheno izay fantatry ny rehetra satria efa henony izany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Fotoana izao, ho antsika Olomasin’ny Andro farany, hitsanganana ka hijoroana ho vavolombelona. Fotoana izao handresen’ireo naoty ao amin’ny feon’ny filazantsara ny feo mpanohitr’izao tontolo izao. Ampiako ny fijoroako ho vavolombelona ny hafatry ny Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao. Velona Izy! Tafaverina amin’ny laoniny ny filazantsarany, ary ireo fitahiana fahasambarana sy fiadanana dia mety ho azo amin’ity fiainana ity rehefa miaina ny didiny sy mandeha amin’ny lalany. Izany no fijoroana ho vavolombelona ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.