2010–2019
Miatrika ireo fanamby apetrak’izao tontolo izao ankehitriny
Oktobra 2015


Miatrika ireo fanamby apetrak’izao tontolo izao ankehitriny

Ny safidy ataonareo—asa fitoriana, fianarana, fanambadiana, anton’asa, ary asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana—no hanefy ny fiainanareo mandrakizay.

Marobe ny zavatra voalaza sy voasoratra mikasika ny tanora tokan-tena amin’izao taranaka misy ankehitriny izao. Ny fikarohana natao dia maneho fa mora miolonolona izy ireo ary mora manohitra ireo mpitarika ara-pivavahana. Maro amin’izy ireo no mitrosa sy tsy an’asa. Ho an’ny ankamaroan’izy ireo dia tsara ny fiheverana ny fanambadiana, kanefa maro no matahotra ny hiroso amin’izany. Mitombo ny isan’ireo izay tsy te hanana zanaka. Mitombo ny tahan’ny fisaharam-panambadiana. Mihanaka ny fiahiahiana sy ny famoizam-po. Maro no mirenireny amin’ny lalana hafahafa sy tsy mahita ny lalan-kaleha, tsy manana ny filazantsara sy ny fitarihana nentanim-panahy.

Soa ihany fa ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony izay mpikamban’ny Fiangonana dia vodilaharana amin’izany fironana izany, anisan’ny anton’izany dia satria manana ny drafitry ny filazantsara izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany drafitra mandrakizay izany ny fihazonana mafy ny anja-by—ny fifikirana amin’ny tenin’ Andriamanitra sy ny tenin’ireo mpaminaniny. Hihazona ilay anja-by izay mitondra antsika miverina mankany Aminy ve isika? Izao no “androm-pifidianana”1 ho antsika rehetra.

Fony aho mbola zatovolahy, rehefa mbỳ hanao safidy iray tsy am-piheverana tsara aho, dia indraindray ny raiko miteny hoe: “Robert a! ataovy mahitsy ny lalanao ary ento tsara ny fiaramanidina!” Efa nolalovanareo izany. Mitovy amin’izay teny mazava tsara nataony izay, dia te hiresaka manokana aminareo aho, ry tanora—tanora mendri-piderana—sy tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony mendri-piderana, satria “finaritra ao amin’ny fanazavana ny saina … ny fanahiko mba hahazoan[tsika] mianatra.”2

Miaina ao anatin’ny fotoana manan-danja amin’ny fiainanareo ianareo. Ny safidy ataonareo—asa fitoriana, fianarana, fanambadiana, anton’asa, ary asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana—no hanefy ny fiainanareo mandrakizay. Midika izany fa tsy maintsy mijery any aloha hatrany ianareo—miandrandra ny hoavy.

Tamin’ny naha-mpanamory fiaramanidina ny tenako tao amin’ny tafika ana habakabaka dia nianatra ity fitsipika ity aho: aza manao fanahy iniana mitondra fiaramanidina ao anaty rivo-doza. (Tsy holazaiko anareo ny fomba nahalalako izany.) Fa mivilia kosa manodidina izany, mandehana amin’ny lalana hafa, na andraso hisava ny kotro-baratra izay vao mamonjy seranana.

Ry rahalahy sy anabavy tanora tokan-tena malala, te hanampy anareo “hitondra tsara ny fiaramanidina” aho ao anatin’ireo rivo-doza maro misy amin’ny andro farany. Ianareo no mpanamory ny fiaramanidina. Andraikitrareo ny mieritreritra ny vokatry ny safidy ataonareo rehetra. Manontania tena hoe: “Raha manao ity safidy ity aho, dia inona no zavatra ratsy indrindra mety hitranga?” Ny safidy tsara ataonareo dia hanakana anareo tsy handeha amin’ny lalana tsy izy.

Eritrereto hoe: Raha misafidy ny tsy hisotro toaka ianareo, dia tsy ho lasa mamolava! Raha misafidy ny tsy hitrosa na oviana na oviana ianareo, dia hiala amin’ny tsy fahaloavan-trosa!

Anisan’ny tanjon’ny soratra masina ny mampiseho amintsika ny fomba fihetsiky ny olo-marina manoloana ny fakampanahy sy ny faharatsiana. Raha lazaina amin’ny teny roa dia ialany izany! Nandosiran’i Josefa ny vadin’i Potifara.3 Nentin’i Lehia ny fianakaviany ary nandao an’i Jerosalema izy.4 Nandositra nankany Egypta i Maria sy i Josefa mba hialana amin’ny teti-dratsin’i Heroda.5 Amin’ny ohatra tsirairay, dia nampitandrina ireo mpino ireo ny Ray any An-danitra. Mitovy amin’izany ihany, hanampy antsika Izy hahafantatra hoe miady ve, sa mandositra, sa manaiky ny fiovaovan’ny toe-javatra misy antsika. Hiteny aminao Izy amin’ny alalan’ny vavaka, ary rehefa mivavaka isika dia handray ny Fanahy Masina, izay hitarika antsika. Manana ny soratra masina, ny fampianaran’ny mpaminany velona, ny tsodranon’ny patriarika, ny torohevitry ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ao amin’ireo vondrona fanampiny izay samy entanim-panahy, ary ambonin’ireo rehetra ireo, ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina isika.

Ny Tompo dia hitazona mandrakariva ilay fampanantenany manao hoe: “Hitari-dalana anareo Aho.”6 Ny hany fanontaniana mipetraka dia hoe hamela ny tenantsika hotarihana ve isika? Handre ny feony sy ny feon’ireo mpanompony ve isika?

Mijoro ho vavolombelona aho fa raha eo ianareo rehefa ilain’ny Tompo, dia ho eo Izy rehefa ilainareo.7 Raha tia Azy ianareo sy mitandrina ireo didiny, dia hanana ny Fanahiny miaraka aminareo ianareo mba hitarika anareo. “Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao tsara ny fitokianao. … Amin’ny alalan’izany no hahafantaranao ny zavatra rehetra … izay mikasika ny zavatry ny fahamarinana.”8

Mifototra amin’ireo fitsipika ireo, dia tiako ny hanome torohevitra mahasoa ho anareo?

Maro amin’ireo izay mitovy taona aminareo no iavosan’ny trosa. Fony aho tanora tokan-tena, dia mpiasan’ny banky iray mpampiasa vola tao Wall Street ny filohan’ny tsatòkako. Nampianatra ahy izy hoe: “Manan-karena ianao raha afaka miaina am-pifaliana amin’izay fari-panananao.” Ahoana no hanaovanao izany? Aloavy ny fahafolonkarenao ary manangona vola! Raha mahazo vola bebe kokoa ianao, dia manangona bebe kokoa. Aza mifaninana amin’ny hafa mba hanana zavatra lafo vidy. Aza mividy izay zavatra tsy takatry ny fahefa-mividinao.

Maro amin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony manerana izao tontolo izao no mitrosa mba handrantoana fianarana, kanefa mahita avy eo fa ny saran’ilay fianarana dia lafo kokoa noho izay azon’izy ireo averina. Mitadiava vatsim-pianarana sy famatsiam-bola. Mitadiava asa an-tselika raha azo atao, mba hahafahanao miantoka ny tenanao. Hitaky fahafoizan-tena izany, kanefa hanampy anao mba hahomby.

Manomana anao hanana fahafahana hahita asa tsara ny fianarana. Mametraka anao amin’ny toerana tsaratsara kokoa mba hanompo sy hitahy ireo manodidina anao izany. Hametraka anao amin’ny lalan’ny fianarana mandritra ny androm-piainana izany. Hampahatanjaka anao izany mba hiadianao amin’ny tsy fahalalana sy ny hadisoana. Araka ny nampianarin’i Joseph Smith manao hoe: “Ny fahalalana dia mandroaka ny haizina, ny tebiteby sy ny fisalasalana; satria ireny dia tsy afaka ho hita amin’izay toerana misy ny fahalalana. … Misy hery ao amin’ny fahalalana.”9 “Tsara ny mahay raha henoiny ny torohevitr’ Andriamanitra.”10 Ny fianarana dia hanomana anao amin’ny hoavy, anisan’izany ny fanambadiana.

Te hiresaka mivantana indray aho. Ny lalana mitondra mankany amin’ny fanambadiana dia mandalo amin’ny fotoana ifankahafantaran’olon-droa! Ny fotoana ifankahafantaran’olon-droa dia fahafahana miresaka maharitra. Rehefa manao izany ianareo, dia fantaro ny zavatra rehetra azonareo fantarina momba ny andaniny sy ankilany. Tsy mifanipaka ve ny tanjonareo? Mitovy ve ny fahatsapanareo mikasika ireo didy, ny Mpamonjy, ny fisoronana, ny tempoly, ny fitaizana zaza, ny antso ao amin’ny Fiangonana, ary ny fanompoana ny hafa? Efa nandinika ny fihetsiky ny tsirairay ve ianareo rehefa misy adin-tsaina, rehefa manoloana ny fahombiazana na ny tsy fahombiazana, rehefa mifehy tena mba tsy ho tezitra, ary rehefa miatrika ny lafy ratsin’ny zava-misy? Moa ve ilay olona ifankahafantaranao mampietry ny hafa sa mankahery azy ireny? Moa ve ny fomba fihetsiny sy ny fiteniny ary ny fitondrantenany no tianao iaraha-miaina isan’andro?

Na izany aza, tsy misy amintsika no manambady olona fanaperana; olona manana fahafahana hivoatra no vadintsika. Ny tena fanambadiana dia tsy miompana fotsiny amin’ny zavatra tiako; fa miompana amin’ny hoe iriany—izy ilay ho namako—sy hoe ilainy ho lasa inona aho.

Mba hilazana azy mazava tsara, aza mandany fotoana ifankahafantarana mandritra ny faha 20 hatramin’ny faha 30 taonanareo mba “hanaovana izay mahafinaritra” fotsiny, ka mampihemotra ny fanambadiana noho ny fanomezana vahana zavatra hafa sy fialamboly hafa. Satria nahoana? Satria tsy ny fotoana ifankahafantarana sy ny fanambadiana no tanjona farany. Ireo no vavahady mitondra any amin’ny toerana tianao aleha any am-parany. “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.”11

Ny andraikitrareo amin’izao fotoana izao dia ny ho mendrika ilay olona izay tianareo ho vadiana. Raha te hanambady olona tomady, manintona, marin-toetra, falifaly, mazoto miasa, matanjaka ara-panahy ianareo, mbà olona tahaka izany. Raha toa ianao izany olona izany ary tsy mbola manambady ianao, dia mahandrasa. Mahandrasa amin’ny fotoan’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia mahalala ireo fanirianao sy tia anao noho ny fanolorantenanao mahatoky ho Azy. Manana drafitra ho anao Izy, na izany amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainan-ko avy. Henoy ny Fanahiny. “Aza mikatsaka ny hanoro hevitra ny Tompo fa ny handray kosa torohevitra eo an-tanany.”12 Amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ao aoriana, dia ho tanteraka ireo fampanantenany. “Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra.”13

Raha tsy manana fidiram-bola betsaka ianao, dia aza manahy. Nisy mpikamban’ny Fiangonana mahafinaritra iray niteny tamiko vao haingana hoe: “Tsy nitaiza ny zanako tamin’ny vola aho; fa nitaiza azy ireo tamin’ny finoana.” Misy fahamarinana lehibe ao anatin’izany. Atombohy ny fampiasana ny finoanao amin’ny lafin’ny fiainanao rehetra. Raha tsy manao izany ianao, dia ho tratran’ny “fahalemem-pinoana.” Ilay hery izay ilaina mba hampiasanao ny finoanao dia hihena. Noho izany, ampiasao isan’andro ny finoanao ary dia “[hihamahery] kokoa hatrany hatrany … sy [hihamafy] kokoa hatrany hatrany [ao] amin’ny finoana an’i Kristy.”14

Mba ho vonona amin’ny fanambadiana, dia ataovy izay hahamendrika anao handray ny fanasan’ny Tompo sy hanananao fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly. Mandehana any amin’ny tempoly matetika. Manompoa ao amin’ny Fiangonana. Ankoatra ireo fanompoana amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana, dia manaraha ny ohatry ny Mpamonjy, izay “nandehandeha nanao soa”15 tsotra izao.

Mety manana fanontaniana lalina ianareo momba ny safidy izay miandry anareo. Nandritra ireo taona naha-tanora tokan-tena ahy, dia nikatsaka torohevitra avy amin’ireo ray aman-dreniko aho sy avy amin’ireo mpanoro hevitra ahy izay mahatoky sy nitokisako. Ny iray tamin’izany dia mpitarika iray ao amin’ny fisoronana; ny iray hafa dia mpampianatra izay nahatoky ahy. Izy roa ireo dia samy niteny tamiko hoe: “Raha te hahazo torohevitra avy amiko ianao, dia miomanà handray izany.” Takatro ny dikan’izany. Misafidiana am-bavaka ireo mpitarika izay tena mikatsaka tokoa ny hahasoa ny ara-panahinao. Tandremo rehefa maka torohevitra amin’ireo namanao. Raha te hanana mihoatra noho izay anananao ianao, dia takaro ny any amin’ny avo, fa tsy ny etsy ampita!16

Tsarovy, tsy misy olona afaka manakatra ny avo eo amin’ny toeranao. Ny finoana sy ny vavaka izay anananao ihany no hahatonga anao hanana fiovampo mahery vaika. Ny fahavononana anananao mba hankatò ihany no afaka manova ny fiainanao. Noho ilay sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy ho anao, dia ao aminao ny hery.17 Manana ny fahafahanao misafidy ianao, mahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka ianao raha toa ka mankatò ary afaka manaraka ny Fanahy izay mitarika anao ianao.

Vao haingana no nisy tanora mpanao horonantsary mihetsika iray nilaza fa nahatsapa ny tenany ho anisan’ny “taranaka adala”—taranaka izay “mitady fanantenana sy fifaliana ary fahombiazana, saingy mitady izany any amin’ny toerana tsy izy rehetra sy amin’ny fomba tsy mety.”18

Ao amin’ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy momba ny zanaka adala, dia nanana fitahiana maro niandry azy ilay zanakalahy, kanefa alohan’ny ahazoany mitaky azy ireny, dia tsy maintsy nandinika ny fiainany aloha izy.19 Te hamporisika anareo aho mba handinika ny fiainanareo. Ao amin’ny Fiangonana, rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe tokony raisina, dia matetika izahay manao fivoriana filankevitra. Manana tanjona mitovy amin’izany ny filankevitry ny fianakaviana. Azonao atao ny manao “filankevitry ny tena manokana” raha izay no azoko ilazana azy. Aorian’ny vavaka, dia makà fotoana hitokananao ho irery. Eritrereto ny momba ny hoavy. Manontania tena hoe: “Lafiny inona amin’ny fiainako no tokony ampatanjahako mba ahafahako mampatanjaka ny hafa? Aiza no tiako hisy ahy amin’ny herintaona toy izao? roa taona aorian’izao? Inona ireo safidy mila hataoko mba hahatongavako amin’izany?” Tsarovy fotsiny, ianao no mpanamory ny fiaramanidina, ary tompon’andraikitra ianao. Mijoro ho vavolombelona aho fa raha mandinika ny fiainanao ianao, dia hanatona anao ny Ray any An-danitra. Hanampy anao Izy amin’ny alalan’ny tanana mankaherin’ny Fanahy Masiny.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa tia anao ny Mpamonjy. “Tsy hitozo ao amin’[ny tanjony lehibe] ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra.”20 Rehefa manaraka Azy ianao, dia hampatanjaka sy hampijoro anao Izy. Hitondra anao ho tafody soa aman-tsara Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.