2010–2019
Ny foko misaintsaina lalandava izany
Oktobra 2015


Ny foko misaintsaina lalandava izany

Mivavaka amin-kitsimpo aho mba hisafidiananareo ny handalina ny tenin’ Andriamanitra antsakany sy andavany ary amin’ny fomba lalindalina.

Eo amin’ny sehatry ny asa dia mpamatsy vola aho. Raha ny finoako dia mpianatr’i Jesoa Kristy aho, ilay Zanak’ Andriamanitra.1 Eo amin’ny raharaham-pihariana ataoko dia manaraka ireo fitsipika hentitra eo amin’ny fitantanam-bola aho. Rehefa miaina araka ny finoako aho amin’ny fivavahako dia manaraka ireo fitsipika ara-panahy izay hanampy ahy hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy.

Mitondra fitahiana ireo fanasana

Maro tamin’ireo valisoa manokana azoko teo amin’ny fiainako no vokatry ny fanasan’ny olona iray ahy hanao asa sarotra iray. Raha izany no tanjona ato an-tsaiko, dia te hanolotra fanasana roa aho ho anareo tsirairay. Ny voalohany dia misy fifandraisany amin’ny ara-bola. Ilay fanasana faharoa dia misy fifandraisany amin’ny ara-panahy. Samy hitaky ezaka mafy mandritra ny fotoana lavalava ireo fanasana roa ireo raha toa ka ekenareo mba hahazoana ireo valisoa izay iriana.

Ny fanasana voalohany

Tsotra ilay fanasana voalohany: Manasa anareo aho mba hanangom-bola isan-kerinandro. Tsy dia manan-danja loatra ny habetsaky ny vola hangoninareo, miankina aminareo izany. Rehefa lasa manana fahazarana manangom-bola ianareo dia ho tombontsoa ho anareo manokana izany. Ary mety hanana fahafahana ihany koa ianareo hanampy ny hafa amin’ny ara-bola noho ny fikirizanareo. Tsarovy fa—afaka mitondra vokatra goavana ireo ezaka kely izay tohizana mandritra ny fotoana ela. Alaivo sary an-tsaina ny vokatra tsara ateraky ny fanangonam-bola isan-kerinandro mandritra ny enim-bolana, herintaona, 10 taona, na mihoatra. Ny ezaka kely mandritra ny fotoana maharitra dia afaka mitondra vokatra lehibe.2

Ny fanasana faharoa

Somary samy hafa amin’ilay voalohany ny fanasako faharoa ary manan-danja lavitra kokoa. Izao ilay izy: Manasa anareo aho mba “hisaintsain-ko tsianjery”3 andinin-tsoratra masina iray isan-kerinandro. Tsy hita ao anaty rakibolana ny teny hoe hisaintsain-ko tsianjery saingy nambabo ny foko izany. Koa inona no dikan’ny hoe hisaintsain-ko tsianjery? Tiako ny milaza fa fitambaran’ny hevitra roa izany dia 80 isan-jato fisaintsainana ary 20 isan-jato fitadidiana tsianjery.

Misy dingana tsotra roa:

Voalohany, misafidiana andinin-tsoratra masina iray isan-kerinandro ary ataovy eo amin’ny toerana izay ho hitanareo isan’andro izany.

Faharoa, vakio na eritrereto imbetsaka isan’andro io andinin-tsoratra masina io ary saintsaino ny dikan’ny teny tsirairay ao sy ireo andian-teny manan-danja mandritra ny herinandro.

Alaivo sary an-tsaina ireo vokatsoa mampivoatra ateraky ny fanaovana izany isan-kerinandro mandritra ny enim-bolana, herintaona, 10 taona na mihoatra.

Rehefa manao izany ezaka izany ianareo dia hahatsapa fitomboana eo amin’ny ara-panahy. Ho afaka ihany koa ianareo hampianatra sy hankahery ireo olon-tianareo amin’ny fomba tena manan-danja kokoa.

Sary
Fisitrihana an-drano

Raha misafidy ny hisaintsain-ko tsianjery ianareo isan-kerinandro dia mety hahatsapa hoe nankafy ny fisitrihana an-drano teo aloha fa ankehitriny kosa te hanao fisitrihana an-drano miaraka amin’ny fitaovana manokana ho amin’izany. Raha mandray izany fanapahan-kevitra izany ianareo dia hahazo fahatakarana lalina kokoa mikasika ireo fitsipiky ny filazantsara ary fomba fijery ara-panahy vaovao izay hitahy ny fiainanareo.

Sary
Fisitrihana an-drano miaraka amin’ny fitaovana manokana

Rehefa mandinika ilay andinin-tsoratra masina nofidianareo isan-kerinandro ianareo dia ho voasoratra ao am-ponareo ireo teny sy ireo andian-teny.4 Ho voarakitra ao an-tsainareo ihany koa ireo teny sy andian-teny. Amin’ny teny hafa dia hitoetra mora foana sy handeha ho azy ny fitadidiana tsianjery. Saingy ny tanjona voalohany amin’ny hisaintsain-ko tsianjery dia ny hanolotra zavatra mankahery mba hifantohan’ny sainareo—eritreritra izay hitazona anao eo akaikin’ny Fanahin’ny Tompo.

Hoy ny Tompo: “Raketo lalandava ao an-tsainareo ny tenin’ny fiainana.”5 Fomba tsotra sy mampiorim-paka hanaovana izany indrindra ny hisaintsain-ko tsianjery.

Mino aho fa mpisaintsain-ko tsianjery i Nefia. Hoy izy hoe: “Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny soratra masina, ary ny foko misaintsaina ireny [lalandava], sy manoratra ireny mba ho fianarana sy ho tombontsoan’ny zanako.”6 Nieritreritra ny zanany izy rehefa nisaintsaina sy nanoratra ny soratra masina. Ahoana no ahazoan’ny fianakavianao tombontsoa rehefa miezaka lalandava ianao hameno ny eritreritrao amin’ireo tenin’ Andriamanitra?

Ny andinin-tsoratra masiko

Vao haingana aho no nisaintsain-ko tsianjery ny Almà 5:16. Mivaky toy izao izany: “Lazaiko aminareo, moa azonareo saintsainina ve fa handre ny feon’ny Tompo ianareo amin’izany andro izany manao aminareo hoe: Mankanesa aty Amiko ianareo notahiana, satria indro ny asanareo dia efa asan’ny fahamarinana teny ambonin’ny tany?”

Rehefa nifarana ny herinandro dia izao no tadidiko momba izany soratra masina izany: “Mankanesa aty Amiko ianareo notahiana, satria indro ny asanareo dia efa asan’ny fahamarinana” (Almà 5:16).

Araka ny hitanareo dia tsy nahavita tsianjery tanteraka ilay andinin-tsoratra masina aho. Saingy nisaintsaina imbetsaka ireo zava-manan-danja ao amin’ilay andinin-tsoratra masina aho sy ny toerana ahitana izany. Saingy ny ampahany tsara indrindra amin’ilay dingana dia hoe nanana zavatra tsara kokoa hoeritreretina aho. Nandritra ny herinandro aho dia naka sary an-tsaina ny Mpamonjy milaza teny mankahery ahy. Nahatsiaro ho tiana aho noho io sary io izay nanentana ny fanahiko mba hanao “asan’ny fahamarinana.” Izany no mety hitranga rehefa “mibanjina an’i [Kristy] amin’ny eritreritra rehetra” isika.7

Tsy maintsy manohitra isika

Mety hanontany ianareo hoe: “Nahoana aho no tokony hanao izany?” Dia hovaliako hoe: satria miaina ao anatin’ny fotoana izay iparitahan’ny ratsy isika. Tsy afaka manaiky fotsiny ny zava-misy amin’izao fotoana izao isika ka hofahanana teny ratsy sy sary mamoa fady saika ho amin’ny izay rehetra itodihantsika ka tsy hanao na inona na inona ho setrin’izany. Tsy maintsy manohitra isika. Rehefa heniky ny eritreritra sy sary mankahery ny saintsika, rehefa “mahatsiaro azy mandrakariva”8 isika dia tsy hisy toerana tavela ho an’ireo eritreritra maloto.

Manasa ny rehetra i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna “[hisaintsaina] ny zavatra izay efa nolazai[ny]”9. Raiso ho toy ny fanampin’ny fandalinanareo soratra masina samirery sy miaraka amin’ny fianakaviana ny fisaintsain-ko tsianjery, kanefa aza avela ho solon’izany velively. Ny fisaintsain-ko tsianjery dia toy ny hoe mampitombo ny fahombiazana amin’ny fandalinana ny soratra masina izay efa ataonareo.

Sarotra loatra izany

Mety hiteny ianareo hoe: “Toa sarotra loatra ho ahy ny fisaintsain-ko tsianjery.” Aza mety manaiky an’izany. Mety ho tsara ny zavatra sarotra. Manasa antsika i Kristy hanao zava-tsarotra maro satria fantany fa hotahiana isika noho ny ezaka ataontsika.10

Sary
Soratra masina amin’ny finday

Nahita fomba tsotra hisaintsain-ko tsianjery ny zatovo iray mpifanolobodirindrina aminay. Ataony eo amin’ny efijery mipoitra voalohany eo amin’ny findainy ny soratra masiny isan-kerinandro. Hevitra iray hafa azonao ezahina hatao koa ny fizarana ny andinin-tsoratra masinao amin’ny iray tampo na ny ankizy na ny namana iray. Mifanampy izaho sy i Julie vadiko. Misafidy ireo andinin-tsoratra masinay izahay isaky ny Alahady. Apetany eo amin’ny vata fampangatsiahana ny azy. Ataoko ao anaty fiarako ny ahy. Dia mizara ny eritreritray momba ireo andinin-tsoratra masinay izahay mandritra ny herinandro. Tianay ihany koa ny miresaka momba ireo andinin-tsoratra masinay amin’ny zanakay. Rehefa manao izany izahay dia toa lasa mora kokoa ho azy ireo ny mizara aminay ny eritreriny momba ny tenin’ Andriamanitra.

Sary
Mametaka andinin-tsoratra masina eo amin’ny vata fampangatsiahana ny Rahavavy Durrant
Sary
Mametaka andinin-tsoratra masina eo amin’ny fiara ny Rahalahy Durrant

Izahay sy i Julie ihany koa dia ao anatin’ny vondrona en ligne iray izay ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana ary ireo misiônera mizara ny soratra masin’izy ireo isan-kerinandro ka manampy eritreritra na fijoroana ho vavolombelona mifanaraka amin’izany indraindray. Ny zanakay vavy izay mianatra any amin’ny lycée sy ireo namany dia mampiasa tambazotra ifaneraserana sy fandefasan-kafatra mba hifampizarana soratra masina.

Sary
Mizara andinin-tsoratra masina amin’ny tambazotra ifaneraserana ny zatovovavy iray

Aza misalasala mampiditra olona avy amin’ny finoana hafa ao anatin’ny vondrona misy anao. Mitady fomba hanatsarana ny eritreriny sy hahatsapana ho akaikin’ Andriamanitra izy ireo.

Inona avy ireo tombontsoa?

Sary
Mandalina ny soratra masina ny Rahavavy Durrant

Koa, inona ary ireo tombontsoa? Mihoatra ny telo taona izao no nanaovanay sy i Julie fisaintsain-ko tsianjery andinin-tsoratra masina iray isan-kerinandro. Tamin’ny voalohany dia nametraka tanjona hanao izany mandritra ny 20 taona izahay. Vao haingana i Julie no niteny tamiko hoe: “Rehefa nanasa ahy voalohany ianao mba hisaintsain-ko tsianjery soratra masina iray isan-kerinandro mandritra ny 20 taona ianao dia nanontany tena aho raha toa ka afaka hanao izany mandritra ny iray volana aho. Tsy manana izany ahiahy izany intsony aho. Tsy mampino ahy hoe nahafinaritra be toy izany ny mametraka soratra masina iray eo amin’ny vata fampangatsiahana isan-kerinandro ary ny fisaintsain-ko tsianjery izany isaky ny mahita izany fotsiny dia mankahery ny fanahiko.”

Niteny izao ny rahavavy iray avy any Texas rehefa nisaintsain-ko tsianjery nandritra ny 6 herinandro: “Nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananako, … ary nahatsapa ho akaikin’ny Raiko any An-danitra bebe kokoa aho. … Tiako fa manova ahy no lasa tsaratsara kokoa ny tenin’ Andriamanitra.”

Nisy zatovo namako iray nanoratra hoe: “Tena nankafiziko ny fahafahana [nisaintsain-ko tsianjery] satria nanampy ahy hifantoka amin’ireo zavatra izay tena manan-danja marina izany.”

Nizara izao ny iray tamin’ireo misiôneranay: “Nisaintsain-ko tsianjery andinin-tsoratra masina iray aho isan-kerinandro nanomboka tamin’ny volana jona 2014, ary tiako izany. … Lasa namana azo ianteherana amin’ireo fotoan-tsarotra ireo soratra masina ireo.”

Ho ahy dia mahatsapa bebe kokoa ny Fanahy aho rehefa misaintsain-ko tsianjery isan-kerinandro. Nihanatanjaka ihany koa ny fijoroana ho vavolombeloko manokana ary nitombo ny fitiavako ny soratra masina vokatry ny fiezahana ny hanatanteraka ny hoe “aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreri[tro] ny hatsaram-panahy”11

Saintsaino izao fanasana sy fitahiana faratampony izay nozarain’i Nefia izao: “Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Krisy ary maharitra hatramin’ny farany, dia izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”12 Raha raisina amin’ny fanahin’ny hoe “mivoky amin’ny tenin’i Krisy,” ny fisaintsain-ko tsianjery dia toy ny hoe mihinana kely amin’ny sakafo matsiro iray ka mitsako izany miadana dia miadana tokoa mba hankafizana izany tanteraka.

Sary
Mankafy ny fihinana salady ny vehivavy iray

Inona no andinin-tsoratra masinao?

Vonona ve ianareo hisaintsain-ko tsianjery andinin-tsoratra masina iray isan-kerinandro mandra-pahatapitra an’ity volana ity? Mandra-pahatapitra an’ity taona ity? Lavalava kokoa noho izany angamba? Nanasa ireo misiôneranay mahery fo tao Dallas Texas izaho sy i Julie mba hisaintsain-ko tsianjery miaraka aminay mandritra ny 20 taona. Hiara-hanatontosa izany tanjona izany izahay afaka 17 taona monja. Dia hametraka tanjona vaovao indray izahay mba hanatsarana ny eritreritray sy hitondra anay hanakaiky bebe kokoa an’i Kristy.

Azonareo atao ny manontany anay hoe: “Inona no andinin-tsoratra masinao?” Kanefa raha manao izany ianareo dia aoka ho vonona hizara ny soratra masinareo koa. Samy hahazo hery isika tsirairay noho ny fifanakalozantsika.

Afaka maka sary an-tsaina ny fiovan’ny fiainanao sy ny fiainan’ny fianakavianao ve ianao raha toa ka manoratra andinin-tsoratra masina vaovao iray ao am-ponao sy ao an-tsainao isan-kerinandro mandritra ireo volana vitsivitsy manaraka na taona vitsivitsy manaraka na mihoatra noho izany?

I Jesoa Kristy no ohatra ho antsika

Tsy maintsy nikolokolo ny fitiavana ny soratra masina hatramin’ny fahazazana i Jesoa Kristy. Tsy maintsy namaky sy nisaintsaina ny soratra masina Izy raha mbola ankizy kely mba hahafahana manao ireo fifampiresahana manan-danja tamin’ireo mpampianatra manam-pahaizana tao amin’ny tempoly fony izy 12 taona.13 Nanomboka ny asa fitoriany Izy rehefa 30 taona,14 ary nampiasa soratra masina aloha be sy matetika nandritra ny asa fanompoany.15 Moa ve tsy afaka milaza tsara isika fa nandany farafahakeliny 20 taona nandalinana sy nisaintsainana ny soratra masina i Jesoa ho ampahany tamin’ny fiomanany amin’ny asa fitoriana nataony? Misy zavatra tokony hataonao ve anio mba hiomanana ara-panahy ho amin’ireo fahafahana hampianatra sy hitahy ny fianakavianao ary ny hafa amin’ny hoavy?

Ampiasao ny finoanareo ka ataovy izany

Raha iverenana dia manantena aho fa hanapa-kevitra ny hanangom-bola isan-kerinandro ianareo. Ampiasao ny finoanareo, fehezo ny tenanareo, ka ataovy izany. Mivavaka amin-kitsimpo ihany koa aho mba hisafidiananareo ny hisaintsaina ireo tenin’ Andriamanitra amin’ny fomba mivelatra sy lalina kokoa isan-kerinandro. Ampiasao ny finoanareo, fehezo ny tenanareo, ka ataovy izany.

Tsy tahaka ilay fanasana voalohany nataoko momba ny fanangonam-bola, fa ireo tombontsoa rehetra avy amin’ilay fanasana faharoa nataoko mahakasika ny famonjena fanahy dia ho anareo mandrakizay—izay tsy misy kalalaho na harafesina manimba eto amin’izao tontolo izao.16

Nanolotra izao torohevitra sy fampanantenana mazava izao ny Loholona D. Todd Christofferson: “Halalino tsara sy amim-palalahana ny soratra masina. Saintsaino izany ary mivavaha mikasika izany. Ny soratra masina dia fanambarana ary mbola hitondra fanambarana fanampiny.”17

Famaranana

Mampanantena anareo aho fa tsy hanenenanareo ny fanoratana andinin-tsoratra masina iray ao an-tsainareo sy ao am-ponareo isan-kerinandro. Hiaina fahatsapana ho manana tanjona sy fiarovana ary hery tsy tapaka ianareo.

Tsarovy ireo tenin’i Jesoa Kristy rehefa nilaza Izy hoe: “Ataovy ny zavatra izay efa hitanareo fa ataoko.”18 Enga anie isika ka hampihatra feno kokoa ny teniny eo amin’ny fiainantsika, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.