2010–2019
Fahamarinana Tsotra sy Sarobidy
Oktobra 2015


Fahamarinana Tsotra sy Sarobidy

Maneho ny fanoneran’ny Ray any An-danitra malala-tanana ny fiainantsika mandritra ny andro mahory ny fiainantsika kosa mandritra izao fahafenoan’ny fotoana izao.

Ry rahalahy sy rahavavy malala isany, izay vao nisy fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tao anatin’ny taona maro ka tsy nahitana ny Filoha Boyd K. Packer sy ny Loholona L. Tom Perry ary ny Loholona Richard G. Scott tonga dia nipetraka tao ambadiky ny lampihazo ary tsy nahitana azy ireo nandray fitenenana mandritra ny iray amin’itony fivoriana itony. Mahery vaika ny fahatsapantsika rehefa mahatsiaro azy ireo ary tiako ny hanome haja azy ireo, samy manana ny maha-izy azy ny tsirairay amin’izy ireo nefa samy miray hina ihany koa amin’ny maha-vavolombelona sy amin’ny tenivavolombelon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Ho fanampin’izany dia mahazo tanjaka aho, tahaka ny tenanareo avy amin’ny Filoha Thomas S. Monson sy manohana azy amin’ny maha-mpaminany, sy mpahita ary mpanambara azy, ary mampitolagaga ahy ny fanompoany feno fahatokiana sy fankatoavana amin’ny maha-apôstôly azy izay naharitra 50 taona miavaka tokoa.

Ary noho izany dia ny talata marainan’ity herinandro ity, taoriana kelin’ny tamin’ny 9 ora maraina maraina rehefa nanomboka ny fivorian’ny Episkôpa niarahana tamin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Azia, izay manatrika an’ity fivoriana ity amin’izao fotoana, no nantsoina aho hihaona amin’ny Filoha Monson sy amin’ireo mpanolotsainy. Fotoana vitsivitsy taorian’izay, raha nandeha nankany amin’ilay efitra fanaovana filankevitra mifanila amin’ny biraony aho dia mety somary nanana endrika natahotahotra rehefa nipetraka nanatrika azy, raha toa ka niresaka tamiko tamin-katsaram-panahy kosa izy mba hampitony ahy. Nilaza izy, raha nanao fanamarihana momba ny taonako fa manana endrika tanora hatrany aho ary tanora kokoa noho ny tena taonako mihitsy aza.

Avy eo, fotoana tsy ela taorian’izay, dia nilaza ny Filoha Monson fa araka ny sitrapon’ny Tompo, dia manolotra antso ho ahy, mba ho mpikamban’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izy. Nanontaniany aho raha toa hanaiky ilay antso, ka namaly tamin’ny alalan’ny teny miboredika noho ny fahatairana aho fa ekeko izany. Avy eo dia niresaka tamiko tamin-katsaram-panahy indray izy, raha mbola tsy afaka nilaza am-bava ireo fihetsehampoko tsy hay fariparitana nisafotofoto akory aho, izay fahatsapana tsy fahavononana indrindra indrindra, ka namariparitany ny niantsoan’ny Filoha David O. McKay azy ho Apôstôly taona maro lasa izay, izay nahatsapany ihany koa tsy fahavononana tamin’izany fotoana izany. Hoy izy, raha nanome torolalana ho ahy, “Ry Eveka Stevenson, ny Tompo dia hanomana ireo izay antsoiny.” Ireo teny feno fampiononana avy amin’ny mpaminany ireo dia lasa loharanom-piadanana ho ahy, ka nitondra fahatoniana tao anatin’ny tafio-drivotry ny fandinihan-tena feno fanaintainana ary fahatsapana malefaka nandritra ny ora nangirifiry izay niainana na alina na andro hatramin’izay.

Taorian’izay, ny androtr’iny ihany, dia naveriko tamin’ny andefimandriko malala, Lesa ny zavatra izay vao nolazalazaiko taminareo teo, ka nipetraka teo amin’ny faritra mangingina iray teo Temple Square izahay, izay nahafahanay nandinika tamim-pahatoniana ny tempoly sy ny Tabernakely manan-tantara. Rehefa niezaka nahatakatra sy nandray ny zava-nitranga tamin’iny andro iny izahay, dia ny finoanay an’i Jesoa Kristy sy ny fahalalanay ny drafitry ny fahasambarana lehibeny no hitanay fa vatofantsika ianteheranay. Izany dia mitarika amin’ny fanehoako fitiavana lalina ho an’i Lesa. Izy no masoandron’ny fiainako sy masoandro ao amin’ny fiainako ary izy dia zanakavavin’Andriamanitra miavaka. Ny fiainany dia nahitana fanompoana tsy nitadiavany tombontsoa tenany ary fitiavana tsy nisy fepetra ho an’ny rehetra. Izaho dia hiezaka hatrany ny ho mendrika ny fitahian’ny maha-mpiara-dia mandrakizay anay.

Maneho ny fitiavako lalina indrindra ho an’ny zanakay lahy efatra sy ny fianakavian’izy ireo aho, ny telo amin’izy ireo dia manatrika etoana miaraka amin’ny vadin’izy ireo tsara tarehy, izay renin’ny zafikelinay enina; ny fahaefatra, izay misiônera, dia nahazo lalana manokana hiari-tory aorian’ny fotoana tokony hitsaharan’ny misiônera ary mijery mivantana an’izao fivoriana izao miaraka amin’ny filohan’ny misiônany sy vadin’ny filohan’ny misiônany any amin’ny fonenan’ny misiôna any Taiwan. Tiako ny tsirairay avy amin’izy ireo ary tiako ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny filazantsara.

Maneho ny fitiavako ho an’ny mpikamban’ny fianakaviako tsirairay avy aho: ho an’ny reniko malala sy ny raiko, izay nodimandry herintaona lasa izay, izay nanampy ahy hanana fijoroana ho vavolombelona, ary izany dia toa efa nananako fony aho mbola kely indrindra. Hatolotro ho an’ny rahalahiko, sy ireo anabaviko ary ny vadin’izy ireo mahatoky ihany koa ny fankasitrahako, ary koa ho an’ny fianakavian’i Lesa, izay maro amin’izy ireo no manatrika eto anio. Mampita ny fankasitrahako ihany koa aho ho an’ireo fianakaviambe, namana, misiônera, mpitarika ary mpampianatra izay fantatro tamin’ny fiainako.

Notahiana aho noho ny fahafahako mifanerasera akaiky amin’ny mpikamban’ny Fiadidiana Voalohany, ny Roambinifololahy, ny Fitopololahy ary ireo fiadidian’ny vondrona mpanampy maneran-tany. Maneho ny fitiavako sy ny hajako ho an’ny tsirairay avy aminareo aho ry rahavavy sy rahalahy isany ary hiezaka hatrany ny ho mendrika ny finamanana misy eo amintsika. Ny firaisan-kinan’ny Episkôpa Mpiahy dia mila hitovy amin’ny any an-danitra. Halahelo ny tsy fahafahako miaraka isan’andro amin’ny Eveka Gérald Caussé, sy ny Eveka Dean M. Davies, ary ny mpiara-miasa rehetra aho.

Mijoro eto anatrehanareo aho, ho fanehoana ny tenin’ny Tompo izay voarakitra ao amin’ny fizarana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, manao hoe: “Mba ho azon’ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsa[ko], ary eo anoloan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka.”1 Ny fanambaran’ny Tompo izay maneho ny fitiavan’ny Ray ho an’ny zanany dia mialoha ireo teny ireo: “Koa Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany, ka hiantso an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy.”2

Ny Raintsika any An-danitra feno fitiavana sy ny Zanany Jehovah, izay mahafantatra hatramin’ny voalohany ny farany,3 dia niresaka avy tany an-danitra sy nanokatra fotoampitantanana vaovao mba hanonerana ireo antambo izay fantatr’ Izy ireo fa ho avy. Ny Apôstôly Paoly dia nanoritsoritra ireo antambo ho avy ireo amin’ny hoe “andro mahory.”4 Amiko izany dia maneho ny fanoneran’ny Ray any An-danitra malala-tanana ny fiainantsika mandritra ny andro mahory ny fiainantsika kosa mandritra izao fahafenoan’ny fotoana izao.

Raha nangirifiry ahy ny tsy fahaizako nandritra iny herinandro iny, dia nandray fahatsapana niavaka tsara aho izay sady famaizana no fampitoniana ho ahy: dia ny tsy hifantohako amin’izay tsy azoko atao fa amin’izay azoko atao kosa. Azoko atao ny mijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana tsotra sy sarobidin’ny filazantsara.

Izao no teny efa nozaraiko im-betsaka tamin’ireo izay mpikamban’ny Fiangonana sy tamin’ny olona maro izay tsy mpikambana ihany koa: “Andriamanitra dia ilay Raintsika any An-danitra [feno fitiavana]. Zanany isika. … Miara-mitomany amintsika Izy rehefa mijaly isika ary faly Izy rehefa manao ny marina isika. Te-hifandray amintsika Izy ary afaka mifandray Aminy isika amin’ny alalan’ny vavaka avy amin’ny fo. …

“Ny Ray any An-danitra dia nanome antsika zanany lalana iray izay ahafahantsika … miverina miaina eo anatrehany. … Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ivo ao anatin’ny drafitry ny [Ray any An-danitra].”5

Ny Ray any An-danitra dia nandefa ny Zanany eto an-tany mba hanatanteraka ny Sorompanavotana ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra. Mijoro ho vavolombelona momba izany fahamarinana tsotra sy sarobidy izany aho, ary manao izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.