2010–2019
Mahatsiaro ilay nametrahantsika fitokiana
Oktobra 2015


Mahatsiaro ilay nametrahantsika fitokiana

Ny fanantenantsika hiverina hiara-hiaina indray amin’ny Raintsika dia miankina amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny izaho sivy taona dia tonga mba hiaraka taminay nandritra ny herinandro vitsivitsy tao an-trano ny renibeko avy amin’ny reniko, izay iray metatra sy dimampolo sy efa fotsy volo. Indray tolakandro, raha iny izy tao iny, dia nanapa-kevitra izaho sy ny zokiko roalahy ny hangady lavaka teo amin’ny tanimboly iray teo ampitan’ny tranonay. Tsy haiko izay antony nanaovanay izany. Indraindray dia mangadingady lavaka ny zazalahy kely. Somary naloto izahay saingy tsy dia nisy zavatra tokony hampahatahotra anay loatra izany. Hitan’ireo zazalahy hafa manodidina hoe tena tsara izany mangady lavaka izany ka dia nanomboka nanampy anay izy ireo. Ary dia niara-nihoson-doto kokoa izahay rehetra. Mafy be ilay tany ka dia nitondra fantsona fanondrahana zaridaina izahay, ary dia nasianay rano kely ny fanambanin’ilay lavaka mba hampahalemilemy ny tany. Feno fotaka izahay teo am-pangadiana, saingy nihalalina hatrany ilay lavaka.

Nisy anankiray taminay nanapa-kevitra fa tokony ho avadikay ho dobo filomanosana ilay lavaka ka dia nofenoinay rano ilay izy. Amin’ny maha-zandriny indrindra ahy sady te ho tian’ireo ankizy rehetra, dia nanaiky nitsambikina tao aho mba hanandrana izany. Teo aho dia tena naloto be mihitsy. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hiosom-potaka aho tamin’io, saingy izay no niafarako.

Rehefa nanomboka nangatsiaka aho dia niampita ny arabe, nieritreritra ny hiditra tao an-tranonay. Nifanena tamiko teo am-baravarana teo anoloana ny renibeko ary tsy navelany niditra aho. Hoy izy tamiko hoe raha avelany miditra aho dia hamela fotaka eraky ny trano izay vao avy nodioviny. Noho izany dia nataoko izay ho nataon’ny zaza sivy taona rehetra anatin’ny toe-javatra toy izany ka dia lasa aho nihazakazaka tany amin’ny varavarana ambadika, saingy kinga kokoa noho ny noeritreretiko izy. Tezitra aho, ka natontontontoko ny tongotro, ary nangataka ny hiditra tao an-trano aho saingy mbola nihidy ihany ny varavarana.

Hotsaka aho, nihosom-potaka, nangatsiaka, ary ny eritreritro tamin’ny maha-zaza ahy, dia nihevitra aho fa ho faty teo an-tokontany teo. Noho ny farany dia nanontaniako azy izay tokony hataoko mba hahafahako miditra ao an-trano. Tsy tonga saina akory aho fa raha izaho mbola nijoro teo an-tokotany iny dia notifirin’ny renibeko rano tamin’ny fantson-drano. Taorian’ny fotoana izay toa ela dia ela tokoa, dia nilaza ny renibeko fa efa madio amin’izay aho ka navelany hiditra ao an-trano. Nafana ery tao an-trano, ary afaka nampiditra akanjo maina sy madio aho.

Eritrereto izany fanoharana tena niainana izany, ary miangavy aho, saino ity tenin’i Jesoa Kristy ity hoe: “Ary tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ny fanjakana; koa tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ny fitsaharany afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny rany, noho ny finoany sy ny fibebahana tamin’ny fahotany rehetra ary ny fahatokiany hatramin’ny farany.”1

Tsy nahafinaritra sady tsy nampahazo aina ny nijoro teo ivelan’ny trano sady firitihan’ny renibeko rano. Ny tsy fanomezana anao ny fahafahana hiverina sy hiaraka amin’ny Raintsika any An-danitra noho isika nisafidy ny hijanona ao anaty lavaka tototry ny fotaky ny fahotana sy ho voaloton’izany dia ho zava-doza mandrakizay. Tsy tokony hamita-tena isika mikasika ny zavatra takiana ahafahana miverina sy mitoetra eo anatrehan’ny Ray any An-danitra. Tokony hadio isika.

Talohan’ny nahatongavantsika tety an-tany, dia nandray anjara tamin’ny filankevitra iray lehibe isika fony isika mbola fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra.2 Samy nifantoka tsara daholo isika rehetra tamin’izany ary tsy nisy natory am-pitoerana. Tamin’izany filankevitra izany dia nanolotra drafitra ny Raintsika any An-danitra. Koa satria io drafitra io dia nitsinjo ny fahafantsika misafidy, ary nitaky ny hianarantsika avy amin’ny zavatra hiainantsika manokana fa tsy avy amin’izay niainan’ny Ray fotsiny, dia nahafantatra Izy fa hanota isika. Fantany ihany koa fa ny fahotana dia hahatonga antsika ho tsy madio ka tsy afaka hiverina eo anatrehany, satria ny toerana izay onenany dia mbola madio lavitra noho ny trano izay nodiovin’ny renibeko.

Koa satria tia antsika ny Ray any An-danitra ary satria ny tanjony dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain-[tsika],”3 dia tafiditra tao amin’ny drafiny ny anjara asan’ny Mpamonjy iray. Olona iray izay afaka hanampy antsika ho tonga madio na lasa naloto toy ny ahoana isika aza isika. Rehefa nanambara tamintsika ny Raintsika any An-danitra fa mila Mpamonjy isika, dia mino aho fa samy nitodika avokoa isika rehetra nijery an’i Jesoa Kristy, dia ilay Lahimatoa tao amin’ny Fanahy, Ilay nivoatra ka lasa tahaka ny Ray.4 Mino aho fa nahafantatra daholo isika rehetra fa tsy maintsy Izy no ho Izy, ary tsy nisy na dia iray aza tamintsika afaka hanao izany, fa hoe Izy no afaka hanao izany ary hahavita izany.

Tao amin’ny Zaridainan’i Getsemane sy teo ambony hazo fijaliana tao Golgota, dia nijaly i Jesoa Kristy na vatana na fanahy, nangovitra noho ny fangirifiriana, nivoa-dra isaky ny mason-koditra, nitalaho tamin’ny Rainy mba ho esorina Aminy ilay kapoaka mangidy,5 kanefa dia nosotroiny ihany izany.6 Fa nahoana Izy no nanao izany? Araka ny teniny dia hoe te hanome voninahitra ny Rainy Izy sy hamita izay efa “nomani[ny] ho an’ny zanak’olombelona.”7 Te hitandrina ny fanekempihavanany Izy, ary hanao izay hahatanteraka ny fiverenantsika hody any an-trano. Inona no angatahany amintsika ho valin’izany? Miangavy antsika fotsiny Izy hiaiky ny fahotantsika ka hibebaka mba tsy hahatonga antsika ho voatery hijaly tahaka Azy.8 Manasa antsika Izy mba ho lasa madio, mba tsy hamelana antsika any ivelan’ny tranon’ny Raintsika any An-danitra.

Na dia ny fisorohana ny fahotana aza no lalana tsara indrindra eo amin’ny fiainana, raha ny fandairan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no resahana dia tsy mampaninona loatra izay fahotana vitantsika, na hoe hatraiza ny halalin’ny lavaka nilatsahantsika. Tsy mampaninona na menatra isika na vahotra noho ireo fahotana izay, tahaka izay voalazan’i Nefia hoe, “mora mahazo” antsika.9 Tsy mampaninona na efa nisy fotoana aza natakalontsika voanemba masaka ny fizokiantsika.10

Ny tena manan-danja dia hoe i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, dia niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” mba “hahafantarany araka ny nofo, ny fomba hanampiana ny vahoakany.”11 Ny tena manan-danja dia ny nanekeny hidina ambany,12 tonga teto amin’ity tany ity ary nidina “ambanin’ny zavatra rehetra”13 ary niaritra “fifanoheran-javatra mahery vaika mihoatra noho izay mety ho vitan’iza na iza olombelona nisy hatrizay.”14 Ny manan-danja dia hoe mitalaho ho antsika i Jesoa Kristy eo anatrehan’ny Ray, manao hoe: “Ray o, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa. … Noho izany Ray ô dia tsimbino ireto rahalahiko ireto izay mino ny anarako, mba hahazoany manatona ahy ary manana ny fiainana maharitra mandrakizay.”15 Izany no tena manan-danja sy tokony hanome antsika rehetra fanantenana nohavaozina sy finiavana hanandrana indray mandeha indray, satria tsy nanadino antsika Izy.16

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy hihodina hiala amintsika na oviana na oviana ny Mpamonjy rehefa mitady Azy amim-panetrentena isika ka te hibebaka, tsy hihevitra antsika ho toy ny tsy avotra velively Izy, ary tsy hiteny velively hoe “Tsia an, mbola ianao indray ve?”; tsy hanary antsika velively Izy, hoe noho ny tsy fahatakarantsika hoe hatraiza no hasarotry izany miala amin’ny fahotana izany. Takany tsara daholo izany rehetra izany, anisan’izany ny fahatsapana alahelo sy henatra ary tebiteby izay vokatra tsy azo ihodivirana ateraky ny fahotana.

Tena misy ny fibebahana ary mandaitra. Tsy traikefa foromporonina izany na vokatry ny “saina mirediredy.”17 Manana hery izany hanala ny enta-mavesatra, ary hanolo izany ho lasa fanantenana. Afaka mitondra mankany amin’ny fiovampo mahery vaika izany ka mahatonga antsika “tsy [h]anana fironana hanao ny ratsy, fa ny hanao soa lalandava kosa.”18 Tsy maintsy natao hoe tsy mora izany hoe mibebaka izany. Ireo zavatra manan-danja mandrakizay dia mazana tsy mora. Saingy mahaleo ny sarany ny vokany. Araka izay nijoroan’ny Filoha Boyd K. Packer ho vavolombelona tamin’ny teniny farany tamin’ny Fitopololahin’ny Fiangonana: “Izao ilay izy: tsy mamela takaitra ny Sorompanavotana, tsy mamela marika. Izay amboariny dia voamboatra. … Ny Sorompanavotana dia tsy mamela marika, tsy mamela takaitra. Manasitrana fotsiny izany, ary izay sitraniny dia mijanona ho sitrany.”19

Ary araka izany, ny fanantenantsika hiverina hiara-hiaina indray amin’ny Raintsika dia miankina amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, amin’ny fahavononan’ilay hany tsy nanam-pahotana hitondra eo Aminy, ka mifanohitra tanteraka amin’izay takian’ny fahamarinana, ny fitambaramben’ny vesatr’ireo fandikan-dalana vitan’ny zanak’olombelona iray manontolo, tafiditra ao anatin’izany ireo fahotana izay safidian’ireo zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra sasantsasany hijaliana ho an’ny tenany manokana.

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia lehibe kokoa ny hery izay inoantsika fa entin’ny Sorompanavotana mihoatra noho ny ankabeazan’ny olona satria mahafantatra isika fa rehefa manao fanekempihavanana ka manohy mibebaka hatrany, ary maharitra hatramin’ny farany dia lasa mpiara-mandova Aminy20 ary tahaka Azy, dia handray ny zava-drehetra izay ananan’ny Ray.21 Fotopampianarana tena manan-danja izany, ary marina foana. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mahatonga ilay fanasan’ny Mpamonjy hoe “aoka ho tanteraka ianareo, toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra”22 ho azo tanterahina tsara fa tsy hoe zavatra tsy azo takarina ka mampiferon’aina.

Ny soratra masina dia mampianatra fa ny olona tsirairay da tsy maintsy “hotsaraina araka ny fitsarana masin’ilay Andriamanitra.”23 Amin’izany andro izany dia tsy hisy ahafahana miafina ao anatin’ny olona marobe na hanamelohina ny hafa ho fialan-tsiny ho an’ny tsy fahadiovantsika. Soa fa ny soratra masina dia mampianatra ihany koa fa i Jesoa Kristy, Izy izay nijaly noho ny fahotantsika, izay mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray, izay miantso antsika ho namany, izay tia antsika hatramin’ny farany, dia Izy no ho mpitsara antsika amin’ny farany. Anisan’ireo fitahiana izay matetika tsy dia raharahiana loatra entin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hoe “ny Ray … dia nanome ny fitsarana rehetra ho an’ny Zanaka.”24

Rahalahy sy rahavavy, raha toa ianao mahatsiaro ho kivy na manontany tena raha mba ho afaka hivoaka avy ao amin’ilay lavaka ara-panahy izay nohadianao, dia tsarovy ange hoe iza no mijoro “manelanelana [antsika] sy ny fahamarinana,” hoe iza no “heniky ny fangorahana ny zanak’olombelona,” ary hoe iza no nandray teo Aminy ny helotsika sy ny ny fandikan-dalantsika ary “nanefa ny fitakian’ny fahamarinana.”25 Amin’ny teny hafa, tahaka izay nataon’i Nefia tamin’ny fotoana nampiahiahy azy, dia tsarovy fotsiny hoe “iza no hitokia[nao],”26 dia i Jesoa Kristy, ary avy eo dia mibebaha, ary avereno iainana indray “ny fanantenana mamirapiratra sy lavorary.”27 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.