2010–2019
Voasedra sy alaim-panahy—kanefa mahazo fanampiana
Oktobra 2015


Voasedra sy alaim-panahy—kanefa mahazo fanampiana

Afaka mifanampy isika amin’ny maha-zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika amin’ireo fitsapana sy fakam-panahy lalovantsika.

Voasedra sy alaim-panahy isika mandritra ny androm-piainantsika. Manana fahafahana ihany koa isika hampiasa ny fahafahana misafidy sy hifanampy. Ireo fahamarinana ireo dia ampahany ao anatin’ilay drafitra mahagaga sy tonga lafatry ny Raintsika any An-danitra.

Nampianatra ny Filoha John Taylor hoe: “Nandre ny Mpaminany Joseph aho tamin’izy niresaka tamin’ireo Roambinifololahy indray mandeha nanao hoe: ‘Handalo fitsapana maro isan-karazany ianareo. Ary ilaina tahaka ny nilàna izany tamin’i Abrahama sy ireo lehilahin’ Andriamanitra hafa ny hisedrana anareo, ary hizaha toetra anareo Andriamanitra (hoy izy), ary hihazona anareo Izy sy hizaha toetra anareo hatramin’izay farany zakanareo.’”1

Rehefa tonga eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra isika, dia zavatra mahazatra ny olona rehetra ny fitsapana sy ny fakam-panahy. Indraindray izy ireny dia lasa enta-mavesatra, kanefa manome hery sy fivoarana antsika ihany koa izy ireny rehefa vitantsika ny mandresy azy.

Soa ihany ireo enta-mavesatra ireo fa tsy natao hozakaintsika samirery. Nampianatra i Almà hoe: “Maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany.”2 Ireo teny ireo dia milaza fa manana andraikitra ny hifanampy isika. Izany andraikitra izany dia mety ho azo avy amin’ny antso ao am-piangonana, na avy amin’ny andraikitra nomena, na avy amin’ny finamanana, na tafiditra ao amin’ny adidintsika masina amin’ny maha-ray aman-dreny, na vady, na havana—na noho ny maha-isan’ny fianakavian’ Andriamanitra tsotra izao.

Hanome ohatra efatra aho izay maneho ny fomba hanamaivanana ny enta-mavesatsika rehefa mifanampy isika.

1. Hoy Mpamonjy: “Na zovy na zovy hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.”3 Ohatra iray amin’izany ny fangatahana antsika hankany amin’ny tempoly matetika, raha mamela antsika hanao izany ny toe-javatra iainantsika tsirairay. Ny fankanesana any amin’ny tempoly dia mitaky fahafoizantena ara-potoana sy ara-pananana, indrindra ho an’ireo izay tsy maintsy manao dia lavitra. Na izany aza dia azo raisina ho ampahany amin’ilay maily voalohany izany fahafoizantena izany.

Manomboka mandeha amin’ny maily faharoa isika rehefa mahatakatra ireo teny hoe “mitady, mitondra, mampianatra,”4 rehefa mitady sy manomana ny anaran’ireo razambentsika mba hanaovana ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly isika, rehefa manampy amin’ny firaketana faobe ireo anarana ireo isika, rehefa manao mpiasa manompo ao amin’ny tempoly isika, ary rehefa mitady fomba hanampiana ny hafa mba hanana traikefa manan-danja any amin’ny tempoly isika.

Fony aho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, dia nanao diabe nankany amin’ny tempoly ny iray tamin’ireo tsatòka tao amin’ny filankevi-pandrindrana nisy ahy. Kely ilay tempoly nandehanan’ireo mpikambana, ary indrisy fa maro tamin’ireo mpikambana no tsy afaka niditra tao amin’ny tempoly, na dia nanao dia lavitra nandritra ny adiny 12 aza, satria efa nihoatra ny isan’ny olona azo nampiantranoina tao.

Andro vitsivitsy taorian’io diabe io, dia namangy io tsatòka io aho ka nanontany ny filoha raha toa ka azoko atao ny miresaka amin’ny sasany amin’ireo mpikambana izay tsy afaka nankao amin’ny tempoly tamin’izay andro izay. Ny iray tamin’ireo rahalahy izay novangiako dia nilaza tamiko hoe: “Aza manahy ianao ry Loholona. Tao an-tranon’i Jehovah aho. Nipetraka teo amin’ny sezalava teo an-tokotany aho dia nisaintsaina ireo ôrdônansy. Dia nomena fahafahana hiditra aho avy eo, saingy naleoko namela ny rahalahy iray hafa, izay sambany vao nankany amin’ny tempoly mba hofehezina amin’ny vadiny, mba handeha teo amin’ny toerako. Noho izany dia nanana fahafahana nanatrika fotoana anankiroa izy ireo tamin’io andro io. Mahafantatra ahy ny Tompo, nitahy ahy Izy, ary tsy maninona izahay.”

2. Mitsiky. Io fihetsika kely io dia afaka manampy ireo izay feno tebiteby na mitondra enta-mavesatra. Nandritra ny fivorian’ny fisoronana tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany tamin’ny volana aprily lasa teo, dia niara-nipetraka tamin’ireo manampahefana ambony dimy vao nantsoina teo amin’ny lampihazo aho. Teo amin’ireo toerana izay ipetrahan’ny rahavavy ao amin’ny fiadidian’ny vondrona fanampiny maneran-tany ankehitriny no nipetrahanay. Natahotahotra sy nitebiteby erỳ aho tamin’ilay antsoko vaovao.

Rehefa natao ny hira fanelanelanana, dia nanana fahatsapana mahery vaika aho hoe misy olona mijery ahy. Hoy aho tao an-tsaiko hoe: “Misy olona maherin’ny 20.000 ato amin’ity trano ity, ary mitodika atỳ ny ankamaroan’izy ireo. Mazava ho azy fa misy mijery aho.”

Rehefa nanohy nihira aho, dia nanana indray ilay fahatsapana mahery vaika fa misy olona mijery ahy. Nijery tany amin’ny toerana nipetrahan’ireo Apôstôly Roambinifolo aho ka nahita fa ny Filoha Russell M. Nelson dia nitodika avy eo amin’ny sezany nijery tany amin’ilay toerana nipetrahanay. Nifanojo ny masonay, dia nitsikitsiky be tamiko izy. Nitondra fitoniana ho an’ny foko izay nisamboaravoara izany tsiky izany.

Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia namangy ireo ondriny hafa i Jesoa Kristy. Niantso sy nanendry mpianatra roa ambin’ny folo Izy, ary tamin’izany fahefana izany no nitorian’izy ireo tamin’ny vahoaka. Niaraka tamin’izy ireo teo anivony i Jesoa Kristy Tompo Izy Tenany mihitsy. Nangataka azy ireo handohalika sy hivavaka ny Tompo. Tsy fantatro tsara raha toa ka nitebiteby tamin’ny antsony ireo mpianatra roa ambin’ny folo izay vao nantsoina sy notendrena, kanefa hoy ny soratra masina: “Ary ny zava-nitranga dia nitahy azy ireo i Jesoa raha nivavaka Taminy izy ireo; ary ny tarehiny dia nitsiky taminy, ary ny fahazavan’ny tarehiny dia namiratra taminy.”5 Nandritra ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany farany teo, dia nanamaivana ny enta-mavesatro ny tsikitsiky anankiray ary niseho avy hatrany sy tamin’ny fomba tena niavaka izany.

3. Maneho fangorahana ny hafa. Raha mpihazona ny fisoronana ianao, dia miangavy aho ny hampiasanao ny herinao mba hanampiana ireo zanak’ Andriamanitra, amin’ny fanomezana tso-drano azy ireo. Ilazao teny fampiononana sy fankaherezana ireo olona izay mijaly na miaritra fahoriana.

4. Ny vato fehizoron’ny drafitr’ Andriamanitra dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo. Farafahakeliny isika, indray mandeha isan-kerinandro, dia tokony handinika tahaka ny nataon’ny Filoha Joseph F. Smith momba ny “fitiavana lehibe sy mahagaga nasehon’ny Ray sy ny Zanaka tamin’ny fiavian’ny Mpanavotra teo amin’izao tontolo izao.”6 Ny fanasana ny hafa hankany am-piangonana sy handray ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana dia hamela ny maro kokoa amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra mba hisaintsaina momba ny Sorompanavotana. Ary raha tsy mendrika isika, dia afaka mibebaka. Tsarovy fa ny Zanakalahin’ny Avo Indrindra dia nidina tambanin’ny zava-drehetra ary nitondra teo Aminy ny hadisoantsika, ny fahotantsika, ny fandikan-dalantsika, ny aretintsika, ny fanaintainantsika, ny fahoriantsika, ary ny fahatsapantsika ho irery. Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa i Kristy “izay niakatra ho any amin’ny avo tahaka ny nidinany koa ho ambanin’ny zava-drehetra, ka nahatakarany ny zava-drehetra.”7

Tsy maninona izay mety ho olantsika manokana—na aretina izany na fijanonana ho irery mandritra ny fotoana maharitra na fiaretana ny fakam-panahy sy fitsapana ataon’ny fahavalo—fa ilay Mpiandry Tsara dia eo. Miantso antsika amin’ny anarantsika Izy ary manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”8

Tiako hofintinina ireo zavatra efatra ireo:

Voalohany—manaova fahafoizantena bebe kokoa.

Faharoa—mba mitsikia. Hanampy ny hafa ny tsikinareo.

Fahatelo—manehoa fangorahana.

Fahefatra—asao ny hafa ho any am-piangonana.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy aho. I Jesoa no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona, ary velona Izy. Fantatro fa manohana ny drafitry ny Ray Izy amin’ny heriny sy ny tanjany rehetra. Fantatro fa ny Filoha Thomas S. Monson dia mpaminany velona. Mihazona ny fanalahidy rehetra izy mba hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny asan’ Andriamanitra ety an-tany. Fantatro fa afaka mifanampy isika amin’ny maha-zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika amin’ireo fitsapana sy fakam-panahy lalovantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.