2010–2019
Fa hotsaroany mandrakariva Izy
Oktobra 2015


Fa hotsaroany mandrakariva Izy

Tiako ny mandalina sy misaintsaina ny fiainan’ilay nanolotra ny zavatra rehetra mba ho ahy sy ho antsika rehetra.

Tiako ilay hiran’ny Kilonga izay manao toy izao:

Tantarao ahy ireo tantaran’i Jesoa izay tiako ny mihaino azy,

Lazao ahy ireo zavatra tokony ho nangatahiko Taminy raha toa ka teto Izy.

Ireo tantara niseho teny an-dalana sy tany an-dranomasina,

Ny Tantaran’i Jesoa, mba tantarao ahy.1

Mino aho fa ny fanombohana fomba fanao hitantarana ny tantaran’i Jesoa amin’ny zanatsika sy ny fianakaviantsika dia fomba iray tena miavaka mba hihazonana ny andro Sabata ho masina ao an-tokantranontsika.

Tena hitondra fahatsapan-javatra miavaka ao an-tokantranontsika sy hanolotra ohatra avy amin’ny Mpamonjy ho an’ny fianakaviantsika izany.

Tiako ny mandalina sy misaintsaina ny fiainan’ilay nanolotra ny zavatra rehetra mba ho ahy sy ho antsika rehetra.

Tiako ny mamaky andinin-tsoratra masina mikasika ny fiainany tsy nisy fahotana ary rehefa avy mamaky soratra masina izay miresaka mikasika ireo toe-javatra niainany aho dia akimpiko ny masoko ary miezaka maka sary an-tsaina ireo fotoana masina ireo aho izay mampianatra ahy sy mampahatanjaka ahy ara-panahy.

Fotoana toy ny:

  • Tamin’izy nandrora tamin’ny tany dia nanao feta tamin’ilay rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba izany ary hoy izy taminy: “Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama.” Dia nankato ilay lehilahy ka nanasa dia niverina nahiratra.2

  • Tamin’izy nanasitrana ilay vehivavy izay nanary nandeha ra ary nanendry ny somotraviavin-dambany noho ny finoany fa raha mikasika Azy fotsiny izy dia ho sitrana.3

  • Tamin’izy niseho tamin’ireo mpianany ary nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina.4

  • Tamin’izy nandeha teny amin’ny lalana nankany Emaosy niaraka tamin’ny mpianany ka nampivelatra ny soratra masina nisarika ny fahatakaran’izy ireo.5

  • Tamin’ny fotoana nisehoany tamin’ny vahoaka teto Amerika sy nilazany tamin’izy ireo mba hanatona Azy sy hametraka ny tanany eo amin’ny lanivoany ary hitsapa ny diam-pantsika eo amin’ny tanany sy ny tongony mba hahafahan’izy ireo mahafantatra fa Izy no ilay “Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao.”6

Faly aho noho ny fahafantarako fa misy ray aman-dreny izay mitantara ny tantaran’i Kristy amin’ireo zanany. Tsikaritro izany rehefa mijery ny ankizy ao amin’ny Fiangonana mandritra ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny Kilonga sy mandritra ireo fotoana hafa aho.

Feno fankasitrahana ny ray aman-dreniko aho noho ny fampianarany ahy momba an’i Kristy. Mitohy ny fahitako fa manampy ahy sy ny vady malalako ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy rehefa mampianatra ny zanakay izahay.

Feno fifaliana ny foko rehefa mahita ny zanako mitantara tantara momba an’i Kristy amin’ireo zafikeliko izy ireo. Mampahatsiahy ahy ny iray amin’ireo soratra masina tiako indrindra izany izay hita ao amin’ny 3 Jaona, toko 1, andininy 4, izay mivaky toy izao, “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako,” ary maninona moa raha ny zafikelinay koa?

Feno fankasitrahana an’ireo mpitarika antsika aho izay mampianatra antsika tsy tapaka mikasika an’i Kristy sy ny fihazonana ny andro Sabata ho masina sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isaky ny Alahady ho fanomezam-boninahitra ny Mpamonjy.

Mahafinaritra kokoa ny Sabata sy ny fanasan’ny Tompo rehefa mandalina ireo tantaran’i Kristy isika. Rehefa manao izany isika dia mamorona fomba fanao izay manorina ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary koa miaro ny fianakaviantsika.

Herinandro vitsivitsy izay, raha namerina nandalina ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson izay nozarainy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo aho ary rehefa nisaintsaina mikasika ny andro Sabata, dia nahatsapa fankasitrahana lalina noho ny fitahiana sy ny tombontsoa avy amin’ny fahafahana mandray ny fanasan’ny Tompo. Fotoana tena lehibe sy masina ho ahy izany. Tena ankafiziko fatratra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Nohalaliniko tsara ny fanamasinana ny mofo sy ny rano teo am-pisaintsainana teo. Novakiko sy nodinihiko lalina ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo sy ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Nanomboka nandefa ny saiko sy ny foko tany amin’ireo zava-nitranga nifandray tamin’izany aho.

Tao anatin’izay saina nandinika izay no nieritreretako an’ilay andro, ilay andro voalohany fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, rehefa namaly ny fanontanian’ireo mpianany mikasika ny toerana hiomanana amin’ny Paska i Jesoa ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.”7

Niezaka naka sary an-tsaina ireo mpianatra nividy sakafo sy nanomana tsara ny latabatra mba hisakafoanana miaraka Aminy tamin’io andro miavaka io aho: latabatra ho an’olona miisa 13. Izy sy ny mpianany roa ambin’ny folo izay tiany.

Nitomany aho rehefa naka sary an-tsaina an’i Kristy niara-nisakafo tamin’izy ireo izay fotoana nanambarany hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika ahy.”8

Nieritreritra an’ilay mpianatra iray nalahelo aho izay nanontany Azy hoe: “Moa izaho va izany?”9

Ary rehefa nametraka io fanontaniana io ihany taminy i Jodasy, dia namaly tamim-pahatoniana Izy hoe: “Voalazanao.”10

Azoko nalaina sary an-tsaina ireo tanana nanasitrana sy nampahery ary nampazava ny saina amam-panahy sy nitsodrano izay namaky ny mofo rehefa niteny i Jesoa hoe: “Raiso, hano; ity no tenako.”11

Dia naka kaopy iray feno divay Izy ary nisaotra sy nanome ilay kaopy azy ireo no nilaza hoe: “Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.”12

Nijery tsirairay an’ireo mpianatra ireo aho tao an-tsaiko ary nahita teny amin’ny mason’izy ireo ilay ahiahin’izy ireo mikasika ny Mpampianatra izay tena tian’izy ireo tokoa. Toy ireny niara-nipetraka tamin’izy ireo ireny aho, nijery ny zava-drehetra. Nahatsapa fanaintainana lehibe tao am-poko aho. Feno alahelo aho noho ny zavatra izay holalovany noho ny amiko.

Feno faniriana goavana ny ho lasa olona tsara kokoa ny fanahiko. Tao anatin’ny fibebahana sy alahelo no naniriako mafy ny mba hanajanonana sy hisorohana ny fivoahan’ny ra nalatsany tao Getsemane na dia kely fotsiny aza.

Dia nisaintsaina ny fanasan’ny Tompo izay raisintsika isan-kerinandro ho fahatsiarovana Azy aho. Teo am-panaovana izany no nisaintsainako ny teny tsirairay ao anatin’ny fanamasinana ny mofo sy ny rano. Noeritreretiko lalina ireo teny hoe “ny hahatsiaro Azy mandrakariva” ao anatin’ny fanamasinana ny mofo sy ny hoe “fa hotsaroany mandrakariva Izy” ao anatin’ny fanamasinana ny rano.13

Nieritreritra ny dikan’ny hoe mahatsiaro Azy mandrakariva aho.

Ho ahy dia midika izany hoe:

  • Mahatsiaro ny fiainany talohan’ny nahaterahana aho tamin’ny fotoana nanamboarany ity planeta tsara tarehy ity.14

  • Mahatsiaro ilay fahaterahany tamin’ny fomba tsotra tao amin’ny fihinanam-bilona iray tany Betleheman’i Jodia.15

  • Ary tamin’izy ankizilahy 12 taona dia nampianatra sy nitory teo anivon’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly.16

  • Mahatsiaro ny fotoana nandehanany nitokana tany amin’ny tany efitra iray mba hiomanany amin’ny asa fanompoana hataony eto an-tany.17

  • Ary ny hahatsiaro ny fotoana niovany tarehy teo anoloan’ny mpianany.18

  • Mahatsiaro ny fotoana nanorenany ny fanasan’ny Tompo nandritra ny Fanasana Farany tamin’izy ireo.19

  • Ary dia nandeha tany amin’ny Saha Getsemane sy nijaly mafy dia mafy tany izy ho an’ny fahotantsika sy ny fijaliantsika ary ny fahadisoam-panantenantsika sy ny arentintsika ka nivoa-dra ny masokondiny rehetra.20

  • Mahatsiaro ny fotoana, taorian’ny nijaliany sy nizakany fanaintainana lehibe raha mbola tao Getsemane, izay namadihana Azy tamin’ny alalan’ny oroka nataon’ny iray tamin’ireo mpianany izay nantsoiny hoe namana.21

  • Ary rehefa nentina tany amin’i Pilato sy i Heroda mba hotsaraina Izy.22

  • Ary rehefa nalaina baraka, natositosika, nororana izy, ary novonoina sy novelesina tamin’ny karavasy izay nandrovitra ny nofony.23

  • Ary rehefa nametrahana tamim-pihetraketrahana fehiloha tsilo teo amin’ny lohany.24

  • Mahatsiaro fa nilanja ny hazo fijaliany nankany Golgota Izy ary nofantsihina tamin’ny hazo fijaliana teo Izy tao anatin’ny fizakana ireo fanaintainana ara-batana sy ara-panahy rehetra.25

  • Ary rehefa teo amin’ny hazo fijaliana, noho ny kibony feno fiantrana dia nijery an’ireo izay nanombo Azy Izy dia nitraka nijery ny lanitra ka nitalaho hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony.”26

  • Mahatsiaro ilay fotoana nanolorany ny fanahiny teo am-pelatanan’ilay Rainy sy Raintsika, rehefa fantany fa vita ilay asa nanirahana Azy mba hamonjy ny olombelona rehetra.27

  • Mahatsiaro ny Fitsanganany tamin’ny maty izay nanome antoka ny fitsanganantsika amin’ny maty koa sy ny fahafahantsika hiaina eo akaikiny mandrakizay izay miankina amin’ny safidy ataontsika.28

Ankoatra izany ao anatin’ny fieritreretana ny vavaky ny fanasan’ny Tompo sy ireo teny tena miavaka sy manan-danja ao anatin’ilay vavaka, dia tena mahafinaritra tokoa ny mandray fampanantenana, mandritra ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo, fa rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva isika dia hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.29

Mino aho fa manana ny fotoany manokana hanomezana fanambarana ho antsika ny Tompo. Takatro mazava tsara izany rehefa nandalina ny Mpitoriteny 3:1, 6 aho izay mivaky toy izao:

“Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra: …

“Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana.”

Ny fanasan’ny Tompo koa dia fotoana ampianaran’ny Ray any An-danitra antsika mikasika ny Sorompanavotan’ny Zanany Malalany—i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika—ary andraisantsika fanambarana mikasika izany. Fotoana “andondonana dia amohana anao,”30 izany mba hangatahana sy handraisana fahalalana. Fotoana mba hangatahana amim-panajana izany fahalalana izany amin’Andriamanitra izao. Ary raha manao izany isika dia tsy isalasalako fa hahazo io fahalalana io izay hitondra fitahiana mihoa-pampana eo amin’ny fiainantsika.

Tiako ny Sabata sy ny fanasan’ny Tompo ary ny dikany. Tiako amin’ny foko manontolo ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.