2010–2019
Ny Fanahy Masina ho namanao
Oktobra 2015


Ny Fanahy Masina ho namanao

Isika dia afaka ny hanana ny Fanahy hiaraka amintsika ka tsy amin’izao fotoana izao sy indraindray fotsiny fa mandrakariva.

Feno fankasitrahana aho tafaraka aminareo amin’ity andro Sabata ao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonan’ny Tompo ity. Nahatsapa ny Fanahy toa anareo koa aho izay nijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ireo teny izay efa henontsika.

Ny tanjoko androany dia ny hampitombo ny fanirianareo sy ny fahavononanareo hitaky ilay fanomezana nampanantenaina antsika tsirairay taorian’ny batisantsika. Naheno ireto teny ireto isika nandritra ny fandraisana antsika ho mpikambana: “Raiso ny Fanahy Masina.”1 Niova mandrakizay ny fiainantsika nanomboka tamin’izay fotoana izay.

Isika, raha miaina fiainana izay mendrika ny hananana izany, dia afaka ny hanana ny Fanahy hiaraka amintsika ka tsy amin’izao fotoana izao sy indraindray fotsiny fa mandrakariva. Fantatrareo avy amin’ireo teny amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ny fomba hahatanterahan’izany fampanantenana izany: “Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy hitahy sy hanamasina ity mofo ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray amin’izany, mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ny Zanakao sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo.”

Dia tonga ilay fampanantenana hoe: “Mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy” (F&F 20:77; nampiana fanamafisana).

Ny atao hoe manana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika dia midika hoe manana ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Ohatra, afaka mahazo fampitandremana avy amin’ny Fanahy isika mba hanohitra ny fakam-panahy hanao zavatra ratsy.

Noho izay antony iray izay fotsiny dia mora ny mahita ny antony nahatonga ireo mpanompon’ny Tompo nampitombo ny faniriantsika mba hitsaoka an’ Andriamanitra mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo atrehintsika. Raha mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pinoana isika dia ho afaka ny hiaro antsika sy ireo izay tiantsika amin’ireo fakam-panahy izay mihamahery vaika sy mateti-piavy ny Fanahy Masina.

Manao izay hahatonga ny tsara hahasarika kokoa ary ny fakam-panahy tsy dia hahasodoka ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Io fotsiny dia ampy hahatonga antsika ho tapa-kevitra ny ho mendrika hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika.

Toy ny hanomezan’ny Fanahy antsika tanjaka hanoherana ny ratsy ihany no hanomezany antsika koa hery hanavahana ny fahamarinana sy ny lainga. Amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra ihany no hanamarinana ny fahamarinana izay tena manan-danja. Ny fihevitsika amin’ny maha-olombelona sy ny fampiasana ireo retsipamantaran’ny vatantsika dia tsy ho ampy. Miaina ao anatin’ny fotoana iray isika izay na ny faran’izay hendry aza dia sahirana manavaka ny fahamarinana amin’ny famitahana feno hafetsifetsena.

Nampianatra an’i Thomas Apôstôliny, izay nitady porofo hita teny amin’ny vatana hanamarinana ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ka nitsapa ireo holatra teny Aminy, ny Tompo fa ny fanambarana no porofo azo antoka kokoa: “Hoy i Jesoa taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29).

Hamarinin’ny Fanahy Masina ireo fahamarinana izay mampiseho ny lalana hodiana any amin’ Andriamanitra. Tsy afaka mankany amin’ilay ala kely iray isika dia hahita ny Ray sy ny Zanaka miresaka amin’ilay tovolahy Joseph Smith. Tsy misy porofo azo tsapain-tanana na fanamarinana ara-pisainana afaka manamafy fa tonga araka ny nampanantenaina i Elia nanome ireo fanalahidin’ny fisoronana izay hazonin’ny mpaminany velona iray ankehitriny ary ampiasainy.

Tonga eo amin’ny zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra iray izay nitaky ny zo handray ny Fanahy Masina ny fanamafisana ny marina. Noho ny lainga izay mety hiseho amintsika amin’ny fotoana rehetra, dia mila ny fitarihana tsy tapaky ny Fanahin’ny Fahamarinana isika hisorohana ny fotoana hananana ahiahy.

Tamin’i George Q. Cannon mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namporisika ny fiezahantsika tsy tapaka mba hanana ny Fanahy hiaraka amintsika izy. Nampanantena izy ary mampanantena koa aho fa raha manao izany isika dia “tsy mba ho tratran’ny tsy fahampian’ny fahalalana” ny fahamarinana velively, “tsy mba hanana ahiahy na ho ao anatin’ny haizina velively,” ary “hatanjaka ny finoantsika, ary ho feno … ny fifalia[ntsika].”2

Mila izany fanampiana tsy tapaka avy amin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana izany anefa isika noho ny antony iray hafa. Mety ho tonga tsy nampoizina ny fahafatesan’ny olon-tiana iray. Ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fanahy Masina mikasika ny fisian’ny Ray any an-danitra be fitiavana sy ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty no manome fanantenana sy fampaherezana rehefa nodimandry ny olon-tiana iray. Tsy maintsy miaraka amintsika izany fijoroana ho vavolombelona izany rehefa mitranga ny fahafatesana.

Mila ny Fanahy Masina ho namana lalandava isika noho ny antony maro. Maniry izany isika saingy fantatsika avy tamin’ny zavatra niainantsika fa tsy mora ny mihazona azy. Mieritreritra sy milaza ary manao zavatra izay mety manafintohina ny Fanahy isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Nampianatra ny Tompo fa hanana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava isika raha toa ka feno fiantrana ny fontsika ary raha toa ka [n]andravaka tsy an-kijanona ny eritreri[tsika] ny hatsaram-panahy (jereo ny F&F 121:45).

Atolotro ho an’ireo izay sahirana amin’ny fanatratrarana ilay fepetra ilaina mba ho mendrika ny fanomezan’ny fananana ny Fanahy ho namana ity famporisihana ity. Efa nisy fotoana nahatsapanareo ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Mety efa nitranga izany androany.

Azonareo raisina ho toy ny voan’ny finoana nofariparitan’i Almà ireo fotoana nahazoana fitaomam-panahy ireo (jereo ny Almà 32:28). Amboleo ny tsirairay amin’izany. Azonareo atao izany amin’ny alalan’ny fanarahana ny bitsika izay tsapanareo. Raha hoe tokony handoa ny fahafolonkarena izany dia aloavy. Na inona na inona izany dia ataovy. Ary tohizo ny fanaovana izany. Rehefa nasehonareo ny fahavononanareo hankatò dia hanome fitarihana bebe kokoa mikasika ny zavatra tian’ Andriamanitra hataonareo ny Fanahy.

Ho tonga matetika kokoa ka hanakaiky kokoa hatrany ny fananana izany ho namana lalandava ny fitarihana avy amin’ny Fanahy rehefa mankatò ianareo. Hitombo ny hery hisafidiananareo ny tsara.

Afaka mahafantatra ianareo raha avy amin’ny Fanahy ireo fitarihana hanao zavatra ireo na avy amin’ny fanirian’ny tenanareo manokana. Rehefa mifanaraka amin’ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy sy ireo mpaminany sy apôstôly velona ireo fitarihana ireo dia afaka misafidy ny hankatò amim-pahatokiana ianareo. Dia handefa ny Fanahiny ny Tompo hanampy anareo.

Ohatra, raha toa ianareo mandray fitarihana ara-panahy mba hanaja ny andro sabata, indrindra rehefa toa sarotra izany dia handefa ny Fanahiny Andriamanitra mba hanampy.

Tonga teo amin’ny raiko izany fanampiana izany taona maro lasa izay rehefa nandeha tany Australie noho ny asany izy. Irery izy indray alahady ary te handray ny fanasan’ny Tompo. Tsy nahita fampahalalana momba ireo fivorian’ny Olomasin’ny Andro Farany mihitsy izy. Noho izany dia nanomboka nandeha an-tongotra izy. Nivavaka isaky ny fihaonan-dalana tsirairay izy mba hahafantarana hoe aiza no tokony hivily. Rehefa avy nandeha an-tongotra sy nihodinkodina nandritra ny adiny iray izy dia nijanona mba hivavaka. Nahatsapa fitarihana mba hihodina tany amin’ny lalana iray manokana izy. Fotoana fohy taorian’izay dia nanomboka naheno hirahira avy tany amin’ny efitra ambany rihan’ny tranobe iray teo akaiky teo izy. Nitsiritsirika teo am-baravarakely izy dia nahita olona vitsy nipetraka teo akaikin’ny latabatra iray voarakotra lamba fotsy ary ireo viliaben’ny fanasan’ny Tompo.

Mety tsy dia mahataitra loatra izany ho anareo, kanefa zavatra tena tsara izany ho azy. Fantany fa tanteraka ilay fampanantenana tao anatin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo: “Ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo; mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy” (F&F 20:77).

Izany dia ohatra iray monja ihany tao anatin’ireo fotoana nivavahany sy nanaovany izay nolazain’ny Fanahy azy fa tian’ Andriamanitra hataony. Nanohy nanao izany nandritra ny taona maro izy ary hanao toy izany koa izaho sy ianao. Tsy mba niresaka velively momba ny fiainam-panahiny izy. Nanohy nanao zavatra kely ho an’ny Tompo fotsiny izy.

Isaky ny misy vondron’Olomasin’ny Andro Farany mangataka azy mba hiresaka amin’izy ireo dia nataony izany. Tsy nampaninona azy na olona 10 na 50 izany na reraka toy ny inona aza izy. Nijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sy momba ireo mpaminany izy isaky ny atosiky ny Fanahy hanao izany.

Ny antsony ambony indrindra tao amin’ny Fiangonana dia tao anatin’ny filankevitra avon’ny Tsatòkan’i Bonneville ka nanongotra ny ahi-dratsin’ny toeram-piompiana sy fambolen’ny tsatòka izy tao ary nampianatra tao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady. Tao anatin’ny taona maro dia teo ny Fanahy Masina mba ho namany rehefa nilainy izany.

Nijoro teo akaikin’ny raiko tao anatin’ny efitrano irain’ny hôpitaly iray aho. Nandry teo am-pandriana ny reniko izay vadiny nandritra ny 41 taona. Nijery azy nandritra ny ora maro izahay. Nanomboka hitanay nanjavona teo amin’ny endriny ireo mariky ny fanaintainana. Nihanalefaka ireo rantsantanany izay nivonkona. Lasa nipetraka teny amin’ny ilany anankiroa ny tanany.

Nitsahatra ny fanaintainana avy tamin’ny homamiadana naharitra taona maro. Hitako ho feno fiadanana ny endriny. Niaina imbetsaka izy dia niaina mafy farany ary nandry am-piadanana. Nijoro teo izahay niandry sao hiaina indray mandeha farany izy.

Farany dia niteny moramora i dada hoe: “Lasa nody ilay ankizivavy kely.”

Tsy nilatsaka ny ranomasony. Izany no niseho satria efa nomen’ny Fanahy masina azy taloha elabe ilay fahatakarana mazava hoe iza moa izy? Avy aiza izy? Lasa inona izy ary handeha ho aiza? Nijoro ho vavolombelona imbetsaka taminy ny Fanahy momba an’ilay Ray any an-danitra be fitiavana sy ilay Mpamonjy izay nandresy ny herin’ny fahafatesana ary momba ny fahamarinan’ny famehezana any amin’ny tempoly izay niarahany nanao tamin’ny vadiny sy ny fianakaviany.

Efa taloha ela be no nanomezan’ny Fanahy azy toky fa ny hatsarana sy ny finoan’ny vadiny dia nahatonga azy ho mendrika ny hiverina any amin’ilay fonenana any an-danitra ka hotsaroana hoe zanaky ny fampanantenana tena mahafinaritra izy ary hotsenaina amim-boninahitra.

Mihoatra noho ny fanantenana izany ho an’ny raiko. Ny Fanahy Masina dia nanao izay hahatonga izany ho tena misy ho azy.

Mety hisy hilaza amin’izao fotoana izao hoe faniriana tao an’eritreritra fotsiny ny teniny sy ireo sary tao an-tsainy mikasika ilay fonenana any an-danitra, hevitra manjavozavon’ny vady iray tao anatin’ny fotoana namoizany olona. Saingy fantany fa ny fahamarinana mandrakizay no hany lalana ahafahanao mahafantatra izany.

Mpahay siansa nanao fikarohana ny marina mikasika ity tanin’izao tontolo izao ity izy nandritra ny fotoana naha-olon-dehibe azy. Nampiasa araka ny tokony ho izy ireo fitaovan’ny siansa izy ka nahazo fankasitrahana tamin’ireo mpahay siansa mitovy azy manerana an’izao tontolo izao. Ny ankamaroan’ny zavatra nataony tamin’ny simia dia avy amin’ny fakany sary an-tsaina ireo môlekiola mihetsiketsika ary avy eo manamafy ny zavatra hitany amin’ny alalan’ny fanandramana ataony any amin’ny labôratoara.

Saingy nanaraka lalana hafa izy mba hahitana ireo fahamarinana izay nanan-danja indrindra taminy sy amintsika tsirairay. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany no ahafahantsika mahita olona sy zava-miseho araka ny ahitan’ Andriamanitra azy ireo.

Nitohy izany fanomezana izany tao amin’ilay hôpitaly taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Nangoninay ny entan’ny reniko mba hoentina mody. Nijanona mba hisaotra ny mpitsabo mpanampy sy ny mpitsabo rehetra izay nifanena taminay teny an-dalana nankany amin’ny fiara i Dada. Tsaroako ny fahatsapako hoe tokony handeha izahay mba ho irery miaraka amin’ny alahelonay.

Tsapako ankehitriny fa izy dia nahita zavatra izay tsy nisy afa-tsy ny Fanahy Masina ihany no afaka nampiseho azy izany. Olona miendrika anjely nirahin’ Andriamanitra mba hiambina ilay malalany no fahitany ireo olona ireo. Mety ho nahita ny tenany ho mpitsabo matihanina izy ireo fa i Dada kosa dia nisaotra azy ireo tamin’ny anaran’ny Mpamonjy.

Niaraka taminy hatrany ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa tonga tany an-tranon’ny ray aman-dreniko izahay. Niresaka nandritra ny minitra vitsy tao amin’ny trano fandraisam-bahiny izahay. Nangata-dalana mba handeha ho any amin’ny efitrano fatoriany tsy lavitra teo i Dada.

Minitra vitsy taorian’izay dia niverina tao amin’ny trano fandraisam-bahiny izy. Nitsikitsiky nahafinaritra izy. Nankeny aminay sady niteny moramora hoe: “Natahotra aho sao dia tonga irery tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Mildred. Nieritreritra aho hoe mety hahatsapa ho verivery izy eo anivon’olona marobe.”

Dia nilaza tamim-pifaliana izy hoe: “Vao nivavaka aho teo. Fantatro fa tsy nanana olana i Mildred. Teo ny reniko nitsena azy.”

Tsaroako aho nitsiky rehefa niteny izany izy ka naka sary an-tsaina ilay renibeko niaraka tamin’ireo tongony fohy, nihazakazaka sy niolomay teo anivon’ireo olona marobe mba hanao izay hihaonany sy hamihinany ilay vinantovaviny rehefa tonga izy.

Ankehitriny ny iray amin’ireo antony nangatahan’ny raiko izany fampaherezana izany sy nahazoany izany dia satria efa nivavaka foana tamim-pinoana izy nanomboka tany amin’ny fahazazany. Zatra nahazo valiny izay tonga tao am-pony mba hanome fampaherezana sy torolalana izy. Ankoatra ilay fananany fahazarana mivavaka dia nahafantatra ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona izy. Noho izany dia fantany ilay fibitsiky ny Fanahy efa mahazatra azy.

Nanao zavatra bebe kokoa noho ny hoe nampahery sy nitarika azy ny fananana ny Fanahy ho namana. Nanova azy izany tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Rehefa manaiky izany fampanantenana hanana ny Fanahy miaraka amintsika lalandava izany isika dia azon’ny Mpamonjy omena antsika ilay fahadiovana takiana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra (jereo ny F&F 14:7).

Tsaroanareo ilay tenin’ny Mpamonjy hoe: “Ankehitriny dia izao no didy: Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa atỳ Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany” (3 Nefia 27:20).

Miaraka amin’ity fampanantenana avy amin’ny Tompo ity ireo didy ireo:

“Ary ankehitriny, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao—eny hanao araka ny hitsiny, handeha amim-panetren-tena, hitsara araka ny rariny; ary izany no Fanahiko.

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno fifaliana ny fanahinao” (F&F 11:12–13).

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray ary i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty no mitarika ny Fiangonany ary mihazo ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra i Thomas S. Monson, ary ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina no mitarika sy manohana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mpikambana feno fanetrentena ao anatiny.

Ary mijoro ho vavolombelona lalindalina kokoa aho fa ireto lehilahy mahafinaritra izay vao niresaka tamintsika androany ireto amin’ny maha-vavolombelon’ny Tompo Jesoa Kristy azy ireo, amin’ny maha-mpikambana azy ireo ato amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nantsoin’ Andriamanitra. Fantatro fa nibitsika ny Filoha Monson ny Fanahy hiantso azy ireo. Teo am-pihainoana azy ireo sy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona dia nanamafy ny fahamarinana taminareo araka izay nolazaiko anareo vao teo ny Fanahy Masina. Voantson’ Andriamanitra izy ireo. Manohana azy ireo aho. Tiako izy ireo ary fantatro fa tia azy ireo ny Tompo ary hanohana azy ireo eo amin’ny antsony. Izany no ataoko amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 20.3.10.

  2. Jereo ny George Q. Cannon, ao amin’ny “Minutes of a Conference,” Millennial Star, 2 mey 1863, 275–76.