2010–2019
Ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra
Oktobra 2015


Ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra

Ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra dia maneho antsika ny ilàna ny fibebahana tsy tapaka eo amin’ny fiainantsika mba hahafahantsika mihazona ela araka izay azo atao ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Maro amintsika izay mivory etoana mba handray anjara amin’ity fihaonambe ity no tonga mba “handre ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra, eny, dia ny teny izay manasitrana ny fanahy maratra” (Jakôba 2:8). Hita ao anatin’ny soratra masina sy ao anatin’ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika antsika izany teny izany, izay mitondra fanantenana sy fampiononana ao anatin’ny haizin’ny fahoriana.

Mianatra isika amin’ny alalan’ny traikefa ananantsika eo amin’ny fiainana fa tsy feno ny fifaliana eto amin’ity izao tontolo izao ity, fa ao amin’i Jesoa Kristy dia feno ny fifaliantsika (jereo ny F&F 101:36). Homeny antsika ny tanjaka mba tsy hiaretany izay mety ho karazam-pahoriana ka tsy ho voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy (jereo ny Almà 31:38).

Mety ho feno fahoriana ny fontsika rehefa mahita ny olon-tiantsika miaritra ireo fanaintainana noho ny aretina mahatsiravina.

Mety hiteraka alahelo goavana eo amintsika ny fahafatesan’ny olona iray izay tiantsika.

Rehefa tsy miaina araka ireo fitsipiky ny filazantara ireo zanantsika dia mety hahatsapa fahamelohana sy fisalasalana ny amin’ny hoaviny mandrakizay isika.

Mety hanomboka hihena ny fanantenana ny hanatanteraka fanambadiana mandrakizay sy ny hanorina fianakaviana iray rehefa mandeha ny fotoana.

Mety hamela fery tena maharary ao anatintsika ny herisetra nataon’ireo olona izay noheverina fa tia antsika.

Ny fivadiham-pitokisan’ny vady iray dia mety hanimba ny fiarahana izay nantenaintsika fa ho mandrakizay.

Ireo rehetra ireo sy ireo fahoriana hafa izay tsy afa-misaraka amin’ity fizahan-toetra ity indraindray dia mahatonga antsika hametraka amin’ny tenantsika ilay fanontaniana izay napetraky ny Mpaminany Joseph Smith manao hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?” (F&F 121:1).

Mandritra ireny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika ireny, ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra izay manasitrana ny fanahy maratra dia mitondra izao hafatra feno fampiononana ho an’ny fontsika sy ny saintsika manaraka izao:

“Fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

“Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra” (F&F 121:7–8).

Ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra dia mahafeno fanantenana antsika, satria fantatsika fa ireo izay mahatoky amin’ny fahoriana dia hahazo valisoa lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ary “tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana” (jereo ny F&F 58:3–4).

Ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra, izay lazain’ireo mpaminany, dia manome toky antsika fa ny famehezana antsika mandrakizay, izay vokatry ny fahatokiantsika tamin’ireo fampanantenan’ Andriamanitra nomena antsika noho ny fanompoantsika tamin’ny zotom-po hampitoetra ny fahamarinana, dia hitahy antsika sy ny taranantsika (jereo ny Orson F. Whitney, ao amin’ny Conference Report, apr. 1929, 110).

Manome antsika toky ihany koa izany fa tsy hisy fitahiana ho very noho ny tsy nahavitana nanao zavatra raha toa ka tsy nomena fahafahana nanao izany mihitsy isika, rehefa niaina tamim-pinoana. Rehefa niaina tamim-pinoana isika mandrapahatonga ny fotoana hahafatesantsika, dia “hahazo ireo fitahiana rehetra sy ny fisandratana ary ny voninahitra izay ho azon’ny lehilahy na vehivavy rehetra [izay efa nanana izany fahafahana izany].” (Jereo ny The Teachings of Lorenzo Snow, ed. Clyde J. Williams [1984], 138.)

Izao dia zava-dehibe ny mahatakatra fa mety hiditra ao amin’ny fiainantsika ihany koa ny fijaliana sy ny fahoriana raha toa ka tsy mibebaka marina amin’ny fahotantsika isika. Nampianatra izany ny Filoha Marion G. Romney: “Ny ankamaroan’ny fijaliana sy ny fahoriana iaretan’ny olona amin’ity tany ity dia vokatry ny fahotana tsy nibebahana sy tsy voavela. … Tahaka ny fijaliana sy ny alahelo izay vokatry ny fahotana ihany, ny fahasambarana sy ny fifaliana dia vokatry ny famelana ny fahotana” (ao amin’ny Conference Report, 11 apr. 1959).

Nahoana no miteraka fijaliana sy fanaintainana ny tsy fibebahana?

Iray amin’ireo mety ho valiny ny hoe “nisy ny famaizana mitovana, sy ny lalàna marina omena izay nitondra fanenenan’ny fieritreretana” (Almà 42:18; jereo koa ny andininy 16). Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa isika ihany no hanameloka ny tenantsika ary ny fijaliana avy amin’ny fahadisoam-panantenana ao an-tsaintsika ihany no mahatonga izany ho mafy toy ny farihin’afo sy solifara mirehitra (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 224).

Raha toa ka miezaka ny hampitony ny feon’ny fieritreretantsika isika amin’ny fiezahana ny “hanala tsiny ny [tenantsika] na dia kely ihany aza noho ny [fahotantsika]” (Almà 42:30) na amin’ny fiezahana ny hanafina izany, dia ny hanafintohina ny Fanahy (jereo ny F&F 121:37) sy ny hanemotra ny fibebahantsika no hany zavatra ho tanterahantsika. Io karazana fanamaivanana io, ankoatra ny maha-maharitra izany, dia hitondra fanaintainana sy alahelo bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika any amin’ny farany, ka hampihena ny fahafahantsika mahazo ny famelana ny fahotantsika.

Ho an’io karazana fijaliana io, ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra dia hitondra fampiononana sy fanantenana ihany koa; milaza amintsika izany fa misy fanamaivanana ny fanaintainana nateraky ny fahotana. Io fanamaivanana io dia tonga avy amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary mihatra raha toa ka maneho finoana sy mibebaka ary mankatò ireo didiny isika.

Zava-dehibe ny mahatsapa fa tahaka ny famelana ny fahotana ihany, ny fibebahana dia dingana fa tsy zavatra izay miseho amin’ny fotoana iray manokana. Mitaky tsy fiovaovana izany ao amin’ny dingana tsirairay ao anatiny.

Ohatra, rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mampiseho amin’ny Tompo fa hahatsiaro Azy mandrakariva sy hitandrina ny didiny. Fanehoana ny finiavantsika amin-kitsimpo izany.

Ny fotoana hanombohantsika mahatsiaro Azy sy mitandrina ny didiny isan’andro—fa tsy amin’ny andro Sabata ihany—dia rehefa manomboka misy vokany tsikelikely ny famelana ny fahotantsika sy rehefa manomboka tanteraka ilay fampanantenany hoe hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.

Raha tsy misy an’ilay fankatoavana izay tsy maintsy miaraka amin’ny finiavantsika dia mety hanjavona faingana ilay vokatry ny famelana ary manomboka miala ny finamanan’ny Fanahy. Ho lasa mankalaza Azy amin’ny molotra kanefa manalavitra Aminy ny fontsika isika (jereo ny 2 Nefia 27:25).

Ankoatra ny fampiononana, ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra dia mampitandrina antsika fa io dingan’ny fahazoana ny famelana ny fahotantsika io dia mety ho tapaka raha toa ka manomboka voafandriky ny “zava-poan’izao tontolo izao” isika ary dia hiverina indray izany amin’ny alalan’ny finoana rehefa mibebaka sy manetry ny tenantsika amin-kitsimpo tokoa isika (jereo ny F&F 20:5–6).

Inona avy no mety ho sasany amin’ireo zava-poana izay mety hanembantsembana ao amin’ny dingan’ny fahazoana ny famelana ny fahotantsika sy izay mifandray amin’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina?

Ohatra sasany amin’izany ny fahatongavantsika tara tsy manana antony mitombona amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo; ny fahatongavantsika hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka tsy amim-pahamendrehana, tsy nanombantombana ny tenantsika mialoha (jereo ny 1 Korintiana 11:28); ny fahatongavantsika kanefa tsy mbola niaiky ny fahotantsika ka nangataka famelan-keloka tamin’Andrimamanitra noho ny amin’izany aloha.

Ohatra hafa: ny fampisehoana tsy fanajana amin’ny fifanakalozana hafatra amin’ny fitaovana elektrônikantsika sy ny fivoahana miala ny fivoriana rehefa vita ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ary ny fanaovana asa any an-tokantranontsika izay tsy mifanaraka amin’io andro masina io.

Inona no mety ho iray amin’ireo antony mahatonga antsika tsy mitandrina ny andro Sabata ho masina matetika, na dia mahafantatra ireo zavatra rehetra ireo aza?

Afaka mahita valinteny izay, na mifandraika amin’ny sabata aza, dia mihatra ihany koa amin’ireo didy hafa tsy maintsy tandremantsika isika ao amin’ny bokin’i Isaia. “[Miarova] ny tongotrao amin’ny Sabata […] ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masina” (Isaia 58:13).

Ny andian-teny manan-danja dia ny hoe “miaro ny … [amin’ny tsy fanaovana] izay tianao,” na raha amin’ny teny hafa dia hoe: manao ny sitrapon’ Andriamanitra. Matetika ny sitrapontsika—izay manaraka ny faniriana sy ny filàn’ny olona araka ny nofo—dia mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Nampianatra ny mpaminany Brigham Young fa “rehefa manoa tanteraka an’ Andriamanitra sy ireo sitrapony ny sitrapo sy ny filàna ary ny fahatsapan’ny olona iray, dia nohamasinina izany olona izany. Izany dia mba hahatonga ny sitrapoko ho voatelina ao amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, izay hitarika ahy amin’ny tsara rehetra, ary amin’ny farany dia hampisatroka ahy ny satroboninahitry ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay” (Deseret News, 7 sept. 1854, 1).

Ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra dia manasa antsika hampiasa ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy mba hampihatra izany amin’ny fiainantsika ka hihavana amin’ny sitrapony—fa tsy amin’ny sitrapon’ny devoly sy ny nofo—amin’izay isika dia ho azo vonjena amin’ny alalan’ny fahasoavany (jereo ny 2 Nefia 10:24–25).

Ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra izay zaraintsika androany dia maneho antsika ny ilàna ny fibebahana tsy tapaka eo amin’ny fiainantsika mba hahafahantsika mihazona ela araka izay azo atao ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Hahatonga antsika ho olona tsaratsara kokoa ny fananana ny Fanahy ho namana. Hibitsika fiadanana sy fifaliana amin’ny [fanahintsika] izy, … hanala ny lolompo, ny fankahalana, ny fialonana, ny fifandirana ary ny ratsy rehetra avy ao am-pontsika izy; ary ny faniriantsika rehetra dia ny hanao ny tsara sy ny hitondra ny fahamarinana ary ny hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra” (jereo ny Teachings: Joseph Smith [2007], 98).

Noho ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia tsy ho tafintohina isika na hanafintohina ny hafa; hahatsapa fahasambarana bebe kokoa isika, ary hadio kokoa ny eritreritsika. Hitombo ny fitiavantsika ny hafa. Ho vonona kokoa ny hamela heloka sy hizara fahasambarana amin’ireo manodidina antsika isika.

Ho feno fankasitrahana isika mahita ny fivoaran’ny hafa, ary hikatsaka ny tsara ao amin’izy ireo isika.

Manantena aho fa hiaina ny fifaliana izay azo avy amin’ny fiezahana ny hiaina amim-pahamarinana isika ary hitazona ny finamanan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsimpo sy tsy tapaka. Ho lasa olona tsara kokoa isika, ary ho voatahy ny fianakaviantsika. Ireo fitsipika ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.