2010–2019
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana
Oktobra 2015


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana

Ry rahalahy sy rahavavy, nangataka ahy ny Filoha Monson ankehitriny mba hanolotra aminareo ireo Manampahefana Ambony, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary fiadidian’ny vondrona fanampiny maneran-tany an’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Aroso amintsika mba hotohanana i Thomas Spencer Monson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; i Henry Bennion Eyring ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary i Dieter Friedrich Uchtdorf ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Voarakitra an-tsoratra ny fanohanana.

Aroso amintsika ny hanohanantsika an’i Russell M. Nelson ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’izany kôlejy izany: Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, ary, ho mpikambana vaovao ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, ary i Dale G. Renlund.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho toy izany koa.

Voarakitra an-tsoratra ny fanohanana.

Aroso amintsika ny mba hanohanantsika ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ireo rehetra izay manohana, aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho amin’izany fomba izany koa.

Voarakitra an-tsoratra ny fanohanana.

Noho ireo antsony hanompo ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia isaorantsika etoana i Ronald A. Rasband tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ary ny Loholona Rasband sy ny Loholona Dale G. Renlund tamin’ny naha-mpikambana azy ireo tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy.

Ireo izay maniry haneho fankasitrahana dia afaka manao izany.

Aroso ny hanehoantsika fisaorana amim-pankasitrahana noho ireo asa fanompoana feno fanolorantena nataon’izy ireo ho an’ny Loholona Don R. Clarke tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy ary ny Loholona Koichi Aoyagi sy ny Loholona Bruce A. Carlson tamin’ny naha-mpikambana azy ireo tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy ary tendrena ho Manampahefana Ambony nisaorana tamim-boninahitra izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiara-haneho fisaorana aminay ho azy ireo tamin’ny asa fanompoana mendrika izay vitany dia iangaviana haneho izany.

Tianay koa ny hanolotra fisaorana an’i Serhii A. Kovalov tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy.

Ireo izay maniry ny hiara-haneho fankasitrahana aminay ho azy noho ny asa fanompoana nataony dia iangaviana haneho izany.

Amin’izao dia ambaranay ny fisaorana natolotra ny Rahalahy John S. Tanner tamin’ny naha-mpanolotsaina voalohany azy tao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany sy Rahalahy Devin G. Durrant tamin’ny naha-mpanolotsaina faharoa azy tao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany. Araka ny efa nampahafantarina teo aloha dia notendrena hanompo ho filohan’ny BYU–Hawaii ny Rahalahy Tanner.

Ireo rehetra izay te hiara-haneho fankasitrahana aminay ho an’ireo rahalahy ireo tamin’ny asa fanompoana sy ny fanolorantena nataony dia iangaviana haneho izany.

Nantsoina ho mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany ny Rahalahy Devin G. Durrant ary i Brian K. Ashton ho mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany.

Ireo izay mankasitraka dia asaina haneho izany.

Ireo manohitra, raha misy.

Aroso amintsika ny hanohanantsika ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra hafa ary ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny hafa araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay mankasitraka dia iangaviana haneho izany.

Ireo manohitra koa mba hanao izany.

Voarakitra an-tsoratra ny fanohanana. Manasa ireo izay naneho fanoherana izahay mba hanatona ireo filohan’ny tsatòkany.

Ry rahalahy sy rahavavy, ankasitrahanay ny finoanareo sy ny vavaka ataonareo ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana.

Angatahintsika izao ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba haka ny toerany ety amin’ny lampihazo. Hanana fahafahana izy ireo hiresaka amintsika rahampitso maraina.