2010–2019
Amin’ny Fijerin’ Andriamanitra
Oktobra 2015


Amin’ny Fijerin’ Andriamanitra

Mba hanompoana ny hafa amim-pahombiazana, dia mila mijery azy ireo amin’ny fijerin’ny ray aman-dreny isika, amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra.

Ry rahalahy sy anabaviko malala isany, misaotra anareo noho ny fanohananareo ahy ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo omaly. Sarotra ny milaza hoe hatraiza ny maha-zava-dehibe izany amiko. Feno fankasitrahana manokana aho noho ny fanohanana nataon’ny vehivavy roa tena miavaka eo amin’ny fiainako: i Ruth vadiko, sy i Ashley zanakavavy malalanay sy tianay ary maminay.

Ny antsoko dia porofo mivaingana ny amin’ny fahamarinan’ilay teny nataon’ny Tompo tamin’ny fiandohan’ity fotoampitantanana ity manao hoe: “Mba ho azon’ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsarako.”1 Iray amin’ireo malemy sy tsotra ireo aho. Taona maro lasa izay, fony aho nantsoina ho evekan’ny paroasy iray any Etazonia andrefana, dia niantso ahy an-tariby ny rahalahiko, izay zokiko kely fotsiny fa hendry lavitra noho ny tenako. Hoy izy, “Mila mahafantatra ianao hoe ny Tompo dia tsy niantso anao noho ny zavatra nataonao. Raha ny aminao manokana, dia angamba mety hoe niantso anao Izy na dia teo aza ny zavatra nataonao. Niantso anao ny Tompo noho ny zavatra izay mila ataony amin’ny alalanao, ary tsy hitranga izany raha tsy amin’ny fombany no hanaovanao izany.” Hitako hoe vao mainka manan-kery kokoa izany fahendren’ny zokilahy izany ankehitriny.

Misy zavatra mahagaga mitranga amin’ny asa fanompoan’ny misiônera rehefa fantany fa tsy mikasika ny momba azy ilay antso; fa mikasika kosa ny momba ny Tompo sy ny asany ary ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Tsapako hoe marina koa izany ho an’ny Apôstôly. Tsy mikasika ny momba ahy ity antso ity. Mikasika ny momba ny Tompo sy ny asany ary ireo zanaky ny Ray any An-danitra ilay izy. Na inona na inona andraikitra na antso ao amin’ny Fiangonana, mba hahafahan’ny olona iray manompo tsara, dia tsy maintsy manompo izy omban’ny fahafantarana fa ny rehetra izay tompontsika “dia zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, … dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”2

Tamin’ny asako taloha, dia mpitsabo misahana izay mahakasika ny fo ny tenako ary niofana manokana ny amin’ny tsy fahatomombanana sy ny fanoloana ny ampahany amin’ny fo aho, ary maro amin’ireo olona tsaboiko no narary mafy. Misangisangy ny vadiko milaza fa fambara ratsy ny hoe lasa olona tsaboiko. Tsy atao vazivazy anefa fa nahita olona maro nodimandry aho, ary lasa nanana fahazarana mihazona fihetsehampo aho. Amin’izay mihena ny fahatsapana alahelo sy fahadisoam-panantenana.

Tamin’ny taona 1986 dia nisy zatovolahy iray antsoina hoe Chad nanana tsy fahatomombanana teo amin’ny fony ka nosoloina ny ampahan’ny fony. Salama tsara izy nandritra ny dimy ambin’ny folo taona. Nanao izay azony natao i Chad mba hijanonana ho salama tsara sy hananana fiainana toy ny an’ny rehetra araka izay vitany. Nanao asa fitoriana izy, niasa, ary zanaka feno fanolorantena ho an’ireo ray aman-dreniny. Ireo taona vitsivitsy farany niainany anefa, dia feno olana, ary matetika izy no niditra sy nivoaka ny hôpitaly.

Indray takariva, dia nentina tao amin’ny sampana vonjy aina maika izy ary efa nijanona ny fony. Nanao izay hiverenan’ny fikorian’ny rany izaho sy ireo mpiara-miasa tamiko nandritra ny fotoana ela. Tamin’ny farany, dia niharihary fa tsy afaka novelomina intsony i Chad. Najanonay ireo ezaka nandamòka, ary nambarako fa maty izy. Na dia nalahelo sy diso fanantenana aza aho, dia notazoniko ho fihetsika matihanina ny fihetsiko. Hoy aho nieritreritra hoe: “Efa nokarakaraina tsara i Chad. Efa niaina taona maro izy mihoatra noho izay mety ho niainany raha tsy teo izany.” Tsy ela dia niala izay fihazonako fihetsehampo izay rehefa niditra tao amin’ilay efitranon’ny vonjy aina maika ny ray aman-dreniny ka nahita ny zanany maty izay nandry teo amin’ny fandriana fitondrana marary. Tamin’izay fotoana izay, dia tamin’ny fomba fijerin’ny reniny sy ny rainy no nijereko an’i Chad. Nahita ireo fanantenana sy zavatra maro nandrandrain’izy ireo taminy aho, ilay faniriana nananan’izy ireo ny mba hiainany elaela kokoa sy tsaratsaka kely kokoa. Rehefa nahita izany aho, dia nanomboka nitomany. Toa nifamadika ny anjara asanay satria ny ray aman-drenin’i Chad indray no nampahery ahy.

Ankehitriny dia hitako fa ato amin’ny Fiangonana, mba hanompoana ny hafa amim-pahombiazana, dia mila mijery azy ireo amin’ny fijerin’ny ray aman-dreny isika, amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra. Amin’izay ihany isika vao afaka manomboka mahatakatra ny tena hasarobidin’ny olona iray. Amin’izany ihany isika vao afaka mahatsapa ny fanirian’ny Mpamonjy hikarakara azy ireny. Tsy afaka ny hotanterahintsika feno ilay fanekempihavanana nataontsika mba hiara-malahelo amin’izay malahelo sy hampionona ireo izay mila fampiononana raha tsy mijery azy ireny amin’ny fijerin’ Andriamanitra isika.3 Izany fomba fijery mivelatra izany dia hanokatra ny fontsika amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny tahotra ary ny ratram-pon’ny hafa. Kanefa ny Ray any An-danitra dia hanampy sy hampahery antsika, mitovy amin’ny nampaherezan’ny ray aman-drenin’i Chad ahy taona maro lasa izay. Mila manana maso mahita sy sofina mandre ary fo mahalala sy mahatsapa isika rehefa hanatanteraka ny fanampiana izay amporisihan’ny Filoha Thomas S. Monson matetika mba hataontsika.4

Rehefa mijery amin’ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra ihany isika vao afaka ny ho heniky “ny fitiavana madion’i Kristy.”5 Tokony hitalaho amin’ Andriamanitra isan’andro isika mba hanana izany fitiavana izany. Nampitandrina i Môrmôna hoe: “Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany.”6

Maniry amin’ny foko manontolo ny ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy aho.7 Tiako Izy. Itsaohako Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa tena velona marina Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy ilay Voahosotra, ilay Mesia. Izaho dia vavolombelon’ny fahasoavany sy ny famindrampony ary ny fitiavany tsy manam-paharoa. Entiko ny fijoroako ho vavolombelona ho fanampin’ny an’ireo Apôstôly izay nilaza tamin’ny taona 2000 hoe: “I Jesoa no ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty intsony. … Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.”8

Mijoro ho vavolombelona aho fa tamin’ny andro iray tamin’ny taona 1820 tao amin’ny alakely iray tany New York, ny Tompo izay efa nitsangana tamin’ny maty dia niseho niaraka tamin’ Andriamanitra, Raintsika any An-danitra tamin’ny Mpaminany Joseph Smith araka ny nolazain’i Joseph Smith. Tena niseho izy ireo. Ety an-tany ankehitriny ireo fanalahidin’ny Fisoronana mba hahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy manome famonjena sy fisandratana. Fantatro izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:23.

  2. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv. 2010, 129. Novakian’ny Filoha Gordon B. Hinckley tao anatin’ny hafatra natolony tao amin’ny Fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana izay natao tamin’ny 23 septambra 1995, tao Salt Lake City, Utah.

  3. Jereo ny Môsià 18:8–10.

  4. Jereo ohatra ny Thomas S. Monson, “To the Rescue,” Liahona, jolay 2001, 57–60; “Our Responsibility to Rescue,” Liahona, Ôkt. 2013, 4–5. Namerimberina ireo hevitra ireo ny Filoha Monson ao amin’ny hafatra nomeny an’ireo Manampahefana Ambony tamin’ny 30 septambra 2015, ary nampahatsiahiviny an’ireo izay nivory tao fa izy dia nanantitrantitra ilay hafatra nomeny an’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny fivoriany tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany tamin’ny Aprily 2009.

  5. Môrônia 7:47.

  6. Môrônia 7:48.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:27–28:

    “Ary ho mpianatro ny Roambinifololahy ary hitondra ny anarako izy ireo; ary ny Roambinifololahy dia ireo izay haniry ny hitondra ny anarako amin’ny fo feno finiavana.

    “Ary raha maniry ny hitondra ny anarako amin’ny fo feno finiavana izy ireo dia antsoina handeha eran’izao tontolo izao hitory ny filazantsarako amin’ny olona rehetra.”

  8. “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Liahona, apr. 2000, 3. Rehefa milaza izany eto aho, dia toy ny mametraka ny soniako ho fanampiny eo amin’ilay taratasy, mitondra ny tenivavolombelona mitovy amin’izay nomen’ireo Apôstôly ireo.