2010–2019
Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
Oktobra 2015


Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?

Raha toa ka manetry tena sy azo ampianarina isika dia hisarika antsika hivoatra sy hitarika antsika hody ny Fanahy Masina, saingy mila mangataka torolalana avy amin’ny Tompo isika eny an-dalana.

Fony mbola tanora dia nanomboka namantatra ny Fiangonana aho. Tamin’ny voalohany dia liana tamin’ny filazantsara noho ireo ohatra nasehon’ireo namako izay Olomasin’ny Andro Farany aho, saingy tamin’ny farany dia ilay fotopampianarana miavaka no nanintona ahy. Gaga tokoa aho rehefa fantatro fa afaka mivoatra hatrany ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky ary amin’ny farany lasa tahaka ireo ray aman-dreny any an-danitra. Tiako izany fotokevitra izany. Tsapako fa marina izany.

Fotoana fohy taorian’ny batisako dia nandalina ny Toriteny teo An-tendrombohitra aho ary fantatro fa nampianatra izany fahamarinana momba ny fivoarana mandrakizay izany tao amin’ny Baiboly i Jesoa. Niteny Izy hoe: “Koa amin’izany dia aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any An-danitra.”1

Efa 40 taona mahery izay no naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy, ary isaky ny mamaky io andinin-tsoratra masina io aho dia tsaroako ny tanjontsika eto ambonin’ny tany. Tonga mba hianatra sy hivoatra isika mandra-pahatongantsika ho masina sy tanteraka ao amin’i Kristy izay mandeha tsikelikely.

Tsy mora ny dian’ny maha-mpianatra. Nantsoina hoe: “fandaharam-pianaran’ny fivoarana tsy tapaka” izany.2 Rehefa mandeha eo amin’ilay lalana ety sy tery isika dia mampanao fanamby antsika hatrany ny Fanahy mba ho tsara kokoa sy hianika ambonimbony kokoa. Ny Fanahy Masina no namana mpiara-dia tsara indrindra. Raha toa ka manetry tena sy azo ampianarina isika dia hitantana antsika sy hitarika antsika hody izy.

Mila mangataka fitarihana avy amin’ny Tompo anefa isika eny an-dalana. Mila mametraka fanontaniana sarotra vitsivitsy isika, toy ny hoe: “Inona no ilaiko ovaina?”, “Ahoana no ahafahako mivoatra?”, “Inona ny fahalemena tokony hampahatanjahina?”

Handeha hodinihintsika ny tantaran’ilay zatovo mpanapaka nanan-karena ao amin’ny Testamenta Vaovao. Zatovo marin-toetra izy izay efa nitandrina ny Didy Folo kanefa te ho tonga tsara kokoa. Ny fiainana mandrakizay no tanjony.

Rehefa nihaona tamin’ny Mpamonjy izy dia nanontany hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”3

Namaly avy hatrany i Jesoa, nanome torohevitra izay natao manokana ho an’ilay zatovolahy mpanankarena: “Ary hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana anidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia … avia hanaraka Ahy.”4

Gaga ilay zatovolahy. Tsy nieritreritra ny hahafoy zavatra tahaka izany izy. Nanana fanetrentena ampy izy mba hametrahana fanontaniana amin’ny Tompo saingy tsy ampy fahatokiana mba hanaraka ilay torohevitra avy amin’ Andriamanitra izay nomena azy. Tsy maintsy vonona ny hanao asa isika rehefa mandray valinteny iray.

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Raha toa ka te ho tanteraka isika tsirairay avy dia tsy maintsy hisy fotoana hametrahantsika amin’ny tenantsika ilay fanontaniana hoe: ‘Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?’”5

Nahafantatra renim-pianakaviana mahatoky iray aho izay nanetry ny tenany ka nanontany hoe: “Inona no manakana ahy tsy hivoatra?” Tonga avy hatrany ny valim-panontaniana avy amin’ny Fanahy raha ny momba azy: “Atsaharo ny fimenomenomana.” Nahagaga azy izany valinteny izany, tsy nihevitra ny tenany ho mpimenomenona na oviana na oviana izy. Nazava tsara anefa ilay hafatra avy tamin’ny Fanahy Masina. Nanjary fantany ny fahazarany mimenomenona tao anatin’ireo andro nanaraka izany. Feno fankasitrahana an’ilay bitsika nanosika azy hivoatra ka nanapa-kevitra ny hanisa ireo fitahiana azony toy izay ireo olana nananany. Afaka andro maromaro dia nahatsapa ny fankasitrahana feno fitiavana avy tamin’ny Fanahy izy.

Nanatona ny Tompo nitady fanampiana ny tovolahy iray izay toa tsy nahita izay tovovavy ho vadiny: “Inona no manakana ahy tsy ho ilay lehilahy tokony hovadiana?” hoy izy nanontany. Tonga tao an-tsainy sy tao am-pony izao valinteny izao: “Diovy ny fomba fiteninao?” Fantany tamin’izay fotoana izay fa lasa tafiditra tao anatin’ny voambolana nampiasainy ireo fiteny tsy mahalala fomba maro, ka nanolo-tena ny hiova izy.

Nametraka fanontaniana iray tamim-pahasahiana ny rahavavy tokan-tena iray: “Inona no ilaiko ovaina?” dia nibitsika taminy ny Fanahy hoe: “Aza mitsatsaingoka rehefa miteny ny olona.” Tena manome torohevitra mifanaraka amintsika mihitsy ny Fanahy Masina. Namana marin-toetra tanteraka izy ary hilaza amintsika ireo zavatra izay tsy misy mahafantatra na tsy sahin’ny olona lazaina.

Rera-tsaina noho ny fandaharam-potoana mavesatra ny misiônera avy nanao asa fitoriana iray. Niezaka nitady fotoana ho an’ny asa, ny fianarana, ny fianakaviana ary ny antso any am-piangonana izy. Nangataka torohevitra tamin’ny Tompo izy hoe: “Ahoana no ahafahako mahatsapa filaminan-tsaina eo anatrehan’ireo zavatra rehetra tokony hataoko?” Tsy izay nandrasany no valinteny azony. Nanana fahatsapana izy fa tokony hitandrina bebe kokoa ny andro Sabata ka hihazona izany ho masina. Nanapa-kevitra ny hanolotra ny Alahady hanompoana Andriamantra izy—tsy nikasika ny fianarany tany am-pianarana izy tamin’izany andro izany fa nandalina ny filazantsara kosa. Izany fanovana kely izany dia nitondra ilay fiadanana sy fampifandanjana izay nokatsahiny.

Taona maro lasa izay dia namaky ny tantaran’ny ankizivavy iray izay nipetraka lavitra ny tokantranony sy nianatra tany amin’ny oniversite tao anatin’ny gazetibokin’ny Fiangonana aho. Tsy naharaka ny fianarany izy, tsy araka izay nantenainy ny fifandraisany tamin’ny hafa, ary tsy faly izy tamin’ny ankapobeny. Farany, nandohalika izy indray andro ary nihiaka hoe: “Inona no azoko atao mba hampivoarana ny fiainako?” Nibitsika ny Fanahy hoe: “Mitsangana ary diovy ny efitranonao.” Nahagaga tanteraka izany bitsika izany, kanefa izany no ilay fanombohana nilainy. Rehefa avy nanokana fotoana nandaminan-javatra izy dia nahatsapa ny Fanahy nanenika ny efitranony sy nankahery ny fony.

Tsy miteny amintsika mba hampivoatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny indray mandeha ny Fanahy Masina. Raha izany no nataony dia hanjary ho kivy sy hilavo lefona isika. Ny Fanahy dia miara-miasa amin’ny hafainganam-pandehantsika manokana, mandeha tsikelikely, na araka ny nampianarin’ny Tompo hoe: “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, … ary sambatra ireo izay mihaino ny fitsipiko, … fa izay mandray no homeko bebe kokoa.”6 Ohatra, raha toa ka nibitsika taminao mba hisaotra matetika kokoa ny Fanahy Masina ka mamaly avy hatrany izany bitsika izany isika dia mety hahatsapa izy fa tonga ny fotoana handrosoanao amin’ny zavatra sarotsarotra kokoa—toy ny fianarana miteny hoe: “Azafady, izaho no diso.”

Sary
Fianakaviana iray mandray ny fanasan’ny Tompo

Ny fotoana handraisantsika ny Fanasan’ny Tompo no fotoana tonga lafatra hanontaniana ny Tompo hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Nampianatra ny Apôstôly Paoly fa fotoana ho an’ny tsirairay amintsika mba handinihantsika ny tenantsika izany.7 Mandritra izany fotoam-panajana lalina izany, rehefa mankany an-danitra ny eritreritsika, dia afaka milaza amin-katsaram-panahy amintsika izay tokony hataontsika manaraka ny Tompo.

Nahazo hafatra maro avy tamin’ny Fanahy tahaka anareo koa aho nandritra ny taona maro izay nampiseho ahy ny fomba ahafahako mivoatra. Mamela ahy hizara ohatra vitsivitsy manokana amin’ireo hafatra ireo izay nekeko tanteraka. Anisan’ireo bitsika ireo ny hoe:

  • Aza mampiaka-peo.

  • Halamino ny fiainanao; ataovy lisitra ny zavatra atao isan’andro.

  • Karakarao bebe kokoa ny vatanao amin’ny alalan’ny fihinanana voankazo sy legioma betsaka kokoa.

  • Ampitomboy ny fandehananao any amin’ny tempoly.

  • Makà fotoana hisaintsainana mialohan’ny hivavahanao.

  • Mangataha torohevitra any amin’ny vadinao.

  • Ary manàna faharetana rehefa mamily fiara; aza mihoatra ny hafainganam-pandeha voafetra. (Mbola miezaka amin’io iray io foana aho.)

Ny Sorompanavotana no mahatonga ny fahalavorariana sy ny fahamasinana. Tsy afaka manao izany velively amin’ny alalan’ny tenantsika fotsiny isika, saingy ampy mba hanampiana antsika ny fahasoavan’ Andriamanitra. Nilaza ny Loholona David A. Bednar indray mandeha hoe: “Ny ankamaroantsika dia mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao ho an’ny mpanota. Tsy tena matoky aho anefa fa isika dia mahafantatra sy mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao koa ho an’ireo olomasina—ho an’ireo lehilahy sy vehivavy tsara izay mankatò, mendrika ary tompon’andraikitra sy miezaka ny ho lasa tsara kokoa.”8

Sary
Vehivavy iray mivavaka

Te hanoro hevitra ny mba handraisan’ny tsirairay avy aminareo anjara hanao fampiharana ara-panahy aho ato ho ato, angamba anio alina rehefa mivavaka ianareo. Apetraho amim-panetrentena amin’ny Tompo izao fanontaniana manaraka izao: “Inona no manakana ahy tsy handroso?” Amin’ny teny hafa dia hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Dia miandrasa valinteny iray amim-pahanginana. Raha toa ka mahitsy ny fonareo dia hanjary ho mazava tsy ho ela ilay valinteny. Ho fanambarana natao ho anareo manokana izany.

Mety hiteny aminareo ny Fanahy hoe mila mamela ny heloky ny olona iray ianareo. Na mety hahazo hafatra mba hanivana bebe kokoa ireo horonantsary jerenareo na ny mozika henoinareo ianareo. Mety hibitsika aminareo ny Fanahy mba ho marin-toetra bebe kokoa ianareo amin’ny fandraharahana ataonareo na hanome betsaka kokoa ianareo amin’ny fanatitry ny fifadian-kaniana ataonareo. Tsy misy fiafarany ireo zavatra azo atao.

Afaka mampiseho ireo fahalementsika ny Fanahy, kanefa afaka mampiseho antsika ny tanjatsika ihany koa Izy. Mila manontany isika indraindray hoe inona ireo zavatra mety ny fanaovantsika azy mba hahafahan’ny Tompo mankahery sy mandrisika antsika. Rehefa mamaky ny tsodranon’ny patriarka isika dia ampahatsiahivina fa fantatry ny Ray any an-danitra ny hery masina ananantsika ao anatintsika. Faly Izy isaky ny mandroso isika. Ny lalana alehantsika no manan-danja bebe kokoa Aminy noho ny hafainganam-pandehantsika.

Mikiriza, ry rahalahy sy anabavy, kanefa aza kivy na oviana na oviana. Tsy hahatratra ny fahatanterahana mandritra ny fiainana eto an-tany isika, saingy afaka mametraka ny fototra eto isika. “Adidintsika ny ho tsara kokoa anio mihoatra ny omaly, ary ho tsara kokoa rahampitso mihoatra ny androany.”9

Raha toa ka tsy laharampahamehana eo amin’ny fiainantsika ny fivoarana ara-panahy, raha toa ka tsy manaraka ilay fandaharam-pianaran’ny fivoarana tsy tapaka isika dia tsy hahazo ireo traikefa manan-danja izay tian’ Andriamanitra omena antsika.

Namaky ireto tenin’ny Filoha Spencer W. Kimball ireto aho taona maro lasa izay, izay nisy fiantraikany maharitra teo amiko. Hoy izy hoe: “Nianatra aho fa rehefa eo ny fo tia mivavaka, ny faniriana mafy hanao ny fahamarinana, ny fialana amin’ny fahotana, ary ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia mandrotsaka fahazavana bebe kokoa hatrany ny Tompo mandra-pisian’ny hery handoaka ny voalin’ny lanitra amin’ny farany. … Ny olo-marina tahaka izany dia mahazo ilay fampanantenana tsy voavidy vola fa hahita ny endriky ny Tompo Izy ary hahafantatra fa Izy no Tompo.”10

Ny vavaka ataoko dia ny hahazoantsika izany traikefa lehibe indrindra izany indray andro any, rehefa avelantsika hitarika antsika hody ny Fanahy Masina. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 5:48.

  2. Neal A. Maxwell, “Testifying of the Great and Glorious Atonement,” Liahona, apr. 2002, 9.

  3. Matio 19:20.

  4. Matio 19:21.

  5. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Harold B. Lee (2000), 197.

  6. 2 Nefia 28:30.

  7. Jereo ny 1 Korintiana 11:28.

  8. David A. Bednar, “Ny Sorompanavotana sy ilay dia eto an-tany,” Liahona, apr. 2012, 14.

  9. Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 (1954–56), 2:18–19.

  10. Spencer W. Kimball, “Give the Lord Your Loyalty,” Tambuli, feb. 1981, 47.