2010–2019
Mendrika ireo fitahiana nampanantenaina antsika
Oktobra 2015


Mendrika ireo fitahiana nampanantenaina antsika

Tokony hifantohan’ny saintsika isan’andro ny fieritreretana ireo fitahiana lehibe nampanantenain’ny Raintsika antsika.

Tsy mahatehotia ve iny rahavavy iny? Fantatray fa maro aminareo izay tsy nanana fahafahana mba hanan-janaka hotezainareo manokana no nandany ny fiainanareo tamin’ny fitiavana sy fampianarana ary fitahiana ny zanaky ny hafa. Ary tena tian’ny Raintsika any An-danitra sy tianay izay rahavavinareo tokoa ianareo noho izany!

Sary
Zatovovavy tanora iray mihazona zaza vao teraka

Moa ve isika rehetra, tafiditra ao anatin’izany ianareo rahavavy zandry malala ao amin’ny Kilonga sy Zatovovavy, efa nanana fahafahana nitrotro zazakely vao menavava ka nitraka nijery ny masonareo izy? Moa ve isika efa nahatsapa ilay tontolo masina manodidina izany fanahy selestialy izany, izay nampidirin’ny Raintsika any An-danitra vao haingana tao anatin’ilay vatany kely madio vao noforonina? Mahalana ny fotoana niainako fahatsapan-javatra izay tena mamy sy tena mampihetsi-po ary tena masina toy izany.

Ny vatantsika dia fanomezana masina avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Tempolin’ny tena manokana izy ireny. Rehefa hazonintsika ho madio izany dia afaka ny ho mendrika hanampy ny Raintsika any An-danitra hamorona vatana ho an’ireo fanahy izay zanaka malalany isika.

Sary
Manafatrafatra ny Filoha Packer

Tao anatin’ilay lahatenin’ny fihaonamben’ny fiangonana farany nataon’ny Filoha Boyd K. Packer, izay mety hoe “mofomamy sy oroka” no ahatadidiavanareo azy dia nijoro ho vavolombelona izy fa “ny didy hihabetsaka sy hameno ny tany [dia] … zava-dehibe … ary loharanon’ny fahasambaran’ny olombelona [izany]. Afaka ny ho akaikin’ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahamarinana io fahefana [enti-mamorona] io ary hahatsapa ny fahafenoan’ny fifaliana, dia ho lasa andriamanitra mihitsy aza. Tsy famenon’ny drafitry ny fahasambarana fotsiny ny hery ahafahana miteraka fa drafitry ny fahasambarana izany.”

Notohizany hoe:

“Ny tena fitiavana dia mitaky ny tsy hizarana raha tsy aorian’ny fanambadiana io fitiavana izay mamaha ireo fahefana masina ireo … [amin’ny alalan’ny fisorohana] ireo toe-javatra izay mety hampanjakazaka ny faniriana ara-batana. …

“… Miankina amin’ny fihetsitsika manoloana izany faniriana ara-batana tsy tapaka sy mandresy lahatra izany ny fahasambarantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ny fisandratantsika.”1

Ry rahavaviko malala isany, na ny tanora na tsy dia tanora intsony, nanana fahatsapana tebiteby lehibe aho teo am-panomanana ity lahateny ity. Toy izao ny nolazain’i Almà Zanany hoe: “Iriako hatrany amin’ny aty foko indrindra … ny hiantsoanareo ny anarany masina ary ny hiambenanareo sy ny hivavahanareo lalandava mba tsy hahazoana maka fanahy anareo mihoatra noho izay azonareo zakaina, … mba ho azo hasandratra ianareo amin’ny andro farany.”2

Nijoro ho vavolombelona koa i Môrmôna taty aoriana fa tamin’ny andron’i Almà, i Kôrihôra ilay antikristy dia “[nitory] … , nampaniasia ny fon’ny … vehivavy maro.”3

Ry Rahavavy, i Satana dia nanangana faneva “mitovy amin’i Kôrihôra” amin’izao androntsika izao ary mitombo ny fahombiazany. Inona ny fitaovana sasantsasany ampiasainy? Tantaram-pitiavana mahasodoka anaty boky, tantara mitohy amin’ny fahitalavitra, vehivavy manambady mifampiresaka amin’ny olon-tiana taloha ao amin’ny tambazotra ifaneraserana ary ny pôrnôgrafia. Tsy maintsy mitandrina tsara isika ry rahavavy malala! Tsy afaka ny hoe hilalao amin’ireo zana-tsipìka mirehitr’i Satana ireo isika ka tsy ho may. Tsy mahalala zavatra hafa izay hanome fahafahana antsika hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava mihoatra noho ny hatsaran-toetra aho!

Maro ny olona eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no mitady valisoa azo eo no ho eo sy fahalalana azo eo no ho eo amin’ny internet. Hahazo fitahiana mihoa-pampana kosa isika raha toa ka mampiasa finoana sy faharetana dia mandeha any amin’ny Raintsika any an-danitra izay loharanon’ny fahamarinana rehetra. Maro ireo valiny sy fahazoan-toky ho azo avy amin’ny fandalinana isan’andro sy fianarana ny soratra masina ary ny vavaka amin-kitsimpo sy am-piangaviana, fa ny Internet kosa dia tsy hahazoana fampanantenana toy izany. Nijoro ho vavolombelona i Jakôba mpaminany hoe: “Fa milaza ny marina ny Fanahy ary tsy mandainga. Noho izany, izy dia milaza ny amin’ny zavatra araka ny tena toetrany sy ny amin’ny zavatra araka ny ho tena toetrany.”4

Rehefa mandray anjara amin’ny fijerena na famakiana na amin’ny fiainana zavatra izay ambany kokoa noho ireo fenitra napetraky ny Raintsika any an-danitra isika dia mamparefo antsika izany ry rahavavy malala. Na firy taona isika na firy taona, raha toa ny zavatra jerentsika, na vakiantsika, na henointsika na safidiantsika hatao tsy mifanaraka amin’ireo fenitry ny Tompo ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts, dia ajanony, ario na poteho izany dia akatony ny varavarana.

Sary
Ny Mpamonjy tao Getsemane

Tsy misy tonga lafatra amintsika rehetra saingy raha nanota isika dia nampahatsiahy antsika ny Filoha Packer hoe:

“Ny fampanantenana dia hoe: ‘Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony’ (F&F 58:42). …

“… Tsy mitondra holatra ilay Sorompanavotana izay afaka mamonjy antsika indray. Midika izany hoe na inona na inona zavatra nataontsika, na taiza na taiza nisy antsika ary na nanao ahoana ny fitrangan’ny zavatra iray, rehefa tena mibebaka isika, … rehefa nanonitra Izy, dia voalamina ny momba izany. Maro amintsika no mihotakotaka toy ny mahatsapa ho meloka izany ka tsy mahafantatra tsara ny fomba hahatafavoahana. Tafavoaka ianao amin’ny alalan’ny fanekena ny Sorompanavotan’i Kristy ary hatsarana sy fitiavana ary mandrakizay no haka ny toeran’ny zavatra rehetra izay nampijaly.”5

Ankoatra ny fibebahana dia inona ireo fanampiana na fitaovana nomena antsika mba hanampiana antsika hitoetra ho madio sy ho tsara toetra? Ireo Kilongantsika sy Zatovovavintsika dia samy mahay mihira ilay hira hoe “Scripture Power” (Ny Herin’ny Soratra Masina).6 Moa ve isika tsy afaka ny hampiditra ao anatin’izany koa ny “Herin’ny Vavaka,” ny “Herin’ny Tempoly,” ny “Herin’ny Fanekempihavanana” ary ny “Herin’ny Hatsaran-toetra”?

Misy fitahiana lehibe sy fampanantenana mitondra fiarovana koa mifandray amin’ny fanaovana araka ny tokony ho izy ny garmentan’ny tempolintsika. Lasa nanana fahatsapana aho fa toy ireny manao akanjo faran’izay mihaja nomen’ny Raiko any an-danitra ahy ireny. Rehefa miezaka ny manao ny garmenta araka ny tokony ho izy isika, dia mijoro ho vavolombelona aho fa raisin’ny Raintsika ho toy ny mariky ny fitiavantsika Azy sy ny fanolorantenantsika Aminy izany. Marik’ireo fanekempihavanana nataontsika taminy izany ary nampanantena Izy hoe: “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana.”7

Vao haingana aho no niresaka tamin’ny namana efa hatry ny ela anankiray izay nandalo fisaraham-panambadiana roa noho ny fiankinan-doha sy ny fanitsakitsaham-bady nataon’ireo vadiny. Tena nijaly izy sy ireo zanany telo. Nitalaho izy hoe: “Niezaka mafy ny hiaina amim-pahamarinana aho. Nahoana aho no tratran’ny fitsapana maro toy izao? Inona no tsy mety nataoko? Inona no tian’ny Ray any An-danitra hataoko? Mivavaka sy mamaky ny soratra masina aho, manampy ireo zanako aho, ary mankany amin’ny tempoly matetika.”

Rehefa nihaino io rahavavy io aho, dia te hikiakiaka mafy hoe: “Efa manao izay tokony hatao ianao! Efa ataonao izay rehetra tian’ny Ray any An-danitra hataonao sy antenainy fa hataonao!”

Mazava ho azy fa maro ireo nilaza fa “diso lavitra loatra” ireo fitahiana nampanantenain’ny Raintsika antsika, indrindra rehefa tototry ny olana ny fiainantsika. Saingy nampianatra ny zanany lahy i Almà fa “izao fiainana izao no fotoana … hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra.”8 Tsy hoe handraisana fotsiny ireo fitahiana rehetra ho antsika. Nanazava ny Filoha Packer fa ny hoe “‘ary dia niaina tamim-pifaliana mandrakizay izy ireo’ dia tsy voasoratra velively ao amin’ny fizarana faharoan’ny tantara an-tsehatra. Any amin’ny fizarana fahatelo no ahitana io fehezanteny io rehefa voavaha ny misitery ary nilamina araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra.”9 Kanefa tokony hifantohan’ny saintsika isan’andro ny fieritreretana ireo fitahiana lehibe nampanantenain’ny Raintsika antsika—ary koa ny fahafantarana “ny habetsahan’ny famindrampony”10 izay iainantsika isan’andro.

Tsy fantatro ny antony mahatonga ireo fitsapana maro eo amintsika, saingy ny fahatsapako manokana ry rahavavy isany dia hoe, lehibe tokoa, mandrakizay sy tsy manam-petra mihitsy, ary tena mahafinaritra sy mihoatra noho ny fahatakarantsika ilay valisoa hany ka amin’io andro handraisana valisoa io dia hilaza amin’ny Raintsika feno famindrampo sy be fitiavana isika hoe: “Izay fotsiny ve ny zavatra notakiana?” Mino aho fa raha afaka mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro ny halalin’ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika isika, dia ho vonona ny hanao izay hangatahany amintsika isika mba hiverenana eo anatrehan’izy ireo indray. Inona moa izay fijaliantsika tety, ry rahavavy malala isany, raha toa ka amin’ny farany, ireo fitsapana ireo no tena hahatonga antsika ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana faratampony ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo?

Mijoro ho vavolombelona aho fa fanomezana masina avy amin’ny Raintsika any An-danitra ny vatantsika ary rehefa mihazona ny fiainantsika ho madio amin’ny alalan’ilay sorona natolotry ny Mpamonjy antsika isika, sy mihazona ilay fifantohana amin’ny fieritreretana ireo valisoa nampanantenain’ny Raintsika isan’andro, dia handray “izay rehetra ananan’ny Rain[tsika].”11 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.