2010–2019
Manolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra
Oktobra 2015


Manolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra

Rehefa manokatra ny fontsika handray ny Fanahy isika, dia mahafantatra ny fomban’ Andriamanitra sy mahatsapa ny sitrapony.

Ny Loholona Dallin H. Oaks dia niresaka mikasika ny ilana ny “hanovana ny fiainantsika manokana” nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny volana Aprily.1 Manoro hevitra aho hoe ny fanovana ny tena manokana dia manomboka amin’ny fiovan’ny fo—na inona na inona toe-javatra iainanao eo amin’ny fiainanao ary na taiza na taiza toerana nahaterahanao.

Avy any amin’ny faritra tena lavitra ao Atsimon’i Etazonia aho ary ny tonon’ny hira Protestanta fahiny iray dia nampianatra ahy nandritra ny fahatanorako mikasika ny fon’ny tena mpianatra anankiray—ilay fo izay niova. Diniho ity tononkira izay tena mamiko ity:

Ataovy izay tianao hatao amiko ry Tompo!

Ataovy izay tianao!

Ianao ilay Mpanefy tanimanga;

Izaho ilay tanimanga.

Volavolao ary amboary aho

araka izay tianao,

Fa miandry aho

Sady manaiky no tony.2

Ahoana no ahafahantsika olona izay maoderina sy be atao ary tia fifaninana ity hanaiky sy ho tony? Ahoana no ahafahantsika mandray ny fomban’ny Tompo ho lasa fombantsika? Mino aho fa manomboka izany isika amin’ny alalan’ny fianarana momba Azy sy ny fivavahana mba hahazo fahatakarana. Rehefa mitombo ny fahatokiantsika Azy, dia manokatra ny fontsika isika ary mikatsaka ny hanao ny sitrapony sy miandry valiny izay hanampy antsika mba hahatakatra.

Ny fiovan’ny foko manokana dia nanomboka tamin’izaho 12 taona rehefa nanomboka nitady an’ Andriamanitra aho. Ankoatra ny fanaovana ny Vavaky ny Tompo,3 dia tsy nahay nivavaka loatra aho. Tsaroako izaho ilay nandohaliko, nanantena ny mba hahatsapa ny fitiavany ary nanontany hoe: “Aiza ianao ry Ray any An-danitra? Fantatro fa tena any ho any ianao fa aiza?” Nangataka foana aho nandritra ny taona nahatanora ahy. Efa nahazo fahalalana kely mikasika ny fisian’i Jesoa Kristy ihany aho saingy navelan’ny Ray any An-danitra, tao anatin’ny fahendreny, hikatsaka sy hiandry nandritra ny 10 taona.

Tapitra ny fiandrasako tamin’ny 1970 rehefa nampianarin’ny misiônera mikasika ny drafitry ny famonjen’ny Ray sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy aho. Nandray ireo fahamarinana ireo aho ary natao batisa.

Tao anatin’ny fifotorana tamin’io fahalalana ny famindrampon’ny Tompo sy ny heriny io dia nisafidy an’ity tarigetran’ ny fianakaviana ity izaho sy ny vadiko ary ny zanako: “Hilamina ny zava-drehetra amin’ny farany.” Ahoana anefa no ahafahantsika mifampiteny an’ireo teny ireo rehefa misy olana goavana miseho sy rehefa tsy misy valiny azo mora foana?

Rehefa nampidirina hôpitaly noho ny ratra mafy nahazo azy i Georgia zanakay vavy izay 21 taona, taorian’ny loza tamin’ny bisikileta, dia nilaza ny fianakavianay hoe: “Hilamina ny zava-drehetra amin’ny farany.” Nanana finoana tamin’izany tarigetran’ny fianakaviana izany aho rehefa nandray fiaramanidina avy hatrany niainga tany amin’ny misiôna nisy anay tany Brésil nankany Indianapolis, Indiana, Etazonia mba ho eo akaikiny. Nodimandry ora vitsy monja talohan’ny niantsonan’ny fiaramanidiko anefa ilay zanakavavy malalanay. Ahoana moa no ahafahanay hifampijery sy mbola hiteny hoe: “Hilamina ny zava-drehetra amin’ny farany” nefa tratran’ny fahoriana sy ny fahatairana toy ireny rianaratra ireny ny fianakavianay?

Taorian’ny nahafatesan’i Georgia dia tena mafy ny zavatra tsapanay ary sahirana izahay ary na ankehitriny aza dia mbola misy fotoana hahatsapanay alahelo lehibe, saingy mifikitra amin’ilay fahatakarana hoe tsy misy olona hoe tena maty izany izahay. Na dia teo aza ny alahelonay noho ny fitsaharan’ny fiasan’ny vatan’i Georgia, dia nanana finoana izahay fa tonga izy dia velona amin’ny endrika fanahy iray ary mino izahay fa hiara-hiaina aminy mandrakizay raha toa ka mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonay tany amin’ny tempoly. Manampy antsika hanamafy ny tarigetrantsika amim-paharesen-dahatra ny finoana amin’ny Mpanavotra sy amin’ny fitsanganany amin’ny maty, finoana amin’ny herin’ny fisoronany ary finoana amin’ireo famatorana mandrakizay.

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Raha manao ny tsara indrindra avy amintsika isika, dia hilamina ny zava-drehetra amin’ny farany. Apetraho eo amin’ Andriamanitra ny fahatokianareo. … Tsy hanary anareo ny Tompo.”4

Tsy miteny akory ilay tarigetran’ny fianakavianay hoe: “Hilamina izao dia izao ny zava-drehetra.” Ilazana ilay fanantanenantsika an’ilay vokany mandrakizay izany—fa tsy voatery hoe ilay vokany amin’izao fotoana izao. Milaza ny soratra masina hoe: “Mitadiava amim-pahazotoana, mivavaha mandrakariva, ary minoa dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoanareo.”5 Tsy midika izany hoe ny zavatra rehetra dia tsara, saingy ho an’ny malemy fanahy sy ny mahatoky—ny zavatra tsara sy tsy tsara—dia miaraka miasa mba hahasoa antsika ary miseho araka ny fotoan’ny Tompo izany. Miandry Azy isika, indraindray tahaka an’i Joba tao anatin’ny fijaliany, ao anatin’ny fahafantarana fa Andriamanitra dia “sady mandratra no mamehy: manorotoro izy, ary ny tanany ihany no manasitrana.”6 Ny fo malemy dia manaiky fitsapana ary miandry ilay fotoana hahatongavan’ny fahasitranana tanteraka.

Rehefa manokatra ny fontsika handray ny Fanahy isika, dia mahafantatra ny fomban’ Andriamanitra sy mahatsapa ny sitrapony. Mandritra ny fanasan’ny Tompo, izay antsoiko hoe ilay zavatra manan-danja indrindra ao amin’ny Sabata, dia hitako fa tsara ho ahy ny manontany ny Ray any An-danitra hoe “Misy zavatra hafa ve?” rehefa avy mivavaka mangatahana famelana ny fahotana. Rehefa malemy fanahy sy tony isika dia afaka mahazo fitarihana hahita zavatra bebe kokoa izay ilaintsika ovaina—zavatra izay mametra ny fahafahantsika mandray fitarihana ara-panahy na fahasitranana sy fanampiana mihitsy aza.

Ohatra, mety hoe nihazona lolompo tamin’olona iray aho. Rehefa manontany aho sao misy zavatra hafa tokony hibabohana dia tonga mazava ao an-tsaiko io “tsiambaratelo” io. Ny Fanahy Masina indrindra indrindra dia mibitsika hoe: “Nanontany tamim-kitsimpo ianao raha toa mbola misy hafa ka dia indro ary izany. Mampihena ny fivoarana ny fanananao lolompo ary manimba ny fahafahanao hanana fifandraisana madio. Azonao esorina izany.” Tena asa mafy izany—ary mety hahatsapa ho toy ny manana ny rariny izany isika amin’ny hasosorana ao anatintsika—saingy ny fanekena ny fomban’ny Tompo no hany fomba mitondra any amin’ny fahasambarana maharitra.

Handray amin’ny fotoany sy miandalana ilay heriny sy fitarihany feno fitiavana isika—mety hitarika antsika handeha matetika any amin’ny tempoly izany na handalina lalina kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy na haka torohevitra amin’ny namana iray na eveka iray na mpanorohevitra matihanina iray na dokotera iray mihitsy aza. Manomboka ny fahasitranan’ny fontsika rehefa manoa an’ Andriamanitra sy mitsaoka Azy isika.

Manomboka ny fitsaohana marina rehefa marina eo anoloan’ny Ray sy ny Zanaka ny fontsika. Manao ahoana ny fontsika amin’izao fotoana izao? Raha ara-kevimifanohitra dia tsy maintsy avelantsika ho torotoro eo anatrehan’ny Tompo ny fo aloha mba hahazoantsika fo sitrana sy mahatoky. “Haterinao ho sorona ho ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina,”7 hoy ny nambaran’ny Tompo. Ny vokatry ny fanaterantsika ho sorona ho an’ny Tompo ny fontsika sy ny sitrapontsika dia ny fahazoantsika fitarihana ara-panahy izay ilaintsika.

Hitantsika fa manomboka vakin’ny fahatsapana fankasitrahana ny fontsika be sitrapo rehefa mitombo ny fahatakarana ny fahasoavan’ny Tompo sy ny famindrampony. Dia manatona Azy isika, maniry ny hifikitra amin’ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra. Mahazo fanantenana sy fitarihana vaovao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika ao anatin’ilay fanatonantsika sy fifikirantsika amin’ny fo torotoro.

Sahirana aho tamin’ny fanalana ilay faniriana amin’ny maha-olombelona hoe ny fombako ihany no arahina, saingy tsapako tamin’ny farany fa tena tsy ampy sy voafetra ary ambany teo anatrehan’ilay fomban’i Jesoa Kristy ny fombako. “Ny fombany no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ilay tontolo ho avy.”8 Moa ve isika afaka mitia bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny fombany toy izay mitia ny tenantsika sy ny fandaharam-potoanantsika?

Mety misy olona sasantsasany mieritreritra fa tsy nahomby imbetsaka izy ireo ary mahatsapa ho tsy manana hery intsony hanovana ireo fihetsika mifono fahotana na ireo faniriana ara-nofon’ny fo. Saingy amin’ny maha-ao anatin’i Isiraely nanao fanekempihavanana antsika, dia tsy hoe miezaka foana fotsiny amin’ny alalan’ny tenantsika manokana mba hiova isika. Rehefa mitalaho mafy amin’ Andriamanitra isika dia ekeny amin’izay ahitany antsika eo isika—ary ovainy ho tsara kokoa noho izay azontsika eritreretina. Ilay teôlôjiana malaza Robert L. Millet dia nanoratra mikasika ny faniriana ny hivoatra araka ny tokony ho izy miaraka amin’ny fahatokiana ara-panahy fa hahomby isika ao amin’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalany.9 Rehefa manana fahatakarana toy izany isika dia afaka miteny amin-kitsimpo amin’ny Ray any An-danitra hoe:

Ny fahatokiako ny fiahianao,

Miampy ‘lay fitia,

No haneken’ny fo tsotr’izao:

Atao anie ny sitrakao.10

Rehefa manolotra ny fontsika torotoro ho an’i Jesoa Kristy isika dia manaiky ilay fanatitra atolotsika Azy Izy. Raisiny indray isika. Na inona na inona fahoriana na ratra na fandavana nozakaintsika dia ambony kokoa noho ny rehetra ny fahasoavany sy ny fanasitranany. Afaka milaza amim-pahatokiana isika rehefa tafafikitra tsara amin’ny Mpamonjy hoe: “Hilamina daholo ny zava-drehetra amin’ny farany.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 32.

  2. “Have Thine Own Way, Lord,” The Cokesbury Worship Hymnal, no. 72.

  3. Jereo ny Matio 6:9–13.

  4. Gordon B. Hinckley, fihaonamben’ny faritra tany Jordan Utah South, fivorian’ny fisoronana, 1 Mar. 1997; jereo koa ny “Excerpts from Addresses of President Gordon B. Hinckley,” Ensign, Ôkt. 2000, 73.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24.

  6. Joba 5:18.

  7. 3 Nefia 9:20.

  8. “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Liahona, apr. 2000, 2; nampiana fanamafisana.

  9. Robert L. Millet, After All We Can Do: Grace Works (2003), 133.

  10. “Ny làlanao no làlako,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 56.