2010–2019
Ny dingana manaraka hataonao
Oktobra 2015


Ny dingana manaraka hataonao

Manasa anao hanao ny dingana manaraka mitondra mankany amin’izy ireo ny Rainao any An-danitra be fitiavana sy ny Zanany Jesoa Kristy. Aza miandriandry. Ataovy izao izany.

Nalahelo ny foko nandritra ny fivoriana iray vao haingana niaraka tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany tena mahafinaritra. Napetraka ny fanontaniana hoe: “Iza no maniry hiara-hiaina amin’ny Ray any An-danitra indray?” Nitsangana daholo ny tanana rehetra. Ny fanontaniana manaraka dia hoe: “Iza no manana fahatokiana fa hahomby amin’izany?” Indrisy ary tena nahagaga fa tsy nisy nitsangana ny ankamaroan’ireo tanana.

Rehefa hitantsika fa misy fahasamihafana eo amin’ny maha-izy antsika amin’izao fotoana izao sy ilay iriantsika hahatongavan’ny tenantsika, dia maro amintsika no alaim-panahy hisafidy ny hanary finoana sy fanantenana.1

“Ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra,”2 noho izany dia hilaintsika ny hodiovina amin’ny fahotana3 sy hamasinina4 mba hiarahana miaina Aminy indray. Raha isika irery, fotsiny no asaina manao izany dia tsy hisy hahavita izany. Saingy tsy irery isika. Tsy irery velively isika raha ny marina.

Manana ny fanampian’ny lanitra isika noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.5 Hoy ny Mpamonjy hoe: “Raha manam-pinoana Ahy ianareo dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko.”6 Rehefa ampiharina ny finoana dia mitombo izany.

Ndeha isika hiaraka handinika fitsipika telo izay hanampy antsika eo amin’ilay diantsika miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra.

Aoka ianao ho tonga tahaka ny ankizy madinika

Nampiseho io fitsipika voalohany io ny zafikelinay lahy zandriny indrindra. Rehefa avy nianatra nandady ka nitsangana avy eo, dia vonona ny hanandrana handeha izy. Nandritra ny fanandramany namindra voalohany dia nianjery sy nitomany izy ary naneho endrika izay nilaza hoe: “Tsy hanandrana velively izany—intsony—aho! Hanohy handady tsotra fotsiny aho.”

Rehefa tafintohina sy nianjera izy dia tsy mba nahatsapa ny ray aman-dreniny hoe tsy misy antenaina ny aminy na tsy handeha velively izy. Fa nosokafan’izy ireo kosa ny sandrin’izy ireo sady niantso azy ka niezaka indray izy sady nibanjina azy ireo mba handroso hamonjy ilay fihina feno fitiavan’izy ireo.

Ny ray aman-dreny be fitiavana dia vonona foana hitsena miaraka amin’ny sandry mivelatra na dia dingana faran’izay kely mankany amin’ny lalana tokony ho izy aza no vitantsika. Fantany fa hitondra any amin’ny fivoarana sy fahombiazana ny fahavononantsika hiezaka hatrany.

Nampianatra ny Mpamonjy fa tsy maintsy tonga tahaka ny ankizy madinika isika raha handova ny fanjakan’ Andriamanitra.7 Noho izany raha eo amin’ny lafiny ara-panahy, ny fitsipika voalohany dia ny hoe mila manao izay nataontsika fony mbola ankizy isika.8

Miaraka amin’ilay fanentrentena ananan’ny ankizy sy ny fahavononana hifantoka amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika, dia manao dingana mankany amin’izy ireo isika ka tsy milavo lefona velively na dia mianjera aza. Faly amin’ny dingana tsirairay sy ny dingana rehetra natao tamim-pinoana ny Raintsika any An-danitra ary raha lavo isika dia faly amin’ny ezaka tsirairay izay ataontsika mba hiarenana sy hiezahana indray Izy.

Mandraisa andraikitra amim-pinoana

Io fitsipika faharoa io dia nampisehon’ny Olomasina mahatoky anankiroa izay samy naniry mafy ny hahita ilay namana mandrakizay. Samy nanao dingana ombam-bavaka sy tamim-pinoana feno izy ireo.

Nahafoy zavatra sy nanangom-bola i Yuri, izay Olomasin’ny Andro Farany Rosiana iray, mba hanaovana dia lavitra mankany amin’ny tempoly. Nahita vehivavy tsara tarehy miramirana anankiray izy tao anaty fiarandalamby ary nahatsapa fa tokony hizara ny filazantsara aminy. Noho ny tsy fahafantarany izay tokony hatao dia nanomboka namaky zavatra tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ka nanantena hoe ho tsikarin’ilay vehivavy izany.

Tsy fantatr’i Yuri hoe efa Olomasin’ny Andro Farany ilay vehivavy izay Mariya no anarany. Noho ny tsy fahafantarany hoe efa mpikambana koa i Yuri ary noho ny fanarahany ilay bitsika azony fa tokony hizara ny filazantsara aminy izy, dia nanomboka namaky zavatra avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ka nanantena hoe ho tsikaritr’i Yuri izany.

Ary rehefa niaraka nifampijery izy ireo dia taitra i Yuri sy i Mariya nahita ny Bokin’i Môrmôna samy teny an-tanan’ny tsirairay avy—ka taorian’ny fahatsapana fa raiki-pitia dia nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo. Mitondra anjara biriky lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny Fiangonana any Rosia ankehitriny i Yuri sy i Mariya Kutepov avy any Voronezh, Rosia.

Tsy hoe ny fahavanonan’izy roa handray andraikitra amim-pinoana fotsiny akory no zava-dehibe eto. Fa eo koa ilay fitsipika faharoa hoe—manao zavatra bebe kokoa noho ny fanatanterahana ny fahavononantsika handray andraikitra amim-pinoana ny Tompo. Tsy hoe ho tanteraka fotsiny ilay fahavononantsika hanao dingana; fa hihoatra lavitra aza izany amin’ny alalan’ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo.

Maniry mafy ny hitahy antsika ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika. Na izany na tsy izany ny iray ampahafolon’ny fitahiana omeny antsika ihany ange no angatahan’izy ireo dia mampanantena izy ireo fa hisokatra ny varavaran’ny lanitra!9

Isaky ny mandray andraikitra amim-pahavononana miaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika ary manao dingana iray hafa, indrindra fa dingana tsy mampahazo aina loatra izay mitaky fiovana na fibebahana, dia hahazo hery isika.10

Mijoro ho vavolombelona aho fa hitarika antsika any amin’ireo dingana manaraka hataontsika ny Tompo—ary mandritra—izany. Hanao zavatra bebe kokoa noho ny fanomezany ny heriny ao anatin’ny ezaka ataontsika Izy rehefa vonona ny hiezaka hatrany sy hibebaka ary handroso amim-pinoana miaraka amin’ny finoana ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy isika.

Ireo fanomezana ara-panahy dia tsy ampanantenaina fotsiny an’ireo izay tia an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny rehetra fa ampanantenaina koa an’ireo “mikatsaka [ny hanao izany]”11 izay ankasitrahana tokoa. Omena an’ireo izay mikatsaka sy miezaka hatrany izany.

Ny zavatra mitarika lehibe anankiroa isan-kerinandro izay manoritra ny diantsika miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra dia ny fanekempihavanana maharitry ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy ny fanajana ny andro Sabata. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana Farany teo fa fanomezana ho antsika avy amin’ny Tompo izany. Ny fanajantsika amim-piniavana ny Sabata no marika hamantaran’ny Tompo fa tiantsika Izy.12

Mijoro ho vavolombelona isaky ny andro Sabata isika fa “vonona ny hitondra [eo amintsika ny anarany], sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny.”13 Ho valin’ilay fontsika nibebaka sy ny fanolorantenantsika dia havaozin’ny Tompo ny famelana ny fahotana izay nampanantenaina ary omeny fahafahana “hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika isika].”14 Mampivoatra, mampahatanjaka, mampianatra ary mitarika antsika ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Raha mampitodika ny fontsika any amin’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ireo zavatra manan-danja anankiroa izay mitarika ireo dia hitombo bebe kokoa indray ny fitahiana nampanantenaina homen’ny Tompo noho ny ezaka ataontsika. Ampanantenaina isika fa ho antsika ny fahafenoan’ny tany rehefa mitandrina amim-piniavana ny andro Sabata isika.15

Ny lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra dia mitondra any amin’ny tranon’ny Tompo izay toerana ahazoantsika ilay fitahiana mba handray ôrdônansin’ny famonjena ho an’ny tenantsika sy ho an’ireo olon-tiantsika efa nodimandry. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa “ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana no lasa fepetra takiana mba hahatongavantsika eo anatrehan’[Andriamanitra].”16 Mivavaka aho mba ho mendrika lalandava ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly isika sy hampiasa izany mba hanompoana tsy tapaka.

Reseo ilay olona araka ny nofo

Ity ny fitsipika fahatelo: tsy maintsy manohitra ilay fironan’ny olona araka ny nofo hanemotra zavatra sy hilavo lefona isika.17

Hanao hadisoana imbetsaka isika rehefa mandroso eny amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana. Ny sasany amintsika mitolona amin’ireo fihetsika na fiankinan-doha izay tsapantsika fa tsy vita ny mandresy azy. Kanefa ny finoana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy dia fitsipika mifono andraikitra sy hery.18 Raha vonona ny handray andraikitra isika dia hahazo hery hibebahana sy hiovana.

Rehefa tsy manao dingana iray hafa omban’ny finoana ihany isika vao tsy mahomby. Tsy misy izany hoe tsy hahomby na tsy afaka ny hahomby izany raha mifikitra amim-pahatokiana amin’ny Mpamonjy isika—Izy ilay nahita fahombiazana foana ary tsy hanao izay tsy hahitantsika fahombiazana velively!

Fitahiana nampanantenaina

Mampanantena aho fa ho tanteraka ny dingana tsirairay natao tamim-pinoana miaraka amin’ny fanampian’ny lanitra. Ho tonga ny fitarihana rehefa mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra sy miantehitra amin’ny Mpamonjy antsika isika ary manaraka Azy sy mihaino ny Fanahy Masina. Ho tonga ny hery noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.19 Ho tonga ny fahasitranana sy ny famelan-keloka noho ny fahasoavan’ Andriamanitra.20 Ho tonga ny fahendrena sy ny faharetana amin’ny alalan’ny fahatokiana ny fandaharam-potoan’ny Tompo ho antsika. Ho tonga ny fiarovana amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminany velon’ Andriamanitra, ny Filoha Thomas S. Monson.

Nohariana ianao mba “hahazoa[nao] fifaliana,”21 fifaliana izay ho tsapanao rehefa miverina amim-pahamendrehana any amin’ny Rainao any An-danitra sy ny Mpamonjy anao ianao ary handray ilay fihina feno fitiavana avy amin’izy ireo.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ambony dia ambony ireo aho. Velona ilay Rainao any An-danitra be fitiavana sy ny Zanany Jesoa Kristy. Fantatr’izy ireo ianao. Tian’izy ireo ianao. Asainy amim-pitiavana ianao mba hanao ny dinganao manaraka mankany amin’izy ireo. Aza miandriandry. Ataovy izao izany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.