2010–2019
Lamina hahazoana fiadanana
Aprily 2016


Lamina hahazoana fiadanana

Ilay fiadanana izay katsahantsika rehetra dia mitaky antsika hanao zavatra, amin’ny alalan’ny fianarana amin’i Jesoa Kristy, sy ny fihainoana ny teniny, ary ny fiarahana mandeha Aminy.

Taona vitsivitsy lasa izay, nasaina niara-nampianatra kilasy tao amin’ny Kilonga ny zanakay vavy sy ny vinantolahinay, kilasy izay nahitana ankizilahy anankidimy izay efataona sady pelika. Ny zanakay vavy no voatendry hampianatra ary ny vinantonay lahy no voatendry handamina, ary nanao izay ho hafany izy roa hampanjaka endrikendrika filaminana, teo anivon’ny korontana tsindraindray, mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara an’ireto ankizy.

Nandritra ny fotoam-pianarana iray somary henjana, rehefa avy nampitandrina imbetsaka ny zazalahy pelika anankiray ny vinantolahinay dia nitondra an’ilay zaza efataona hivoaka ny efitrano. Rehefa tafavoaka ny efitrano ka saika hiresaka tamin’ilay zazalahy kely ny vinantolahinay mikasika ny fihetsika nataony sy ny tokony hitadiavana ny ray aman-dreniny, dia nosakanan’ilay zazalahy izy raha mbola tsy nahasoka-bava akory, izay nananga-tanana sady feno fihetsehampo tokoa ka niteny faingana hoe: “Indraindray—indraindray—dia tena sarotra amiko ny mieritreritra an’i Jesoa!”

Mandritra ny diantsika mamakivaky ny fiainana, na dia feno voninahitra tahaka ny inona aza ny toerana tiantsika aleha, ary na dia mety hampientanentana tahaka ny inona aza ilay dia, dia hiaina fitsapana sy fahoriana avokoa isika rehetra eny an-dalana. Nampianatra ny Loholona Joseph B. Wirthlin hoe: “Rehefa ela ny ela dia hanondro antsika ny fanondron’ny fahoriana. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy mandalo fahoriana ny tsirairay. Tsy misy afaka miala amin’izany.”1 Ny Tompo, noho ny fahendreny, dia tsy miaro na iza na iza tsy ho azon’ny fahoriana na ny alahelo.”2 Na izany aza, ny fahafahantsika mandroso am-piadanana mandritra ny dia dia miankina indrindra indrindra amin’ny hoe ho sarotra amintsika koa ve sa tsia ny hieritreritra an’i Jesoa.

Ny filaminan-tsaina, sy ny fiadanan-tsaina, ary ny fiadanam-po dia tsy miankina amin’ny fahaizantsika miala amin’ny fitsapana na ny fahoriana na ny ratra-po. Na dia eo aza ny fitalahoantsika amin-kitsimpo, dia tsy ny rivo-doza rehetra akory no hivily lalana, tsy ny aretina rehetra akory no ho sitranina, ary mety tsy ho takatsika tanteraka ny fotopampianarana na fitsipika na fomba fanao tsirairay ampianarin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Na izany aza dia nampanantenaina fiadanana isika, fa misy fepetra mifamatotra amin’izany.

Ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona dia nampianatra ny Mpamonjy fa na dia eo aza ireo fisedrana eo amin’ny fiainana, dia afaka mahatsapa fiadanana isika; afaka manantena isika ary tsy mila matahotra, satria nanambara Izy hoe: “Mba hanananareo fiadanana amiko.”3 Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony no fitsipika voalohany, ary ho izany mandrakizay, ao amin’ny filazantsara ary fototra hiorenan’ny fanantenantsika “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.”4

Eo amin’ny fikatsahantsika fiadanana rehefa mandalo ireo fanamby eo amin’ny fiainana isan’andro, dia nomena fomba tsotra isika hampifantohana hatrany ny saintsika amin’ny Mpamonjy, izay nilaza hoe: “Mianara amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao. Izaho no Jesoa Kristy.”5

Mianara dia mihainoa ary mandehana—dingana telo arahina fampanantenana.

Dingana voalohany: “Mianara Amiko”

Hitantsika ao amin’ny Isaia fa hoe: “Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’ Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany.”6

Any amin’ireo tempoly tsy mitsaha-mitombo isa izay aorina maneran-tany no hianarantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany eo amin’ny drafitry ny Ray amin’ny maha-Mpahary an’ity tontolo ity Azy, amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy, ary amin’ny maha-loharanon’ny fiadanantsika Azy.

Nampianatra ny Filoha Thomas Monson hoe: “Mety ho toerana feno fanamby sy manahirana izao tontolo izao izay iainantsika. … Rehefa mandeha mankany amin’ny trano masin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ary rehefa mahatsiaro ireo fanekempihavanana nataontsika tao, dia ho afaka ny hahazaka ireo fitsapana ary handresy ireo fakam-panahy tsirairay. Ao anatin’izany toerana izany no hahitantsika fiadanana.”7

Nandritra ny iraka iray nanatrehana fihaonamben’ny tsatòka iray, taona vitsivitsy lasa izay, fony aho nanompo tany Amerika Atsimo, dia nihaona tamin’ny mpivady iray aho izay ory dia ory noho ny nahafatesan’ny zanakalahin’izy ireo vao mena vava vao tsy ela.

Tamin’ny tafa sy dinika iray nandritra ilay fihaonambe no sambany nihaonako tamin-dRahalahy Tumiri ka nahafantarako mikasika ilay fahoriany. Teo am-piresahanay teo, dia nozarainy tamiko fa tsy hoe nalahelo mafy tokoa fotsiny izy noho ny nahalasanan’ny zanany lahy, fa tena ketraka ihany koa izy mieritreritra hoe tsy hahita azy intsony. Nazavainy fa tamin’izy ireo mbola vao mpikambana somary vaovao ihany dia nahangona vola ampy izy ireo nandehanana tany amin’ny tempoly indray mandeha fotsiny, talohan’ny nahaterahan’ilay zazalahy, ary nofehezina izy mivady ary nofehezina tamin’izy ireo ny zanak’izy ireo roa vavy. Avy eo dia notantarainy ny fomba nanangonan’izy ireo vola hiverenana any amin’ny tempoly saingy tsy mbola afaka nitondra ny zanakalahin’izy ireo mba hahafahan’izy ireo ho fehezina amin’izy io ihany koa.

Tsikaritro fa mety nisy fahadisoan-kevitra ka dia nazavaiko fa tena hahita ny zanany lahy indray izy, raha mitoetra ho mahatoky, satria ilay ôrdônansy izay nampitambatra azy tamin’ny vadiny sy ireo zanakavaviny dia ampy hahavoafehy azy amin’ny zanany lahy koa, izay teraka tao anatin’ny fanekempihavanana.

Talanjona izy ka nanontany raha toa ka tena marina izany, ka rehefa namafisiko hoe tena marina izany dia nanontany ahy izy raha toa aho ka afaka miresaka amin’ny vadiny izay tsy nety nampiononona nandritra izay tapa-bolana taorian’ny nahafatesan-janany izay.

Ny alahady tolakandro, taorian’ny fihaonambe, dia nihaona tamin-dRahavavy Tumiri aho ary nanazava taminy ihany koa io fotopampianarana feno voninahitra io. Mbola nivaivay ny fahoriany noho ny famoizana, saingy ankehitriny efa nitombo ny fanantenany, ka nanontany tamin-dranomaso izy hoe: “Tena ho afaka hitrotro an’ilay zazalahikeliko indray ve aho? Tena ahy mandrakizay tokoa ve izy?” Nomeko toky izy fa raha mitandrina ny fanekempihavanana nataony izy, dia ilay herin’ny famehezana hita ao amin’ny tempoly, izay manankery noho ny fahefan’i Jesoa Kristy, dia hahafahany tokoa ho tafaraka amin’ny zanany lahy indray ary hitrotro azy eny an-tsandriny.

Tamin-dranomasom-pankasitrahana no nandaozan-dRahavavy Tumiri ny fivoriana, na dia mbola nalahelo aza noho ny nahafatesan’ny zanany lahy, ary heniky ny fiadanana izy noho ireo ôrdônansy masin’ny tempoly, izay azo tanterahina noho ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Isaky ny manatrika any amin’ny tempoly isika, amin’ny zavatra rehetra izay rentsika sy ataontsika ary tenenintsika, amin’ny ôrdônansy rehetra izay andraisantsika anjara, ary amin’ny fanekempihavanana rehetra izay ataontsika, dia tarihana hanatona an’i Jesoa Kristy isika. Mahatsapa fiadanana isika rehefa mandre ny teniny sy mianatra avy amin’ny ohatra nasehony. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Mankanesa any amin’ny tranon’ny Tompo ary any dia ho tsapanao ny Fanahiny ka miombona Aminy, ary dia hahafantatra fiadanana izay tsy ho hitanao na aiza na aiza ianao.”8

Dingana faharoa: “Henoy ny teniko”

Mamaky isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”9 Manomboka tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’ny mpaminanintsika ankehitriny, Thomas Spencer Monson, dia niteny tamin’ny alalan’ny solotenany nahazo lalana ny Tompo. Ireo izay misafidy ny hankatò ny tenin’ny Tompo, araka izay omena amin’ny alalan’ireo mpaminaniny, dia hahazo fiarovana sy fiadanana.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mahita ohatra maro maneho ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ireo torohevitry ny mpaminany sy ny fanohanana ny mpaminany, anisan’izany ny lesona iray nosintonina avy tamin’ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina hita ao amin’ny 1 Nefia toko faha 8. Tsy mbola tomefy olona mihoatra noho ny amin’izao androntsika izao ilay trano mijoalajoala sy malalaka ary tsy mbola namitaka sy naneso ary nanakorontana mihoatra noho ny amin’izao ny tabataba mivoaka avy amin’ny varavarankeliny midanadana. Mamaky momba ny vondron’olona anankiroa isika ao amin’io toko io ary momba ireo fihetsika nasetrin’izy ireo an’ireo hiakiaka avy any amin’ilay trano.

Sary
Ny nofin’i Lehia

Manomboka amin’ny andininy 26, manao hoe:

“Ary nanopy ny masoko manodidina koa aho ka nahatazana terỳ ampitan’ny renirano, trano iray mijoalajoala sy malalaka. …

“Ary feno olona ilay trano, … ary nanao fihetsika fanesoana ireo no sady nanondro tamin’ny rantsantanany ireo izay efa tonga ka nihinana tamin’ny voan’ny hazo.

“Ary rehefa avy nanandrana tamin’ny voan’ny hazo izy dia nanjary menatra noho ireo izay namingavinga azy; ary dia nianjera tany amin’ny lalana voarara izy ka very.”10

Vakiantsika ao amin’ny andininy 33 ny mikasika ireo hafa izay nanana fihetsika hafa nasetriny an’ireo famingavingana sy fanesoana avy amin’ilay trano. Nanazava ny Mpaminany Lehia fa ireo izay tao amin’ilay trano dia “nanondro ahy sy ireo izay nihinana tamin’ny voan’ny hazo koa, tamin’ny rantsan-tanana mamingavinga; nefa tsy noraharahainay izy ireo.”11

Hita ao anatin’ny andian-teny anankiroa ny fahasamihafana manan-danja eo amin’ireo izay menatra ka lavo ary very sy ireo izay tsy niraharaha ireo fanesoana avy ao amin’ilay trano ka nanohana ny mpaminany: voalohany, “Ary rehefa avy nanandrana izy ireo” ary faharoa, “ireo izay nihinana.

Ilay vondron’olona voalohany dia tonga teo amin’ilay hazo, ary nanaraka ny mpaminany nandritra ny fotoana fohy saingy nanandrana fotsiny an’ilay voankazo. Ny tsy fanohizan’izy ireo ny fihinanana no namelan’izy ireo ny fanarabiana avy ao amin’ilay trano hisy fiantraikany teo amin’izy ireo, ka nahatonga azy ireo niala tamin’ny mpaminany ka nankany amin’ny lalana voarara, izay nahavery azy ireo.

Mifanohitra amin’ireo izay nanandrana ka nirenireny, dia ireo izay hita fa nihinana tsy tapaka ny voan’ilay hazo. Ireo olona ireo dia tsy niraharaha ny korontana avy tao amin’ilay trano, nitoetra niaraka tamin’ny mpaminany, ary nankafy ilay fiarovana sy fiadanana naterak’izany. Ny fanolorantenantsika amin’ny Tompo sy ireo mpanompony dia tsy afaka ny ho fanolorantena an-tselika. Raha izany no izy dia avelantsika ho mora andairan’ireo izay mikatsaka ny handrava ny fiadanantsika ny tenantsika. Rehefa mihaino ny Tompo isika amin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo lalana dia mijoro eo amin’ny toerana masina isika ka tsy ho voala teo.

Ilay fahavalo dia manolotra vahaolana sandoka izay mety ho toa manolotra valiny saingy vao mainka mitondra antsika lavitra kokoa an’ilay fiadanana katsahantsika. Manolotra fitaka izy izay manana ny endriky ny tena izy sy ny fiarovana saingy amin’ny farany, tahaka ilay trano mijoalajoala sy malalaka, dia hirodana, ka handrava ireo rehetra izay mitady fiadanana ao anatiny.

Ny fahamarinana dia hita ao amin’ny fahatsoran’ny hira iray ataon’ny Kilonga hoe: “Mpaminany no niteny hoe: Tandremo ny didy. Ahitana fiarovana sy fiadanana ao amin’izany.”12

Dingana fahatelo: “Mandehana amin’ny fahalemem-panahiko”

Na lavitra toy ny ahoana aza no niviliantsika niala tamin’ny lalana, dia manasa antsika ny Mpamonjy mba hiverina hiara-handeha Aminy. Io fanasana hiara-handeha amin’i Jesoa Kristy io dia fanasana hiaraka Aminy ho ao Getsemane, ary avy ao Getsemane mankany Kalvary, ary avy ao Kalvary mankany amin’ilay Fasana tao an-jaridaina. Fanasana hitandrina sy hampihatra ny sorompanavotana lehibe nataony izay tena mipàka any amin’ny tsirairay araka ny maha-tsy misy fetra izany. Fanasana hibebaka, hisintona ilay hery fanadiovana ananany, ary hiantsampy amin’ireo sandriny feno fitiavana sy mivelatra. Fanasana mba ho tony.

Sary
Asaina isika mba hiara-handeha Aminy.

Isika rehetra, teo amin’ny fiainantsika, dia efa samy nahatsapa ilay fanaintainana sy ratram-po nateraky ny fahotana sy ny fandikan-dalàna, fa “raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.”13 Kanefa, “na dia tahaka ny jaky aza ny fahotan[tsika],” rehefa mampihatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika ka mandeha miaraka Aminy mandalo fibebahana marina, “dia ho fotsy tahaka ny oram-panala [izany].”14 Na dia novesaran’ny fahamelohana aza isika dia hahita fiadanana.

Sary
Asaina isika mba hibebaka.

Voatery niatrika ireo fahotany i Almà Zanany rehefa nisehoan’ny anjelin’ny Tompo. Izao no teny namaritany ny zavatra niainany:

“Ny fanahiko dia norotidrotehana hatrany amin’ny faran’izay lalina indrindra sy nampijalian’ny fahotako rehetra.

“… Eny, hitako fa izaho dia efa nikomy tamin’Andriamanitro ary tsy nitandrina ny didiny masina.”15

Amin’ny maha lehibe ny fahotany, ary nandritra ny fijaliany dia nanohy izy hoe:

“Nahatsiaro koa aho ho efa nandre ny raiko naminany tamin’ny vahoaka ny momba ny fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.

“… dia nihiaka tao am-poko aho hoe: Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko.”16

“Ary na oviana na oviana, ambara-pitalahoako tamin’i Jesoa Kristy Tompo hamindra fo, dia tsy nandray ny famelana ny fahotako aho. Nefa indro, nitalaho Taminy aho ka dia nahita fiadanana ho an’ny fanahiko.17

Tahaka an’i Almà, isika koa dia hahita fiadanana ho an’ny fanahintsika rehefa miara-mandeha amin’i Jesoa Kristy, sy mibebaka amin’ny fahotantsika, ary mampihatra ny heriny manasitrana eo amin’ny fiainantsika.

Ilay fiadanana izay katsahantsika rehetra dia mitaky mihoatra noho ny faniriana. Mitaky antsika hanao zavatra izany, amin’ny alalan’ny fianarana Aminy, ny fihainoana ny teniny, ary ny fiarahana mandeha Aminy. Mety tsy manana fahefana isika hifehy ny zavatra rehetra izay mitranga manodidina antsika, saingy azontsika fehezina ny fomba hampiharantsika ilay lamina ahitana fiadanana izay natolotry ny Tompo, dia lamina izay manamora ny fahatsiarovana an’i Jesoa matetika.

Sary
Afaka mampihatra ny lamin’ny Mpamonjy isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa Jesoa Kristy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana”18, ary amin’ny alalany ihany no ahafahantsika mahazo fiadanana marina amin’ity fiainana ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.