2010–2019
Andraikitra Masina
Aprily 2016


Andraikitra Masina

Io fanomezam-pahasoavana sarobidin’ny herin’ny fisoronana io dia tsy hoe ahitana andraikitra masina fotsiny fa mitondra ihany koa fitahiana manokana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa.

Ry rahalahiko malala, mivavaka aho mba ho tarihin’ny Fanahy ireo teny hambarako anio hariva. Tady iraisana no mampitambatra antsika. Nomena fitokisana isika hihazona ny fisoronan’ Andriamanitra ary hanao asa amin’ny Anarany. Isika no mpandray izany andraikitra masina izany. Betsaka no andrasana amintsika.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 121, andininy 36, “Ireo zon’ ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ny herin’ny lanitra.” Fanomezam-pahasoavana mahatalanjona no nomena antsika. Andraikitsika ny miambina sy miaro io fisoronana io sy ny ho mendrika an’ireo fitahiana feno voninahitra rehetra nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika—sy ho an’ny hafa amin’ny alalantsika.

Na aiza na aiza alehanao dia manaraka anao eny ny fisoronanao. Moa ve mijoro amin’ny toerana masina ianao? Alohan’ny hidiranao sy ny hampidiranao ny fisoronanao amin’ny kizo, amin’ny alalan’ny fanandrakandramana mandeha any amin’ny toerana na amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra izay tsy mendrika anao na ho an’io fisoronana io, dia mijanòna kely aloha handinihana ny fiantraikany. Tsarovy hoe iza moa ianao ary inona no antenain’ Andriamanitra hahatongavanao. Zanaky ny fampanantenana ianao. Lehilahy mahery. Zanakalahin’ Andriamanitra.

Io fanomezam-pahasoavana sarobidin’ny herin’ny fisoronana io dia tsy hoe ahitana andraikitra masina fotsiny fa mitondra ihany koa fitahiana manokana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa. Enga anie na aiza na aiza toerana mety hisy antsika, dia ho mendrika mandrakariva isika hampiasa ny herin’io fisoronana io, fa tsy fantatsika hoe rahoviana no mety hitranga ny zavatra ilantsika manao izany sy ny fahafahana hanao izany.

Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy namako iray nanompo tany amin’ny Pasifika Atsimo raha voatifitra ny fiaramanidiny ka nilatsaka teo ambonin’ny ranomasimbe. Afaka nilatsaka tamin’ny alalan’ny elon’aina izy sy ireo miaramila hafa, niala avy tao amin’ilay fiaramanidina efa nirehitra, ka nanabotsina ny lakana fanavotana aina, ary nifikitra tamin’ireo lakana ireo nandritra ny telo andro.

Tamin’ny andro fahatelo izy ireo dia nahatsikaritra zavatra izay fantatr’izy ireo hoe sambo mpamonjy voina. Nandalo fotsiny ilay izy. Ny ampitso maraina dia mbola nandalo fotsiny ihany ilay izy. Nanomboka kivy izy ireo raha tonga saina fa io no andro farany hitoeran’ilay sambo mpamonjy voina teo amin’ilay faritra.

Ary dia niteny tamin’ilay namako ny Fanahy Masina hoe: “Manana fisoronana ianao. Baikoy ireo mpamonjy voina haka anareo.”

Ka dia nanao araka izany izy: “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ary amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana, mihodìna ianareo ary alaivo izahay.”

Tao anatin’ny minitra vitsy dia tonga teo anilan’izy ireo ilay sambo, ka nanampy azy ireo hiakatra. Mpihazona fisoronana iray mahatoky sy mendrika, tao anatin’ny sarotra, no nampiasa io fisoronana io, ka nitahy ny fiainany sy ny fiainan’ny hafa.

Aoka isika ho tapa-kevitra, eto sy izao ankehitriny izao, ny ho vonona ho an’ny fotoana ilàna antsika, sy ny fotoana tokony hanompoantsika, ary ny fotoana hitondrantsika fitahiana.

Raha hamarana izao fivoriamben’ny fisoronana izao isika ankehitriny, dia milaza aminareo aho hoe “ianareo dia taranaka voafidy, fanjakà-pisoronana” (1 Petera 2:9). Enga anie isika ho mendrika hatrany handray ireo voninahitra masina ireo, izany no vavaka ataoko amin’ny foko manontolo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika, amena.