2010–2019
Tsarovy mandrakariva Izy
Aprily 2016


Tsarovy mandrakariva Izy

Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena aho, ary mivavaka mba hahatsiarovantsika Azy mandrakariva—amin’ny fotoana rehetra, sy ny zavatra rehetra, ary ny toerana rehetra mety hisy antsika.

Ry rahalahy sy anabavy malala isany, fony aho nanompo tany Azia dia indraindray misy olona manontany hoe: “Loholona Gong, firy moa no mponina ao amin’ny Vondrom-paritra Azia araka ny fizaram-paritry ny Fiangonana?”

Dia nolazaiko hoe: “Antsasaky ny mponina maneran-tany—3,6 lavitrisa.”

Nisy olona iray nanontany hoe: “Moa sarotra ve ny mahatadidy ny anaran’izy rehetra ireo?”

Ny fitadidiana—sy ny fanadinoana—dia tafiditra amin’ny fiainana andavanandro. Ohatra, indray mandeha, rehefa avy nitady ny findainy vaovao hatraiza hatraiza ny vadiko, dia nanapa-kevitra nony farany hiantso an’io findainy io tamin’ny telefaonina hafa. Rehefa naheno ilay telefaonina naneno izy dia nieritreritra hoe: “Fa iza koa ary no mety hiantso ahy amin’izao? Tsy nanome an’io nomerao io na an’iza na an’iza aho!”

Ny fitadidiana, sy ny fanadinoana, dia tafiditra ihany koa amin’ny diantsika mandrakizay. Manampy antsika hianatra sy hivoatra ary hitombo finoana ny fotoana sy ny fahafahana misafidy ary ny fitadidiana.

Araka ny tonon’ny fihirana iray ankafizina indrindra hoe:

Antsoy Jesoa ry olony,

Dera sy lasa ho Azy. …

Ry olomasina

Tsarovy Izy anio.1

Isan-kerinandro isika, rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo, dia manao fanekempihavanana fa hahatsiaro Azy mandrakariva. Raha angalana amin’ireo andinin-tsoratra masina efa ho 400 isa miresaka ny teny hoe mahatsiaro, dia indro misy fomba enina ahafahantsika mahatsiaro Azy mandrakariva.

Voalohany, afaka mahatsiaro Azy mandrakariva isika amin’ny alalan’ny fitokisana amin’ny fanekempihavanana sy fampanantenana ary fanomezan-toky nataony.

Mahatsiaro ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay nataony ny Tompo—nanomboka tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’ny andro ahitana ny taranak’i Adama “[h]anaiky ny fahamarinana […] ary hiandrandra, dia hitsinjo i Ziona ka ny lanitra rehetra dia hihararetram-pifaliana ary ny tany hihovitrovi-piravoravoana.”2

Mahatsiaro ny fampanantenana nataony ny Tompo, anisan’izany ny fampanantenana ny hanangona an’i Isiraely niely patrana amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, ary koa fampanantenana nomena ny mpikambana sy misiônera tsirairay izay mahatsiaro ny hasarobidin’ny olona.3

Mahatsiaro an’ireo firenena sy ireo vahoaka ny Tompo ary manome toky azy ireo. Amin’izao andro mikorontana sy misamboaravoara izao,4 “ny sasany mitoky amin’ny kalesy, ary ny sasany amin’ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’i Jehovah Andriamanitray no [hotsaroanay],”5 izay mitantana ny “ho avy sy mihazona ny lasa.”6 Amin’ny “andro mahory,”7 isika dia “[mahatsiaro] fa tsy ny asan’ Andriamanitra no voasakana, fa ny asan’ny olona.”8

Faharoa, afaka mahatsiaro Azy mandrakariva isika amin’ny alalan’ny fiaikena amim-pankasitrahana ny Tanany mandritra ny fiainantsika manontolo.

Mazava kokoa ny tanan’ny Tompo rehefa manao jeritodika. Araka ny volazan’ny filôzôfa Kristianina atao hoe Søren Kierkegaard: “Tsy maintsy mihemotra no ahatakarana ny fiainana. Saingy … tsy maintsy mandroso no iainana azy.”9

Vao tsy ela no nankalaza ny faha 90 taonany ny reniko malala. Nijoro ho vavolombelona tamim-pankasitrahana izy ny amin’ireo fitahian’ Andriamanitra tamin’ireo dingana lehibe teo amin’ny fiainany. Ireo tantara sy fombafomba ary fifamatorana ao amin’ny fianakaviana dia manampy antsika hankafy ny fahatsiarovana ireo zavatra lasa sady manome maodely ho an’ny ho avy sy fanantenana. Ny rohy niampitan’ny fisoronana sy ny tsodranon’ny patriarika dia vavolombelon’ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny taranaka mifandimby.

Moa ve ianao efa nieritreritra ny tenanao ho toy ny boky fahatsiarovana velona ho an’ny tenanao—ahitana taratra hoe inona no safidianao hotadidiana ary ahoana no fomba safidianao hitadidiana?

Ohatra, fony aho mbola tanora dia tena naniry hilalao baskety tany an-tsekoly. Nanao fanazarana hatrany aho. Indray andro anefa ny mpanazatra dia nanondro ny mpilalao mahay nirefy 1 m 93 sy ilay mpilalao mahay nirefy 1 m 88 tao aminay ary niteny tamiko hoe “Azoko ampidirina ao amin’ny ekipa ihany ianao, saingy mety tsy hilalao mihitsy.” Tsaroako avy teo ny hatsaram-panahiny nankahery ahy hoe “Manao ahoana raha manandrana miditra amin’ny ekipa manao baolina kitra? Ho hainao io.” Tena faly tokoa ny fianakaviako nahita ny baolina voalohany matiko.

Tsaroantsika ireo izay nanome fahafahana antsika hanao zavatra sy nanome fahafahana fanindroany, tamin-kitsimpo sy hatsaram-panahy sy faharetana ary fankaherezana. Ary afaka ho tonga olona ho tsaroan’ny hafa isika tamin’ny fotoana tena nilany fanampiana. Ny fahatsiarovana amim-pankasitrahana ny fanampiana nataon’ny hafa sy ny fitarihan’ny Fanahy dia fomba iray hahatsiarovana Azy. Fomba iray izany hanisantsika ireo fitahiana maro raisintsika ary ahitana izay vitan’ Andriamanitra.10

Fahatelo, afaka mahatsiaro Azy mandrakariva isika amin’ny alalan’ny fitokisana rehefa manome toky antsika ny Tompo hoe “Izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”11

Rehefa mibebaka tanteraka isika, tafiditra amin’izany ny fiaikena sy ny famoizana ny fahotantsika, dia miara-manontany amin’i Enôsa, rehefa voafafa ny fahamelohantsika, hoe “Ahoana no mahatò izany, Tompo ô?” ary mandre ny valiny hoe “Noho ny finoanao an’i Kristy”12 sy ny fanasany hoe “ampahatsiarovy Ahy.”13

Raha vao nibebaka isika ka nilaza ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hoe mendrika isika, dia tsy ilaina ny miverimberina miaiky ireny fahotana taloha ireny. Ny hoe mendrika dia tsy midika hoe tanteraka. Ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra dia manasa antsika hanana fiadanam-po feno fanetrentena mikasika ny diantsika eo amin’ny fiainana mba hahatonga antsika ho tanteraka indray andro any ao amin’i Kristy,14 tsy mitebiteby, na mihaotrahotra, na tsy faly noho ny tsy fahalavorariantsika ankehitriny. Tsarovy fa fantany avokoa ireo zava-drehetra izay tsy tiantsika ho fantatr’olon-kafa mikasika antsika—ary mbola tia antsika ihany Izy.

Indraindray dia sedrain’ny fiainana ny fitokisantsika amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra, sy ny fahamarinany ary ny fitsarany, ary amin’ny fanasany izay manafaka mba hamela ny Sorompanavotany hanasitrana antsika rehefa mamela ny hafa isika sy mamela ny tenantsika.

Nisy vehivavy tanora avy amin’ny firenena hafa izay nirotsaka hiasa ho mpanao gazety, saingy tsy nanana hantra ilay tompon’andraikitra izay nanendry ireo mpiasa. Hoy izy taminy: “Asiako sonia mihitsy, fa manome toky anao aho fa tsy ho lasa mpanao gazety ianao fa hanadio lakandrano maloto.” Izy irery no hany vehivavy nanadio lakandrano tao anaty andian-dehilahy iray.

Taona maro taty aoriana dia lasa tompon’andraikitra io vehivavy io. Indray andro dia nisy lehilahy nanatona azy nila ny soniany mba hahazoana asa iray.

Nanontany ilay vehivavy hoe “Tadidinao ve aho?” Tsy tadidiny.

Hoy ilay vehivavy: “Tsy tadidinao aho, saingy izaho mahatadidy anao. Nasianao sonia mihitsy, ka nanome toky ahy ianao fa tsy ho lasa mpanao gazety. Nasianao sonia ka nalefanao hanadio lakandrano maloto, ilay hany vehivavy tao anatina andian-dehilahy.”

Hoy izy tamiko: “Mahatsapa aho fa tokony handray an’io olona io amin’ny fomba tsara kokoa noho ny nanaovany ahy—saingy tsy manana izany hery izany aho.” Indraindray io hery io dia tsy ao anatintsika, fa azo alaina ao amin’ny fahatsiarovana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Rehefa nofitahina ny fahatokiana, rava ny nofinofy, maratra ny fo, ary mbola maratra foana hatrany, rehefa mila fahamarinana isika ka mila famindrampo, rehefa mivokona ny totohondrintsika ka mirotsaka ny ranomasontsika, rehefa mila mamantatra izay tokony hifikirana isika sy izay tokony avela ho any, dia afaka mahatsiaro Azy mandrakariva. Tsy ratsy mihoatra noho izay heverina foana akory ny fiainana. Afaka manampy antsika hahita ny lalana sy ny fahamarinana ary ny fiainana ilay fangorahany tsy misy fetra.15

Rehefa mahatsiaro ireo teniny isika sy ny ohatra nasehony, dia tsy hanafintohina ary tsy ho tafintohina.

Mécanicien ny rain’ny namako. Hita taratra eny ny asa nataony tamim-pahamarinan-toetra, eny fa na dia voasasa tsara aza ny tanany. Indray andro, nisy olona iray tao amina tempoly iray nilaza tamin’ny rain’ilay namako hoe tokony hanasa tanana izy mialohan’ny hanompoana tao. Tsy tafintohina io lehilahy tsara io fa nanomboka nikosoka ireo lovia tany an-trano tamin’ny tanany natao be ranon-tsavony talohan’ny handehanana any amin’ny tempoly. Izy no ohatr’ireo izay “hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah” ary “hitoetra ao amin’ny fitoerany masina” madio tànana indrindra ary mahitsy fo indrindra.16

Raha manana fahatsapana ratsy fanahy isika, na lolom-po, na fankahalana, na raha manana antony hangatahana ny famelan’ny hafa, dia izao no fotoana hanaovana izany.

Fahefatra, manasa antsika Izy hahatsiaro fa mandray antsika hody ao an-trano tsara foana izy.

Amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana sy ny fikarohana no hianarantsika. Saingy miangavy aho, aza atsahatra ny fikarohana raha tsy tonga—araka ny tenin’i T. S. Eliot— “amin’ny toerana niantombohana ary mahatsapa hoe sambany ianao eo ka vaovao aminao indray izao.”17 Rehefa vonona ianao dia miangavy anao aho, sokafy ho amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fonao, eto koa, toy ny hoe sambany ianao vao nanao izany. Miangavy aho, mivavaha amin-kitsimpo marina, eto koa, toy ny hoe sambany ianao vao nanao izany.

Itokio io fahatsiarovana kely efa ela io. Avelao izany hampivelatra ny finoanao. Miaraka amin’ Andriamanitra tsy misy an’izany hoe tsy afaka miverina ilalana izany intsony.

Ireo mpaminany fahiny sy ankehitriny dia mitalaho amintsika mba tsy hamela ny tsy fahatanterahana sy fahadisoana ary fahalemena amin’ny maha-olombelona, na ny an’ny hafa izany na ny an’ny tenantsika, hahatonga antsika hamoy ireo fahamarinana sy fanekempihavanana ary hery manavotra ao amin’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.18 Manan-danja manokana izany ao anatin’ny fiangonana iray izay hivoarantsika amin’ny alalan’ny fandraisantsika anjara na dia tsy tonga lafatra aza. Nilaza ny Mpaminany Joseph hoe: “Tsy mbola nilaza taminareo mihitsy aho hoe tonga lafatra aho, saingy tsy misy fahadisoana ao amin’ireo fanambarana izay nampianariko.”19

Fahadimy, afaka mahatsiaro Azy mandrakariva isika ny Sabata amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo. Tamin’ny fiafaran’ny asa fanompoany tety an-tany ary koa tamin’ny fiantombohan’ny asa fanompoany taorian’ny nitsangana tamin’ny maty—tamin’ireo fotoana roa ireo—dia naka mofo sy rano ny Mpamonjy, ary nangataka ny mba hahatsiarovantsika ny vatany sy ny ràny,20 “fa isaky ny manao izao ianareo dia hahatsiaro ity ora izay niarahako taminareo ity.”21

Amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona amin’ Andriamanitra Ray fa vonona hitondra ny anaran’ny Zananilahy sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny, izay nomeny antsika, mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.22

Araka ny nampianarin’i Amioleka, mahatsiaro Azy isika rehefa mivavaka momba ny sahantsika, sy ny biby fiompintsika, ary ny tokantranontsika, ary mahatsiaro ireo sahirana, sy ireo mitanjaka, ary ireo marary sy ory.23

Farany, fahenina, dia manasa antsika ny Mpamonjy hahatsiaro Azy mandrakariva, tahaka ny hahatsiarovany antsika mandrakariva.

Tany amin’ny Tontolo Vaovao dia nasain’ny Mpamonjy efa tafatsangana tamin’ny maty ireo izay nanatrika teo hanatona tsirairay ka hampitehaka ny tanany amin’ny lanivoany ary hitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanany sy ny tongony.24

Ny fitsanganana amin’ny maty dia faritan’ny soratra masina hoe “ny ratsam-batana tsirairay sy ny vaniny dia haverina amin’ny … endriny tsirairay avy sy tomombana,” ary “na dia singam-bolo iray amin’ny loha aza dia tsy ho very.”25 Raha izay no izy, diniho hoe nahoana ny vatan’ny Mpamonjy tonga lafatra efa nitsangana tamin’ny maty no mbola ahitana ireo ratra teo amin’ny lanivoany sy ireo diam-pantsika amin’ny tanany sy ny tongony.26

Ombieny ombieny teo amin’ny tantara no nahitana olombelona noheloina ho faty tamin’ny hazofijaliana. Saingy Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ihany no mamihana antsika ka mbola mitondra ireo mariky ny fitiavany madio. Izy ihany no mahatanteraka ilay faminaniana hoe hasandratra eo amin’ny hazofijaliana mba hahafahany misintona antsika tsirairay, amin’ny anarantsika, hankany Aminy.27

Milaza ny Mpamonjintsika hoe:

“Eny, mety manadino izy kanefa Izaho tsy hanadino anao.”

“Indro efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao.”28

Mijoro ho vavolombelona Izy hoe: “Izaho Ilay nasandratra. Izaho no Jesoa izay nohomboana. Izaho no Zanak’ Andriamanitra.”29

Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena aho, ary mivavaka mba hahatsiarovantsika Azy mandrakariva—amin’ny fotoana rehetra, sy ny zavatra rehetra, ary ny toerana rehetra mety hisy antsika.30 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.