2010–2019
Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo
Aprily 2016


Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo

Amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina izay namantsika lalandava dia afaka mitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika isika.

Nisy andian-teny miavaka iray nampiasain’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny fampianarany momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotana izay lasa lohahevitra niverimberina tao anatin’ny fandalinako sy ny fisaintsainako nandritra ny taona maro.

Tao anatin’ilay toriteniny nampifoha ara-panahy izay nanaovany veloma an’ilay vahoaka notompoiny sy notiaviny dia nanazava ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana ny voninahitr’ Andriamanitra, ny fanandramana ny fitiavany, ny fahazoana ny famelana ny fahotana, ny fahatsiarovana mandrakariva ny halehiben’ Andriamanitra sy ny fivavahana isan’andro ary ny fiorenana mafy amin’ny finoana ny Mpanjaka Benjamina.1 Nampanantena koa izy fa raha manao ireo zavatra ireo ianareo, “dia hifaly mandrakariva ianareo sy ho feno fitiavana an’ Andriamanitra ary hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo.”2

Miompana amin’ny fitsipiky ny fihazonana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika ny hafatro. Ny fahamarinana ambara ao anatin’io andian-teny io dia afaka manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny maha-mpianatra antsika. Mivavaka aho mba hanentana ny fanahintsika sy hanazava ny saintsika ny Fanahy Masina eo am-pandinihantsika miaraka ireo fahamarinana ara-panahy manan-danja ireo.

Fahaterahana ara-panahy indray

Mandalo fahaterahana ara-batana isika eto an-tany ary miaina fahafahana ho ateraka ara-panahy indray.3 Entanin’ireo mpaminany sy apôstôly isika mba hifoha ho an’ Andriamanitra,4 mba ho “ateraka indray,”5 ary ho lasa olom-baovao ao amin’i Kristy6 amin’ny alalan’ny fandraisana eo amin’ny fiainantsika ireo fitahiana izay tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka manampy antsika handresy ireo fironana feno fitiavan-tena ananan’ny olona araka ny nofo ny “fahamendrehana, … ny famindram-po, ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina”7 ka ho tonga olona feno fitiavana, malala-tanana ary masin-toetra kokoa. Amporisihina isika mba hiaina amin’ny fomba ahafahantsika “mijoro tsisy pentina eo anoloan’ny [Tompo] amin’ny andro farany.”8

Ny Fanahy Masina sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana

Nofintinin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny teny fohy ny anjara asa lehiben’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: “Ny fahaterahana indray dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy.”9 Io fanambarana mora takarina io dia manamafy ny anjara asan’ny Fanahy Masina sy ireo ôrdônansy masina eo amin’ny fizotran’ny fahaterahana ara-panahy indray.

Mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina. Olona manana vatana fanahy izy ary mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra. Ny Fanahy Masina ao amin’ny soratra masina dia antsoina hoe Mpampionona,10 mpampianatra,11 ary mpanambara.12 Ankoatra izany dia mpanamasina13 ny Fanahy Masina, izay manadio sy mandoro ireo loto sy faharatsiana hiala ao amin’ny fanahin’olombelona toy ireny amin’ny afo ireny.

Ireo ôrdônansy masina dia zava-dehibe indrindra ao anatin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ao anatin’ny dingana arahina mba hanatonana Azy sy hikatsahana fahaterahana ara-panahy indray. Fombafomba masina izay manana tanjona ara-panahy sy misy dikany mandrakizay ary mifandray amin’ireo lalàna sy fitsipik’ Andriamanitra ny ôrdônansy.14 Ny fanatanterahana ireo ôrdônansy mitondra famonjena rehetra sy ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo dia tsy maintsy nahazoana lalana avy amin’ny olona iray izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina amin’izany.

Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana izay tanterahina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia mihoatra lavitra noho ny hoe fomba fanao na zavatra atao mifono tandindona. Fa manorina fantsona nankatoavina izy ireo izay ahafahan’ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra mirotsaka eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay.

“Ary ity fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra.

“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.

“Ary raha tsy misy ny ôrdônansiny sy ny fahefan’ny fisoronana, dia tsy miharihary amin’ny olona ao amin’ny nofo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”15

Ny ôrdônansy raisina sy hajaina amin-kitsimpo dia tena ilaina mba hahazoana ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ireo fitahiana atolotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Fahazoana sy fitanana ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ireo ôrdônansy

Mba hahatakarana feno kokoa ny dingana arahina mba hahafahana mahazo sy mitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika, dia mila isika voalohany indrindra mahatakatra ny fifandraisana tsy azo sarahina misy eo amin’ny ôrdônansy anankitelo izay manome fahafahana hahazoana ny herin’ny lanitra: ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana, ny fametrahan-tanana ho an’ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny Fanasan’ny Tompo.

Ny batisa asitrika ho an’ny famelana ny fahotana “no ôrdônansy voalohan’ny filazantsaran’i”16 Jesoa Kristy ary tsy maintsy ialohavan’ny finoana ny Mpamonjy sy ny fibebahana amin-kitsimpo. Io ôrdônansy io “dia mari-pamantarana sy didy napetrak’ Andriamanitra ho an’ny [zanany] mba hidirana ao amin’ny fanjakany.”17 Ny batisa dia tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna. Ao anatin’ilay dingana fanatonana ny Mpamonjy sy ny fahaterahana indray dia manolotra fanadiovana voalohany amin’ny fahotana, izay tena ilaina ho an’ny fanahintsika ny batisa.

Ahitana fanolorantena fototra anankitelo ny fanekempihavanan’ny batisa: (1) vonona hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, (2) hahatsiaro Azy mandrakariva, ary (3) hitandrina ny didiny. Ny fitahiana nampanantenaina amin’ny fanajana io fanekempihavanana io dia ny “hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika].”18 Araka izany dia ny batisa no fiomanana tena ilaina mba handraisana ilay fahafahana nahazoana lalana hanana ny mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra mba ho namana lalandava.

“Ny batisan’ny rano … dia tsy maintsy arahan’ny batisan’ny Fanahy mba hahafeno izany.”19 Nampianatra an’i Nikodemosy ny Mpamonjy hoe: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”20

Misy fanambarana telo nataon’ny Mpaminany Joseph Smith izay manamafy ny fifandraisana manan-danja misy eo amin’ireo ôrdônansin’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana sy ny fametrahan-tanana ho an’ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Fanambarana 1: “Ny batisa dia ôrdônansy masina hiomanana amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Io no fantsona sy fanalahidy entina hanomezana ny Fanahy Masina.”21

Fanambarana 2: “Afaka manao batisa kitapo misy fasika eo amin’ny toeran’ny olona iray ihany koa ianao raha toy izany ka tsy atao ho famelana ny fahotana sy mba hahazoana ny Fanahy Masina. Antsasaky ny batisa ihany ny batisan’ny rano ary tsy manan-kery raha tsy eo ilay antsasany anankiray hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina izany.”22

Fanambarana 3: “Tsy manan-kery ny batisan’ny rano raha tsy miaraka amin’ny batisan’ny afo ary ny Fanahy Masina miaraka amin’izany eo koa. Tsy maintsy mifamatotra ary tsy azo sarahina izy ireo.”23

Miverimberina ao amin’ny soratra masina ny fanamafisana ny fifamatorana tsy tapaka misy eo amin’ny fitsipiky ny fibebahana sy ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ilay fitahiana lehibe dia ny famelana ny fahotana.

Nanambara i Nefia hoe: “Satria ny vavahady izay tokony hidiranareo dia ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano; ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina.24

Ny Mpamonjy mihitsy no nanambara hoe: “Ankehitriny dia izao no didy: Mibebaha, ianareo rehetra faran’ny tany, ary mankanesa atỳ Amiko ary aoka hatao batisa amin’ny anarako, mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany.”25

Ny fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina dia ôrdônansy iray tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Eo amin’ny dingana arahina amin’ny fanatonana ny Mpamonjy sy ny fahaterahana ara-panahy indray, ny fandraisana ny hery manamasin’ny Fanahy Masina dia ahafahana mahazo fanadiovana maharitra ny fanahintsika amin’ny fahotana. Tena zava-dehibe io fitahiana mahafaly io satria “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra.”26

Isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny antsika dia voatahy noho ilay fanadiovana voalohany antsika amin’ny fahotana izay mifandraika amin’ny batisa sy noho ny fahafahana mahazo fanadiovana maharitra amin’ny fahotana izay tanteraka noho ny fananana ny Fanahy Masina ho namana sy amin’ny alalan’ny heriny—dia ilay mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra izany.

Eritrereto ny fianteheran’ny mpamboly iray amin’ilay lamina tsy miova hoe mamboly dia mijinja. Ny fahatakarana ny fifandraisana misy eo amin’ny famafazana sy ny fiotazana dia loharano tsy tapaka hananana tanjona ary misy fiantraikany eo amin’ny fanapahan-kevitra sy ny asa rehetra ataon’ny mpamboly mandritra ny fotoana rehetra ao anatin’ny taona. Torak’izany koa, ilay fifamatorana tsy azo sarahina eo amin’ny ôrdônansin’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana sy ny fametrahan-tanana ho an’ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tokony hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny maha-mpianatra antsika mandritra ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika.

Ny Fanasan’ny Tompo no ôrdônansy fahatelo ilaina mba hahazoana ilay herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. Mba hahazoantsika miaro tanteraka kokoa ny tenantsika tsy ho voapentimpetin’izao tontolo izao, dia didiana isika ho any amin’ny trano fivavahana ary hanatitra fanati-pisaorana amin’ny andro masin’ny Tompo.27 Aoka mba hodinihinao fa ireo tandindon’ny vatan’ny Tompo sy ny rany, izay ny mofo sy rano, dia samy tsofina rano sy hamasinina. “Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy hitahy sy hanamasina ity mofo ity [na ity rano ity] ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray [na misotro] amin’izany.”28 Ny atao hoe manamasina dia manao izay hahatonga ho madio sy masina. Ireo tandindon’ny Fanasan’ny Tompo dia hamasinina ho fahatsiarovana ny fahadiovan’i Kristy, sy ny fianteherantsika tanteraka amin’ny Sorompanavotany ary ny andraikitsika hoe hanaja tahaka izany koa ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana mba hahafahantsika “hijoro tsy hisy pentina eo anoloa[ny] amin’ny andro farany.”29

Ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo dia fanasana masina sy miverimberina mba hibebaka amin-kitsimpo ary mba hihavao ara-panahy. Tsy ilay hoe fandraisana fotsiny ny Fanasan’ny Tompo no manadio amin’ny fahotana. Fa rehefa miomana amin-kitsimpo sy mandray anjara amin’io ôrdônansy masina io isika miaraka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina dia mahazo fampanantenana fa hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika. Ary amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina izay namantsika lalandava dia afaka mitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika isika.

Tena voatahy tokoa isika isan-kerinandro noho ilay fahafahana manombantombana ny fiainantsika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy manavao ny fanekempihavanantsika ary mandray ny fampanantenana fonosin’io fanekempihavanana io.30

Atao batisa indray

Indraindray ny Olomasin’ny Andro Farany dia maneho faniriana mba ho azo atao batisa indray—amin’izay dia ho lasa madio sy mendrika toy ny tamin’ilay andro nandraisan’izy ireo ny ôrdônansin’ny filazantsara voalohany izay mitondra famonjena. Mamelà ahy hanoro hevitra amim-panajana fa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Malalany dia tsy mikasa ny hampiaina antsika fahatsapana fihavaozana ara-panahy sy filaminana ary fiverenana amin’ny laoniny toy izany hoe indray mandeha fotsiny eo amin’ny fiainantsika. Ireo fitahian’ny fahazoana famelana ny fahotantsika sy ny fitanana mandrakariva izany amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara dia manampy antsika hahatakatra fa ny batisa dia toerana iaingana eo amin’ilay diantsika ara-panahy eto an-tany. Tsy toerana hivantanana izay hoe tokony hirintsika hiverimberenana.

Ny ôrdônansin’ny batisa asitrika sy ny fametrahan-tanana ho an’ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny Fanasan’ny Tompo dia tsy zavatra mitsitokantokana na misaraka fa izy ireo dia singa ao anatin’ny lamina iray mifamatotra sy mifanampy izay mitondra fivoarana ampiasana ny fanavotana. Mampisondrotra sy mampivelatra ny tanjontsika sy ny faniriantsika ary ny zava-bitantsika ara-panahy ny ôrdônansy tsirairay mifanesy. Ny drafitry ny Ray, sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary ireo ôrdônansin’ny filazantsara dia manome ilay fahasoavana ilaintsika mba hahafahana mibosesika mandroso sy mivoatra andalana anampy andalana ary fitsipika anampy fitsipika mankany amin’ilay hiafarantsika mandrakizay.

Fampanantenana sy Fijoroana ho vavolombelona

Olombelona tsy lavorary isika izay miezaka ny hiaina eto an-tany araka ny drafitra lavorarin’ny fivoarana mandrakizay izay an’ny Ray any An-danitra. Tena lehibe sy feno famindrampo ary hentitra ireo fepetra takin’ny drafiny. Indraindray isika mety ho feno fahavononana ary indraindray kosa mahatsapa ho tsy hahavita izany. Mety manontany tena isika raha toa ka mba hahatanteraka ihany eo amin’ny ara-panahy ilay didy hoe hijoro tsisy pentina eo anoloany amin’ny andro farany.

Tena afaka manatanteraka ireo zavatra ara-panahy azontsika tanterahina isika miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny izay “hampianatra [antsika] ny zavatra rehetra.”31 Ireo ôrdônansy dia ahafahana manana tanjona sy hery ara-panahy eo amin’ny fiainantsika rehefa miezaka ny ho ateraka indray isika sy ho lasa lehilahy sy vehivavin’i Kristy.32 Azo hatanjahina ny fahalementsika ary hihoarana ireo fetrantsika.

Na dia tsy misy afaka mahatratra ny fahalavorariana eto amin’ity tany ity aza amintsika, dia afaka mihamendrika sy mihatsisy pentina isika rehefa “nodiovina tamin’ny ran’ny Zanakondry.”33 Mampanantena sy mijoro ho vavolombelona aho fa hanana finoana bebe kokoa ny Mpamonjy isika sy fahatokiana lehibe kokoa ara-panahy rehefa mikatsaka ny hitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika ary hijoro tsy misy pentina eo anatrehan’ny Tompo amin’ny andro farany. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.