2010–2019
Ireo safidy
Aprily 2016


Ireo safidy

Enga anie isika hisafidy hatrany ny tsara izay mety ho sarotra atao kokoa toy izay ilay ratsy izay mety ho mora atao kokoa.

Rahalahy sy ranabavy isany, alohan’ny hanombohako ny hafatra tokony hatolotro, dia te hanambara tempoly vaovao efatra aho, izay haorina ato anatin’ny volana sy taona vitsivitsy ho avy, any amin’ireto toerana manaraka ireto: Quito, Ecuador; Harare, Zimbabwe; Belém, Brésil; ary tempoly faharoa any Lima, Peru.

Fony aho lasa mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1963, dia 12 no isan’ny tempoly amperinasa nanerana ny Fiangonana manontolo. Tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Provo City Center tapabolana lasa izay dia tempoly 150 ankehitriny no amperinasa manerana an’izao tontolo izao. Tena feno fankasitrahana tokoa isika noho ireo fitahiana raisintsika ao amin’ireo trano masina ireo.

Ankehitriny ry rahalahy sy anabavy isany, dia maniry aho ny haneho fankasitrahana noho ny fahafahana mizara hevitra vitsivitsy aminareo anio maraina.

Tato ato aho dia nieritreritra mikasika ireo safidy. Voalaza fa savily madinika no mampisokatra ny varavaran’ny tantaran’ny zanak’olombelona, ary toraka izany koa ny fiainan’ny olona. Ireo safidy ataontsika no mamaritra izay hiafarantsika.

Raha nandao ny fiainana talohan’ny nahaterahantsika isika ka niditra nankato amin’ny fiainana an-tany, dia nanaraka antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy. Ny tanjontsika dia ny hahazo ny voninahitra selestialy, ary ireo safidy ataontsika no tena mamaritra hoe hahatratra ny tanjontsika ve isika sa tsia.

Maro aminareo no mahafantatra tsara an’i Alice ao amin’ilay boky nosoratan’i Lewis Carroll hoe Alice au pays des merveilles. Tadidinareo fa tonga teo amin’ny sampanan-dalana iray izy ka lalana roa no teo anoloany, samy nandroso saingy nifanipaka. Raha teo am-pandinihana izay tokony hatao izy dia nifanehatra tamin’ilay saka hoe Cheshire, izay nanontanian’i Alice hoe “Iza amin’ireo no lalana tokony halehako?”

Namaly ilay saka hoe: “Miankina amin’izay toerana tianao hahatongavana izany. Raha tsy fantatrao izay tianao hahatongavana dia tsy mampaninona loatra izay lalana alehanao.”1

Tsy mba tahaka an’i Alice isika fa isika mahafantatra hoe aiza no tiantsika haleha, ary tena manan-danja ny lalana izorantsika, fa ny lalana harahantsika eto amin’ity fiainana an-tany ity no mitondra mankany amin’izay hitobiantsika any amin’ny fiainana any ankoatra.

Manantena antsika aho hisafidy ny hanorina ao anatintsika ao finoana lehibe sy mahery izay ho lasa fiarovana mahomby indrindra ananantsika hanoherana ireo fikasan’ny fahavalo—finoana tena izy, ilay karazana finoana izay hanohana antsika ka hanamafy orina ny faniriantsika hisafidy ny tsara. Raha tsy manana an’izany finoana izany isika dia tsy mankaiza. Raha manana izany kosa, dia afaka manatratra ireo tanjontsika.

Na dia tsy maintsy misafidy amim-pahendrena aza isika, misy fotoana hanaovantsika safidy adaladala. Ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana, atolotry ny Mpamonjintsika, no ahafantsika manitsy ny diantsika, mba hahafahantsika miverina amin’ilay lalana izay hitondra antsika mankany amin’ilay voninahitra selestialy imatimatesantsika.

Enga anie isika hihazona hatrany ilay herim-po hanoherana ny fironan’ny be sy ny maro. Enga anie isika hisafidy hatrany ny tsara izay mety ho sarotra atao kokoa toy izay ilay ratsy izay mety ho mora atao kokoa.

Rehefa mandinika ireo fanapahan-kevitra raisintsika eo amin’ny fiainantsika isan’andro isika—hoe hanao ity safidy ity na iry safidy iray iry—raha misafidy an’i Kristy isika dia efa nanao ny safidy tsara.

Ny vavaka ataoko amin-kitsim-po sy amim-panetren-tena dia ny mba ho toy izany hatrany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika, amena.

Fanamarihana

  1. Nalaina avy tamin’ny Lewis Carroll, Alice’s Adventures in Wonderland (1898), 89.