2010–2019
Tatitra avy amin’ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny Fanamarinam-bola, taona 2015
Aprily 2016


Tatitra avy amin’ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny Fanamarinam-bola, taona 2015

Ho an’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ry rahalahy isany: Araka ny torolalana avy amin’ny fanambarana ao amin’ny fizarana faha 120 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia ny Filankevitry ny Fampiasana ny Fahafolonkarena—izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy—no manome fankatoavana ny fampiasana ny volan’ny Fiangonana. Ireo rafitra ato amin’ny Fiangonana dia mitsinjara ny vola araka ireo tetibola sy fitsipika ary fomba fiasa efa nahazoana fankatoavana.

Ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny fanamarinam-bola, izay ahitana matihanina manana mari-pahaizana ary tsy miankina amin’izay departemanta hafa rehetra ato amin’ny Fiangonana, dia manana andraikitra hanatontosa ireo fanamarinam-bola mba hanomezana antoka azo ekena mikasika ireo anjara biriky voaray, sy ireo fandaniam-bola atao ary mba hiarovana ny fananan’ny Fiangonana.

Raha mifototra amin’ireo fanamarinam-bola notanterahina, dia mahita ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny fanamarinam-bola fa eo amin’ny antsipiriany rehetra, ny anjara biriky voaray sy ny fandaniana natao ary ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny taona 2015 dia voarakitra ary notantanana araka ireo tetibola sy fitsipika ary fomba fitantanan’ny Fiangonana efa nahazoana fankatoavana. Ny Fiangonana dia manaraka ireo fitsipika ampianarina an’ireo mpikambana ao aminy hoe miaina araka ny tetibola sy miala amin’ny fitrosana ary manao tahiry hiatrehana ny vodiandro merika.

Atolotra amim-panajana,

Ny Departemantan’ny Fiangonana misahana ny Fanamarinam-bola

Kevin R. Jergensen

Tale mpitantana