2010–2019
Mino ve aho?
Aprily 2016


Mino ve aho?

Raha marina ireo zavatra ireo dia manana ny hafatra mifono fanantenana sy fanampiana lehibe indrindra izay misy eto amin’izao tontolo izao isika.

Tamin’ny 30 Martsa, vao herintaona lasa izay, i Ethan Carnesecca, izay roa taona, avy ao American Fork, Utah, dia naiditra hôpitaly noho ny “pneumonie” sy ny rano nanodidina ny taovam-pisefoany. Roa andro taty aoriana dia tena niharatsy ny toe-tenany ka nila nentina tamin’ny angindimby nankany amin’ny Hôpitalin’ny ankizy tany Salt Lake City izy. I Michele, ilay reniny nitaintaina, dia nahazo alalana ny hipetraka teo aloha mba hanaraka ny zanany lahy. Nomena fitaovana fihainoana izy mba hahafahany mifandray amin’ireo izay tao anatin’ny angindimby. Henony ireo mpitsabo mpanampy izay niasa nikarakara ilay zanany lahy kely marary, ary amin’ny maha-mpitsabo mpanampy ny ankizy azy ihany koa dia nanana fahalalana ampy i Michele izay nahafahany nahafantatra fa tena tao anaty fahasarotana lalina i Ethan.

Sary
I Ethan Carnesecca fony narary

Tao anatin’io fotoan-tsarotra io dia nahatsikaritra i Michele fa nisidina nivantana teo ambonin’ny Tempolin’i Draper Utah izy ireo. Nitazana ny lohasaha avy teny amin’ny habakabaka izy ary afaka nahita ihany koa ny Tempolin’i Jordan River, ny Tempolin’i Oquirrh, ary ny Tempolin’i Salt Lake mihitsy aza avy lavitra. Tonga tao an-tsainy ny eritreritra iray hoe: “Mino izany ve ianao sa tsia?”

Izao no nambarany nikasika io zavatra niainany io:

“Nianatra mikasika ireo fitahian’ny tempoly sy ny maha-mandrakizay ny fianakaviana aho tany amin’ny Kilonga sy tany amin’ny Zatovovavy. Nizara ny hafatra mikasika ny fianakaviana tamin’ny vahoaka tsaran’i Mexique ny tenako nandritra ny asa fitoriana nataoko. Nofehezina tamin’ilay namako mandrakizay aho, mandritra izao fotoana izao sy mandrakizay. Nampianatra lesona mikasika ny fianakaviana aho fony mpitarika tao amin’ny Zatovovavy, ary nizara tantara momba ny fianakaviana mandrakizay tamin’ireo zanako aho nandritra ny takarivan’ny mpianakavy. FANTATRO izany, fa moa ve NINO izany aho? Ny valinteniko dia tonga haingana tahaka ny nahatongavan’ilay fanontaniako tao an-tsaiko: ny Fanahy dia nanamafy tao am-poko sy tao an-tsaiko ilay valinteny izay efa fantatro—TENA nino aho!

“Tamin’izany fotoana izany dia namboraka ny foko tamim-bavaka tamin’ny Raiko any An-danitra aho, ka nisaotra Azy noho ny fahalalana sy ny finoana izay nananako fa ny fianakaviana dia tena mandrakizay. Nisaorako Izy noho ny zanany lahy Jesoa Kristy izay nahatonga izany zavatra rehetra izany ho tanteraka. Nisaorako Izy noho ny zanako lahy, ary nampahafantariko ny Raiko any An-danitra fa raha ilainy ny miantso an’i Ethan kely hiverina hody any an-tranony any an-danitra dia TSY MANINONA IZANY. Natoky tanteraka ny Ray any An-danitra aho, ary fantatro fa afaka ny hahita an’i Ethan indray aho. Feno fankasitrahana aho fa tao anatin’ny fotoan-tsarotra dia nanana ny fahalalana SY ny finoana fa marina ny filazantsara. Nahatsapa fiadanana aho.”1

Nijanona herinandro maro tany amin’ny hôpitaly i Ethan, nandray fitsaboana avy tamin’ny mpitsabo matihanina. Ny vavaka sy ny fifadian-kanina ary ny finoan’ireo olon-tiana, nampiarahina tamin’izany fikarakarana izany dia nanome fahafahana azy handao ny hôpitaly sy hiverina tany an-trano niaraka tamin’ny fianakaviany. Salama izy ankehitriny.

Sary
Ny fianakaviana Carnesecca
Sary
I Ethan Carnesecca nahazo fahasitranana

Izany fotoana nanova ny zava-drehetra ho an’i Michele izany dia nanamafy taminy fa ny zavatra nampianarina azy nandritra ny fiainany manontolo dia mihoatra noho ny teny fotsiny ihany. Marina izany.

Moa ve isika indraindray lasa zatra loatra an’ireo fitahiana voaraintsika amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, hany ka tsy mahavita mahatakatra feno ny fahagagana sy ny halehiben’ny maha-mpianatra antsika ato amin’ny Fiangonana marin’ny Tompo? Moa ve isika efa mba nahatsapa ho meloka noho ny tsy fahatairantsika amin’ny fanomezana lehibe indrindra izay azo omena antsika eto amin’ity fiainana ity? Ny Mpamonjy mihitsy no nampianatra hoe: “Ary raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”2

Mino isika fa ity Fiangonana ity dia mihoatra noho ny toerana iray fandehanana rehefa Alahady fotsiny ihany sy hianarana ny fomba hahatongavana ho olona tsara. Mihoatra noho ny fikambanana ara-tsôsialy Kristianina izay ahafahantsika mifanerasera amin’ny olona manana fotopisainana tsara [ny Fiangonana]. Tsy amboaran-kevitra tsara izay azo ampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany any an-tokantrano fotsiny ihany mba hahafahan’izy ireo ho lasa tompon’andraikitra sy olona tsara izany. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mbola mihoatra lavitra noho ireo zavatra rehetra ireo.

Eritrereto iray minitra anie ny mikasika ireo zavatra inoantsika ao amin’ny fivavahantsika e! Mino isika fa ilay Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy fony Izy teto an-tany dia naverina tamin’ny laoniny indray tamin’ny alalan’ny mpaminany iray izay nantsoin’ Andriamanitra amin’izao vanimpotoantsika izao ary ireo mpitarika antsika dia mihazona ny hery sy ny fahefana mba hiasana amin’ny anaran’ Andriamanitra, mitovy tamin’ny nananan’ireo Apôstôly fahiny. Antsoina hoe fisoronan’ Andriamanitra izany. Manambara isika fa amin’ny alalan’izany fahefana naverina tamin’ny laoniny izany dia afaka mandray ireo ôrdônansy mitondra famonjena toy ny batisa sy manana ny fanomezana ny Fanahy Masina izay manadio mba hiaraka amintsika amin’ny fotoana rehetra isika. Manana apôstôly sy mpaminany mitarika sy mitondra ity Fiangonana ity amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana isika, ary mino isika fa Andriamanitra dia miresaka amin’ny zanany amin’ny alalan’ireo mpaminany ireo.

Mino ihany koa isika fa izany herin’ny fisoronana izany dia mahatonga ny fanaovana fanekempihavanana sy fandraisana ireo ôrdônansy ao amin’ny tempoly masina ho azo tanterahina izay hanome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy hiaraka hiaina Aminy mandrakizay indray andro any. Manambara ihany koa isika fa amin’ny alalan’io hery io, ny fianakaviana dia afaka ny ho voafatotra mandrakizay rehefa miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana any amin’ireo toerana masina izay inoantsika ho tranon’ Andriamanitra ara-bakiteny ny mpivady. Mino isika fa tsy hoe afaka mandray ireo ôrdônansy mitondra famonjena ireo ho an’ny tenantsika fotsiny isika fa afaka mandray izany ho an’ireo razambentsika ihany koa, izay niaina teto an-tany ka tsy nanana ny fahafahana handray anjara tamin’ireo ôrdônansy ilaina izay mitondra famonjena. Mino isika fa afaka manao ôrdônansy ho an’ireo razambentsika amin’ny alalan’ny fisoloan-tena any amin’ireo tempoly masina ireo.

Mino isika fa amin’ny alalan’ny mpaminany sy ny herin’ Andriamanitra dia nandray soratra masina fanampiny isika, izay manampy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatin’ny Baiboly amin’ny fanambarana fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao.

Manambara isika fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra ary hany Fiangonana marina eto ambonin’ny tany. Antsoina hoe Fiangonan’i Jesoa Kristy izany satria mijoro eo amin’ny lohany Izy. Fiangonany ity, ary ireo zavatra rehetra ireo dia tanteraka noho ny sorompanavotany.

Mino isika fa ireo zavatra mampiavaka ireo dia tsy afaka ny ho hita any amin’ny toerana hafa na any amin’ny fikambanana hafa eto an-tany. Na dia tsara sy mahitsy aza ny fivavahana sy ny fiangonana hafa, dia tsy misy amin’izy ireo manana ny fahefana hanomezana ôrdônansy mitondra famonjena izay hita ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Manana fahalalana mikasika ireo zavatra ireo isika, saingy moa ve mino azy ireo isika? Raha marina ireo zavatra ireo dia manana ny hafatra mifono fanantenana sy fanampiana lehibe indrindra izay misy eto amin’izao tontolo izao isika. Ny finoana azy ireo dia manana dikany mandrakizay ho antsika sy ho an’ireo izay tiantsika.

Mba hinoana dia mila mamindra ny filazantsara avy ao an-dohantsika mankao am-pontsika isika! Tena mety mitranga ny hoe miaina tsotra fotsiny eny ny filazantsara isika satria izay no andrasana amintsika, na satria izay no kolontsaina nanabeazana antsika, na hoe satria fahazarana izany. Angamba ny sasany tsy niaina ny zavatra mitovy tamin’izay tsapan’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina taorian’ny toriteny miavaka nataony: “Ary nihiaka tamin’ ny feo tokana izy rehetra, nanao hoe: Eny, mino ny teny rehetra izay efa nolazainao taminay izahay; ary fantatray koa fa azo antoka sy marina ireny, noho ny amin’ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am-ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa.”3

Mila mikatsaka ny hanova ny fontsika sy ny tena toetrantsika isika rehetra mba tsy hanana faniriana ny hanaraka ny fomban’izao tontolo izao intsony fa hampifaly an’ Andriamanitra kosa. Ny fiovampo tena izy dia fitambarana dingana izay maharitra fotoana iray ary mitaky fahavononana ny hampiasa finoana. Tonga izany rehefa mikaroka ao amin’ny soratra masina isika fa tsy ao amin’ny internet. Tonga izany rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika. Ny fiovampo dia tonga rehefa manompo ny olona manodidina antsika isika. Izany dia tonga avy amin’ny vavaka atao amin-kitsimpo, sy ny fandehanana tsy tapaka any amin’ny tempoly, ary ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo andraikitra nomen’ Andriamanitra antsika. Mitaky tsy fiovaovana sy ezaka isan’andro izany.

Misy manontany ahy matetika hoe: “Inona no fanamby lehibe indrindra atrehin’ny tanorantsika amin’izao fotoana izao?” Valiko hoe mino aho fa ny hery misarika tsy an-kiato ataon’ilay “trano iray mijoalajoala sy malalaka” eo amin’ny fiainan’izy ireo izany.4 Raha nosoratana manokana ho an’ny androntsika ny Bokin’i Môrmôna dia tsy isalasalana fa tsy azontsika ihodivirana ny maha-zava-dehibe ho antsika rehetra ilay hafatra ao anatin’ny fahitan’i Lehia ilay hazon’aina sy ny fitaoman’ireo izay manondro sy maneso avy amin’ilay trano iray mijoalajoala sy malalaka.

Ho ahy, ny tena mandratra fo dia ny filazalazana mikasika ireo izay efa nitolona tao anatin’ny zavon’ny haizina teo amin’ilay lalana ety sy tery, nihazona ny anja-by, nahatratra ny tanjon’izy ireo sy nanomboka nanandrana ilay voankazo madio sy tsaran’ny hazon’aina. Avy eo dia milaza ny soratra masina fa ireo vahoaka miakanjo tsara ao amin’ilay trano iray mijoalajoala sy malalaka dia “nanao fihetsika fanesoana ireo no sady nanondro tamin’ny rantsantanany ireo izay efa tonga ka nihinana tamin’ny voan’ny hazo.

“Ary rehefa avy nanandrana tamin’ny voan’ny hazo izy dia nanjary menatra noho ireo izay namingavinga azy; ary dia nianjera tany amin’ny lalana voarara izy ka very.”5

Ireo andininy ireo dia mamaritra ny sasany amintsika izay efa nanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainantsika. Na isika teraka tao anatin’ny filazantsara na nila namakivaky ny zavon’ny haizina mba hahitana izany, dia efa nanandrana ny voan’io hazo io isika, izay “tena sarobidy sady tena mahatsiriritra indrindra”6 ary manana ny fahafahana ny hitondra ny fiainana mandrakizay ho antsika, ny “lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra.” Mila manohy mivoky isika ary tsy mihaino ireo izay maneso ny finoantsika na ireo mifaly mamorona fisalasalana na ireo izay mahita zavatra tsy mety eo amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ny fotopampianarana. Safidy ataontsika isan’andro izany—ny misafidy ny finoana manoloana ny fisalasalana. Ny Loholona M. Russell Ballard dia nanasa antsika hoe “mijanòna anaty sambo, ampiasao ny akanjo fiarovan’ainanao, ary mamikira amin’ny tanana roa.”7

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana marin’ny Tompo antsika dia efa ato anaty sambo isika. Tsy mila mandeha mitady ny fahamarinana any amin’ireo filôzôfian’izao tontolo izao isika mba hanome fankaherezana, fanampiana, sy torolalana ho antsika hahatafavoahantsika soa aman-tsara amin’ireo fitsapan’ny fiainana—efa ananantsika izany. Tahaka ny renin’i Ethan izay afaka nandinika ireo finoana izay nananany nandritra ny fotoana ela ary afaka nanambara tsy am-pisalasalana nandritra ny fotoan-tsarotra hoe “Tena mino izany aho,” dia afaka manao izany koa isika!

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny maha-mpikambana antsika ato amin’ny fanjakan’ny Tompo dia fanomezana tena sarobidy tokoa. Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fitahiana sy fiadanana atokan’ny Tompo ho an’ireo izay mankatò sy mahatoky dia mihoatra lavitra noho izay mety ho takatry ny sain’olombelona. Avelako aminareo izany fijoroana ho vavolombelona izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.