2010–2019
Fianakaviana Mandrakizay
Aprily 2016


Fianakaviana Mandrakizay

Ny adidintsika amin’ny maha-mpihazona fisoronana antsika dia ny mametraka ny fianakaviantsika sy ny fianakavian’ireo izay manodinana antsika ho ivon’ny fifantohantsika.

Feno fankasitrahana aho miaraka aminareo amin’ity takariva ity amin’ny fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Fotoana lehibe eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izao. Roa amby valopolo amby zato taona lasa izay tamin’ny taona 1834 dia nantsoina mba hivory tao anatina trano hazo fianarana mirefy 4,2 metatra tora-droa teo tany Kirtland Ohio ireo mpihazona ny fisoronana rehetra. Tao anatin’izany fivoriana izany dia natao tatitra fa nilaza izao i Joseph Smith: “Tsy mahafantatra mihoatra noho ny tsy fahafantaran’ ny zazakely eo ampofoan-dreniny ny hoaviny ianareo raha ny mikasika ny hiafaran’ ity Fiangonana sy fanjakana ity. Tsy takatrareo izany. … Olona vitsy kely ao amin’ ny fisoronana fotsiny no tazanareo eto anio hariva, kanefa ity Fiangonana ity dia hanenika an’i Amerika Avaratra sy Atsimo—hameno an’ izao tontolo izao izy ity.”1

Mpihazona ny fisoronana an-tapitrisany maro ao amin’ny firenena mihoatra ny 110 no tafavory amin’izao fivoriana izao. Angamba efa hitan’ny Mpaminany Joseph mialoha ity fotoana ity sy ny hoavy be voninahitra izay mbola ho avy.

Ny hafatro anio hariva dia ny hiezaka hanoritsoritra izany hoavy izany sy ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana anjara ao amin’ilay drafitry ny fahasambarana izay nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika. Talohan’ny nahaterahantsika dia niaina tao anatin’ny fianakaviana niaraka tamin’ny Raintsika any An-danitra izay efa nasandratra sy mandrakizay isika. Nanendry drafitra iray Izy izay ahafahantsika mandroso sy mivoatra ka ho lasa tahaka Azy. Nataony izany noho ny fitiavany antsika. Ny tanjon’ilay drafitra dia ny hanome tombontsoa lehibe antsika hiaina mandrakizay tahaka ny Raintsika any An-danitra. Ity drafitry ny filazantsara ity dia nanome antsika fiainana an-tany izay toerana hizahana toetra antsika. Nomena ny fampanantenana fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahazoantsika ny fiainana mandrakizay, ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezany rehetra, raha toa ka nankatò ireo lalàna sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana isika.

Ny fiainana mandrakizay dia ilay karazana fiainana izay iainan’ny Ray any An-danitra. Nilaza Andriamanitra fa ny tanjony dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny tanjona lehiben’ny mpihazona ny fisoronana rehetra noho izany dia ny manampy amin’ilay asa fanampiana ny olona mba hahazo ny fiainana mandrakizay.

Ny zavatra atao rehetra amin’ny fisoronana sy ny ôrdônansin’ny fisoronana rehetra dia natao hanampiana an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba hiova amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ka ho lasa mpikambana ao amin’ny fianakaviana feno sy tanteraka. Noho izany “ny asa lehiben’ny lehilahy rehetra dia ny mino ny filazantsara, ny mitandrina ny didy, sy ny manorina sy ny manatanteraka fianakaviana mandrakizay,”2 ary ny hanampy ny hafa hanao toy izany koa.

Koa satria marina izany dia tokony ho ny fanambadiana mandrakizay no hifantohan’ny zavatra rehetra ataontsika sy ho tanjony. Midika izany fa tsy maintsy miezaka ny hofehezina miaraka amin’ny vady mandrakizay any amin’ny tempolin’ Andriamanitra isika. Tokony hamporisika ny hafa ihany koa isika mba hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana izay mampifamatotra ny mpivady, miaraka amin’ny fianakaviany, eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy.

Nahoana izany no tokony hanan-danja amintsika tsirairay—na tanora na antitra, na diakona na mpisorona, na zanaka na ray? Izany no izy satria ny adidintsika amin’ny maha-mpihazona fisoronana antsika dia ny mametraka ny fianakaviantsika sy ny fianakavian’ireo izay manodinana antsika ho ivon’ny fifantohantsika. Ny fanapahan-kevitra lehibe rehetra dia tokony hifototra amin’ny fiantraikan’izany amin’ny fianakaviana mba hahatonga azy ho mendrika ny hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tsy misy zavatra manan-danja noho izany ao amin’ny andraikitsika ao amin’ny fisoronana.

Mamelà ahy ianareo hilaza ny mety ho dikan’izany ho an’ny diakona iray izay mihaino anio alina amin’ny maha-mpikambana azy ao anatina fianakaviana na kôlejy iray.

Ao amin’ny fianakaviany dia mety hisy na tsy hisy vavaky ny mpianakavy na takarivan’ny mpianakavy matetika. Raha miantso ny fianakaviany ny rainy mba hivavaka na hamaky soratra masina noho ny fahatakarany ireo andraikitra ireo, dia mety hihazakazaka handray anjara am-pitsikiana amin’izany ilay diakona. Afaka mamporisika ireo rahalahiny sy anabaviny izy mba handray anjara ka midera azy ireo rehefa ataony izany. Afaka mangataka tsodrano amin’ny rainy izy rehefa manomboka ny sekoly na amin’ny fotoana hafa ilàna izany.

Mety tsy hanana ray mahatoky toy izany izy. Saingy ny tena fanirian’ny fony hiaina izany no hitondra ny herin’ny lanitra ho amin’ireo izay manodidina azy noho ny finoany. Hikatsaka ilay fiainam-pianakaviana izay tian’ilay diakona hananana amin’ny fony manontolo izy ireo.

Ny mpampianatra ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia afaka mahatakatra fahafahana hanampy ny Tompo hanova ny fiainan’ny fianakaviana iray mandritra ny fampianarana isan-tokantrano ampanaovina azy. Nilaza izany ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:

“Ny andraikitry ny mpampianatra dia ny mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny manatanjaka azy;

“Ary ny mijery mba tsy hisy heloka ao amin’ny fiangonana, na fifanamafisam-po, na fandaingana, na fifosana, na fitenenan-dratsy” (F&F 20:53–54).

Toy izany koa ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia nomena izao andraikitra izao:

“Ny andraikitry ny mpisorona dia ny mitory, mampianatra, manazava, manentana ary ny manao batisa sy ny mikarakara ny fanasan’ny Tompo,

“Sy ny mamangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay ary ny manentana azy hanao tonom-bavaka sy hivavaka mangina ary hiatrika ny adidy rehetra ao amin’ny fianakaviana” (F&F 20:46–47).

Mety hanontany tena ianareo, tahaka ny nataoko fony aho mpampianatra sy mpisorona vao herotrerony hoe mba ahoana re no ahafahako manatanterahana ireo fanamby ireo eo amin’izao tontolo izao. Tsy mbola nahay mihitsy aho hoe ahoana no hanentanako amin’ny fomba izay hitondra ny fianakaviana ho any amin’ny fiainana mandrakizay ka tsy hanafintohina na toy ny hoe hitsikera. Nianatra aho fa ny hany fanentanana izay manova ny fo dia avy amin’ny Fanahy Masina. Matetika izany no mitranga rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, ilay olona tonga lafatra hatrizay ao amin’ny fianakaviana, isika. Rehefa mifantoka amin’ny fitiavantsika Azy isika dia hitombo ny filaminana sy ny fiadanana ao amin’ireo tokantrano vangintsika. Hiaraka amintsika ny Fanahy Masina rehefa manampy fianakaviana isika.

Mety hitondra ny fitaomana sy ny ohatry ny Mpamonjy ao an-tsain’ireo olona ao amin’ilay fianakaviana ilay tanora mpihazona fisoronana amin’ny alalan’ny fomba fivavany sy ny fomba firesany ary ny fomba fampaherezany azy ireo.

Naneho tamiko ny mpihazona fisoronana hendry iray fa takany izany. Nangataka ny zanako lahy izy mba hitarika ny fampianarana amin’ny famangiana isan-tokantrano iray. Nilaza izy fa mety hanohitra ny fanentanany ilay fianakaviana saingy nieritreritra izy fa ny fampianarana sy ny fijoroana ho vavolombelona tsotra ataon’ny zazalahy iray no mety hiditra kokoa ao anatin’ny fo mafin’izy ireo.

Inona no azon’ilay loholona tanora atao mba hanampy amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay? Mety efa handeha ho any amin’ny sahan’ny misiôna izy. Afaka mivavaka amin’ny fony manontolo izy mba ho afaka mahita sy mampianatra ary manao batisa fianakaviana. Mbola tsaroako foana ny lehilahy tanora tsara tarehy iray niaraka tamin’ny vadiny tanora tsara tarehy sy ny zanany vavikely mahafatifaty anankiroa nipetraka niaraka tamiko sy ny namako mpiara-mitory indray andro. Tonga ny Fanahy Masina ka nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo fa tafaverina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tena nino tokoa izy ireo ka nangataka mihitsy aza raha toa izahay ka afaka manome tsodrano an’ireo zanany vavikely anankiroa tahaka ny efa hitany natao tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray tato amintsika. Efa nanana faniriana ny hitsofan-drano an’ireo zanany izy ireo, saingy mbola tsy takatr’izy ireo fa ny fitahiana ambony indrindra dia tsy azo raha tsy any amin’ny tempolin’ Andriamanitra ihany rehefa avy nanao fanakempihavanana izy ireo.

Mbola malahelo foana aho rehefa mieritreritra izany mpivady izany sy ireo zazavavy kely ireo, izay mety efa lehibe amin’izao, tsy manana ilay fampanantenana hanana fianakaviana mandrakizay. Farafahakeliny ireo ray aman-dreniny dia nanana fahatakarana kely momba ireo fitahiana izay mety ho azony. Ny fanantenako dia ny mbola hananan’izy ireo fahafahana ihany any ho any ny hahafeno ny fepetra mba ho fianakaviana mandrakizay.

Hiaina zavatra mahafinaritra tahaka ny niainan’i Matthew zanako lahy ireo elder hafa izay mandeha any amin’ny sahan’ny misiôna. Nahita mananotena iray niaraka tamin’ny zanany iraika ambin’ny folo niaina tao anatin’ny fiainana tsotsotra izy sy ny namany. Tiany mba hahazo ny zavatra tianao ho azo izy ireo—dia ny hanana fianakaviana mandrakizay. Ho an’ny zanako lahy dia toy ny hoe tsy ho azo notanterahina mihitsy izany na zara raha azo notanterahina tamin’izay fotoana izay.

Nitsidika izany tanàna kely izany aho taona maro taorian’ny nanaovan’ny zanako lahy batisa an’ilay mananotena ka nasainy nihaona tamin’ny fianakaviany tany am-piangonana. Voatery niandry elaela aho satria avy any amin’ny trano fiangonana maro samihafa tao amin’ilay faritra ny ankamaroan’ireo zanany sy ireo zafikeliny. Ny zanany lahy anankiray dia nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny episkôpà iray, ary voatahy tamin’ireo fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly ny maro amin’ireo zanany ary efa nofehezina ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay izy. Rehefa nandao io rahavavy malala io aho dia nisakambina ahy teo amin’ny valahako izy (fohy kely izy, hany ka zara raha nahavita namihina ny valahako) ka nilaza hoe: “Azafady mba hilazao i Mateo hiverina aty Chili alohan’ny ahafatesako.” Noho ireto elder mahatoky ireto dia nomena ilay anjara mahafaly ny fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra izy.

Misy zavatra izay tsy maintsy ataon’ny loholona iray rehefa miverina avy nanao asa fitoriana izy mba ho marina amin’ny fanolorantenany hikatsaka ny fiainana mandrakizay ho an’ny tenany sy ho an’ireo olona tiany. Tsy misy fanolorantena manan-danja kokoa amin’izao fotoana izao na amin’ny mandrakizay noho ny fanambadiana. Efa nahare torohevitra hendry mba hanao ny fanambadiana ho laharampahamehana ao anatin’ireo drafitra atao raha vantany vao niverina avy nanao asa fitoriana ianao. Ny mpanompo mahatoky ao amin’ny fisoronana dia hanao izany amim-pahendrena.

Rehefa mieritreritra ny fanambadiana izy dia hahita fa eo am-pisafidianana ny ray aman-drenin’ireo zanany sy ny lova izay ho azy ireo. Hanao ilay safidy amim-pikarohana lalina sy am-pandinihana ombam-bavaka izy. Haka antoka tsara izy fa manaraka fitsipika mitovy amin’ny azy momba ny fianakaviana sy mino ny tanjon’ny Tompo ho an’ny fanambadiana tahaka azy ilay olona vadiany ary olona azony hametrahana fitokisana ny amin’ny fahasambaran’ny zanany.

Nanome torohevitra feno fahendrena ny Filoha N. Eldon Tanner hoe: “Ny ray aman-dreny izay tokony hajainao mihoatra ireo ray aman-dreny hafa rehetra dia ny ray aman-drenin’ireo izay ho zanakao. Manana ny zo hanana ny ray aman-dreny tsara indrindra azonao omena azy ireo zaza ireo—dia ray aman-dreny madio.”3 Ny fahadiovana no ho fiarovana ho anao sy ho an’ireo zanakao. Ananan’izy ireo trosa hanome azy ireo izany fitahiana izany ianao.

Ankehitriny dia misy vady sy raim-pianakaviana mihaino amin’izao hariva izao. Inona no azonareo atao? Ny fanantenako dia ny hoe efa nitombo ny fanirianareo hitondra izay fiovana ilainareo sy ilain’ny fianakavianareo mba hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy indray andro any. Amin’ny maha-ray mpihazona ny fisoronana anareo dia afaka mitaona ny fon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianareo ianareo miaraka amin’ny vadinareo eo anilanareo mba hamporisihana azy ireo hiandrandra izany fotoana izany. Hamonjy ny fivoriana fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny fianakavianareo ianareo, hanao fivoriam-pianakaviana izay hanasanareo ny Fanahy Masina ianareo, hiara-mivavaka amin’ny vadinareo sy ny fianakavianareo ianareo, ary hiomana mba hitondra ny fianakavianareo ho any amin’ny tempoly. Hiaraka handeha amin’izy ireo ianareo ao amin’ilay lalana mankany amin’ny fonenan’ny fianakaviana mandrakizay.

Hitondra ny vadinareo sy ny zanakareo tahaka ny efa nitondran’ny Ray any An-danitra anareo ianareo. Hanaraka ny ohatra sy ny fitarihan’ny Mpamonjy ianareo hitarihana ny fianakavianareo amin’ny fombany.

“Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ny fisoronana raha tsy amin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy;

“Amin’ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka—

“Manitsy eo no ho eo amin’ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavana sesehena amin’ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao” (F&F 121:41–43).

Efa nolazain’ny Tompo an’ireo ray mpihazona fisoronana ny hoe tokony ho vady tahaka ny ahoana izy ireo. Hoy izy: “Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ny olona hafa.” (F&F 42:22). Rehefa miresaka amin’ny mpivady ny Tompo dia mandidy hoe: “Tsy … hanitsakitsa-bady, … na hanao zavatra toy izany [ianareo]” (F&F 59:6).

Ho an’ny tanora dia efa nametraka fitsipika ny Tompo. “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ ny Tompo izany” (Kolosiana 3:20) ary “manajà ny rainao sy ny reninao” (Eksodosy 20:12).

Rehefa miresaka amin’ny rehetra ao amin’ny fianakaviana ny Tompo dia ny fifankatiavana sy ny fifanampiana no toroheviny.

Mangataka antsika izy mba “hiezaka ny handavorary ny fiainan’ny [tsirairay ao amin’ny fianakaviana], [mba] hankahery ny malemy; hamonjy [ireo] olo-tiana nania, ary hifaly amin’ny herin’izy ireo ara-panahy izay nohavaozina.”4

Mangataka ihany koa ny Tompo mba hanaovantsika izay rehetra azontsika atao mba hanampiana ireo havantsika izay efa nodimandry mba hiaraka amintsika any amin’ny fonenantsika mandrakizay.

Ireo mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo izay miasa amim-pahavitrihana mba hanampy ny olona hahita ireo razambeny sy hitondra ireo anarana any amin’ny tempoly dia mamonjy an’ireo izay efa nodimandry. Hisy fisaorana maro atolotra ho an’ireo mpisorona avo ireo sy ho an’ireo izay manao ny ôrdônansy ao amin’ny tontolo ho avy, satria tsy nanadino ny fianakaviany izay miandry ao amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo.

Efa niteny ireo mpaminany hoe: “Ny zava-dehibe indrindra amin’ny asan’ny Tompo izay hataonao dia ny asa izay ataonao ao anatin’ny tokantranonao.” Samy manan-danja daholo ny fampianarana isan-tokantrano sy ny asan’ny episkôpà ary ireo andraikitra sahanina ato amin’ny Fiangonana, saingy ny manan-danja indrindra dia ny asa ataonao ao anatin’ny tokantranonao.”5

Any an-tokantranonareo, sy ao amin’ny fanompoana izay ataonareo ao amin’ny fisoronana, ny manan-danja indrindra dia ireo fihetsika kely izay manampy antsika sy ireo izay tiantsika hanao zavatra mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Mety ho hita ho kely ireo fihetsika ireo eto amin’ity fiainana ity, saingy izy ireo dia hitondra fitahiana maharitra mandrakizay.

Rehefa mahatoky isika amin’ny fanompoantsika mba hanampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra hody any Aminy dia ho mendrika ilay fiarahabana tiantsika rehetra ho re isika rehefa mahavita ny asa fanompoantsika eto an-tany. Toy izao izany: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao” (Matio 25:21).

Ao anatin’izany “be” izany ilay fitahiana hanana taranaka tsisy fiafarana. Ny vavaka ataoko dia ny hahatonga antsika ho mendrika sy ny hanampiantsika ny hafa ho mendrika izany fitahian’ny lanitra ao an-tranon’ny Raintsika sy i Jesoa Kristy Zanany izany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 137.

  2. Bruce R. McConkie, ao amin’ny Conference Report, apr. 1970, 26.

  3. N. Eldon Tanner, Church News, apr. 19, 1969, 2.

  4. Jereo ny Bruce R. McConkie, ao amin’ny Conference Report, apr. 1970, 27.

  5. Harold B. Lee, Decisions for Successful Living (1973), 248–49.