2010–2019
Ireo filankevitry ny mpianakavy
Aprily 2016


Ireo filankevitry ny mpianakavy

Rehefa niomana ny ray aman-dreny ary mihaino sy mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ny zanaka dia tena mandaitra ny filankevitry ny mpianakavy!

Ry rahalahy sy anabaviko, toe-javatra hafahafa kanefa marina ny hoe rehefa lehibe ireo zanatsika vao mihamahay an’ilay hoe maha-ray aman-dreny antsika isika. Hozaraiko aminareo amin’ity tolakandro ity ny zavatra iray izay niriako hoe raha mba takatro tsara kokoa tany amin’ny fotoana nanombohanay sy i Barbara nanabe ireo zanakay sarobidy.

Nandritra ny asa fanompoako amin’ny maha-apôstôly ahy dia matetika aho no nanamafy ny hery sy ny lanjan’ireo filankevitry ny Fiangonana, ka anisan’izany ireo filankevitry ny misiôna, tsatòka, paroasy ary vondrona fanampiny.

Inoako fa ny filankevitra no fomba mahomby indrindra hahazoana vokatra tena izy. Ankoatra izany dia fantatro fa ny filankevitra dia fomban’ny Tompo ary nahary ny zavatra rehetra ato amin’izao tontolo izao Izy tamin’ny alalan’ny filankevitra, araka ny voalaza ao amin’ny soratra masina.1

Hatramin’izao anefa dia tsy mbola niresaka na oviana na oviana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany momba ny filankevitra fototra sy manan-danja—ary angamba ny manan-danja indrindra—amin’ny filankevitra rehetra aho: dia ny filankevitry ny mpianakavy.

Nilaina foana hatramin’izay ny filankevitry ny mpianakavy. Raha ny marina dia mandrakizay izy izany. Tao anatin’ny filankevitry ny mpianakavy iray isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, rehefa niara-niaina tamin’ny ray aman-drenintsika any an-danitra tamin’ny naha-zanaka ara-panahin’izy ireo antsika.

Ny filankevitry ny mpianakavy, rehefa tarihina amim-pitiavana sy amin’ny toe-panahy araka an’i Kristy, dia hampihena ny fiantraikan’ny teknôlôjia maoderina izay matetika mahatonga antsika tsy handany fotoana tsara miaraka sy toa mitondra mivantana ny ratsy ao an-tokantranontsika koa.

Tsarovy fa ny filankevitry ny mpianakavy dia samy hafa amin’ny takarivan’ny mpianakavy atao isaky ny alatsinainy. Mifantoka voalohany indrindra amin’ny fampianarana ny filazantsara sy ny fiaraha-mientan’ny fianakaviana ny takarivan’ny mpianakavy. Ny filankevitry ny mpianakavy kosa etsy andaniny dia azo atao na andro inona na andro inona ao anatin’ny herinandro, ary izy ireny amin’ny ankapobeny dia fivoriana iray izay hihainoan’ny ray aman-dreny—hifampihainoan’izy ireo sy hihainoany ny zanany.

Inoako fa misy karazana filankevitry ny mpianakavy efatra farafahakeliny.

Voalohany, ny filankevitry ny mpianakavy ankapobeny izay ahitana ny fianakaviana iray manontolo.

Faharoa, ny filankevitry ny mpiandraikitra ao amin’ny fianakaviana izay ahitana ny reny sy ny ray.

Fahatelo, ny filankevitry ny ampahan’ny fianakaviana izay ahitana ireo ray aman-dreny sy ny zanaka iray.

Fahefatra, filankevitry ny mpianaka izay ahitana ny ray na ny reny sy ny zanaka iray.

Mandritra ireo karazana filankevitry ny mpianakavy rehetra ireo dia tokony hovonoina avokoa ny fitaovana elektrônika rehetra mba hahafahan’ny rehetra mifampijery sy mifampihaino. Azonareo atao ny maka fitoeran-javatra iray hasiana ireo fitaovana elektrônika mandritra ireo filankevitry ny mpianakavy sy amin’ny fotoana hafa mahamety izany, ka rehefa mivondrona ny fianakaviana dia afaka mametraka ny finday sy ny tablettes ary ny Mp3 ao anatin’ilay fitoeran-javatra ny rehetra—tafiditra ao anatin’izany i Neny sy i Dada. Amin’izay afaka mifanakalo hevitra izy ireo avy eo ka tsy ho halaim-panahy hamaly poke ao amin’ny Facebook, na SMS, na Instagram, na Snapchat, na ireo fanairana hoe misy email.

Mamelà ahy hizara fohy aminareo ny fomba handairan’ireo karazana filankevitry ny mpianakavy tsirairay ireo.

Voalohany, ny filankevitry ny mpianakavy iray manontolo dia ahitana ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana.

Ny bokikelin’ny Fiangonana mitondra ny lohateny hoe Ny fianakaviantsika (Ma famille) dia milaza hoe: “Afaka mihaona io filankevitra io mba hifanakalozana hevitra momba ireo olana ao amin’ny fianakaviana, handaminana ny ara-bola, hanaovana drafitra, hifanohanana na hifankaherezana, ary hifampitondrana am-bavaka sy hitondrana am-bavaka ny vondron’ny fianakaviana.”2

Ity filankevitra ity dia tokony hihaona amin’ny fotoana voatondro mialoha ary mazàna misy rindran-damina bebe kokoa noho ny karazana filankevitry ny mpianakavy hafa.

Tokony hatomboka amin’ny vavaka izany, na mety ho fanohizana tsotra izao ny resaka izay efa natomboka tany amin’ny toe-javatra niseho hafa. Mariho fa ny filankevitry ny mpianakavy dia mety tsy hanomboka na hiafara amin’ny fomba voarindra foana.

Rehefa niomana ny ray aman-dreny ary mihaino sy mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ny zanaka dia tena mandaitra ny filankevitry ny mpianakavy!

Na inona na inona toe-javatra misy eo amin’ny fianakaviantsika manokana, dia tena zava-dehibe ny hahatakarantsika ny toe-javatra manokana iainan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Na mety mitovy rà aza isika dia mety misy toe-javatra misy na toe-javatra iainana samy hafa eo anivontsika ka mahatonga antsika ho tena tsy mitovy ka mety hitaky ny fiaraha-miasa feno hatsaram-panahin’ny filankevitry ny mpianakavy.

Ohatra, ny firesahana sy ny fanehoan-kevitra ary ny fitiavana rehetra eto amin’izao tontolo izao dia mety tsy hamaha ny olana ara-pahasalamana na ara-pihetsehampo atrehin’ny olona iray na maromaro ao anatin’ny fianakaviana iray. Amin’ny fotoana toy izany dia manjary ho toeran’ny firaisankina sy fahatokiana ary fanohanana am-pitiavana ny filankevitry ny mpianakavy rehefa mitady vahaolana avy amin’ny olona na fikambanana hafa ilay fianakaviana.

Ny iray tampo, indrindra fa ireo zoky, dia afaka ny ho mpitarika mahery vaika ho an’ireo zandry raha toa ka hampiasa ny filankevitry ny mpianakavy mba hangatahana ny fanampian’izy ireo sy ny fanohanan’izy ireo ny ray aman-dreny mandritra ny fotoan-tsarotra sy mahamay.

Amin’izany dia mitovy be amin’ny paroasy ny fianakaviana iray. Rehefa mampandray anjara ireo olona ao amin’ny filankevitry ny paroasy ny eveka dia afaka mamaha ireo olana sy manatontosa asa tsara maro izy amin’ny fomba izay tsy ho vitany velively raha tsy misy ny fanampian’izy ireo. Ireo ray aman-dreny dia mila mampandray anjara ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana, amin’ny fomba toy izany, eo amin’ny famahana ireo olana sy ny fahoriana. Miasa ny herin’ny filankevitry ny mpianakavy amin’izany. Rehefa mahatsapa ireo olona ao amin’ny filankevitra fa mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra izy ireo dia lasa mpanohana izy ireo ka tratra ireo vokatra tsara miavaka.

Tsy ny filankevitry ny mpianakavy rehetra no ahitana ray sy reny ary zanaka. Mety ho samy hafa amin’ny filankevitry ny mpianakavinareo ny endriky ny filankevitry ny mpianakavinay rehefa nanabe ireo zanakay fito izahay. Ankehitriny dia ahitana an’i Barbara sy ny tenako sisa ny filankevitry ny mpianakavy, raha tsy hoe manao filankevitry ny mpianakavy iray manontolo izahay miaraka amin’ireo zanakay efa lehibe sy ny vadin’izy ireo, ary indraindray miaraka amin’ireo zafikely sy zafiafinay.

Ireo tokan-tena ary na ireo mpianatra mipetraka lavitra ny tokantrano aza dia afaka manaraka ny lamin’ny filankevitra araka an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fivondronana miaraka amin’ny namana sy ny mpiray trano mba hifanome torohevitra.

Eritrereto ny fomba hiovan’ny tontolo ao anatin’ny trano iray raha toa ka mivondrona tsy tapaka mba hiaraka hivavaka sy hifampihaino sy hifanakalo hevitra ary hiaraka hanao drafitra ny mpiray trano.

Afaka mampifanaraka ny filankevitry ny mpianakavy mba hahazoana tombontsoa amin’izany lamina masina napetrak’ Andriamanitra izany ny rehetra.

Araka ny efa nolazaiko teo aloha dia mety hanampy ny filankevitry ny mpianakavy iray manontolo indraindray. Ny fianakaviana iray manontolo dia mety ahitana ny raibe sy renibe ary ireo zanaka efa lehibe izay tsy mipetraka ao an-tokantrano. Na mipetraka lavitra aza ireo raibe sy renibe na ireo zanaka efa lehibe dia afaka mandray anjara amin’ireo filankevitry ny mpianakavy amin’ny alalan’ny telefaonina, na Skype, na FaceTime izy ireo.

Azonareo atao ny manao filankevitry ny mpianakavy amin’ny andro alahady, izay andro voalohany ao amin’ny herinandro. Afaka manao jery todika ny herinandro lasa ny mpianakavy ary manao drafitra ho an’ny herinandro ho avy. Mety ho izany mihitsy no ilain’ny fianakavianareo mba hahatonga ny Sabata ho fahafinaretana.

Ny karazana filankevitry ny mpianakavy faharoa dia ny filankevitry ny mpiandraikitra ao amin’ny fianakaviana izay ahitana ireo ray aman-dreny ihany. Mandritra io fotoana iarahana io ny ray aman-dreny dia afaka mamerina mijery ireo zavatra ilain’ny zanaka tsirairay, ara-batana sy ara-pihetsehampo, ary ara-panahy, ary koa ny fivoarany.

Ny filankevitry ny mpiandraikitra ao amin’ny fianakaviana ihany koa dia fotoana tsara ho an’ny mpivady mba hiresahana momba ny fifandraisan’izy roa manokana. Rehefa nanatanteraka ny famehezana anay ny Loholona Harold B. Lee, dia nampianatra fitsipika iray izay inoako fa tena hanampy ny mpivady rehetra izy: “Aza mandeha matory na oviana na oviana raha tsy efa avy niara-nandohalika sy nifandray tanana ka nivavaka ianareo. Ny vavaka toy izany dia manasa ny Ray any An-danitra hanoro hevitra antsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy.”

Ny karazana filankevitry ny mpianakavy fahatelo dia ny filankevitry ny ampahan’ny fianakaviana. Eto dia mandany fotoana miaraka amin’ny zanaka iray ny ray sy ny reny izay fotoana iray efa voarindra mialoha na fotoana tsotsotra. Fahafahana iray ifanakalozana hevitra momba ny fandraisana fanapahan-kevitra mialoha momba ireo zavatra izay ho ataony na tsy ho ataony amin’ny ho avy izany. Rehefa noraisina ny fanapahan-kevitra toy izany dia azony atao ny manoratra izany mba hojerena rehefa ilaina any aoriana. Raha toa ka hitan’ny zanakareo vavy na lahy fa manohana mafy azy ianareo dia afaka mametraka tanjona sy fikasana ho an’ny hoavy izany filankevitra izany. Fotoana iray hihainoana tsara ireo olana na zava-manahirana atrehan’ny zanaka iray izany, toy ny tsy fahampian’ny fahatokiantena, ny herisetra, ny fanesoesoana, na ny tahotra.

Ny karazana filankevitry ny mpianakavy fahefatra dia ny filankevitry ny mpianaka izay ahitana ny ray na reny sy ny zanaka iray. Ity karazana filankevitra ity amin’ny ankapobeny dia mitranga fotsiny izao. Ohatra, afaka manararaotra ireo fotoana tsotsotra rehefa mandeha fiara na manao raharaha ao an-trano ny mpianaka. Ny fotoana iray hivoahan’ny zanaka iray miaraka amin’ny rainy na ny reniny dia afaka manome fahafahana ifandraisana ara-panahy sy ara-pihetsehampo miavaka. Arindrao mialoha izany mba hahafahan’ny zanaka miandrandra sy manantena fotoana manokana hiarahana irery amin’i Neny na i Dada.

Izao ry rahalahy sy rahavavy, nisy fotoana ireo rindrin’ny tranontsika dia nanome ny fiarovana ilaina rehetra amin’ireo fandrobana sy fitaomana avy any ivelany. Nohidintsika ny varavarana sy ny varavarankely. Nakatotsika ny vavahady, dia nahatsapa ho voaro amin’izao tontolo izao isika tao anatin’ilay fialofana kelintsika.

Efa lasana ireo andro ireo izao. Tsy afaka manakana ny fanafihana tsy hita maso avy amin’ny Internet sy ny Wi-Fi ary ny tambazotran’ny finday ireo rindrina sy varavarana sy fefy ary vavahadin’ny tokantranontsika. Afaka miditra ao an-tokantranontsika amin’ny alalan’ny fanindriana bokotra vitsy monja izany.

Soa ihany fa nanolotra fomba iray ny Tompo hanoherana ny fanafihan’ireo teknôlôjia ratsy izay mety hanao izay tsy hanokanantsika fotoana tena tsara mba hiarahana. Nataony izany tamin’ny fanomezana ny filankevitra mba hampatanjahana sy hiarovana ary hikolokoloana ireo fifandraisana sarobidy indrindra ananantsika.

Ny ankizy dia mila fatratra ray aman-dreny vonona ny hihaino azy ireo, ary afaka manolotra fotoana iray ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mianatra mifankahazo sy mifankatia ny filankevitry ny mpianakavy.

Nampianatra i Almà hoe: “Milà hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ny tsara ianao.”3 Hanatsara ny fifandraisantsika ny fanasana ny Tompo mba handray anjara amin’ny filankevitry ny fianakaviantsika. Afaka ny ho lasa manam-paharetana, tsara fanahy, tia manampy, mahay mamela, ary maneho fahatakaran-tsaina bebe kokoa isika, miaraka amin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjintsika, rehefa mivavaka mba hahazo fanampiana. Afaka manao ny tokantranontsika ho sombin-danitra eto an-tany isika miaraka amin’ny fanampian’Izy ireo.

Ny filankevitry ny mpianakavy izay mifanaraka amin’ny lamin’ireo filankevitra any an-danitra sy heniky ny fitiavana araka an’i Kristy, ary tarihin’ny Fanahin’ny Tompo dia hanampy antsika hiaro ny fianakaviantsika amin’ireo fialamboly izay mety handroba ireo fotoana sarobidy iarahantsika sy hiaro antsika amin’ireo faharatsian’izao tontolo izao.

Ny filankevitry ny mpianakavy, ampiarahina amin’ny vavaka, dia hanasa ny fanatrehan’ny Mpamonjy, araka ny nampanantenainy hoe: “Fa na aiza na aiza iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.”4 Mitondra fitahiana tsy hay faritana ny fanasana ny Fanahin’ny Tompo handray anjara amin’ireo filankevitry ny fianakaviantsika.

Farany dia tsarovy fa ny filankevitry ny mpianakavy izay atao tsy tapaka dia hanampy antsika hahatsikaritra mialoha ireo olana ao amin’ny fianakaviana ka hamaha izany mialoha ny hitomboany. Hanome fahatsapana ho manana ny maha-izy azy sy ho manan-danja ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana ny filankevitra; ary indrindra, hanampy antsika ho mahomby sy ho sambatra kokoa ao amin’ireo fifandraisana sarobidy ananantsika, ao anatin’ny rindrin’ny tokantranontsika. Ny vavaka amim-panetrentena ataoko dia enga anie ny Ray any An-danitra hitahy ny fianakaviantsika rehetra eo am-panaovantsika ny filankevitra miaraka, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.